Anakonda — Mampahafantatra ny Tsiambaratelony Ve?
Anakonda — Mampahafantatra ny Tsiambaratelony Ve?
Avy Amin’ny Iray Amin’ny Mpanoratra ny Mifohaza!
ASA ianao raha mba liana amin’ny bibilava goavana, fa izaho dia tena babon’izy ireny, ary vitsy ny biby hafa mambabo ahy toy izany. Ary rehefa miresaka momba ny bibilava goavana ihany isika, dia miresaka momba ny anakonda, izay iray tarika amin’ny do. Mahavariana anefa fa na dia goavana azy izy ireny, dia tsy misy zavatra fantatra firy momba ny fiaimpiainany, raha tsy vao haingana foana.
Tamin’ny 1992, dia nanomboka nanao fandinihana voalohany an’ireny biby goavana ireny tany an’ala ilay biolojista atao hoe Jesús A. Rivas, sy ny mpikaroka tao amin’ny Fikambanana Mpiaro ny Zavamiaina any An’ala (WCS), izay miorina eto New York. * Rehefa novakiko fa nampiharihary zava-misy vaovao sasany io fandinihana naharitra enin-taona io, izay natao tao amin’ny faritra be heniheny tany Venezoela, dia ta hahalala aho hoe inona izany. Hiezaka hamantatra izany aho anio.
Ny anarany sy ny karazany
Mivoaka ny biraoko eto Brooklyn aho amin’ity tolakandro mibaliaka ity, ary mitodi-doha ho any amin’ny foiben’ny WCS, izay ao amin’ny Toeram-pijerem-biby Bronx, atỳ New York. Ampy ny fikarohana efa nataoko mba hahafantarako zavatra sasantsasany momba ny anakonda.
I Amerika Atsimo no tany niavian’ilay biby, nefa mahagaga fa ilay anarana hoe anakonda dia mety ho avy tany amin’ny toerana lavitra an’io tany io. Misy milaza fa avy tamin’ny teny tamoul hoe anai, midika hoe “elefanta”, sy ny hoe kolra, midika hoe “mpamono”, ilay anarana. Misy hafa mihevitra fa avy tamin’ilay teny cinghalais hoe henakandayā (hena, midika hoe “haingana toy ny tselatra”, ary kanda, midika hoe “vatan-kazo”) ilay izy. Azo inoana fa ireo teny cinghalais ireo, izay nampiasaina tany am-boalohany hilazana ny bibilava pitona tany Sri Lanka, dia avy tany Azia no nentin’ireo mpivarotra portogey nankany Amerika Atsimo.
Efa miresaka momba ny anarana diso ihany isika,
fa na dia ny anarana ofisialin’ny anakonda hoe Eunectes murinus aza, dia tsy tena marina. Ny hoe Eunectes dia midika hoe “mpilomano mahay”, ary izany tokoa ny anakonda. Ny hoe murinus anefa dia midika hoe “mitovy loko amin’ny totozy”. “Toa tsy dia mifanentana loatra” amin’ny bibilava mivolon’oliva io anarana io, araka ny fanamarihan’ny boky iray.Inty mbola misy zavatra tokony holazaina momba ny anarana siantifika sy ny sokajy misy an’ilay biby. Mazàna ny boky momba ny anakonda no milaza fa misy karazany roa ny anakonda. Ny karazany iray amin’ireo no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity, dia ny anakonda maitso, na ny do an-drano. Eny amin’ny heniheny any Amazone sy ny debok’i Orinoco ary Guyane indrindra indrindra no ahitana azy ireny. Ny karazany iray hafa dia ilay anakonda mavo izay kely kokoa (E. notaeus), monina any Paragoay, sy any amin’ny faritra atsimo amin’i Brezila, ary any amin’ny faritra avaratra amin’i Arzantina.
Mihaona amin’ny manam-pahaizana aho
Tonga ao amin’ny Toeram-pijerem-biby Bronx aho. Io valam-bibidia rakotra hazo io, izay mirefy 107 hektara, dia onenan’ny biby maherin’ny 4 000, anisan’izany ny anakonda 12 eo ho eo. Tonga mitsena ahy eo amin’ny fidirana amin’ilay toeram-pijerem-biby i William Holmstrom, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Siansa Momba ny Biby Mandady ao amin’ny WCS. Avy atỳ New York ihany Atoa Holmstrom, 51 taona, manao fitafiana volontany, misolomaso, misy volombava ary mitsiky lava. Izy no miadidy ny fitambaram-biby ao amin’ny sampan-draharahan’ny biby mandady ao amin’ilay toerana, ary anisan’ny nanao ilay fandinihana ny anakonda tany Venezoela. Araka ny voalazany, dia manaiky ny mpahay siansa izao fa misy karazana anakonda fahatelo (E. deschauenseei), monina any amin’ny faritra avaratratsinanana amin’i Brezila, ary any amin’ny morontsirak’i Guyane. * Manam-pahaizana manokana izay hitari-dalana ahy amin’ity tolakandro ity Atoa Holmstrom.
