Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Nahatafaray Anay Mianakavy Indray

Ny Fomba Nahatafaray Anay Mianakavy Indray

Ny Fomba Nahatafaray Anay Mianakavy Indray

NOTANTARAIN’I LARS SY I JUDITH WESTERGAARD

TOY ny trano rehetra onenan’ny mpianakavy sambatra eto Danemark ny tranon’izy ireo. Trano mampiadana misy zaridaina mahafinaritra ilay izy, ao amin’ny tanàna kely iray mandry feizay. Ao anatiny dia ahitana sary lehibe iray eo amin’ny rindrina, mampiseho an’ireo ankizy salama tsara, mitsikitsiky.

Loholona ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Lars, ilay raim-pianakaviana. Mpisava lalana (mpitory ny filazantsara manontolo andro) i Judith vadiny. Sambatra izy roa ankehitriny, nefa tsy toy izany foana akory tamin’ny lasa. Nandia fotoan-tsarotra i Lars sy i Judith ary samy nitana lonilony, ka nisaraka, ary dia nisara-bazana koa izy mianakavy. Tafaray indray anefa izy mianakavy ankehitriny. Inona no nahatonga izany? Ny tenan’izy mivady no manazava izay nitranga.

Tsy mampaninona an’i Lars sy i Judith ny mitantara izay zavatra tsy nety mihitsy tao amin’ny fanambadiany sy ny fomba nahatafaray azy ireo indray. Mihevitra izy ireo fa mety hanampy ny hafa ny zavatra nodiaviny.

Tsara erỳ ny fanombohana

Lars: Tretrika erỳ izahay teo am-panombohan’ny fanambadianay, tamin’ny Aprily 1973. Toa nahavelom-panantenana avokoa ny zava-drehetra. Tsy fantatray na ny Baiboly na ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa niaiky izahay fa ho afaka hanova izao tontolo izao ho toerana tsara lavitra honenana, raha toa ka mifarimbona ny rehetra. Koa nirotsaka tamin’ny fanaovana ezaka maro teo amin’ny politika àry izahay. Vao mainka sambatra izahay rehefa nahazo zaza telo mirahalahy salama tsara sady mavitribitrika, dia i Martin sy i Thomas ary i Jonas.

Judith: Mpiasam-panjakana nitantan-draharaha tao amin’ny sampan’asa iray aho. Tetsy an-danin’izany, dia nirotsaka tamin’ny fanaovana politika sy ny asan’ny sendikà koa ny tenako. Nomena toerana ambony miandalana teny aho.

Lars: Ny asako indray kosa dia tao amin’ny sendikà lehibe iray, ary nisondrotra ho amin’ny toerana ambony aho. Nihanahazo fisondrotana teo amin’ny asanay izahay roa, ary tsy semban-drahona ny fiainanay.

Nifampihataka tsikelikely

Lars: Samy variana be tamin’ny asanay avy anefa izahay roa, hany ka nihanihena ny fotoana niarahanay. Niasa ho an’ny antoko politika iray ihany izahay, saingy tao amin’ny sehatra samy hafa. Olon-kafa no nikarakara ireo zanakay telo mirahalahy, na tao an-tranonay izany, na tany amin’ny akanin-jaza. Koa satria samy revo tamin’ny raharahanay manokana izahay, dia nanjary tsy nilamina ny fiainam-pianakavianay. Raha sendra mba tafaraka tao an-trano izahay roa, dia matetika no nifanditra mafy. Nanomboka nisotro àry aho, ho toy ny fanafody fampitonena.

Judith: Mazava ho azy fa mbola nifankatia ihany izahay, ary mbola tia ny zanakay ihany koa, kanefa tsy nokolokoloinay araka ny tokony ho izy mihitsy ny fitiavanay, ka toa lefy. Nanjary ratsy be ny fifandraisanay, ary nijaly noho izany ireo ankizy.

Lars: Niezaka tamim-pamoizam-po hamerina tamin’ny laoniny ny fiainam-pianakavianay aho, ka nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny asako. Niala tany an-tanàn-dehibe izahay tamin’ny 1985, ka nifindra teto amin’ity tanàna kely misy anay ankehitriny ity. Nihatsara nandritra ny fotoana kelikely ny toe-javatra, saingy mbola nifantoka foana tamin’ny raharahanay avy izahay mivady. Farany, tamin’ny Febroary 1989, dia niafara tamin’ny fisarahana ny fanambadianay naharitra 16 taona. Nirodana ny fiainam-pianakavianay.

