Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Iatrehan’ny Mpianakavy ny Aretina Mitaiza

Fomba Iatrehan’ny Mpianakavy ny Aretina Mitaiza

Fomba Iatrehan’ny Mpianakavy ny Aretina Mitaiza

NY FIATREHANA zava-tsarotra dia azo faritana hoe “fahaiza-misetra amin’ny fomba mandaitra sy fahaiza-mizaka ireo fihenjanana mihatra amin’ny tena”. (Taber’s Cyclopedic Medical Dictionary). Voafaoka amin’ny fiatrehana ireo olana avy amin’ny aretina mitaiza ny fomba ahafahanao mitantana ny fiainanao sy manana filaminan-tsaina. Ary rehefa heverina ny hoe raharahan’ny mpianakavy ny aretina mitaiza, dia ilaina ny fanampian’ny tsirairay amim-pitiavana sy amim-pahatokiana mba hahavitan’ilay fianakaviana hiatrika izany. Andeha isika hijery fomba sasany iatrehan’ny fianakaviana ny aretina mitaiza.

Ny maha zava-dehibe ny fahalalana

Mety tsy ho azo sitranina ilay takaitra, nefa afaka mampihena ny fiantraikan’ilay aretina eo amin’ny saina sy ny toe-po ny fahalalana ny fomba iatrehana azy io. Izany dia mifanaraka amin’ny ohabolana tranainy iray izay manamarika hoe: “Mitombo hery ny olona manam-pahalalana”. (Ohabolana 24:5). Ahoana no hahazoan’ny fianakaviana iray fahalalana momba ny fomba iatrehana izany?

Ny dingana voalohany dia ny fitadiavana dokotera manaiky ny hifampiresaka sy hanampy, ary vonona haka fotoana hanazavana tsara ny zava-drehetra amin’ilay marary sy ny fianakaviany. “Ny dokotera tonga lafatra”, hoy ny fanamarihan’ny boky A Special Child in the Family, “dia izay miahy an’ilay fianakaviana iray manontolo sady manao izay hananana ny fahaizana ara-pitsaboana rehetra ilaina.”

Ny dingana faharoa dia ny tsy fitsaharana mametraka fanontaniana voafaritra tsara mandra-pahatakatrao ilay toe-javatra, araka izay azonao atao. Tadidio anefa fa mety hikorontan-tsaina mora foana ianao rehefa eo anatrehan’ny dokotera, ka hanadino izay tianao hanontaniana. Fanoloran-kevitra mety hanampy anao ny hoe soraty mialoha ireo fanontaniana. Anisan’ny mety ho tianao ho fantatra indrindra indrindra ny hoe inona no tokony hampoizina hitranga noho ilay aretina sy ilay fitsaboana, ary inona no tokony hatao momba ilay aretina. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fanontaniana Azon’ny Fianakaviana Apetraka Amin’ny Dokotera”.

Tena zava-dehibe ny hanomezana fanazavana ampy ho an’ireo iray tam-po amin’ny ankizy iray voan’ny aretina mitaiza. “Hazavao dieny eo am-boalohany indrindra izay mahazo azy”, hoy ny reny iray. “Mety hahatsapa mora foana ho tsy voakasika amin’izay mitranga ao amin’ilay fianakaviana izy ireo, raha toa ka tsy takany izany.”

Nisy koa fianakaviana afaka nahazo fanazavana nahasoa, rehefa avy nanao fikarohana tao amin’ny tranomboky iray teo an-toerana, tao amin’ny trano fivarotam-boky iray na tao amin’ny Internet — ka matetika tokoa no nahazo fanazavana tamin’ny an-tsipiriany momba ny aretina voafaritra tsara.

Fihazonana fiainana mahafa-po araka ny antonony

Ara-dalàna tsotra izao ny tokony hanirian’ny mpianakavy ny mbola hananan’ilay marary fiainana mahafa-po araka ny antonony hatrany. Raiso, ohatra, i Neil du Toit, voalaza tao amin’ilay lahatsoratra voalohany. Mbola kivy ihany izy, satria mampahosa azy ilay aretina. Na izany aza, dia mandany adiny 70 eo ho eo isam-bolana izy, anaovana ilay zavatra tiany indrindra — ny firesahana amin’ny mpiara-monina aminy momba ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly. “Manome ahy fahafaham-po anaty koa ny fanomezana fampianarana ara-baiboly ao amin’ny kongregasiona”, hoy izy.

