Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray Mpandositra Adidy — Tena Afa-Mandositra Tokoa Ve?

Ray Mpandositra Adidy — Tena Afa-Mandositra Tokoa Ve?

Manontany Ny Tanora Hoe...

Ray Mpandositra Adidy — Tena Afa-Mandositra Tokoa Ve?

“Rehefa nilaza izy hoe ‘hiteraka ny zanakao aho’, dia taitra be aho. Iza no hikarakara ilay zaza? Tsy afaka ny hamelona fianakaviana aho tamin’izay fotoana izay, ka ta handositra ilay adidiko.” — Jim. *

“ISAN-TAONA”, hoy ny tatitra iray avy ao amin’ny Ivon-toerana Alan Guttmacher, “dia ankizivavy efa ho iray tapitrisa (...) no bevohoka.” Mahatratra “78%-n’ny zaza ateraky ny ankizivavy no zaza sary”.

Tamin’ny lasa, dia nahatsapa tena ho voatery hiandraikitra ny zaza naterany ny lehilahy. Araka ny voalazan’ilay boky hoe Teenage Fathers anefa, dia “tsy mahamenatra sy tsy manala baraka toy ny [teo aloha] intsony izany hoe bevohoka tsy manambady izany”. Eo anivon’ny tanora ao anatin’ny fiaraha-monina sasany, dia mety hoheverina ho voninahitra mihitsy aza izany hoe manan-janaka izany, nefa tsy manambady! Na izany aza, dia vitsy ny tovolahy manaiky hikarakara ny zaza naterany, mandritra ny fotoana maharitra. Mandositra ny adidiny ny ankamaroany, rehefa mandeha ny fotoana. *

Afa-mandositra tanteraka ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena anefa ve ny tovolahy iray? Tsia, raha araka ny Baiboly. Izao no fampitandremany: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Ho hitantsika fa matetika no misy vokany izay zakain’ny ankizilahy sy ny ankizivavy mandritra ny androm-piainany manontolo ny fahalotoam-pitondran-tena. Afaka misoroka izany vokany izany ny tanora, amin’ny fanarahana ny torohevitra mazava tsara ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tokony hanalavirana ny fahalotoam-pitondran-tena.

Fandosirana adidy — Tsy mora akory

Mitaky fanaovana sorona fotoana sy vola be dia be, ary koa fanaovana sorona ny fahafahan’ny tena manokana, ny fikarakarana zaza. Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Young Unwed Fathers: “Tsy liana amin’ny ‘fikarakarana olon-kafa’ ny tovolahy sasany, rehefa mampihena ny volany izany.” Vidin’ny maro lafo anefa ny fitiavan-tenany. Ohatra, miharatsy laza eo anatrehan’ny fitsarana sy ny mpanao lalàna any amin’ny tany maro ny lehilahy tsy mamelona ny zanany. Raha vantany vao voaporofo ara-dalàna hoe iza no rain’ilay zaza, dia mety hotakina aminy ny handoavany izay tokony ho adidiny mandritra ireo taona maro ho avy — ary ara-drariny izany. Tanora maro no voatery miala amin’ny fianarana, na manao asa kely karama, mba hanefana ny adidy toy izany. “Arakaraka ny hakelin’ny taonan’ilay ray niteraka”, hoy ilay boky hoe School-Age Pregnancy and Parenthood, “no hahakely kokoa ny fianarana ho vitany.” Ary raha tsy mandoa ny vola fanampiana izy, dia mety hiavosa be ny trosany.

Mazava ho azy fa tsy ny tovolahy rehetra no mafy fo amin’ny zanany. Tsara fikasa ny ankamaroany, eo am-boalohany. Araka ny fanadihadiana iray, dia ny 75 isan-jaton’ny tovolahy efa manan-janaka no nitsidika ny zanany teny amin’ny hopitaly. Na izany aza, tsy ela dia leon’ireo andraikitra amin’ny fikarakarana zaza ny ankamaroan’izy ireny.

Maro no mahita fa tsy manana tsotra izao ny fahaizana na ny fahazaran-draharaha ilaina mba hahazoana asa tsara ny tenany. Menatra izy ireo, satria tsy afaka manome fanampiana ara-bola, hany ka mandositra ny adidiny, rehefa mandeha ny fotoana. Na izany aza, dia mety hitamberina tsy an-kijanona ao amin’ny tovolahy iray ny fahatsapana nenina, mandritra ny taona maro ho avy. Niaiky toy izao ny tovolahy iray: “Indraindray aho dia manontany tena hoe mba nanao ahoana izay zanako lahy izay. (...) Manenina aho noho ny nandaozako [azy], kanefa izao izy dia tsy hitako intsony. Angamba izy no hahita ahy indray andro any.”