Judith: Nampivalaketraka ny nahita anay mianakavy nisara-bazana sy ny nahita ny fijalian’ireo ankizy. Feno lonilony tokoa izahay roa, hany ka tsy afaka nifanaraka akory ny amin’ny hoe samy hahazo lalana hitaiza ireo zanakay izahay, koa dia ny tenako no nomen-dalana hitaiza azy telo mirahalahy.

Lars: Very hevitra izahay sy i Judith teo am-piezahanay hiaro ny fianakavianay tsy hisara-bazana tanteraka. Nivavaka tamin’Andriamanitra mihitsy aza izahay mba hanampiany anay. Tsy nahafantatra zavatra firy momba an’Andriamanitra anefa izahay.

Judith: Na dia nivavaka aza izahay, dia nihevitra fa tsy nihaino Andriamanitra. Velom-pankasitrahana izahay fa taorian’izay, dia hitanay fa tena mihaino vavaka Andriamanitra.

Lars: Tsy fantatray hoe nila nanao ezaka sy nanao fiovana ny tenanay. Koa nampalahelo fa nisaraka izahay.

Fiovan-javatra tsy nampoizin’i Lars

Lars: Fony aho nipetraka irery, dia nisy fiovan-javatra tsy nampoiziko mihitsy. Nandray gazety roa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, indray andro. Talohan’izay, raha vao olona fantatro hoe Vavolombelon’i Jehovah dia tsy noraisiko. Teo am-pamadibadihana ireo gazety ireo anefa, dia hitako fa mino an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ny Vavolombelona, raha ny marina. Tena nahagaga ahy izany. Tsy fantatro hoe Kristianina izy ireo.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany ihany, dia niara-nipetraka tamin’ny vehivavy iray hitako aho. Hay, Vavolombelon’i Jehovah izy io taloha. Rehefa nanomboka nametraka fanontaniana aho, dia nasehony ahy tao amin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Hay, “Vavolombelon’Andriamanitra” izany no dikan’ny hoe “Vavolombelon’i Jehovah”!

Nataon’ilay vehivavy izay hahafahako hanatrika lahateny ampahibemaso iray tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nanaitra ny fahalianako tokoa ny zavatra hitako tao. Nitsidika ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana aho mba hahafantarako misimisy kokoa, ary natomboka ny fampianarana ahy Baiboly. Tsy ela dia takatro fa tsy nety ny fomba fiainako, koa nialako ilay vehivavy fantatro, ary nandeha nipetraka irery tao amin’ny tanàna nahabe ahy aho. Niahotra kely aho aloha vao nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao, ary avy eo dia nanohy ny fianarako ny Baiboly.

Mbola nanana fisalasalana ihany anefa aho. Vahoakan’Andriamanitra tokoa ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Ahoana ny amin’ny zava-drehetra nianarako fony kely? Koa satria notezaina tao amin’ny fivavahan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito aho, dia nifandray tamin’ny mpitondra fivavahana advantista iray aho tamin’izay fotoana izay. Nanaiky hiara-mianatra tamiko isaky ny alarobia izy, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa niara-nianatra tamiko isaky ny alatsinainy. Ny zavatra notadiaviko dia valin-teny mazava nomen’ireo fivavahana roa ireo momba ny foto-kevitra efatra voafaritra tsara: ny fiverenan’i Kristy, ny fitsanganana amin’ny maty, ny foto-pinoana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, ary ny fomba tokony handaminana ny kongregasiona. Rehefa afaka volana vitsivitsy monja, dia nisava ny fisalasalako rehetra. Isaky ny foto-kevitra tsirairay tamin’izy efatra ireo — sy tamin’ny zavatra hafa rehetra — dia ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tena miorina tanteraka amin’ny Baiboly. Koa faly àry aho nanomboka nandray anjara tamin’ny asa rehetra fanaon’ny kongregasiona, ary tsy ela dia nanolo-tena ho an’i Jehovah aho. Natao batisa aho tamin’ny May 1990.

Ahoana ny amin’i Judith?

Judith: Rehefa tsy nahitam-panafana intsony ny olana teo aminay mivady, dia nanomboka nankany am-piangonana indray aho. Nony reko fa ho tonga Vavolombelon’i Jehovah i Lars, dia tsy faly mihitsy aho. Nitsidika an-drainy tsindraindray i Jonas, zanakay faralahy folo taona, kanefa tsy navelako hitondra an’i Jonas tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelona i Lars. Nangataka fanampiana tany amin’ny manam-pahefana i Lars, kanefa nomba ahy izy ireo.

