Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fijerena An’izao Tontolo Izao
Tsy Manam-paharoa ny Planeta Tany
Araka ny astronoma, dia misy planeta vaovao hatrany hita, eo am-pandrefesan’ny mpahay siansa ilay fangovitana kely eo amin’ny kintana lavitra be izay misy planeta mihodina. Ny sintona avy amin’ny fihodinkodinan’ireo planeta manodidina azy mantsy no miteraka izany fangovitana kely izany.Toy ny tamin’ny 1999, dia nolazaina fa misy planeta 28 toy izany any ivelan’ny masoandrontsika sy ireo planeta mihodidina azy. Mitovitovy amin’ny haben’i Jupiter, na lehibe kokoa aza, ireo planeta vaovao nolazaina fa hita. Ny haben’i Jupiter dia avo 318 heny eo ho eo noho ny haben’ny Tany. Heverina fa voaforon’ny heliôma sy hidirozenina toa an’i Jupiter, ireo planeta ireo. Noho ny halaviran’ny lalan’ireo planeta ireo, dia toa tena azo inoana fa tsy misy planeta mitovitovy habe amin’ny tany afaka ny ho eo akaikin’izy ireo. Ankoatra izany, ny lalan’ny Tany dia mihodinkodina manao boribory, mirefy 150 tapitrisa kilaometatra, fa ny lalan’ireo planeta ireo kosa dia boribory lavalava toy ny atody, rehefa mihodidina ny kintany izy. Ny lalana fihodinana iray, raha ny marina, dia mahatratra 58 tapitrisa kilaometatra ka hatramin’ny 344 tapitrisa kilaometatra miala avy eo amin’ny kintany. “Toa manomboka miharihary fa somary tsy fahita firy ireo lalana fihodinkodinana manao boribory samy manana ny toerany avy, sahala amin’ny hitantsika amin’ireo planeta manodidina ny masoandrontsika”, hoy ny astronoma iray.
Ny Ankizy sy ny Torimaso
Hoy ny gazetiboky Parents: “Tsy maintsy feran’ireo ray aman-dreny hoe hatramin’ny firy alina ny ankizy mbola mianatra iray no afaka mbola tsy matory. Tsy izay ihany anefa, fa tsy maintsy ferany koa hoe inona no azon’izy ireo atao, alohan’ny hatoriany. Ny fijerena tele, ny fanaovana lalao amin’ny ordinatera sy vidéo, ary ny fikarokarohana ao amin’ny Internet dia fanaovan-javatra manaitaitra izay mahatonga ny sain’ny zaza iray hiasa mihoatra ny fotoana tokony hiasany. Ary ny fanekena hanao zavatra be dia be aorian’ny ora fianarana, dia manakana azy ireo tsy hahavita ny entimodiny amin’ny ora antonony tokony hahavitany izany.” Asehon’ny fikarohana fa matetika ny tsy fahampian-torimaso no misy vokany hafa eo amin’ireo ankizikely: manjary tsy mahatombin-tsiraka izy ireo, sady tsy azo fehezina, fa ny olon-dehibe kosa dia sady ta hatory lava no tsy be teny firy. Vokatr’izany, rehefa any am-pianarana ireo ankizy tsy ampy torimaso, dia manjary tsy afaka mifantoka tsara, tsy mihaino tsara sy tsy afaka mitadidy tsara izay nianarany ary tsy afaka manome ny vahaolana amin’ny laza adina. Milaza ireo manam-pahaizana manokana fa ilain’ny ray aman-dreny hoferana ny fotoana hatorian’ireo zanany, ary ilainy hoheverina ho laharam-pahamehana izany fa tsy ho fara safidy ka hoe tsy atao raha tsy rehefa tsy misy hery intsony, na tsy misy zavatra atao intsony.
Fifampiresahana Amin’ny Sioka
Manao tatitra ny The Times any Londres, fa ny ankizy espaniola mpianatra, any amin’ny nosy Gomera, iray amin’ireo Nosy Canaries, dia asaina mianatra ny fitenenana amin’ny sioka, izay fomba nampiasain’ireo mpiandry ondry teo an-toerana, nandritra ny taonjato maro. Nampiasaina voalohany izy io, mba hifampiresahana amin’ireo eny ampitan’ny lohasaha any amin’ireo faritra be tendrombohitra. Mampiasa feo mba hanahafana ireo vaninteny amin’ny teny aloaky ny vava, io silbo, na sioka, any Gomera io. Apetrak’ireo mpisioka ao am-bavany ny rantsantanany, mba hanovaovana ny feo, ary ataony eo amin’ny andaniny roa amin’ny vavany ny felatanany, mba hahatonga ilay feo ho lasa lavitra, hahatratra hatrany amin’ny telo kilaometatra. Efa saika very tanteraka ny fampiasana ny silbo tamin’ireo taona 1960, kanefa nanjary nalaza indray. Amin’izao fotoana izao ilay nosy dia manokana andro iray isan-taona ho an’ny sioka. Misy fetrany ihany anefa ny mety ho vita amin’ny sioka. “Afaka miresaka ianao, nefa tsy afaka miresaka zavatra maro”, hoy i Juan Eravisto, talen-tsekoly iray eo an-toerana.