Voafaoka ao amin’ny hoe fananana fiainana mahafa-po koa ny hoe afaka maneho sy anehoana fitiavana, afaka mankafy fanaovan-javatra mahafinaritra, ary mihazona fanantenana. Ny marary dia mbola tia foana ny mankafy ny fiainana, araka izay hamelan’ny aretiny sy ny fitsaboan-tena, azy. Narary efa hatramin’ny 25 taona mahery ny zanakalahy tao amin’ny fianakaviana iray, ary manazava toy izao ilay raim-pianakaviana: “Tia ny mandeha mivoaka ny trano izahay, nefa tsy afaka mandeha an-tongotra lavitra, satria voafetra ny zavatra mety ho vitan’ny zanako lahy. Koa fomba hafa àry no anaovanay azy. Mankany amin’ny toerana izay tsy mitaky ezaka mafy izahay.”

Eny, mbola afaka manovo fahafaham-po avy amin’ny fiainana foana ny marary. Marary maro, arakaraka ny aretina mahazo azy, no mbola mankafy fijerena faritra taza-maso tsara tarehy sy feo mahafinaritra. Arakaraka ny ahatsapan’izy ireo fa afaka mitantana lafiny maro samihafa amin’ny fiainany izy, no azo inoana kokoa fa hananany fiainana mahafa-po araka ny antonony.

Fiatrehana fihetseham-po sarotra resena

Tapany lehibe amin’ny fiatrehana ny aretina mitaiza ny fianarana mifehy ny fihetseham-po manimba. Iray amin’izy ireny ny fahatezerana. Manaiky ny Baiboly fa mety hanana antony hahasosorana ny olona iray. Mampirisika antsika koa anefa izy io mba ho “tsy mora tezitra”. (Ohabolana 14:29, NW). Nahoana no fahendrena ny manao toy izany? Araka ny voalazan’ny boky iray, ny fahatezerana dia “afaka mikiky anao tsikelikely ka mahatonga anao hahatsapa fahatezerana latsa-paka na hitarika anao hilaza teny mandratra izay hanenenanao any aoriana”. Na dia fipoahan’ny fahatezerana indray mandeha monja aza, dia afaka miteraka fahavoazana izay mety ho ela vao ho sitrana.

Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Miharihary fa tsy afaka manao na inona na inona mba hampihemorana ny filentehan’ny masoandro isika. Afaka manao zavatra kosa anefa isika mba hampitonena haingana ny ‘fahatezerantsika’, mba tsy hanohizantsika hitondra fahavoazana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa. Ary azo inoana fa ho afaka handamina toe-javatra iray amin’ny fomba tsara lavitra ianao, rehefa tony.

Sahala amin’ny ao amin’ny fianakaviana hafa rehetra, dia tsy isalasalana fa hifandimby ao amin’ny fianakavianao koa ny soa sy ny ratsy. Maro no mahita fa mahazaka kokoa ny toe-javatra mihatra aminy izy ireo rehefa afaka mifamboraka izany, na mamboraka izany amin’ny olon-kafa be fangoraham-po sy mahay miombom-pihetseham-po aminy. Izany indrindra no tsapan’i Kathleen. Voalohany dia nikarakara an-dreniny, izay voan’ny kansera, izy, ary tatỳ aoriana dia ny vadiny, izay tratran’ny fahaketrahana naharitra, sy voan’ny aretin’i Alzheimer tamin’ny farany. Miaiky toy izao izy: “Nitondra fanamaivanana sy fampiononana ho ahy ny nahafahako nifampiresaka tamin’ny namana izay nahatakatra ny nanjo ahy.” Mitovy hevitra amin’izany i Rosemary, izay nikarakara an-dreniny nandritra ny roa taona. “Nanampy ahy tsy ho kivy tafahoatra ny firesahana tamin’ny namana iray feno fahatsorana”, hoy izy.

