Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Volana?

Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Volana?

Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Volana?

EFA an’arivony taona maro izao no ninoan’ny olona maro fa mifehy ny lafim-piainana maro eto an-tany ny volana. Noheverina fa misy heriny eo amin’ny zavamaniry, ny biby ary ny olombelona mihitsy aza, ireo endriny samy hafa isehoan’ny volana. Na dia efa noporofoin’ny fikarohana siantifika maoderina aza fa diso ny fiheverana sasany izay nankamamina hatramin’ny ela, dia mbola misy zavatra hafa ihany inoan’ny olona hatramin’izao andro izao. Inona no asehon’ny zava-misy?

Miaiky ny olona sasany fa misy ifandraisany amin’ny fitomboan’ny zavamaniry ny endriny samy hafa isehoan’ny volana. Koa mampiasa kalandrie sy alimanaka àry izy ireo rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fotoana hambolena voninkazo, hanisiana zezika, hanaovana divay an-tavoahangy, na hanaovana kaonfitira. Mino mantsy izy ireo fa raha tsy mandritra ny fotoana mety, izany hoe araka ny endrika isehoan’ny volana, no anaovana asa sasany, dia ho ratsy ny vokatra ho azo. Manolotra izao torohevitra izao ho an’ny mpanao zaridaina ny boky iray: “Ny legioma hohanina avy hatrany, amin’ny ankapobeny, dia halaina rehefa mihafeno ny volana, ary ny legioma natao hotahirizina kosa, rehefa mihamihena ny volana.” Manana fototra ara-tsiansa ve izany fanao izany?

Misy fandinihana sasantsasany toa mampifandray tokoa ny fitomboan’ny zavamaniry amin’ny fiovaovan’ny endriky ny volana. Kanefa, misy mpahay siansa maro tsy resy lahatra ny amin’izany. Manazava izy ireo fa be pitsiny ny fiovaovan’ny endriky ny volana, ary tsy mitsingerina amin’ny fotoana mitovy mihitsy, sady tsy voamarika ny heriny, hany ka sarotra ny mamerina amin’ny fomba mitovy tanteraka ireo andrana natao, izay fototr’ireo fandinihana.

Voaporofo anefa fa marina ny hoe misy heriny sasantsasany ihany ny volana. Nasehon’ny fandinihana, ohatra, fa misy ifandraisany amin’ny samonta ny zavatra ataon’ny zavamananaina maro, sy ny zavatra hohaniny, ny fotoana ampitomboany taranaka, ary ny fiovaovana biolojika ao aminy. Ary misy heriny mivantana eo amin’ny samonta indray kosa ny volana.

Misy manizingizina fa raha misy heriny eo amin’ny samonta ny volana, dia tsy maintsy misy heriny eo amin’ny olombelona koa, satria rano no mahaforona ny ampahany lehibe amin’ny vatan’olombelona. Ary ahoana ny amin’ilay lazaina fa fifandraisana misy eo amin’ireo endriny samy hafa isehoan’ny volana sy ny aretin-tsaina, ny vanin’andro ahaterahan’ny olona iray, ary ny tsingerin’ny fadimbolana mihitsy aza, izay mitovitovy faharetana amin’ny an’ny iray volana araka ny fihodinan’ny volana?

Nisy fandinihana natao teo amin’ny sehatry ny fitsaboana aretin-tsaina, ny siansa momba ny saina, ary ny fitsaboana ny taovam-pananahan’ny vehivavy mba hahalalana ny marina momba izany. Tsy nisy hevitra azo notsoahina avy tamin’ireo fandinihana. Misy mpikaroka manizingizina fa nahita fifandraisana kely eo amin’ny zavatra ataon’ny olombelona sy ny fiovaovan’ny volana, nefa misy hafa milaza mazava fa tsy misy fifandraisana na dia kely akory aza eo amin’ireo. Manizingizina izy ireo fa raha nisy vokany voamarika teo amin’ny fahaterahan’ny olombelona tokoa ny tsingerin’ny volana, dia ho efa voaporofo mazava hatramin’ny ela izany. Ankoatra izany, dia tsy nisy na teoria iray aza nampiaiky ny mpahay siansa tamin’ny ankapobeny tamin’ireo teoria naroso mba hanazavana ilay lazaina fa herin’ny volana eo amin’ny olombelona. *

Na dia noporofoin’ny siansa aza fa misy heriny sasany eo amin’ny endri-piainana maro samihafa eto an-tany ny volana, dia tsy mora ny mamantatra hoe hatraiza. Be pitsiny izao rehetra izao hita maso misy antsika, ka hatramin’izao aloha, dia mbola tsy fantatra ny ankamaroan’ny fizotran-javatra mahatalanjona mifehy azy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny sasany amin’ireny teoria ireny dia mahafaoka ny hazavan’ny volana, ny sinton’ny tany, ny hery avy amin’ny andriambin’ny tany, ary ny andriamby elektrika.

[Sary, pejy 19]

Selene, andriamanibavy nivavahan’ireo Grika sy Romanina fahiny, noheveriny ho sary velona mampiseho ny volana

[Sary nahazoan-dalana]

Musei Capitolini, Roma