Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vanja Milevina — Fanombanana ny Fahavoazana Aterany

Vanja Milevina — Fanombanana ny Fahavoazana Aterany

Vanja Milevina — Fanombanana ny Fahavoazana Aterany

Tamin’ny 26 Desambra 1993, dia nandehandeha teny amin’ny saha iray, tany akaikin’i Luanda, renivohitr’i Angola, i Augusto, zazalahy kely enin-taona. Tampoka teo, dia nahamarika zavatra namirapiratra teo amin’ny tany izy. Taitra ny fahalianany ka nanapa-kevitra ny haka azy io izy. Izay nataony avy eo dia nahatonga vanja nilevina hipoaka.

Ho vokatr’ilay fipoahana, dia voatery notapahina ny tongony havanana. Roa ambin’ny folo taona izy izao, ary tsy afa-miala eo amin’ny seza misy kodiarana amin’ny ankamaroan’ny fotoana, sady jamba.

NANJARY kilemaina i Augusto noho ny vanja nilevina iray, izay natao hamelezana miaramila. Tsy tanky, na fiara miaramila hafa, mantsy, no kendren’io karazam-banja io voalohany indrindra, fa olona. Tombanana fa hatramin’izao, dia karazam-banja milevina 350 mahery, natao hamelezana miaramila, no namboarina tany amin’ny tany 50, fara fahakeliny. Natao handratrana, fa tsy hamonoana ho faty, ny ankamaroany. Fa nahoana? Satria mila fanampiana ny miaramila maratra, ka ny miaramila nahazo ratra mafy noho ny vanja milevina dia hampiadana ny fanafihan’ny tafika — ary izay indrindra no irin’ny fahavalo. Ambonin’izany, ny kiakiaka feno famoizam-pon’ny miaramila maratra iray dia mety hampivadi-po ireo namany. Noho izany, dia mazàna no heverina ho tena nahatratra ny zava-kendreny ny vanja milevina rehefa tsy maty izay voany — na dia zara fa velona aza.

Araka ny nomarihina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha anefa, dia sivily, fa tsy miaramila, ny ankamaroan’ny nipoahan’ny vanja milevina. Tsy hoe kisendrasendra foana akory izany. Araka ny voalazan’ny boky Landmines—A Deadly Legacy (Vanja Milevina — Lova Mahafaty), dia “sivily no tena kendrena [amin’ny vanja sasany], mba hanaovana ny faritra iray ho foana tsy hisy mponina, hanimbana ny loharanon-tsakafo, hahatonga ny mponina hitsoa-ponenana, na mba hampielezana horohoro fotsiny”.

Raha hanonona ohatra iray isika, dia nandevenana vanja nanodidina ny vohitra fahavalo, tamin’ny fifandonana iray tany Kambodja. Nanaovana tifitra variraraka ireny vohitra ireny avy eo, hany ka namantana tao amin’ilay faritra nandevenana vanja ireo sivily nanandrana nandositra. Tetsy an-danin’izany, mba hanerena ny fitondram-panjakana hanaiky hifampiraharaha taminy, dia nandevina vanja tao amin’ny tanimbary ny mpikambana tao amin’ny Khmer Rouge, ka niteraka tahotra tao amin’ireo mpamboly, ary tena nampiato ny fambolena.

Izay nitranga tany Somalia tamin’ny 1988 angamba no naharikoriko kokoa noho izany. Voatery nandositra ny mponina tao Hargeysa, rehefa nodarohana baomba ilay vohitra. Avy eo, dia nandevina vanja tao amin’ireo trano nilaozan’ny mponina ny miaramila. Rehefa nifarana ny ady, dia nody ireo mpitsoa-ponenana, kanjo fahazoana kilema na fahafatesana nateraky ny vanja niafina izay nipoaka no niandry azy.

Tsy ny aina sy ny rantsambatana ihany anefa no tandindomin-doza noho ny vanja milevina. Andeha isika handinika vokany hafa sasantsasany entin’ireny fitaovam-piadiana mitera-doza ireny.

