Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fijerena An’izao Tontolo Izao
Ny Ankizy sy ny Fotoam-pivavahana
“Mamonjy fotoam-pivavahana ve ny ankizy?”, hoy ny fanontanian’ny fanontana vao haingana iray tamin’ny boky hoe Canadian Social Trends. Mamaly izy io fa araka ny fandinihana iray momba ny Antontan’isa any Kanada, dia “maherin’ny ampahatelony, izany hoe 36% amin’ny ankizy latsaka ny 12 taona any Kanada no nanatrika fotoam-pivavahana indray mandeha isam-bolana, fara fahakeliny, ka mpiangona isan-kerinandro ny ankamaroany. Ny ankizy 22% hafa nanatrika mahalana kokoa, saingy tena mamonjy izany izy ireo, fara fahakeliny, indray mandeha mandritra ny taona”. Nanazava anefa ilay lahatsoratra fa “arakaraka ilay fivavahana no nampisy ireo elanelana be indrindra eo amin’ny fandehanan’ireo ankizy miangona tsy tapaka (...). Ny ankizy ao amin’ny fivavahana heverin’ny mpandinika maro ho fivavahana lehibe, toy ny Eglizy Anglikanina sy ny Fiangonana Mitambatra, no voalaza fa vitsy indrindra raha ny amin’ny fanatrehana fotoam-pivavahana isan-kerinandro (18%)”. Betsaka kokoa ny an’ny ankizy katolika, satria misy 22 isan-jato no manatrika isan-kerinandro. Na dia ny 44 isan-jaton’ny ankizy miozilimanina aza no nanatrika fotoam-pivavahana silamo isan-kerinandro, dia “izy ireo koa no be indrindra raha ny amin’ny tsy nanatrika (39%) nandritra ny taona talohan’ny nanaovana ilay fanadihadiana, araka ny firaketana an-tsoratra”.
Fampitandremana Mahakasika ny Fitaovana Fampianarana ny Zazakely Handeha
Misy vokany eo amin’ny fitomboan’ny zazakely ara-batana sy ara-tsaina ny fampiasana fitaovana fampianarana azy handeha, araka ny tatitra nataon’ny gazety Independent, any Londres. Hitan’ireo mpikaroka tao amin’ny Oniversitem-panjakana any New York, fa tsy afa-mahita ny tongony ny zazakely ao anatin’ny fitaovana toy ireny, izay misy latabatra kely eo anoloana, ka tsy afaka mikasika zavatra manodidina azy ireo. Voamarika fa tara dimy herinandro vao mipetraka sy mandady ary mandeha ny zazakely mampiasa ireny fitaovana ireny, raha oharina amin’ny zazakely tsy nampiasa azy ireny mihitsy. Fanampin’izany, dia nahariharin’ny fikarohana fa isan-taona dia ny 50 isan-jaton’ny zazakely mampiasa ireny fitaovana ireny no maratra, satria mianjera avy amin’ny tohatra, na mianjera ao anaty afo, na mitsingidina fotsiny. Hoy ny Dr. Denise Kendrick, ao amin’ny Oniversiten’i Nottingham Fianarana ho Dokotera, any Grande-Bretagne: “Tsy azo antoka ny fitaovana fampianarana ny zazakely handeha. Toa manampy ny ray aman-dreny izy ireny, mba hahavariana ny zanany, fa tsy mahasoa an’ilay zaza na dia kely akory aza.”
Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo Miady Amin’ny Bakteria
Tany Grande-Bretagne no nitrangan’ny fanapoizinana ratsy indrindra eran-tany tamin’ny alalan’ny sakafo, tamin’ny 1996, izay nahafatesana olona 18. Ny bakteria E. coli O157 tafiditra tao amin’ny hena no niteraka izany. Vao haingana izay, dia hitan’ireo mpikaroka fa rehefa nampiana kanelina ny ranom-paoma izay mbola tsy novonoina ny bakteria tao aminy, dia maty tao anatin’ny telo andro ny 99,5 isan-jaton’ny bakteria, araka ny voalazan’ny The Independent, any Londres. Indray mandeha, dia nasian’ireo mpahay siansa zava-manitra mampahatsiro sakafo ny henan’omby manta sy ny saosisy, ka hitan’izy ireo fa ny kanelina sy ny jirofo ary ny tongolo gasy no tena nandaitra indrindra teo amin’ny famonoana ny E. coli O157. Mihevitra ireo mpikaroka fa mety handaitra ireo zava-manitra ireo eo amin’ny ady atao amin’ny bakteria hafa, anisan’izany ny bakteria salmonelle sy campylobacter.
