Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoana Anararaotana ny Hazavan’ny Andro — Hevitra Nisy Talohan’ny Fotoany Ve?

Fotoana Anararaotana ny Hazavan’ny Andro — Hevitra Nisy Talohan’ny Fotoany Ve?

Fotoana Anararaotana ny Hazavan’ny Andro — Hevitra Nisy Talohan’ny Fotoany Ve?

Nahoana ny olona maro no voatery manitsy ny famantaranandrony indroa isan-taona? Tena fahasorisorena ho an’ny sasany ny hoe tsy maintsy aroso sy ahemotra ny famantaranandro. Ary rahoviana no tokony haroso na hahemotra ny famantaranandro? Any amin’ny Ila Bolantany Avaratra, dia aroso ny famantaranandro mandritra ny lohataona, ary ahemotra kosa amin’ny fararano. Ahoana no nampisy ny atao hoe fotoana anararaotana ny hazavan’ny andro (FAHA)? Iza no nanomboka azy io?

Milaza ny Encyclopædia Britannica fa i Benjamin Franklin no nanolo-kevitra voalohany ny hanararaotana ny hazavan’ny andro, tamin’ny 1784. Zato taona mahery tatỳ aoriana, dia nilofo nanao fampielezan-kevitra mahakasika izany, ny Anglisy iray antsoina hoe William Willett. Maty talohan’ny nandanian’ny Antenimiera lalàna momba izany, anefa i Willett.

Araka ilay mpanoratra britanika atao hoe Tony Francis, dia hitan’i Willett, mpanao fanorenana kinga, avy any Chislehurst, any Kent, fa ilaina hahitsy ny fotoana. Teny am-pitaingenan-tsoavaly tany Petts Wood izy tamin’izay, indray maraina be tamin’ny fahavaratra. Nandritra ilay diany, dia tsikariny fa nihidy ny varavarankelin’ny trano maro. ‘Fandanilaniam-poana ny hazavan’ny andro re izany!’, hoy ny tsy maintsy ho tao an-tsainy. Nanomboka nanao fampielezan-kevitra ho an’ny volavolan-dalàna iray izy, tao amin’ny Antenimiera britanika, mba hanitsiana ny famantaranandro. Raha aroso 80 minitra, izany hoe 20 minitra inefatra, fotsiny ny famantaranandro rehetra mandritra ireo volana amin’ny lohataona sy ny fahavaratra, ary ahemotra indray, avy eo, amin’ny fararano, dia hahatonga ny olona hahazo hazavan’ny andro bebe kokoa izany amin’ny takariva.

Manao tatitra i Francis fa, tao amin’ny iray amin’ireo trakta nosoratan’i Willett, dia nilaza toy izao izy: “Ny hazavana no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’ny Mpamorona ho an’ny olombelona. Rehefa manodidina antsika ny hazavan’ny andro dia manjaka ny fifaliana, tsy dia mitambesatra loatra ireo fanahiana, ary manjary misy ny herim-po hiatrehana ny adim-piainana.”

Tsy niandry lalàna avy tamin’ny Antenimiera ny mpanjaka Edward VII. Namoaka fanambarana izy fa faritra anararaotana ny hazavan’ny andro i Sandringham, izany hoe ny lapam-panjakany sy ny tany mirefy 7 900 hektara nanodidina azy io. Tatỳ aoriana, dia nampihariny koa tamin’ny tanim-panjakana tao Windsor sy Balmoral io fanovana io.

Inona, tamin’ny farany, no naharesy lahatra ny mpanao politika ka nahatonga azy hilefitra ka nanaiky ny FAHA? Te hitsitsy solika izy ireo nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny fampihenana ny filana hazavana voatr’olombelona! Tsy ela dia nanaraka ilay hevitra koa ny tany hafa noho izany antony izany ihany. Natao nanan-tombo avo roa heny mihitsy aza ny fotoana fampiasa tamin’ny fahavaratra, tany Angletera, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nampisy elanelana adiny roa izany tamin’ny fahavaratra, ary adiny iray kosa tamin’ny ririnina.

Misy tsangambato fahatsiarovana an’i William Willett (aseho an-tsary etsy ankavanana), any Petts Wood. Atokana ho an’ilay “mpiaro tsy nety reraka ny ‘ora fampiasa amin’ny fahavaratra’ ” izy io. Milaza toy izao ilay soratra eo ambanin’ilay famantaranandro aloka: “Horas non numero nisi aestivas”, izay midika hoe: “Tsy manisa ora aho raha tsy ora fampiasa amin’ny fahavaratra.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

With thanks to the National Trust