Fahavoazana ara-toe-karena sy ara-tsosialy

Izao no fanamarihana nataon’i Kofi Annan, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana: “Ny fisian’ny vanja milevina anankiray monja — eny, fa na ny tahotra ny fisian’ny vanja milevina iray monja aza — dia afaka misakana ny fambolena saha iray manontolo, afaka manaisotra ny fiveloman’ny mponina rehetra ao amin’ny vohitra iray, afaka mametraka sakana iray hafa eo amin’ny fanamboarana indray sy ny fampitomboana ny lalana ao amin’ny tany iray.” Araka izany, tany Afghanistan sy Kambodja, dia ny 35 isan-jaton’ny tany teo ho eo no mbola azo novolena, raha tsy natahotra ny handia tany ireo mpamboly. Misy manao vivery ny ainy ihany. “Atahorako mafy ny vanja milevina”, hoy ny mpamboly kambodjianina iray. “Nefa raha tsy mandeha maka vilona sy volotsangana aho, dia ho faty izahay mianakavy.”

Matetika ny olona nipoahan’ny vanja milevina, nefa tsy maty tamin’izany, no miatrika fahasahiranana mafy ara-bola. Ao amin’ny tany an-dalam-pandrosoana iray, ohatra, ny ankizy iray tapa-tongotra teo amin’ny fahafolo taonany, dia mety hila solotongotra hatramin’ny 15, mandritra ny androm-piainany. Amin’ny antsalany, dia 125 dolara (800 000 FMG) eo ho eo ny vidin’ny solotongotra iray. Marina aloha fa mety ho tsy lafo be izany amin’ny olona sasany. Ho an’ny ankamaroan’ny mponina any Angola anefa, ny 125 dolara dia mihoatra noho ny karama telo volana!

Hevero koa ny fahavoazana mafy eo amin’ny ara-tsosialy. Ny olom-pirenena ao amin’ny tany aziatika iray, ohatra, dia manalavitra ny fifaneraserana amin’olona tapa-tongotra, satria matahotra sao azon’ny “vintan-dratsy” koa. Mety ho nofinofy fotsiny ny fanambadiana, ho an’ny olona iray tapa-tongotra. “Tsy mikasa ny hanambady aho”, hoy ny fitarainan’ny lehilahy angoley iray, izay voatery notapahin-tongotra, taorian’ny nahazoany ratra avy tamin’ny fipoahan’ny vanja nilevina. “Lehilahy afaka miasa no tian’ny vehivavy.”

Tsy mahagaga raha mijaly noho ny fahatsapana ho tsy mendrika firy ny olona maro niharam-pahavoazana. “Tsy afa-mamelona ny ankohonako intsony aho”, hoy ny lehilahy kambodjianina iray, “ary mahamenatra ahy izany.” Vao mainka mandreraka kokoa noho ny famoizana rantsambatana iray ny fihetseham-po toy izany, indraindray. “Heveriko fa ny fahavoazana ara-pihetseham-po no fahavoazana lehibe indrindra nanjo ahy”, hoy i Artur, lehilahy iray nipoahan’ny vanja milevina tatsy Mozambika. “Matetika no mitranga ny hoe sorena aho, satria fotsiny misy olona mijery ahy. Nihevitra aho fa tsy nisy olona nanaja ahy intsony, ary tsy hanana fiainana ara-dalàna intsony aho.” *

Ahoana ny amin’ny fanesorana ny vanja milevina?

Nisy ezaka be dia be natao tato anatin’ireo taona faramparany mba hampirisihana ireo firenena handrara ny fampiasana vanja milevina. Fanampin’izany, dia nisy fitondram-panjakana nanomboka nanala ireo vanja efa nalevina. Asa mampidi-doza izany. Misy zavatra maromaro anefa misakana ny fanaovana izany. Mahakasika ny fotoana ny iray. Maka fotoana be mantsy ny fanesorana vanja milevina. Raha ny marina, dia tombanan’ireo mpanala vanja fa, amin’ny antsalany, dia avo zato heny ny fotoana ilaina hanesorana vanja iray noho ny handevenana azy. Sakana hafa koa ny fandaniana ara-bola. Mitentina 3 dolara (20 000 FMG) ka hatramin’ny 15 dolara (100 000 FMG) ny vidin’ny vanja iray, nefa mety hahatratra 1 000 dolara (6 500 000 FMG) ny fanalana ny iray.