Ny ratsy atao amin-janaka

Mety ho menatra mafy koa ireo ray mpandositra adidy, noho ny ratsy nataony tamin-janany naterany. Raha ny marina, araka ny asehon’ny Baiboly, dia mila ray sy reny ny zaza iray. (Eksodosy 20:12; Ohabolana 1:8, 9). Rehefa mandao ny zanany ny lehilahy iray, dia mamela azy ho azon-javatra maro be mety hanahirana. Hoy ny tatitra iray nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia: “Mazàna no mahazo naoty ambany kokoa amin’ny fitsapam-pahaizana am-bava sy amin’ny fitsapam-pahaizana matematika ny ankizy kely notezain-dreniny irery. Rehefa [eo anelanelan’ny 7 ka hatramin’ny 10 taona eo ho eo] ny ankizy tezain’ny rainy na ny reniny irery, dia mazàna no mahazo naoty ambany kokoa, mampiseho fihetsika manahirana kokoa, ary mora voan’ny aretina mitaiza sy ny aretin-tsaina kokoa. Raha ny amin’ny zatovo sy ny olon-dehibe mbola tanora, izay notezain-dreniny irery, dia manan-tombo be [noho ny an’ny hafa] ny mety hahatonga azy hanana anaka raha mbola zatovo, hiala amin’ny fianarana rehefa eny amin’ny lise, haiditra am-ponja, ary ho sady tsy an’asa no tsy hianatra.”

Hoy ny fanatsoahan-kevitr’ilay gazetiboky hoe Atlantic Monthly: “Araka ny porofo mihamiavosa eo amin’ny lafiny sosialy sy siantifika, dia ratsy kokoa amin’ny lafiny maromaro ny fiainan’ny ankizy ao amin’ny fianakaviana rava vokatry ny fisaraham-panambadiana sy ny an’ny zaza sary, raha oharina amin’ny an’ny ankizy ao amin’ny fianakaviana tsy voazarazara. Avo enina heny [noho ny amin’ireto farany] ny mety hampahantra ny ankizy tezain’ny rainy na ny reniny irery. Ary azo inoana koa fa hitoetra ho mahantra foana izy ireo.”

Tadidio fa miorina amin’ny fandinihana natao tamin’ny antokon’olona ireo fahavoazana mety hitranga ireo, fa tsy voatery hihatra amin’ny isam-batan’olona akory. Ankizy maro no tonga olon-dehibe mahafinaritra, mahay mandanjalanja tsara, na dia avy tao amin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana aza. Na izany aza, dia mety hitambesatra ao an-tsain’ny tovolahy iray nandao ny zanany ny fahatsapan-tena ho diso. “Malahelo aho milaza fa tena [nanimba] ny fiainan-janako ho mandrakizay aho”, hoy ny tovolahy iray tsy manambady. — Teenage Fathers.

Zava-tsarotra ny manome fanampiana

Tsy ny tovolahy rehetra no ray mpandositra adidy. Misy tovolahy sasany mahatsapa araka ny tokony ho izy ny adidiny amin-janany, ka maniry amim-pahatsorana ny hanampy amin’ny fitaizana azy. Matetika anefa no mora lazaina izany fa sarotra atao. Ohatra, mety tsy hanana zo ara-dalàna afa-tsy vitsy monja ny tovolahy iray, ka hamela an-drazazavavy mbamin’ny ray aman-drenin’izy io hametra ny habetsahana — na ny hakelin’ny — fifandraisan’izy ray amin-janany. “Mifaninana tsy an-kijanona izahay mba ho tompon’ny teny farany ny amin’izay hatao amin’ilay zaza”, hoy i Jim, voatonona terỳ am-piandohana. Koa mety hisy fanapahan-kevitra horaisina àry izay tsipahin’ilay rain’ilay zaza mafy, dia fanapahan-kevitra toy ny hoe homena hatsangan’olona ilay zaza, na halana mihitsy aza. * “Mafy amiko ny mamela azy ireo hanome ilay zanako lahy ho an’olon-tsy fantatra”, hoy ny fitarainan’ny tovolahy iray, “kanefa heveriko fa tsy manan-tsafidy hafa aho.”

Milaza ny tovolahy sasany fa hanambady ny renin-janany. * Ekena aloha fa tsy hitsanga-menatra razazavavy rehefa manambady, ary mba hotezain’ny rainy sy ny reniny ilay zaza. Mety ho tena mifankatia tokoa izy roa kely, na dia nanao fahalotoam-pitondran-tena aza. Kanefa, ny hoe afaka miteraka ny zazalahy iray, dia tsy midika velively hoe mato-tsaina sady matotra ara-pihetseham-po mba ho tonga vady sady raim-pianakaviana tsara izy. Tsy midika koa izany hoe afaka mamelom-bady aman-janaka izy. Asehon’ny vokatry ny fandinihana natao fa mazàna no tsy maharitra ny fanambadiana natao maimaika noho razazavavy bevohoka. Koa tsy vahaolana maneho fahendrena foana àry ny ho maimaika hanambady.

