Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ho Hafa ny Tontolontsika’

‘Ho Hafa ny Tontolontsika’

‘Ho Hafa ny Tontolontsika’

Nisarika ny sain’ny maro ny fiezahana hanafoana ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Moscou, tamin’ny Aogositra farany teo. Nanao tatitra tao amin’ny The Moscow Times, tamin’ny 21 Aogositra 1999, i Andrei Zolotov zanany, ka nanao hoe: “Nilaza i Vladimir Kozyrev, tale lefitra ao amin’ilay toerana fanaovana fanatanjahan-tena, fa tsy nanohitra ny hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivoriambeny tao ny fitantanan-draharaha. Nilaza izy fa tsy fantany hoe avy taiza no niavian’ilay baiko [hanafoana azy io].”

Tao amin’ny taratasy iray izay navoaka tao amin’ny The Moscow Times, herinandro taorian’izay, dia nanao teny fankasitrahana an’ilay gazety ny mpamaky iray, noho io gazety io namoaka ilay lahatsoratra “tena tsy misy fiangarana tokoa”, ary nilaza izy fa “tena mendrika ny hovakin’ny mpamaky” izy io. Nanao izao fanamarihana izao izy: “Ny zavatra nosoratanareo momba ny olana goavana natrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fikarakarana ny fivoriambe fanaon’izy ireo isan-taona, [dia nanala sarona] ny fitondrana azy ireo tsy ara-drariny.”

Avy eo dia nanamarika ilay mpanoratra ilay taratasy fa “fantatra tsara eran’izao tontolo izao [ny Vavolombelon’i Jehovah] (ary fantatra tsara eto Rosia koa ankehitriny) (...) Izy ireo dia (...) fantatra tsara fa olona mahafinaritra be, tsara fanahy, ary malemy fanahy, izay tena mora ifampiraharahana, tsy manery ny olon-kafa na oviana na oviana, ary mitady fihavanana foana amin’ny olon-kafa, na inona na inona zavatra inoany ara-pivavahana, na Kristianina ôrtôdôksa izy, na Silamo, na Bodista. Tsy misy mpandray tsolotra na mpimamo na mpifoka rongony eo anivon’izy ireo, ary tsotra dia tsotra ny antony dia izao: Miezaka tsotra izao ny hotarihin’ny hevitra ekeny mafy miorina amin’ny Baiboly izy ireo, eo amin’izay rehetra ataony na lazainy. Raha manandrana, fara fahakeliny, miaina mifanaraka amin’ny Baiboly toy ny fomba anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany ny olona rehetra maneran-tany, dia ho hafa dia hafa tokoa ity tontolo lozabe misy antsika ity”.

Ny manam-pahefana izay namotopototra momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nifampiraharaha nivantana tamin’izy ireo, dia manamafy fa marina io voalaza etsy ambony io. Ohatra, nanome ho an’ny Vavolombelona ireo fahazoan-dalana hanorina ity Efitrano Fivoriambe vaovao iray tsara tarehy ity, any Saint-Pétersbourg, any Rosia, ny manam-pahefana toy izany. Tamin’ny fitokanana azy io, tamin’ny 18 Septambra lasa teo, dia nisy mpanatrika falifaly 2 257 nameno ilay efitrano, ary nisy 2 228 fanampiny nihaino ilay fandaharana tany amin’ireo Efitrano Fanjakana ao Saint-Pétersbourg sy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Solnechnoye, tanàna tsy lavitra avy eo.