Araka izany, dia toa tena tsy ho vita mihitsy ny fanesorana tanteraka ny vanja rehetra. Mba hanalana ny vanja milevina rehetra any Kambodja, ohatra, dia tokony hanokana ny karamany iray manontolo ho amin’izany asa izany ny olona tsirairay avy ao amin’io tany io, mandritra ny taona maromaro manaraka. Tombanana fa na dia misy aza ny vola ilaina amin’izany, ny fanalana ny vanja rehetra any dia hitaky taonjato iray. Vao mainka mahakivy ny toe-javatra maneran-tany. Tombanana fa hitentina telo arivo sy telo alina tapitrisa dolara ny fanesorana ny vanja milevina eto amin’ny planeta, amin’ny fampiasana ny teknolojia misy amin’izao fotoana izao, ary hitaky arivo taona mahery!

Marina aloha fa, momba ny fanesorana vanja, dia nisy nandroso teknika vaovao — manomboka amin’ny fampiasana lalitra novana fototarazo mba ho afaka hamantatra ny toerana misy vanja, ka hatramin’ny fampiasana fiara goavana tarihina amin’ny alalan’ny radio, izay hanaisotra vanja ao amin’ny tany roa hektara isan’ora. Mety tsy ho ato ho ato anefa no ho azo ampiasana ny teknika toy izany amin’ny ambaratonga lehibe, ary azo inoana fa ny tany manankarena indrindra ihany no ho afaka hahazo izany.

Any amin’ny faritra maro àry, dia ny fomba tranainy no ampiasaina anesorana ny vanja milevina. Mandady amin’ny kibony ny lehilahy iray, ka mampiasa fitaovana lavalava hitsapana ny ao anatin’ny tany eo anoloany, isaky ny santimetatra, ary manala vanja ao amin’ny faritra 20 ka hatramin’ny 50 metatra toradroa isan’andro. Mampidi-doza ve izany? Eny, satria isaky ny vanja 5 000 voaisotra, dia iray ny mpanala vanja maty, ary roa maratra.

Ezaka ifarimbonana amin’ny ady amin’ny vanja milevina

Tamin’ny Desambra 1997, dia nisy solontena avy tany amin’ny tany maromaro nanao sonia ny Fifanarahana Momba ny Fandrarana ny Fampiasana, ny Fanangonana, ny Fanamboarana sy ny Famindran-toerana ny Vanja Natao Hamelezana Miaramila sy Momba ny Famotehana Azy Ireny, fantatra koa amin’ny hoe fifaneken’i Ottawa. “Zava-bita mbola tsy nisy toa azy, na nisy nifanahantsahana taminy izany, na teo amin’ny fampihenan’ireo firenena fitaovam-piadiana na teo amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fanasoavam-bahoaka”, hoy i Jean Chrétien, praiminisitr’i Kanada. * Na izany aza, dia tany efa ho 60 — anisan’izany ny sasany amin’ireo tany mpanamboatra vanja milevina betsaka indrindra eran-tany — no mbola tsy nanao sonia an’ilay fifanekena.

Hahomby ve ny fifaneken’i Ottawa eo amin’ny fanesorana ilay loza mihanaka, dia ny vanja milevina? Angamba hahomby kely ihany. Maro anefa no misalasala be ny amin’izany. “Na dia hanaraka an’izay voasoratra ao amin’ilay fifaneken’i Ottawa aza ny firenena rehetra eto an-tany”, hoy ny fanazavan’i Claude Simonnot, tale faharoa ao amin’ny Handicap International, any Frantsa, “izany dia ho dingana iray monja ho amin’ny fanafahana ny planeta amin’ny loza rehetra ateraky ny vanja.” Fa nahoana? “Mbola misy vanja an-tapitrisany maro milevina ao amin’ny tany, miandry amim-paharetana izay olona hasiany manaraka”, hoy i Simonnot.