Trosan’olona Manokana any Grande-Bretagne
Araka ny voalazan’ny fanazavana navoakan’ny People’s Bank, ary natao tatitra tao amin’ny The Times, any Londres, ny Britanika dia manan-trosa 170 000 tapitrisa dolara, noho izy ireo nanao bailina manokana, nividy zavatra tsy naloa vola avy hatrany, sy nividy zavatra naloa tsikelikely, ary mandoa zanabola 5 500 tapitrisa dolara isan-taona. Maherin’ny ampahatelon’ny mponina no manan-trosa tsy misy antoka, 10 400 dolara isan’olona, amin’ny antsalany. Nitombo avo roa heny ny fividianan-javatra tsy naloa vola avy hatrany tany Grande-Bretagne, nandritra ny telo taona, ka nahatratra 115 000 tapitrisa dolara tamin’ny 1998. Hitan’ilay fanadihadiana koa fa ny 13 isan-jaton’ny olona monja no manahy sao ho tonga mihoa-pampana ny trosany. Ary ny ampahadiminy no niaiky fa nisambo-bola “mba tsy hiovan’ny fomba fiainany”, hoy ny People’s Bank.
Tsy Araka ny Sitrapon-drazazavavy
Tamin’ireo tovovavy 304 nanaovana fanadihadiana tao amin’ny fandinihana iray natao tatitra tao amin’ny gazetiboky alemà Psychologie Heute, dia efa ho ny ampahefany no nilaza fa noterena hanao firaisana tsy araka ny sitrapony. Fanampin’izany, dia maherin’ny ampahefatr’ireo vehivavy no nanao tatitra fa nanandrana nampiasa zava-mahadomelina sy zava-pisotro mahamamo ireo lehilahy mba hitaomana azy ireo hanao firaisana tsy araka ny sitrapony, araka ny fanamarihan’ilay tatitra. Hoy koa ilay tatitra: “Raha ampidirina koa ny fanandraman’ny tovolahy hampihena tsikelikely ny fanoheran’ny vehivavy tamin’ny alalan’ny fanerena ara-tsaina, ny zava-mahadomelina na ny zava-pisotro mahamamo, dia hiakatra ho 50 isan-jato mahery ny mety hanerena tovovavy iray eo anelanelan’ny 17 sy 20 taona, hanao firaisana tsy araka ny sitrapony.”
Vala Voalohany Eran-tany Ijerena ny Lanitra Amin’ny Alina
“Takon’ny famirapiratana mahajambenan’ny jiron’ny tanàn-dehibe sy ny zavona ateraky ny fandotoana ny rivotra ny zavatra iray mahafinaritra jerena, nefa mbola tsy hitan’ny maro mihitsy hatramin’izao. Izany dia ny hakanton’ny lanitra toy ny volory, amin’ny alina”, hoy ny The Globe and Mail, any Kanada. Mitaraina toy izao i Terence Dickinson, mpanoratra momba ny astronomia: “Mety hisy olona nihalehibe, ka tonga olon-dehibe mihitsy aza, nefa mbola tsy nahita mihitsy ny hakanton’ny lanitra amin’ny alina.” Nomarihiny, ohatra, fa rehefa tapaka ny jiro, vokatry ny horohoron-tany iray tany amin’ny faritra maro tany Kalifornia, taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy mponina niantso an-telefaonina ny polisy, mba hilaza “fa hitany ho hafahafa ireo kintana, ary nisy soritra nanjavozavo” teny amin’ny lanitra. Mba hahafahan’ny Kanadianina tia mijery kintana hahita ny lanitra amin’ny alina, ka tsy hisy hanakontakona no sady tsy hisy jiro firy hanelingelina, dia nasiana faritra iray mirefy 1 990 hektara, tao amin’ny tanim-panjakana ao amin’ny distrikan’i Muskoka Lakes, any avaratr’i Toronto, natao hoe “faritra voaro ijerena ny lanitra amin’ny alina”. Antsoina hoe ny Vala Fiarovana Torrance Barrens izy io, ary inoana fa izy io no vala voalohany eran-tany ijerena ny lanitra amin’ny alina.
Ny Ray sy ny Zanany Vavy
Manao tatitra ny gazety Globe and Mail, any Kanada, fa ny fandinihana iray vao haingana nataon’ny Health Canada tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny zatovo 2 500 dia mampiharihary fa misy hantsana eo amin’ny fifampiresahan’ny raim-pianakaviana sy ny zanany, indrindra fa ny zanany vavy. Eo amin’ireo ankizivavy 15 ka hatramin’ny 16 taona, dia ny 33 isan-jato monja no mahita fa “mora na tena mora ny miresaka amin-drainy momba ny zavatra izay tena manahiran-tsaina azy ireo”, raha oharina amin’ny ankizilahy 51 isan-jato. Na izany aza, dia “mazàna ny ankizivavy no midera fatratra ny rainy ary mila ny fanampian’izy io”, hoy ilay tatitra. Manaiky ny Profesora Alan King ao amin’ny Queen’s University fa “sarotra amin’ny raim-pianakaviana ny miresaka amin-janany, indrindra fa mandritra ny fiandohan’ireo taona maha zatovo izay mampisafotofoto ny ankizy”. Mandritra izany fotoana izany, dia raim-pianakaviana maro no tsy mihevitra ny raharaha mahakasika ny lahy sy ny vavy sy ny fitondran-tena mety hitera-doza. Mampirisika ny raim-pianakaviana handresy ilay zava-tsarotra anefa ilay profesora, indrindra fa satria reny maro ankehitriny no mihatsy manam-potoana firy hiarahana amin-janany, raha oharina amin’ny teo aloha.
