Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mahazaka Laktaozy ve Ianao?

Tsy Mahazaka Laktaozy ve Ianao?

Tsy Mahazaka Laktaozy ve Ianao?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

“Nitsidika namana vitsivitsy tany amin’ny Fanjakan’i Puebla, eto Meksika, izaho sy ny vadiko. Nanana ombivavy ireo mpampiantrano anay, ka noho izany dia norosoany ronono velona vao avy noterena izahay tamin’ny sakafo maraina sy ny sakafo hariva.

Nahatsiaro ho tsy netinety izahay ny alina voalohany, fa nahatsiravina ny andro faharoa. Nibontsina be ny kiboko, ka toy ny hoe bevohoka volana maromaro aho. Avy eo dia samy narary kibo nivalana be izahay roa.

Efa taona maro tatỳ aoriana vao fantatray fa tsy mahazaka laktaozy izahay.” — Bertha.

TSY mahalana io zavatra niainan’i Bertha io, satria misy manombantombana fa 75 isan-jaton’ny olon-dehibe maneran-tany no mety hahitana ny sasantsasany na izy rehetra amin’ny soritr’aretin’ny tsy fahazakana laktaozy. * Fa inona moa izany aretina izany, ary inona no mahatonga azy io? Zava-dehibe indrindra koa ny hoe: Inona no azo atao hiatrehana azy io?

Ilay teny hoe “tsy fahazakana laktaozy” dia manondro ny tsy fahafahan’ny vatana mandevona ny laktaozy, dia ilay siramamy betsaka indrindra ao amin’ny ronono. Mba hahatonga ny laktaozy horaisin’ny lalan-dra, dia tsy maintsy levonina ho lasa giliokaozy sy galaktaozy, izy io. Mba hahafahana hanao izany anefa, dia ilaina ny anzima iray antsoina hoe laktazy. Ny olana dia avy amin’ny hoe kely kokoa ny laktazy foronin’ny vatana, aorian’ny fahazazana. Noho ny tsy fahampian’ny laktazy ao amin’ireo olon-dehibe, dia manjary tsy mahazaka laktaozy, izy ireo.

Raha betsaka kokoa noho izay azon’ny olona iray levonina ny laktaozy haniny (avy amin’ny ronono sy ny zavatra vita amin’ny ronono), dia hovain’ireo bakteria ao amin’ny tsinaibe ho asidra laktika sy roanoksida-na karbonina, ireo laktaozy. Rehefa afaka antsasak’adiny monja, dia misy fambara mipoitra, anisan’izany ny hoe misalebolebo ta handoa, misy mifandrirotra be any amin’ny tsinay, mibontsina feno rivotra ny kibo ary mivalana. Mety hanandrana hisotro ronono betsaka kokoa mba hanandramana hampitony ny vavoniny ny sasany izay tsy mahafantatra ny tenany ho tsy mahazaka laktaozy, kanefa vao mainka hanitatra ilay zava-manahirana izany.

Mety ho samy hafa arakaraka ny olona ny halehiben’ny tsy fahazakana laktaozy. Mety ho afaka hisotro ronono kely ny sasany, nefa tsy hahita vokany ratsy mihitsy. Ho an’ny hafa kosa anefa, dia mety hiteraka an’ireo fambara ny fisotroana na dia ronono kely fotsiny aza. Ny soso-kevitry ny sasany dia ny hanombohana hisotro ronono kely fotsiny, mba hamantarana izay fatrany zakanao. Avy eo dia ampitomboina tsikelikely ny habetsahany, ary elanelanina ny fotoana isotroana azy. Tadidio fa na dia tsy mahafinaritra aza ireo famantarana ny tsy fahazakana laktaozy, dia mahalana izy ireny no mampidi-doza.

Inona no hohanina ary inona no tsy hohanina?