Aza gaga anefa raha tsy tananao ny ranomasonao eo am-piresahana. “Manamaivana ny fihenjanana sy ny fijaliana ny fitomaniana, ka manampy anao handresy ny alahelonao”, hoy ny boky A Special Child in the Family. *

Fihazonana toe-tsaina tsara

“Afaka manohana anao ny faniriana ho velona, rehefa marary ianao”, hoy ny nosoratan’i Solomona, mpanjaka hendry. (Ohabolana 18:14, Today’s English Version). Nanamarika ny mpikaroka maoderina fa matetika no manan-kery eo amin’izay ho vokatra faran’ny fitsaboana atao amin’ny marary ny fanantenana ao anatiny, na tsara izany na ratsy. Ahoana anefa no hahafahan’ny mpianakavy hijery ny lafy tsaran-javatra hatrany, eo anoloan’ny aretina maharitra?

Na dia tsy manakimpy ny masony amin’ilay aretina aza ireo mpianakavy, dia miatrika izany amin’ny fomba tsara kokoa izy ireo rehefa mifantoka amin’ireo zavatra mbola azony atao. “Mety tsy hahita lafy tsaran-javatra mihitsy ianao noho ny toe-javatra misy anao”, hoy ny fieken’ny raim-pianakaviana iray, “nefa tsy maintsy takatrao fa mbola manan-javatra maro ianao. Mbola velona ianao, mbola eo ireo mpianakavinao sy ny namanao.”

Na dia zavatra tsy tokony hohamaivanina aza ny aretina mitaiza, dia manampy mba hisakanana ny toe-tsaina tsy mijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra ny toe-tsaina tia vazivazy sady mahasoa. Ohatra manazava izany ny toe-tsaina ananan-dry Du Toit mianakavy, izay mora manao na mandray vazivazy. Manazava toy izao i Colette, anabavin’i Neil du Toit faravavy: “Koa satria izahay efa nianatra ny niatrika toe-javatra sasany, dia hainay ny mihomehy rehefa misy zavatra mitranga aminay izay toa tena mahakivy ny hafa. Tena manampy mba hanamaivanana ny fihenjanana anefa ny fanaovana izany.” Manome toky antsika ny Baiboly fa “ny fo ravoravo mahasalama tsara”. — Ohabolana 17:22.

Ny zava-tsarobidy ara-panahy no zava-dehibe indrindra

Anisan’ny tapany lehibe amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny Kristianina marina ny ‘fampahafantarana amin’Andriamanitra ny fangatahany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifonana’. Ny vokany dia araka izao nampanantenaina ao amin’ny Baiboly izao: “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo”. (Filipiana 4:6, 7). Taorian’ny efa ho 30 taona nikarakarana zanaka roa voan’ny aretina mitaiza, dia hoy ny reny iray: “Nanjary fantatray fa tena manampy tokoa i Jehovah mba hiatrehana izany. Tena manohana anao tokoa izy.”

Ambonin’izany, dia maro no hatanjahin’ny fampanantenana ara-baiboly ny amin’ny tany zary paradisa tsy hisy fanaintainana sy fijaliana intsony. (Apokalypsy 21:3, 4). “Koa satria nisy voan’ny aretina nitaiza tao amin’ny fianakavianay”, hoy i Braam, “dia nanjary nisy heviny kokoa ho anay ny fampanantenan’Andriamanitra hoe ‘hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana’ ”. Toy ny fianakaviana hafa maro be, ry Du Toit mianakavy koa dia maniry fatratra ny hahatongavan’ny fotoana ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’, ao amin’ny Paradisa. — Isaia 33:24; 35:6.

Mahereza! Ny fanaintainana sy ny fijaliana mitambesatra amin’ny taranak’olombelona mihitsy no anisan’ny porofo fa efa akaiky dia akaiky ny toe-piainana tsara kokoa. (Lioka 21:7, 10, 11). Mandra-pahatongan’izany anefa, dia misy mpikarakara marary sy marary maro be afaka manaporofo fa tena ‘Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra tokoa i Jehovah, izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. — 2 Korintiana 1:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Raha mila fandinihana amin’ny an-tsipiriany momba ny fomba iatrehana ny fiantraikan’ny aretina eo amin’ny fihetseham-po ianao, dia jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “S’occuper d’un malade — Un défi à relever”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Febroary 1997, pejy faha-3-13.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Fanontaniana Azon’ny Fianakaviana Apetraka Amin’ny Dokotera

• Hanao ahoana ny ho fizotran’ilay aretina, ary hanao ahoana ny ho fiafarany?