Tsy ela dia tsapako fa tia bibilava toy ny itiavan’ny olon-kafa saka Atoa Holmstrom. Milaza amiko izy fa efa hatramin’ny fahazazany no niompian’ny ray aman-dreniny karazan’androngo, sahona, sy ny toy izany, tao an-tranony. “Tian’i Dada ireny biby ireny, ary zakan’i Neny ny fisian’izy ireny.” Miharihary fa nanahaka an-drainy tokoa Atoa Holmstrom.
Bibilava ngezabe, misy tsy fitoviana be
Ao anatin’ilay trano efa 100 taona, misy ny biby mandady, izahay, ary mijanona eo anoloan’ny faritra voafefy iray misy anakonda iray. Na dia biby efa nantenaiko ho hita aza no hitako, dia mbola gaga ihany aho. Talanjona aho nahita ny habeny. Lehibe kokoa noho ny totohondrin-dehilahy iray ny lohany misy orona petaka, nefa bitika tokoa io lohany io, raha oharina amin’ny vatabeny. Milaza amiko ilay mpitari-dalana ahy fa bibilavavavy mirefy dimy metatra sy milanja 80 kilao eo ho eo io bibilava miavaka io. Na dia mila hitovy amin’ny andrin-telefaonina aza ny hatevin’ny vatany, dia nampahafantarina ahy fa bitika izy io, raha oharina amin’ny tompon-daka maneran-tany: anakondavavy botabota iray, voasambotra tamin’ny 1960, izay notombanana ho nilanja efa ho 227 kilao tamin’izay!
Tsy misy anakondalahy afaka manonofinofy akory ny hahatratra izany refy ngezabe izany. Na dia fantatry ny mpanao fandinihana ny biby mandady aza fa kely noho ny vavy ny lahy, dia hita tamin’ilay fandinihana natao tany amin’ny faritra onenany fa tena kely tokoa ny lahy, hany ka toy ny anakondavavy bitika no fijery azy. Raha ny marina, dia nasehon’ilay fandinihana, fa amin’ny antsalany, dia efa ho avo dimy heny noho ny haben’ny lahy ny an’ny vavy. Mety hamitaka izany tsy fitoviana be eo amin’ny haben’ny lahy sy ny vavy izany, araka ny hitan’ilay biolojista atao hoe
Jesús Rivas. Niompy zanaka anakonda izy taloha, nefa nanontany tena foana hoe nahoana no tsy nitsahatra nanaikitra azy ilay namany kely. Nandritra ilay fandinihana nataony vao nanomboka nazava taminy fa, hay, anakondalahy efa lehibe sady sorena ilay nompiany!Mitady bibilava izahay! — Hisy valisoa homena
Na dia ny haben’ny anakonda aza no mampiavaka azy, dia mahatalanjona koa ny halavany. Marina aloha fa tsy makadiribe toy ny ampisehoan’ny indostrian-tsarimihetsika Hollywood azy ny anakonda — nisy sarimihetsika iray nampiseho anakonda iray nirefy 12 metatra — kanefa ny lava indrindra aminy, izay sivy metatra eo ho eo, dia efa mampitolagaga.
Vitsy ny anakonda manana habe toy izany. Nilanja 90 kilao, ary nirefy dimy metatra eo ho eo, ny anakondavavy lehibe indrindra voasambotra nandritra ilay fandinihana. Raha ny marina, dia sarotra be ny mahita anakonda lehibe kokoa noho izany, hany ka nisy valisoa 1 000 dolara natolotry ny Fikambanana Momba ny Fandinihana Biby (WCS teo aloha), tatỳ New York, ho an’izay mahazo bibilava velona iray mirefy sivy metatra mahery. Efa 90 taona lasa eo ho eo izay no nanaovana izany fanolorana izany, nefa mbola tsy nisy nahazo ilay valisoa mandraka ity ny androany. “Misy olona roa na telo, isan-taona, miantso anay an-telefaonina avy any Amerika Atsimo, ary mitaky ilay valisoa”, hoy Atoa Holmstrom, “nefa rehefa mangataka amin’izy ireo izahay mba handefa porofo hoe nahazo ilay bibilava tokoa izy ireo, mba hahafantaranay raha tokony hankany izahay hanamarina izany, dia tsy misy porofo tonga mihitsy.” Efa miresaka valisoa ihany isika fa mahatratra 50 000 dolara (325 000 000 FMG eo ho eo) izao ilay valisoa homena an’izay mahazo bibilava sivy metatra mahery!