Nahita lehilahy hafa iray aho. Afa-tsy izany koa, dia vao mainka tafiditra lalina kokoa tamin’ny politika sy tamin’izao karazana asa fanasoavam-bahoaka rehetra izao aho. Koa raha nisy nilaza hoe nety ho tafaray indray izahay mianakavy tamin’izany fotoana izany, dia toa tsy azo ninoana ny hitrangan’izany.

Nitady fomba hiadiana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ka nankany amin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny paroasy teo an-toerana, izay niaiky avy hatrany fa sady tsy nahafantatra na inona na inona momba ny Vavolombelona izy no tsy nanana boky momba azy ireny. Ny hany azony nolazaina dia hoe tsara kokoa ny hanalavirako azy ireny. Mazava ho azy fa tsy nampiova velively ny fiheverako ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Voatery nihaona tamin’izy ireo tamin’ny fomba tsy nampoiziko mihitsy anefa aho tamin’izay fotoana izay.

Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny anadahiko izay mipetraka atsy Soeda, ary nasaina hanatrika ny fampakaram-badiny tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray aho! Nampiova tanteraka ny fiheverako ny Vavolombelona ny nanatrehako ilay izy. Gaga aho fa olona mahafinaritra izy ireo, tsy araka ny nieritreretako azy hatramin’izay. Tsara fanahy sady falifaly izy ireo, ary nahay nivazivazy mihitsy aza.

Nandritra izany fotoana izany, dia niova tanteraka i Lars, ilay vadiko taloha. Nahay nandray andraikitra kokoa izy, nanokana fotoana niarahana tamin’ireo ankizy, tsara fanahy sady nitandrina an’izay nolazainy, ary tsy nisotro tafahoatra toy ny tamin’ny lasa. Nanintona erỳ ny toetrany! Tonga tamin’ilay naniriako azy indrindra hatramin’izay izy izao. Nahakivy tokoa ny nieritreritra hoe tsy vadiny intsony aho, ary nety hisy vehivavy hafa hanambady azy indray andro any!

Koa nitetika “fanafihana” an-kolaka àry aho. Indray mandeha, fony i Jonas nipetraka tany amin-drainy, dia nataoko izay hiarahana tamin’ny rahavaviko roa mba handeha hijery an’i Jonas sy i Lars, ka mody nolazaiko hoe tokony havela hijery ny zana-drahavaviny izy mirahavavy. Nihaona tao amin’ny toerana fanaovana kermesy iray izahay. Raha mbola nikarakara an’i Jonas ireo nenitoany, dia nahita dabilio iray izahay sy i Lars ka nipetraka.

Gaga aho fa raha vao niresaka momba ny hoavinay aho, dia namoaka boky iray avy tao am-paosiny i Lars. Nantsoina hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra izy io. * Natolony ahy ilay boky, ary nanipy hevitra izy ny hamakiako ireo toko momba ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokantrano. Nantitranteriny manokana ny hijereko ireo andinin-teny.

Nony avy eo, rehefa niala teo amin’ilay dabilio izahay sy i Lars, dia naniry handray ny sandriny aho, kanefa nolaviny tamim-pahalalam-pomba izany. Tsy nikasa ny hifamatotra tamiko indray izy, raha tsy fantany ny fiheverako ilay finoany vaovao. Somary nanafintohina ahy izany, saingy takatro nony avy eo fa tena ara-dalàna ny fihetsiny, ary hahasoa ny tenako ihany izany raha ho lasa vadiko indray izy, indray andro any.

Nahatonga ahy ho vao mainka liana ta hahafantatra misimisy kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izany rehetra izany. Ny ampitson’iny, dia nifandray tamin’ny vehivavy iray fantatro ho Vavolombelona aho, koa nanao fandaharana izahay mba hanomezan’izy mivady ahy ny fanazavana tiako ho fantatra momba ny fivavahany. Novalian’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly avokoa ny fanontaniako rehetra, izay maro tokoa. Hitako fa miorina mafy ao amin’ny Baiboly ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voatery niaiky aho, isaky ny fanontaniana voavaly, fa ity no fahamarinana.

Nandritra izany fotoana izany, dia niala tao amin’ny Fiangonana Loteranina Ara-pilazantsara aho, ary nitsahatra tsy nanao politika intsony. Niala tamin’ny sigara mihitsy aza aho. Izany no dingana mafy indrindra tamiko. Nanomboka tamin’ny Aogositra 1990 no nianarako ny Baiboly, ary natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny Aprily 1991.