• Inona avy no ho soritr’aretina, ary inona no hatao mba tsy hitarany?

• Inona avy no fitsaboana azo isafidianana?

• Inona avy no vokany hafa sy loza mety hitranga ary soa mety hoentin’ireo fitsaboana samy hafa?

• Inona no azo atao mba hanatsarana ny toe-javatra, ary inona no tokony hosorohina?

[Efajoro, pejy 11]

Fomba Hitondranao Fanampiana

Ny olona sasany dia mety tsy hitsidika marary iray na hanolotra fanampiana, satria tsy fantany izay holazaina na ny fomba harahina amin’izany. Ny hafa dia mety hirona handidindidy, ka manery ny fianakaviana iray hanaiky izay heverin’ny tenany ho fanampiana. Izany anefa dia mety hanampy trotraka ny fanerena tsapan’ilay fianakaviana. Ahoana àry no azon’ny olona iray anampiana ny fianakaviana misy voan’ny aretina mitaiza, nefa tsy hitsofoka amin’ny fiainan’izy ireo manokana?

Mihainoa sady mahaiza miombom-pihetseham-po aminy. ‘Aoka halady hihaino’, hoy ny Jakoba 1:19. Manehoa fiheverana, amin’ny fihainoana tsara sy amin’ny famelana ireo mpianakavy hanaisotra ny fanahiana manavesatra azy, raha maniry hiresaka izy ireo. Mety hirona kokoa hanao izany izy ireo, raha tsapany fa ‘mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’ ianao. (1 Petera 3:8, NW). Tadidio anefa fa tsy mitovy ny fomba fihetsiky ny olona roa na ny fianakaviana roa samy hafa, eo anoloan’ny aretina mitaiza. Noho izany, dia “aza manome torohevitra, raha tsy hoe fantatrao tsara angaha ny zava-drehetra mombamomba ilay aretina na ilay toe-javatra”, hoy i Kathleen, izay nikarakara an-dreniny aloha, ary nikarakara am-badiny voan’ny aretina nitaiza, avy eo. (Ohabolana 10:19). Ary tadidio fa na dia manana fahalalana sasany momba ilay raharaha tokoa aza ianao, dia mety hanapa-kevitra ny tsy hila na hanaiky ny torohevitrao ilay marary sy ny fianakaviany.

Manolora fanampiana mahasoa. Takatrao fa ilain’ilay fianakaviana ny tsy hitsabahan’ny hafa amin’ny fiainany manokana. Na izany aza, rehefa tena mila anao izy ireo, dia ataovy ihany izay hahafahanao. (1 Korintiana 10:24). Hoy i Braam, izay voatonona tato amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity: “Nanampy anay be dia be ireo namanay kristianina. Rehefa natory tany amin’ny hopitaly, ohatra, izahay, satria nihombo ny aretin’i Michelle, dia nisy namanay teo amin’ny efatra sy enina teo foana teo anilanay nandritra ny alina manontolo. Nahazo fanampiana foana izahay isaky ny nila izany.” Hoy koa i Ann, vadin’i Braam: “Namirifiry ny ririnina tamin’izay, ary nandritra ny tapa-bolana dia nisy nanome anay lasopy samy hafa isan’andro. Lasopy nafana sy fitiavana lalina sy be dia be no nanohanana anay.”

Miaraha mivavaka aminy. Indraindray, dia mety tsy hisy zavatra firy, na tsy hisy mihitsy zavatra azo tsapain-tanana, azonao atao, mba hanampiana. Vitsy anefa ny zavatra mampahery tahaka ny filazana hevitra mampandroso avy ao amin’ny Soratra Masina, na ny fiaraha-mivavaka amim-pahatsorana amin’ny marary sy ny mpianakaviny. (Jakoba 5:16). “Aza hamaivanina mihitsy ny herin’ny vavaka atao ho an’ny — sy miaraka amin’ny — olona voan’ny aretina mitaiza sy ny mpianakaviny”, hoy i Nicolas, 18 taona. Tratran’ny fahaketrahana maharitra ny reniny.