Raha tsy mahazaka laktaozy ianao, dia ilainao ny mamantatra izay azonao hanina sy izay tsy azonao hanina. Miankina be dia be amin’ny habetsahan’izay zakanao izany. Anisan’ny sakafo misy laktaozy ny ronono, ny gilasy, ny yaorta sy ny dibera ary ny fraomazy. Mety hisy laktaozy koa ao amin’ny sakafo efa masaka sasany, tahaka ny mofomamy sy ireo voa madinika ary ireo saosy fanao amin’ny salady. Noho izany, dia tokony hijery ilay soratra milaza izay mahaforona an’ilay sakafo, amin’ireny zavatra ireny, izay olona tsy mahazaka laktaozy.

Zavatra voalohany manome kalsioma, mazava ho azy, ny ronono, ary mety hitarika ho amin’ny fitomboan’ny fahosan’ny taolana, ny tsy fahampian’ny fihinanana kalsioma. Noho izany, dia tokony hitady zavatra hafa manome kalsioma ireo izay tsy mahazaka laktaozy. Misy kalsioma ny legioma sasany toy ny anandrano, ny soflera, ny laisoa, sy ny zepinara ary ny ravin’ny nave. Toy izany koa ny amandy sy ny voan’ny sésame, ny tsaramaso maina, ny tamenak’atody sy ireo trondro malemy taolana toy ny sardine sy saumon ary pirina.

Tsy voatery ho tonga dia havelanao tanteraka akory ny ronono sy ireo zavatra avy aminy, na dia tsy mahazaka laktaozy aza ianao. Jereo kosa, etsy an-danin’izany, ny habetsahan’izay mety ho zakanao, ary aza mihinana mihoatra izany. Raha mety, dia hano miaraka amin’izay sakafo misy laktaozy ny sakafo hafa. Tadidio koa fa kely kokoa ny laktaozy ao amin’ireo fraomazy efa ela kokoa, ka mety tsy hampaninona ny fihinanana azy. Ahoana ny amin’ny yaorta? Saika mitovy amin’ny laktaozy ao amin’ny ronono ny laktaozy ao aminy, nefa misy olona tsy mahazaka laktaozy mahalevona azy io tsara. Nahoana? Satria misy zavamiaina bitika dia bitika mamorona laktazy ao amin’ny yaorta, ary izany no manampy amin’ny fandevonana ny laktaozy.

Raha tsy mahazaka laktaozy ianao, dia aza manahy. Araka ny hitantsika, dia manampy anao hifehy an’io zavatra tsy mety io mora foana ny fahafantarana azy. Tadidio anefa ireto hevitra ireto:

1) Mihinàna ronono na zavatra vita avy aminy kely dia kely, miaraka amin’ny sakafo hafa, mba hahitanao ny habetsahan’izay zakanao.

2) Mihinàna yaorta sy fraomazy efa ela kokoa, satria mora levonina kokoa izy ireny mazàna.

3) Mihinàna izay mety ho sakafo tsy misy laktaozy, sy ireo sakafo misy laktazy.

Rehefa manaraka ireo soso-kevitra ireo ianao, dia afaka miady amin’ny tsy fahazakana laktaozy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ny aziatika no tsy mahazaka laktaozy kokoa noho izay mety ho antokon’olona hafa. Vitsy kokoa ireo taranaka eoropeanina tandrefana no voan’izy io.

[Efajoro, pejy 27]

Famantarana ny Tsy Fahazakana ny Laktaozy

Misy fomba maro samihafa ampiasaina mba hamantarana ny tsy fahazakana laktaozy.

Fitsirihana ny fahazakana laktaozy: Rehefa avy nifady hanina ny marary iray, dia misotro rano misy laktaozy. Hakana ra izy mba hijerena ny fahalevonan’ny laktaozy.

Fitsirihana ny hidirozenina amin’ny fisefoana: Rehefa tsy levona ny laktaozy, dia mamorona rivotra samihafa, anisan’izany ny hidirozenina. Io hidirozenina io dia miainga avy any amin’ny tsinay mankany amin’ny fikorianan’ny ra, avy eo mankany amin’ny havokavoka, ary dia mivoaka amin’ny fisefoana.

Fitsirihana ny asidra ao amin’ny diky: Ny laktaozy tsy levona ao amin’ny tsinaibe dia mamorona asidra izay hita ao amin’ny diky.

Matetika no marary tsy nampidirina hopitaly no anaovana ireo fitsirihana ireo.