Tovolahy maro no milaza fa hanampy ara-bola ny zanany. Araka ny voalaza teo aloha, dia tena mila ny ho tapa-kevitra tokoa ilay tovolahy mba hanohizany hanome izany fanampiana izany mandritra ny fotoana maharitra — angamba mandritra ny 18 taona na mahery! Mety hisakana ny hampahantra ilay renin-janany sy ilay zaza anefa ny fanampiana tsy an-kijanona toy izany.

Ahoana ny amin’ny fiaraha-mitaiza ilay zaza? Mety ho hita ho tena zava-tsarotra koa izany. Indraindray ny ray aman-drenin-drazazalahy sy ny ray aman-drenin-drazazavavy dia manahy sao hanao firaisana indray izy roa, ka miezaka hanakivy — eny, handrara mihitsy aza — ny hifankahitan’izy roa indray. Mety hanapa-kevitra koa razazavavy fa tsy tiany “hiraiki-po” amin-dehilahy tsy vadiny ny zanany. Na ahoana na ahoana, raha avela hifandray tsy tapaka amin-janany ilay rainy, dia haneho fahendrena ny fianakavian’ny andaniny sy ny ankilany raha manao izay hahazoana antoka fa misy olon-kafa foana eo rehefa tonga mitsidika izy, mba hisorohana fahalotoam-pitondran-tena hafa indray.

Maniry ny ho akaiky ny zanany ny ray tsy manambady sasany ka nianatra fomba fitaizana fototra sasany, toy ny fampandroana ny zanany, ny famahanana azy, na ny famakian-teny ho azy. Ny tovolahy iray nanjary nankasitraka ny hasarobidin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly, dia mety hiezaka mihitsy aza ny hampianatra ny zanany foto-pitsipika sasany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Efesiana 6:4). Tsy isalasalana fa aleo mahazo fanehoam-piheverana kely amim-pitiavana avy amin-drainy ilay zaza, toy izay tsy mahazo mihitsy. Na izany aza anefa, dia tsy mitovy tsotra izao amin’ny fahitany an-drainy isan’andro izany. Ary raha manambady ilay reniny any aoriana, dia mety ho tsy afa-manoatra intsony ilay rainy rehefa lehilahy hafa indray no mandray an-tanana ny fitaizana ilay zanany.

Mazava àry fa ny fananana anaka, nefa ny tena tsy manambady, dia mitondra fahoriana be dia be — na ho an’ny ray sy ny renin’ilay zaza, na ho an’ilay zaza. Ankoatra ireo fanahiana rehetra voalaza tetsy ambony, dia atahorana tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra intsony ny tena. Manameloka ny firaisana andrarana mantsy izy. (1 Tesaloniana 4:3). Mety ho azo atao ny manarina amin’ny fomba tsara indrindra ny toe-javatra ratsy iray, toy ny hoe bevohoka raha mbola zatovo. Na izany aza, dia tokony hazava fa ny fanalavirana fahalotoam-pitondran-tena dieny eo am-piandohana no lalana tsara indrindra. Niaiky toy izao ny tovolahy iray efa manan-janaka: “Raha vantany vao manan-janaka ianao, nefa tsy manambady, dia tsy ho toy ny teo aloha intsony ny fiainanao.” Eny tokoa, mety ho voatery hizaka ny vokatry ny fahadisoana nataony ny tovolahy iray efa manan-janaka, mandritra ny andro sisa hiainany. (Galatiana 6:8). Eto indray koa, dia hita ho maneho fahendrena ny torohevitra omen’ny Baiboly manao hoe: “Mandosira ny fijangajangana.” — 1 Korintiana 6:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Manan-janaka Nefa ny Tena Tsy Manambady — Mahatonga ho Tena Lehilahy ve Izany?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 May 2000.

^ feh. 16 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny Jolay-Septambra 1995.

^ feh. 17 Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hanambadian’ny lehilahy iray ny zazavavy virjiny voataonany hanao firaisana taminy. (Deoteronomia 22:28, 29). Tsy hoe tanteraka foana anefa ilay fanambadiana, satria azon’ny rain-drazazavavy natao ny nisakana ilay izy. (Eksodosy 22:15, 16). Na dia tsy eo ambanin’io Lalàna io aza ny Kristianina ankehitriny, dia tena antitranterin’izany fa fahotana lehibe ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. — Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1990.

[Sary, pejy 15]

Tsara indrindra ny manalavitra fahalotoam-pitondran-tena, dieny eo am-piandohana