Eny, afaka manampy be dia be an’ireo fianakaviana miatrika ny fihenjanana vokatry ny aretina mitaiza ny karazam-panampiana mety. Izao no fomba ilazan’ny Baiboly izany: “Ny namana dia sakaiza tia amin’ny fotoana rehetra, ary ny rahalahy dia nateraka mba hiara-mitondra fahoriana amin’ny tena.” — Ohabolana 17:17, The New English Bible.

[Efajoro, pejy 12]

Ahoana Raha Aretina Tsy Sitram-panafana Ilay Izy?

Mety ho tsy te hiresaka momba ny fahafatesana miandry ny havan-tiany voan’ny aretina tsy sitram-panafana ny fianakaviana sasany. Milaza anefa ilay boky hoe Caring—How to Cope fa “mety hanampy hampitonena ny fahatsapana tahotra mafy ny fahalalana momba izay zavatra ampoizina hitranga, sy izay tokony hatao”. Na dia samy hafa aza ny dingana voafaritra tsara tokony hatao, arakaraka ny lalàna misy sy ny fomba amam-panao eo an-toerana, dia misy fanoloran-kevitra vitsivitsy ireto, azon’ny mpianakavy dinihina, rehefa misy havan-tiana manana aretina tsy sitram-panafana ao an-trano.

Alohan’ny fahafatesana

1. Anontanio ny dokotera izay zavatra ampoizina hitranga amin’ireo andro sy ora farany, sy izay tsy maintsy hatao raha amin’ny alina no mitranga ny fahafatesana.

2. Manaova lisitry ny olona ilaina hampandrenesina ny amin’ilay fahafatesana.

3. Diniho ny fomba fandevenana azo isafidianana:

• Inona avy no fanirian’ilay marary?

• Fandevenana sa fandoroana faty? Ampitahao ny fandaniana sy ny zavatra ataon’ny mpikarakara fandevenana samy hafa.

• Rahoviana no tokony hatao ny fandevenana? Omeo fotoana ny havana avy lavitra mba hahatongavany.

• Iza no hitarika ny fotoam-pandevenana?

• Aiza ilay izy no hatao?

4. Na dia donton’ny fanafody fampitonena aza ilay marary, dia mety mbola hahafantatra izay lazaina sy atao eo akaikiny eo. Mitandrema mba tsy hilaza zavatra eo anatrehany, izay tsy tianao ho reny. Mety ho tianao ny hanome toky azy indray amin’ny firesahana aminy amin’ny fomba tony sy amin’ny fihazonana ny tanany.

Rehefa maty ilay havan-tiana

Indreto misy zavatra azon’ny hafa atao mba hanampiana ilay fianakaviana:

1. Avelao ho irery mandritra ny fotoana antonony miaraka amin’ilay vao nodimandry ilay fianakaviana mba hanombohany hanaiky ilay zava-misy hoe maty tokoa ny havany.

2. Miaraha mivavaka amin’ilay fianakaviana.

3. Rehefa vonona ilay fianakaviana, dia mety hankasitraka ny fanampiana azy hampandre ireto olona manaraka ireto:

• Ny dokotera izay hanamarina ny fahafatesana sy hanome taratasy fanamarinam-pahafatesana.

• Ny mpikarakara fandevenana, ny ao amin’ny tranom-paty, na ny toerana fandoroana faty, mba hikarakara ilay faty.

• Tapaka sy namana. (Mety hilaza zavatra toy izao amim-pahaiza-mandanjalanja ianao: “Mahakasika an’i [anaran’ilay narary] ny anton-diako (na ny antony iantsoako an-telefaonina). Tsy hita moa fa vaovao ratsy izy ity. Araka ny efa fantatrareo dia efa elaela ihany izay no niadiany tamin’ny [ilay aretina], ka maty [oviana ary taiza] izy.)

• Biraon’ny gazety hanaovana filazana manjo an-gazety raha tiana.

4. Mety ho tian’ilay fianakaviana ny hisian’ny olona hiaraka aminy mba hanampy azy hamita ny fanomanana ny fandevenana.

[Sary, pejy 9]

Tokony hanao araka izay fara heriny ny mpianakavy mba hananana fiainana mahafa-po araka ny antonony hatrany

[Sary, pejy 10]

Afaka manampy an’ireo mpianakavy mba hiatrehana ilay toe-javatra ny fiaraha-mivavaka aminy