Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lojika ve ny Evolisiona?

Lojika ve ny Evolisiona?

Lojika ve ny Evolisiona?

ANKEHITRINY, dia lazain’ireo mpanohana ny teorian’ny evolisiona fa mifanaraka amin’ny zavatra tena nisy, hono, io teoria io. Tena lojika anefa ve ireo hevitra hizingizininy matetika aoka izany? Diniho ireto ohatra manaraka ireto.

Iray amin’ireo akora mafy indrindra amin’izay fantatra ny landin-kala. Araka ny voalazan’ny New Scientist, “ny kofehy tsirairay dia afaka mitatra hatramin’ny 40 isan-jaton’ny halavany, ary mandray angôvo avo zato heny noho ny raisin’ny tsỳ, kanefa tsy tapaka”. Ahoana no fomba fanamboaran’ny hala io landy mahatalanjona io? Misy ranoka maditidity, izay proteinina, mandalo amin’ny fantsona madinika kely ao amin’ny vatan’ny hala, ary miova ho kofehy mafy ilay ranoka noho ny fiovan-toeran’ireo molekiolan’ny proteinany, hoy ny fanazavan’ny Encyclopædia Britannica.

Hoy ny fanatsoahan-kevitry ny New Scientist: “Nampivoatra teknika lasa lavitra ny hala, raha oharina amin’ny an’ny mpahay simia mahay indrindra mihitsy aza.” Azo eritreretina ve ny hoe ny hala no nampivoatra teknika be kojakojany aoka izany hoenti-manamboatra zavatra, dia teknika mbola tsy takatry ny sain’ny olombelona tsara akory?

Nomarihin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny The Wall Street Journal, nosoratan’i Phillip E. Johnson, mpampianatra lalàna ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, fa tsy ampy ny porofo manamarina ny evolisiona, kanefa matetika ireo mpanohana azy io no mbola maneso ihany an’ireo mametraka fisalasalana momba azy io. Hoy ny fanazavan’ilay lahatsoratra: “Sahirana mafy ireo mpanohana ny teorian’ny evolisiona hanome ireo porofo — kanefa izy ireo dia tsy te hiditra amina adihevitra atao amim-pahatsorana, izay mety hanozongozona tsikelikely ny fomba fiheviny izao tontolo izao.”

Misy ohatra hafa iray koa mampiseho fa tsy lojika ny fomba fihevitra mifototra amin’ny evolisiona. Izany dia momba ny zavamaniry. Ireo mpahay siansa nanao fikarohana tany Maroc dia namongatra 150 tamin’ny fosilin’ny archaeopteris, “ilay [zavamaniry] hita hatramin’izao ho manakaiky indrindra an’ireo zavamaniry voalohany maniry avy amin’ny voa afafy, razamben’ny ankamaroan’ny hazo ankehitriny”, hoy ny The Daily Telegraph, any Londres. Milaza ny mpampanonta ilay gazety, ao amin’ny sampana siansa, fa “nanampy teo amin’ny famolavolana ny tontolo maoderina” io zavamaniry io, “tamin’ny namoronany ravinkazo sy sampan-kazo”. Ny dikan’ny hoe “mamoron-java-baovao” dia hoe “mamolavola amin’ny alalan’ny fisaintsainana”. Lojika ve ny inoana fa mahay misaintsaina sy mamoron-java-baovao ny zavamaniry iray?

I Solomona, iray amin’ireo olon-kendry indrindra hatramin’izay, dia manoro hevitra antsika mba ‘hiaro ny fahaizantsika misaina’, ka tsy hamela ny hafa hieritreritra eo amin’ny toerantsika. Mbola tsy nilaina kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ny fanaovana izany. — Ohabolana 5:2, NW.