Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miova ve Andriamanitra?

Miova ve Andriamanitra?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Miova ve Andriamanitra?

NILAZA an’ilay Andriamanitry ny “Testamenta Taloha” ho “Andriamanitra masiaka toy ny bibidia” ilay mpandinika ny olombelona atao hoe George Dorsey. Hoy koa izy: “I Iaveh dia (...) tena tsy mahate ho tia velively. Andriamanitry ny mpandroba, ny mpampijalijaly, ny mpiady ary ny fandresena ny hafa izy.” Misy hafa koa nanatsoaka hevitra toy izany momba ilay Andriamanitry ny “Testamenta Taloha”, dia i Iaveh na Jehovah. Noho izany, dia manontany tena ny olona sasany ankehitriny raha tena Andriamanitra lozabe taloha, izay niova toetra mba ho ilay Andriamanitra be fitiavana sy be famindram-po ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, i Jehovah.

Tsy hevi-baovao izany hevitra momba ilay Andriamanitry ny Baiboly izany. I Marcion, olona azo lazaina hoe gnôstika tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., no voalohany nisarika ny saina ho amin’izy io. Tsy nety nanaiky an’ilay Andriamanitry ny “Testamenta Taloha” i Marcion. Taminy, dia nahery setra sy tia namaly faty io Andriamanitra io, sady mpanao jadona izay nanome valisoa ara-nofo an’ireo izay nanompo azy. Tetsy an-danin’izany, dia nolazain’i Marcion ho Andriamanitra lavorary, Andriamanitry ny fitiavana sy ny famindram-po madio, Andriamanitry ny hatsaram-panahy sy ny famelan-keloka, ilay Andriamanitry ny “Testamenta Vaovao” — araka ny hita teo amin’i Jesosy Kristy.

Mahay mampifanaraka ny tenany amin’ny toe-javatra miova i Jehovah

Ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah mihitsy dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Ny tian’izany holazaina dia hoe mahatonga ny tenany ho Mpanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah. Rehefa nanontany ny anarany tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia nanazava ny hevitr’izy io toy izao i Jehovah: “Hoporofoiko ho izay hofoporofoiko ny tenako.” (Eksodosy 3:14, NW). Hoy ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho Tonga izay rehetra tiako Aho.”

Koa mifidy ny ho tonga, na hanaporofo ny tenany ho izay rehetra ilaina àry i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany sy ny fampanantenany maneho fahamarinana. Ny porofon’izany dia ireo anaram-boninahitra sy filazalazana isan-karazany iantsoana azy: Jehovah Tompon’ny tafika, Mpitsara, Tompom-piandrianana, Mpamorona, Ray, Mpampianatra Lehibe Indrindra, Mpiandry, Mpihaino vavaka, Mpanavotra, Andriamanitra sambatra, sy ny maro hafa koa. Nifidy ny ho ireo rehetra ireo izy — sy ny ho maro hafa koa — mba hanatanterahana ny fikasany feno fitiavana. — Eksodosy 34:14; Mpitsara 11:27; Salamo 23:1; 65:2; 73:28; 89:26; Isaia 8:13; 30:20; 40:28; 41:14; 1 Timoty 1:11.

Midika àry ve izany fa miova ny toetra mampiavaka an’Andriamanitra na ny fari-pitsipiny? Tsia. Hoy ny Jakoba 1:17 (NW), momba an’Andriamanitra: “Eo aminy dia tsy misy fiovaovan’ny fihodinan’ny aloka.” Ahoana no ahaizan’Andriamanitra mampifanaraka ny tenany amin’ny toe-javatra miovaova, nefa ny tenany tsy miova?

Manazava ny hetezan’izany ny ohatry ny ray aman-dreny miahy ny zanany, izay miova andraikitra mba hanampiana azy ireo. Ao anatin’ny andro iray monja, ny ray na reny iray dia mety ho mpahandro sakafo, mpanadio trano, mpanamboatra jiro, mpitsabo marary, namana, mpanolo-tsaina, mpampianatra, mpampihatra famaizana, ary mihoatra noho izany aza. Tsy miova toetra akory ilay ray na reny, rehefa miantsoroka ireo andraikitra ireo; mampifanaraka ny tenany amin’ny toe-javatra mipoitra, arakaraka izay ilaina, fotsiny izy. Toy izany koa ny amin’i Jehovah, saingy amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho izany. Afaka mahatonga ny tenany hiantsoroka andraikitra tsy misy fetrany izy, mba hanatanterahana ny fikasany sy hanampiana ny zavaboariny. — Romana 11:33.

Ohatra, aharihary ho Andriamanitry ny fitiavana sy ny famindram-po i Jehovah, na ao amin’ny Soratra Hebreo izany na ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hoy ny nanontanian’i Mika mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., momba an’i Jehovah: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo.” (Mika 7:18). Mitovy amin’izany koa ireto teny malaza nosoratan’ny apostoly Jaona ireto: “Andriamanitra dia fitiavana.” — 1 Jaona 4:8.

Etsy an-danin’izany kosa, ireo fizarana roa amin’ny Baiboly dia samy mampiseho an’i Jehovah ho Mpitsara marina an’ireo izay mandika ny lalàny sy mampijaly ny hafa miverimberina sy amin-karatsiana ary tsy misy fibebahana. ‘Haringan’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra’, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 145:20). Mitovy amin’izany koa ny fanambarana ao amin’ny Jaona 3:36, manao hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”

Tsy miova ny toetrany

Tsy niova ny toetra mampiavaka an’i Jehovah sy ireo toetrany fototra efatra — ny fitiavana, ny fahendrena, ny rariny, ary ny hery. Hoy izy tamin’ny vahoakan’ny Isiraely: “Izaho Jehovah dia tsy miova”. (Malakia 3:6). Tokony ho 3 500 taona taorian’ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona no nilazany izany. Mifanaraka tsara amin’io fanambarany io ny ahariharin’ny fandinihana akaiky ny Baiboly manontolo momba an’Andriamanitra, izay tsy miova, raha ny amin’ny fari-pitsipiny sy ny toetrany. Tsy nisy fanalefahana ny toetran’i Jehovah Andriamanitra tao anatin’ireo taonjato maro lasa, satria tsy nisy nilana izany fanalefahana izany.

Ny fifikiran’Andriamanitra amin’ny fahitsiana, hita ao amin’ny Baiboly manontolo, dia tsy nihena, ary ny fitiavany dia tsy nihalehibe, raha oharina amin’ny tamin’ny nifampiraharahany voalohany tamin’ny olombelona tany Edena. Ireo fahasamihafana eo amin’ny toetrany, toa asehon’ny faritra samihafa amin’ny Baiboly, raha ny tena izy, dia lafiny samy hafa fotsiny amin’ilay toetra tsy miova mampiavaka azy. Izy ireny dia vokatry ny toe-javatra samy hafa sy ny olona samy hafa, izay mitaky fihetsika samy hafa na fifampiraharahana samy hafa.

Araka izany, ny Soratra Masina dia mampiseho mazava fa tsy niova ny toetra mampiavaka an’Andriamanitra tao anatin’ireo taonjato maro lasa, no sady tsy hiova amin’ny hoavy. I Jehovah no ilay ohatra velon’ny tsy fivadihana sy ny tsy fiovaovana. Azo ianteherana sy mendri-pitokisana izy amin’ny fotoana rehetra. Afaka miantehitra aminy foana isika.

[Sary, pejy 16, 17]

Ilay Andriamanitra nandringana an’i Sodoma sy i Gomora ...

... dia hahatonga tontolo vaovao sy marina