Akaiky kely
Manaraka ilay mpitari-dalana ahy aho mankao amin’ny rihana voalohany amin’ilay trano misy ny biby mandady, izay ampiasaina ho faritra fasiana sy fampivadiana azy ireny. Mafana sy mando ilay toerana. Mba hahitako tsara ilay biby mahaliana ahy, dia sokafan’Atoa Holmstrom ny varavaran’ny faritra voafefy iray, izay misy anakondavavy goavana iray.
Eo amin’ny misy anay, dia roa metatra eo ho eo monja — ary tsy misy zavatra hafa — no manelanelana anay sy ilay biby. Mitraka moramora ny lohan’ilay anakonda nony avy eo, ary mandroso tsy an-kijanona manatona anay. Izao dia iray metatra monja sisa manelanelana ny lohan’ilay anakonda sy ny anay.
“Aleo isika miala eto”, hoy Atoa Holmstrom, tsy taitra akory, “angamba izy io mitady hanina.” Manaiky avy hatrany aho. Akatony ny varavaran’ilay faritra voafefy. Mihemotra ny lohan’ilay anakonda, ka miverina tsikelikely mipetraka eo afovoan’ny vatany mihorongorona.
Raha vitanao ny minia tsy mijery ny maso masiakan’ny anakonda mibanjina anao, ary raha mijery tsara ny lohany mitsipitsipika mena ianao, dia ho hitanao fa manana endrika miavaka izy. Ny masony sy ny vavorony, ohatra, no faritra mivohitra indrindra eo amin’ny lohany. Izany dia ahafahan’ilay bibilava milentika ao anaty rano ka ny masony sy ny vavorony ihany no avelany hipoitra — mitovy be amin’ny ataon’ny voay. Mazava araka izany àry ny fomba anatonan’ny bibilava ny rembiny sady miafina ihany.
Mihorongorona mafy ilay biby manana valanorano malalaka
Tsy misy poizina ny anakonda. Mihorongorona mafy manodidina ny rembiny izy ka mangeja azy mba hamonoana azy. Tsy manorotoro azy io akory izy, fa manery mafy azy kosa, isaky ny mamoaka fofonaina izy io, mandra-pahatongan’izy io ho sempotra. Saika ny biby rehetra no tafihiny — manomboka amin’ny ganagana ka hatramin’ny serfa. Mahalana anefa vao misy tatitra azo ianteherana milaza hoe nisy olona nohanin’ny anakonda.
Koa satria tsy afaka mitsako na mandroritra ny sakafony ny bibilava, dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mitelina manontolo ny rembiny ny anakonda, rehefa maty izy io, na dia vaventy be noho ny tenany aza ilay izy. Raha ny marina, raha afaka
mandrapaka hanina toy ny fanaon’ny anakonda ianao, dia ho afaka hampiditra voaniho iray eo am-bavanao, sy hanao indray mitelina azy io manontolo mora foana, toy ny mitelina voanjo iray. Ahoana no fomba anaovan’ny anakonda izany?“Ampandehandehaniny eo amin’ilay rembiny ny lohany”, hoy Atoa Holmstrom. Manazava izy fa tsy miraikitra mafy amin’ny lohan’ny anakonda ny valanoranony. Alohan’ny hanaikerany biby lehibe iray, dia mampilatsaka ny valanoranony ambany sy mampivelatra azy io, izy. Avy eo, dia arosony ny tapany iray amin’ilay valanoranony ambany, alentiny ao amin’ilay rembiny ny nifiny izay mitodika any aoriana, ary sintoniny mankany am-bavany io tapany amin’ny valanoranony io sy ilay remby. Manaraka izany, dia ireo dingana ireo ihany no averiny fa ilay tapany iray hafa amin’ny valanoranony ambany indray no anaovany izany. Afaka manao toy izany ihany ny valanoranony ambony, fa tsy amin’ny fomba feno. Toy ny hoe mandehandeha eo amin’ilay remby tokoa ny valanoranon’ilay bibilava rehefa mifandimby mampandroso ilay remby ho any am-bavany ireo tapany roa amin’ny valanoranony. Raha vantany vao voatelina ilay remby — mety ho ora maromaro no ilainy amin’izany — dia manoaka mihoatra ny indray mandeha ilay bibilava, ary miverina eo amin’ny toerany ny tapany maro samihafa amin’ny lohany, izay afa-mihetsiketsika.
Inona no misakana ny anakonda tsy ho kenda? Misy traotraoka, izay afaka mitatra, ao anaty vavany ao. Rehefa mitelina ny sakafony izy, dia manosika ny traotraokany hanatona ho eo anoloan’ny vavany. Amin’izay, dia mamela an’ilay anakonda hahazo rivotra eo am-pihinanan-kanina ilay traotraoka miendrika tioba.