Nisarika ny saina ho amin’ny anton-javatra iray hafa i John Keegan, mpahay tantara miaramila. Nilaza izy fa ny ady dia “tonga hatrany amin’ny toerana miafina indrindra amin’ny fon’olombelona, (...) toerana anjakan’ny avonavona, ny fihetseham-po, ny fironan’ny fo”. Ny fifanekena dia tsy afaka manova toetran’olombelona efa latsa-paka lalina, toy ny fankahalana sy ny fitsiriritana tafahoatra. Midika ve anefa izany fa tsy ho afa-manoatra mihitsy ny olombelona, fa mbola hisy hipoahan’ny vanja milevina foana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Raha mila fanazavana fanampiny ny amin’ny fomba iatrehana ny famoizana rantsambatana ianao, dia jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Un espoir pour les handicapés”, izay niseho tao amin’ny pejy faha-3-10 tamin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Jona 1999.

^ feh. 20 Nanan-kery nanomboka tamin’ny 1 Martsa 1999 ilay fifanekena. Tamin’ny 6 Janoary 2000, dia nosoniavin’ny tany 137 izy io, ary nankatoavin’ny 90 taminy ilay fifanekena.

[Efajoro, pejy 6]

Ary Toa Indroa Mahazo Vola?

Misy lalàna fototra ao amin’ny fandraharahana milaza fa tanana ho tompon’andraikitra ny kompania izay mamokatra entam-barotra manimba. Noho izany, dia manantitrantitra i Lou McGrath, ao amin’ny Fikambanan’ny Mpanolo-tsaina Mahakasika ny Vanja, fa tokony hoterena handoa onitra ny kompania nahazo tombony avy tamin’ny fanamboarana vanja milevina. Mahatsikaiky anefa fa ny ankamaroan’ireo mpanamboatra vanja ireo indrindra no tena mahazo tombony avy amin’ny fanesorana vanja. Ohatra, voalaza fa nahazo fifanekena hanala vanja tany Koweït ny kompania iray mpanamboatra vanja teo aloha, any Alemaina. Nahazoany 100 tapitrisa dolara ilay fifanekena. Ary tatsy Mozambika, dia lasan’ny kompania telo mitambatra — mpanamboatra vanja teo aloha ny roa taminy — ny fifanekena hanala vanja tamin’ireo arabe lehibe. Nahazoany 7,5 tapitrisa dolara ilay fifanekena.

Misy mihevitra fa tena tsy mety mihitsy ny hoe kompania mpanamboatra vanja indrindra no hahazo vola avy amin’ny fanesorana vanja. Amin’ny heviny iray, hoy izy ireo, dia indroa mahazo vola ireo mpanamboatra vanja milevina. Na ahoana na ahoana, dia mbola fandraharahana ahazoam-bola be foana ny fanamboarana sy ny fanesorana vanja milevina.

[Kisary, pejy 5]

(Jereo ny gazety)

Antsalan’isan’ny vanja milevina isaky ny roa kilaometatra toradroa sy sasany, ao amin’ireo tany sivy be vanja milevina indrindra

BOSNIA-HERZEGOVINA 152

KAMBODJA 143

KROASIA 137

EJIPTA 60

IRAK 59

AFGHANISTAN 40

ANGOLA 31

IRAN 25

RWANDA 25

[Sary nahazoan-dalana]

Source: United Nations Department of Humanitarian Affairs, 1996

[Sary, pejy 7]

Any Kambodja, dia misy sary sy soratra mampitandrina ny amin’ny vanja milevina

Isaky ny vanja 5 000 voaisotra, dia iray ny mpanala vanja maty, ary roa maratra

[Sary nahazoan-dalana]

Sary ao andamosina: © ICRC/Paul Grabhorn

© ICRC/Till Mayer

© ICRC/Philippe Dutoit