‘Tsy Afa-misaraka Amin’ny Tele!’
Inona no hoentinao miaraka aminao raha tsy maintsy mijanona mandritra ny fotoana kelikely any amin’ny nosy mitokana iray ianao? Io fanontaniana io dia napetraka tamin’ny tanora 2 000 tany Alemaina. Ny zava-dehibe indrindra amin’ny ankamaroan’izy ireo, dia ny televiziona sy ny radio, miaraka amin’ny CD sy ny kasety, araka ny tatitra nataon’ny gazety Westfälische Rundschau. Sakafo sy zava-pisotro no manarakaraka izany, ary mpianakavy sy namana no eo amin’ny laharana fahatelo. Nanazava ny anton’ny safidiny ny zatovo iray 13 taona: “Tsy afa-misaraka amin’ny tele aho.” Tokotokony ho ny ampahatelony monja tamin’ireo izay nanontaniana no nilaza fa anisan’ny zavatra hoentiny koa ny fitaovana ilaina toy ny antsy sy ny angady kelin-jaridaina ary ny tsofa. Ny 0,3 isan-jato monja no nilaza fa hitondra Baiboly. Ilay zandriny indrindra tamin’ny mpandray anjara, ankizivavy iray fito taona, dia nilaza hoe: “Tsy hitondra afa-tsy ny reniko aho. Raha any izy, dia tsy hisy olana mihitsy.”
Japoney Mpanao Tolona, Igagana Amin’ny Habeny
Mihamavesatra loatra ka tsy zakan’ny tongony intsony ireo Japoney mpanao tolona, malaza eran-tany noho ny habeny, hoy ireo mpahay siansa momba ny taova eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena, any Japon. Manao tatitra ny gazetiboky New Scientist fa nitombo avo roa heny ny naratra teo amin’ireo sokajy roa ambony indrindra amin’ilay tolona, nandritra ny dimy taona farany, ka nanosika antokona mpahay siansa momba ny taova hampitaha ny tavy ao amin’ny vatana sy ny tanjaky ny tongotry ny mpanao tolona miisa 50. “Ny hoza-tongotry ny ampahefatr’izy ireo dia tsy ampy tanjaka hahazakana araka ny tokony ho izy ny habeny”, hoy ilay tatitra. Nitombo ny lanjan’ireo mpanao tolona ao amin’ny sokajy ambony indrindra: 126 kilao, tamin’ny 1974, ary nahatratra 156 kilao tamin’ny 1999. “Misy fifandraisana amin’ny fitomboan’ny haben’ny Japoney amin’ny ankapobeny, ilay izy”, hoy i Doreen Simmonds, mpilaza vaovao ara-panatanjahan-tena momba ny tolona japoney. Tsy voatery hanatsara ny zava-bita anefa ny fitomboan-danja. “Ny bika filamatra eo amin’ny tolona japoney dia ny bika miendrika poara”, hoy ny fanamarihana nataon’i Simmonds. “Ambany ny maoja, mafonja ny fe, ary miendrika hazo oaka ny kibon-dranjo.”
Ankizy Tandindomin-doza
Eran-tany, dia i Angola sy i Sierra Leone ary i Afghanistan no toerana mampidi-doza indrindra ho an’ny ankizy, ary ‘kely ny fanantenan’ny ankizy iray ho velona ka hahatratra 18 taona’, hoy ny tatitra iray nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF). Ny ady, ny fahantrana tsy mety afaka ary ny fihanaky ny VIH sy ny SIDA, dia mahatonga ny fiainan’ny ankizy hotandindomin-doza kokoa tsy toy ny tamin’ny folo taona lasa. Rehefa nampiasa ‘fandrefesana ny halehiben’ny loza mitatao amin’ny ankizy’, fandrefesana misy tarehimarika 1 ka hatramin’ny 100, ny UNICEF, dia nanombana fa 96 ny an’i Angola, 95 ny an’i Sierra Leone, ary 94 ny an’i Afghanistan. Mifanohitra amin’izany kosa fa 6 izany, amin’ny antsalany, ho an’ireo ankizy any Eoropa, hoy ny tatitra nataon’ny The Times, any Londres.