Iza no izy?
Izao dia esorin’ilay mpitari-dalana ahy ny saron’ny vata iray fitoeram-biby, ary miondrika mijery zanaka anakonda roa izahay. Mitovy tanteraka no fijeriko azy ireo, ka manontany tena aho hoe ahoana no ahafahan’ireo mpikaroka mahita ny fahasamihafan’ireo anakondadia an-jatony maro, izay nodinihin’izy ireo nandritra ilay tetikasa tany Venezoela.
Manazava Atoa Holmstrom fa nanandrana namaha izany olana izany izy ireo tamin’ny fanisiana fitomboka tamin’ny vy nahamay, ka vy madinika fanapaingorana taratasy no nampiasaina mba hanisiana tarehimarika kely teo amin’ny lohan’ny anakonda. Nandaitra ilay izy mandra-piofon’ireo bibilava — ka niala ny tarehimarika teo aminy! Voamarik’ireo mpikaroka anefa fa efa mitondra marika mampiavaka azy ny anakonda tsirairay. Misy pentina mainty ny faritra mavo ao ambany amin’ny rambon’ny bibilava tsirairay. Mampiavaka ny bibilava tsirairay toy ny peta-tondro amin’ny olombelona, ireo pentina ireo. “Ny hany nilainay natao dia ny nanao ny sarin’ireo pentina hita teo amin’ny hoditra nitovy halava tamin’ny kirany 15, ary ampy ny endriny samy hafa tamin’ireo pentina mba hanavahanay ireo bibilava 800 nodinihinay.”
Ilay haingana indrindra, sa ilay sahaza indrindra, sa ilay matanjaka indrindra?
Eo am-pamaranana ny fanadinadinana ao amin’ny biraon’Atoa Holmstrom izahay, ary mampiseho amiko sary iray nalainy tany Venezoela izy: sarin’anakondalahy maro mihorongorona amin’izy samy izy. Mahavariana ny fahitana izany. Manazava izy fa ireo anakonda maro mifamatotra ireo no mahaforona ilay antsoina hoe anakonda mifampidipiditra, mampitombo taranaka. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy faha-26.) “Misy anakondavavy iray ao anatin’io boribory io. Indray mandeha izahay nahita anakondavavy iray voahodidina lahy 13 nihorongorona — izany no betsaka indrindra.”
Miady ve ireo anakondalahy? Azo lazaina kokoa hoe fifanintsanana ilay izy, saingy mandeha moramora. Samy miezaka manery ny hafa hiala amin’ny vavy ny lahy tsirairay mba hahafahan’ny vatany hanao firaisana amin’ilay vavy. Mety haharitra tapa-bolana ka hatramin’ny iray volana ilay fifanintsanana. Iza no mandresy? Ilay haingana indrindra (ny lahy mahita voalohany an’ilay vavy), sa ilay sahaza indrindra (ny lahy mamoaka tsirinaina betsaka indrindra), sa ilay matanjaka indrindra (ny lahy nandresy tamin’ilay fifaninanana)? Manantena ireo mpikaroka fa tsy ho ela dia hahita ny valin’izany fanontaniana izany.
Eo am-pifaranan’ilay tolakandro, dia misaotra an’ilay mpitari-dalana ahy aho noho ny fitsidihana mahaliana tanteraka nitondrany ahy. Eny an-dalana hiverina ho atỳ amin’ny biraoko, dia mieritreritra ny amin’izay vao avy nianarako aho. Marina aloha fa mbola tsy mitovy hevitra amin’i Jesús Rivas, biolojista, aho, dia izy izay nilaza fa “mahafinaritra ny anakonda”. Na izany aza dia miaiky aho fa tena nitana ny saiko ny anakonda. Raha mbola manohy manara-dia anakonda any an’ala ny mpikaroka, dia hahaliana ny hahafantarana raha hirona hampahafantatra misimisy kokoa ny tsiambaratelony mahavariana ireny bibilava goavana ireny, na tsia.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Nanohana ara-bola ilay fandinihana ny Sampan-draharaha Momba ny Zavamiaina any An’ala any Venezoela, sy ireo mpanohana ilay Fifanarahana Momba ny Varotra Iraisam-pirenena Mahakasika Karazan-javamaniry sy Bibidia Atahorana ho Lany Tamingana.
^ feh. 11 Journal of Herpetology, navoakan’ny Fikambanana Momba ny Fandinihana ny Biby Miaina An-tanety sy Anaty Rano sy ny Biby Mandady, No. 4, 1997, pejy faha-607-609.
[Sary, pejy 24]
Ilay fandinihana anakonda tany amin’ny henihenin’i Venezoela
[Sary, pejy 25]
William Holmstrom
[Sary, pejy 26]
Anakonda mifampidipiditra, mampitombo taranaka