Ilay fampakaram-badiny fanindroany

Judith: Samy Vavolombelona vita batisa izahay roa tamin’izay fotoana izay. Samy nandeha tamin’ny lalanay avy izahay, kanefa samy nianatra ny Baiboly koa. Noho ireo fampianarana tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly, dia hafa noho ny teo aloha izahay. Mbola nifankatia ihany izahay, angamba aza nifankatia lalina kokoa noho ny hatramin’izay. Koa afaka nivady indray izahay izao, ary dia izany no nataonay. Nifanao voady fanindroany izahay, saingy tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ity indray mandeha ity.

Lars: Nitranga ilay zavatra tsy nampino: tafaray indray izahay mianakavy! Endrey ny fahasambaranay sy ny fifalianay tamin’izay fotoana izay!

Judith: Ireo zanakay lahy mbamin’ny havana aman-tsakaiza maro — na namana vaovao izany na taloha — no nanatrika ilay fampakaram-bady. Nahafinaritra be ilay izy. Anisan’ireo nasaina ny olona sasany efa nahafantatra anay fony izahay nivady teo aloha; faly izy ireo nahita anay tafaraka indray, ary gaga nahita ny tena fifaliana teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ireo ankizy

Lars: Taorian’ny batisanay, dia faly izahay nahita ny roa tamin’ireo zanakay lahy nifidy ny hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.

Judith: Nankasitraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Jonas, hatramin’ny nahafantarany izany fony kely, rehefa nitsidika an-drainy izy. Vao folo taona monja izy rehefa nilaza tamiko fa te hipetraka tany amin’ny dadany, satria “manaraka ny Baiboly i Dada”, hoy ny fanazavany. Natao batisa i Jonas teo amin’ny faha-14 taonany. Nahavita ny fianarany izy, ary mpitory manontolo andro ankehitriny.

Lars: Fito amby roapolo taona ankehitriny i Martin, ilay zanakay lahimatoa. Nampieritreritra be azy ny nahita ireo fiovana nataonay. Niala tato an-trano izy, ary lasa nipetraka tany amin’ny faritra hafa teto Danemark. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana izy, roa taona lasa izay. Rehefa afaka dimy volana monja, dia vonona ho amin’ny batisa izy. Mbola manana fikasana tsara dia tsara momba ny fiainany amin’ny hoavy amin’ny maha Kristianina azy izy.

Tsy Vavolombelon’i Jehovah i Thomas, ilay zanakay lahiaivo, amin’izao fotoana izao. Mbola tia azy foana izahay, mazava ho azy, ary manana fifandraisana tsara aminy. Faly izy nahita ny fiovana nitranga teo amin’ny fianakavianay. Ary miara-manaiky izahay mianakavy fa noho ireo foto-pitsipika nianaranay ray aman-dreny tao amin’ny Baiboly, dia tafaray indray izahay. Fitahiana ho anay tokoa ankehitriny ny ahafahanay mianakavy, dia izy telo mirahalahy sy izahay ray aman-dreniny, miaraka matetika!

Ny fiainanay ankehitriny

Lars: Tsy milaza akory izahay hoe nanjary lavorary izahay. Niana-javatra anefa izahay, dia ny hoe anton-javatra fototra mahatonga ny fanambadiana ho vanona ny fitiavana sy ny fifanajana. Samy hafa be amin’ny fototra niorenan’ny fanambadianay teo aloha ny fototra iorenany ankehitriny. Izao izahay roa dia samy nanaiky fahefana iray ambony kokoa noho ny tenanay, satria samy manaiky fa velona ho an’i Jehovah izahay. Tena mahatsiaro ho tafaray tokoa izahay sy i Judith, ary mibanjina ny hoavy amim-patokisana.

Judith: Heveriko fa izahay dia porofo velona mampiseho fa i Jehovah no mpanolo-tsaina mahay indrindra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 30 Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1978; tsy atao pirinty intsony ankehitriny.

[Sary, pejy 20]

Lars sy Judith tamin’ny fotoan’ny fampakaram-badiny voalohany, tamin’ny 1973

[Sary, pejy 21]

Tafasaraka ny fianakavian’izy telo mirahalahy, ary avy eo dia tafaray indray

[Sary, pejy 23]

Lars sy Judith ankehitriny, tafaray indray noho ny nanarahany ny foto-pitsipika ara-baiboly