SIDA Maneran-tany
Araka ny tatitra vaovao iray nataon’ny Firenena Mikambana, maneran-tany dia “misy olona maherin’ny 50 tapitrisa voan’ny VIH-SIDA — mitovy amin’ny isan’ny mponin’ny Royaume-Uni — ary 16 tapitrisa no efa maty”, hoy ny The Globe and Mail, any Kanada. “Nahariharin’ireo fikarohana natao tany amin’ny tany afrikanina sivy fa manan-tombo 20 isan-jaton’ny lehilahy ny isan’ny vehivavy voan’io aretina io”, ary koa fa “avo dimy henin’ireo zatovolahy ny isan’ireo zatovovavy mety ho voan’ny VIH-SIDA.” Lazalazain’i Peter Piot, tale mpanatanteraka amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA ho toy ny “rano vaky” ny tarehin-javatra any Eoropa Atsinanana. Asongadin’ilay tatitra fa “mitombo mihoatra ny avo roa heny ny isan’ireo voan’ny VIH any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, tamin’ireo roa taona farany, ka izany dia ny fitomboana haingana indrindra sy be indrindra eran’izao tontolo izao”. Milaza ireo manam-pahaizana manokana fa izany dia taratry ny fitomboan’ny fitsindronana zava-mahadomelina, any amin’io faritra io. Maneran-tany, dia maherin’ny antsasak’ireo voan’ny VIH-SIDA no “voan’ilay aretina eo amin’ny faha-25 taonany eo ho eo, ary matetika izy ireo no maty alohan’ny hitsingerenan’ny faha-35 taonan’ny nahaterahany”.
Menaka Fiarovana Amin’ny Masoandro sy ny Kansera
“Ny fanosorana menaka mahery fiarovana amin’ny masoandro dia
mamitaka ny olona hihevi-tena ho afa-doza, ka vao mainka mety hahatonga azy ho voan’ny kansera”, hoy ny tatitry ny The Times, any Londres. “Izany dia noho izy ireo mandany fotoana bebe kokoa hitaninana andro, ka mandray tara-masoandro betsaka kokoa.” Hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Ivon-toerana Eoropeanina Momba ny Fivontosana (tumeur), any Milan, Italia, fa ireo izay mampiasa menaka fiarovana amin’ny masoandro misy heriny 30, dia mandany fotoana manan-tombo 25 isan-jato, raha oharina amin’ireo izay mampiasa menaka misy heriny 10. Hoy i Phillipe Autier, mpanoratra ilay fanadihadiana: “Mbola tsy voaporofo teo anivon’ny sarambaben’olona ny hoe miaro amin’ny kanseran’ny hoditra, indrindra fa ny mélanome, ny fampiasana menaka fiarovana amin’ny masoandro. Misy porofo mampiaiky kosa anefa mampiseho fa misy ifandraisany ny faharetan’ny fitaninana andro ho fialam-boly sy ny kanseran’ny hoditra.” Ankehitriny, ireo manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana dia mampitandrina ny amin’ny fitaninana andro ela loatra, na manao ahoana na manao ahoana herin’ny menaka fiarovana amin’ny masoandro. Manoro hevitra toy izao i Christopher New, mpitarika ny ady amin’ny kansera, ao amin’ny Health Education Authority any Grande-Bretagne: “Aza mitsahatra mampiasa menaka fiarovana amin’ny masoandro, nefa tadidio fa tsy hoe rehefa mampiasa azy io ianareo dia manjary afaka mitanina andro ela kokoa.”Manahy Ireo Mpanao Fiantohana
Nanao tatitra ilay gazety frantsay hoe Le Monde fa “taona ratsy dia ratsy ho an’ireo mpanao fiantohana, ny taona 1999”. Nanimba zavatra nitentina 90 000 tapitrisa dolara ireo loza voajanahary tamin’ny 1998, ka ny 15 000 tapitrisa dolara tamin’ireo dia noneran’ireo kompania mpanao fiantohana. Mety mbola ho lafo kokoa noho izany mihitsy ho an’ireo mpanao fiantohana anefa ny taona 1999, satria io taona io dia voamariky ny horohoron-tany tany Torkia sy Taïwan sy ny rivo-doza tany Japon ary ny tondra-drano tany Inde sy Vietnam. Manahy ny amin’ny fitomboan’ireo loza lehibe mety hitranga any amin’ny faritra be mponina, ireo mpanao fiantohana. Ny mpanao fiantohana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao dia mampitandrina ny amin’ny “fandravana ateraky” ny fiakaran’ny maripanan’ny tany sy “ireo vokatra ateraky ny asan’ny olombelona eo amin’ny toetr’andro”.
