Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Amin’ny Mpianakavy Voan’ny Aretina Mitaiza

Misy Amin’ny Mpianakavy Voan’ny Aretina Mitaiza

Misy Amin’ny Mpianakavy Voan’ny Aretina Mitaiza

MAHATONGA ny tena ho falifaly ny fahitana an-dry Du Toit mianakavy falifaly lalandava. Mahafinaritra ny mijery ny fifankatiavana lalina misy eo amin’izy ireo. Raha mihaona amin’izy ireo ianao, dia tsy hahazo an-tsaina velively hoe nizaka zava-tsarotra betsaka ry zareo.

Voalohany aloha, fony roa taona i Michelle, zanak’izy ireo vavimatoa, dia nanjary fantatr’i Braam sy i Ann fa voan’ny aretina mitaiza manaranaka, izay mampahalemy hozatra sady mampahosa, ilay zaza.

“Tampoka teo”, hoy ny fanazavan’i Ann, reniny, “dia tsy maintsy mianatra ny fomba iatrehana ny aretina mitaiza manakilema ianao. Takatrao fa tsy ho toy ny teo aloha intsony ny fiainam-pianakavianao.”

Nisy loza fanampiny anefa nianjady tamin’io fianakaviana io, taorian’ny nahaterahan’ny vavy kely iray hafa sy lahy kely iray. Indray andro, rehefa nilalao tany alatrano izy telo mianadahy, dia nihazakazaka nankao an-trano izy mirahavavy. “Neny a! Neny a!”, hoy izy ireo niantsoantso. “Avia haingana fa hafahafa i Neil!”

Niolomay nivoaka i Ann, ka hitany ny lohan’i Neil nilofika teo amin’ny sorony iray. Telo taona i Neil tamin’izay. Tsy nahazaka ny lohany izy.

“Taitra be aho”, hoy ny tsaroan’i Ann, “ary takatro avy hatrany izay nitranga. Hontsa erỳ ny foko rehefa nieritreritra aho hoe tsy maintsy hiatrika zava-tsarotra toy ny zokiny vavy koa io zazalahikely tomady io: tsy maintsy ho taizan’aretina mampahalemy hozatra sady mampahosa koa izy.”

“Vetivety dia semban-drahona ilay fifaliana tamin’ny fananana fianakaviana tomady”, hoy i Braam, ilay raim-pianakaviana, “satria voatery niatrika ny sasany tamin’ireo zavatra sarotra indrindra niainanay hatramin’izay izahay.”

Na dia teo aza ny fitsaboana faran’izay tsara noraisiny tany amin’ny hopitaly, tamin’ny farany, dia maty i Michelle, vokatry ny aretina hafa naterak’ilay aretiny. Vao 14 taona monja izy tamin’izay fotoana izay. Manohy miady amin’ny vokatry ny aretiny i Neil.

Izany dia mampipoitra ilay fanontaniana hoe: Ahoana no iatrehan’ny fianakaviana, toa an-dry Du Toit mianakavy, ireo zava-tsarotra entin’ny hoe misy amin’izy mianakavy voan’ny aretina mitaiza? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia andeha isika hamakafaka ny sasany amin’ireo vokatry ny aretina mitaiza eo amin’ny mpianakavy.