Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Indray Ilay efa Very

Hita Indray Ilay efa Very

Hita Indray Ilay efa Very

Nanda tamim-pahalalam-pomba tsy handray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny lehilahy iray tany Maryland, Etazonia, tamin’ny taona lasa. Nangataka anefa ny zanany vavikely raha afaka ny hahazo azy ireo, ka nanaiky ilay lehilahy. Teo am-panasana ny fiarakodiany izy mianaka, ary nanary fako teo amin’ny fitoeram-pako tsy lavitra teo. Nanahy ilay Vavolombelona nanolotra ireo gazety sao mety ho nariana ireo gazety, ka noho izany dia nanapa-kevitra ny hiverina izy, tsy ela taorian’izay, hijery ny tao anatin’ilay fitoeram-pako.

Tsy tao ireo gazety, fa poketra sy fitoeran-taratasy no tao. Avy hatrany dia notsidihina ilay vehivavy voalazan’ny adiresy tao amin’ilay poketra. Rehefa nanatona ny tranony ireo Vavolombelona roa hitsidika azy, dia nahita vehivavy efa zokinjokiny, nitarika soavaly iray ho ao amin’ny tranony. Rehefa natolotr’izy ireo an’ilay vehivavy ireo zavatra, dia hoy izy io hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho fa ato daholo ireo zava-dehibe rehetra: Ny pasipaoroko, ny karinen-tseky sy ny carte de crédit, ary ireo taratasy momba ny soavaly.” Nilaza izy fa nisy nangalatra ny omaly alin’io ireo zavatra ireo. Soa ihany fa nojerena ny tao anatin’ilay fitoeram-pako, satria efa saika hariana ny fako tao anatiny.

Nanome valisoa ilay vehivavy, nefa nolavin’ireo Vavolombelona roa namerina ilay poketra kely sy ilay fitoeran-taratasy izany. Nomen’izy ireo ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? kosa ilay vehivavy. Nanoratra seky iray ilay vehivavy, mba hanehoana ny fankasitrahany. Hampiasaina mba hampandrosoana ny fizarana maneran-tany ny zavatra vita an-tsoratra toy io, izany seky izany. Nanomboka tamin’izay io vehivavy io dia tena liana tokoa tamin’ny fianarana Baiboly.

Raha tianao ny hahazo maimaim-poana amin’ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, dia fenoy, aza fady, ilay tapakila miaraka amin’ity gazety ity, ka alefaso any amin’ny adiresy eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy mety aminao, hita eo amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

◻ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.

◻ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.