Tsy Misy Mahasolo ny Fandefasana Taratasy
Milaza ny gazety Le Figaro fa hatramin’izao “ny teknolojia dia tsy nahavita nanolo ny herin’ny taratasy”. Tamin’ny taona 1999 dia nahatratra tampon’isa 25 tapitrisa ny taratasy nozarain’ny paositra frantsay. Ny 90 isan-jaton’ireo dia taratasin’asa, ary 10 isan-jato monja no taratasin’olona manokana. Saika ny antsasak’ireo taratasy alefa no miaraka amina taratasy hafa misy dokam-barotra, ka ny 98 isan-jaton’ireo olona nanontaniana dia nilaza fa namaky azy ireny tamim-pitandremana. Isan’andro ireo mpanatitra taratasy any Frantsa, izay miisa 90 000 (vehivavy ny 40 isan-jaton’ireo mpiasa ireo), dia mahavita fihodinana 72 000 mahery, mba hizarana ireo taratasy 60 tapitrisa misy mandefa isan’andro.
Fitaterana Filamatra ve?
Nampiasaina tany Inde efa hatramin’ny am-polony taona maro ny bisikileta posiposy, fantatra koa hoe kodiaran-telo, na posiposy tarihim-bisikileta. Marihin’ilay gazetiboky hoe Outlook anefa, hoe tsy niova mihitsy izy ireo fa “vita amin’ny hazo mavesatra ny vatany, vy be notefena ny fanambaniny, misy seza mitongilana hafahafa, ary tsy misy vitesy”. Nandritra ireo taona faramparany, dia nisy fanoherana be ny fampiasana azy ireny, noho ny ezaka mafy loatra takiny amin’ireo mpitondra azy, izay matetika no lehilahy efa bebe taona sady tsy ampy sakafo. Ankehitriny kosa anefa dia nomena aina vaovao indray ny posiposy tarihim-bisikileta, satria ny fandotoana ny tontolo iainana any Inde dia tonga loza mananontanona. Nisy kompania iray any Delhi nanamboatra bisikileta posiposy. Nataony maivana kokoa sy tsara endrika kokoa ny vatany, ka manjary kely kokoa ny fanoheran’ny rivotra; nasiany vitesy izay mampihena be ny hery lany amin’ny fivoizana; lasely mifanentana tsara amin’izay ilain’ny mpamily; familiana izay mampihena ny fihenjanan’ny lanton-tanana, ary seza malalaka kokoa sy mampiadana kokoa ho an’ny mpandeha. Hoy i T. Vineet, mpitarika ilay tetik’asa hoe: “Mifanentana amin’ny politika manjaka amin’izao fotoana izao izy io, satria ankehitriny dia resahina betsaka ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana madio.” Hoy ny Outlook: “Mety ho lasa ny fomba fitaterana filamatra amin’ny taonjato faha-21 ilay posiposy tarihim-bisikileta, izay tsy dia nanao ahoana.”
Mbola Avo Kokoa Ankehitriny ny Tendrombohitra Everest
“Mbola avo kokoa noho izay noheverin’ny mpahay siansa teo aloha ny Tendrombohitra Everest, ilay tendrombohitra avo indrindra eran-tany, ary mbola mihaavo kokoa ihany”, hoy ny tatitra vao haingana nataon’ny Reuters. “Nampiasa fitaovana ary fomba mifandray amin’ny zanabolana ireo mpianika ny Everest, ka nandrefy azy io ary nilaza fa 8 850 metatra, izany hoe efa ho 8,9 kilaometatra, ny haavony (...). Izany refy izany dia mihoatra 2 metatra raha oharina amin’ilay refy ofisialy hoe 8 848 metatra, nomena tamin’ny 1954.” Hatreo amin’ny tampony voarakotra ranomandry io refy vaovao io. Mbola tsy fantatra hatramin’izao ny haavon’ny tena tendron’ny vato ao ambanin’ilay ranomandry. Ampiasain’ny National Geographic Society ho an’ny sarin-tany ataony, io tarehimarika vaovao io. Mihamitombo ny haavon’ilay tendrombohitra, nefa tsy izay ihany fa ilay tandavan-tendrombohitr’i Himalaya iray manontolo mihitsy dia mikisaka mianavatra atsinanana ho any Chine, eo amin’ny iray milimetatra sy sasany ka hatramin’ny enina milimetatra isan-taona.