Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tany Iray Tsy Hisy Vanja Milevina

Tany Iray Tsy Hisy Vanja Milevina

Tany Iray Tsy Hisy Vanja Milevina

IZA no afaka mamaha ny olana mahakasika ny vanja milevina? Araka ny efa hitantsika, ny ezaka ataon’ny olombelona dia tsy afaka mamongotra ny fankahalana, ny fihizingizinana amin’ny hevitry ny tena, ary ny fitsiriritana tafahoatra. Takatr’ireo mpianatra ny Baiboly anefa fa afaka mitondra vahaolana maharitra ny Mpamorona. Ahoana anefa no hanaovany izany?

Fanorenana fiaraha-monina tia fihavanana

Ny olona no miady, fa tsy ny fitaovam-piadiana. Raha tiantsika àry ny handry feizay, dia tsy maintsy esorina ny fankahalana izay mampizarazara ny olombelona ho firazanana sy foko ary firenena samihafa. Mampanantena ny hanao izany amin’ny alalan’ny Fanjakany Andriamanitra. Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nampianarina hivavaka momba io Fanjakana io. — Matio 6:9, 10.

Milaza an’i Jehovah ho ilay “Andriamanitry ny fiadanana” ny Baiboly. (Romana 15:33). Ny fiadanana atolotr’Andriamanitra dia tsy miorina amin’ny lalàna fandrarana sy amin’ny fifanekena, na amin’ny tahotra valifatin’ny firenena fahavalo ampy fiadiana. Mifanohitra amin’izany fa mahafaoka fanovana ny fomba fisainan’ny olona sy ny fihetsiny eo anoloan’ny mpiara-belona aminy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra.

Hampianatra ny mpandefitra ny lalan’ny fiadanana i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 25:9). Ny Teniny, ny Baiboly, dia mampanantena fa hisy fotoana amin’ny hoavy izay hahitana ny velona rehetra “ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao”. (Isaia 54:13). Efa mitranga amin’ny ambaratonga kely izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra maneran-tany ho mampandroso ny fihavanana eo amin’ny olona, eny fa na dia avy amin’ny fiaviana samy hafa be mihitsy aza. Miezaka mafy hiara-miaina amim-piraisan-tsaina ny olona nampianarina ny foto-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly, na inona na inona nety ho nampisara-bazana azy ireo, raha tsy nahazo izany fampianarana izany izy ireo. Ny fampianaran’ny Baiboly dia manova tanteraka ny fomba fijerin’izy ireo, ka tsy mifankahala intsony izy ireo, fa mifankatia. — Jaona 13:34, 35; 1 Korintiana 13:4-8.

Ankoatra ny fampianarana, dia efa hatramin’ny ela no niheverana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho zavatra fototra ilaina mba hanafoanana ny fitaovam-piadiana. Ohatra, ny Komity Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena dia manolo-kevitra hoe tokony hiray saina ny fiaraha-monina iraisam-pirenena eo amin’ny fandavorariana ny fepetra noraisina mba hisorohana sy hanafoanana ny fandrahonan’ny vanja milevina.

Mampanantena ny hanao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah. Nanambara mialoha i Daniela mpaminany hoe: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; (...) ireo fanjakana rehetra [misy ankehitriny] ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

Hanatanteraka izay zavatra tsy hain’ny olombelona tanterahina ny Fanjakan’Andriamanitra. Manambara ara-paminaniana toy izao, ohatra, ny Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy [Jehovah]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hisian’ny rivo-piainana tena hahafahan’ny olona hihavana tsara amin’ny Mpamorona azy sy amin’ny mpiara-belona aminy. — Isaia 2:4; Zefania 3:9; Apokalypsy 21:3, 4; 22:2.

Mahita fampiononana ao amin’io hafatra ara-baiboly io i Augusto, voatonona teo am-piandohan’ilay lahatsoratra teo aloha. Manampy azy hino ny fampanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreniny, izay Vavolombelon’i Jehovah. (Marka 3:1-5). Mazava ho azy fa amin’izao fotoana izao, dia tsy maintsy miaritra fijaliana vokatr’ilay vanja nipoaka, izay nanakilema azy, izy. Na izany aza, dia miandrandra ny fotoana hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra tany zary paradisa izy. Amin’izany fotoana izany, dia “hampahiratina ny mason’ny jamba, ary (...) hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa”, hoy ny nambaran’i Isaia mpaminany mialoha. — Isaia 35:5, 6.

Ao amin’izany Paradisa ho avy izany, dia tsy hahatandindomin-doza ny aina sy ny rantsambatana intsony ny vanja milevina. Hilamin-tsaina kosa ny olona any amin’ny vazan-tany efatra. Nilazalaza izany toy izao i Mika mpaminany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” — Mika 4:4.

Ho tianao ve ny hianatra misimisy kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra izay voalaza ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly? Mifandraisa àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

[Sary, pejy 8, 9]

Tsy ho loza mandrahona intsony ny vanja milevina, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra