Iza no Atao hoe Mpanompo Kristianina?
Ny Fiheveran’ny Baiboly
Iza no Atao hoe Mpanompo Kristianina?
NY ALINA talohan’ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona, dia nifanditra mafy ireo namany akaiky azy indrindra. Araka ny Lioka 22:24, dia “nisy fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe”. Tsy vao voalohany akory no nipoahan’ny fifandirana toy izany teo amin’ireo apostolin’i Jesosy. Efa indroa, fara fahakeliny, i Jesosy no voatery nanitsy ny fomba fisainan’izy ireo.
Tena nampalahelo tokoa ny hoe, tamin’io alina tena lehibe io, dia voatery nampahatsiahy azy ireo indray ny amin’ny tena atao hoe mpanompo kristianina, i Jesosy. Hoy izy: “Izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.” — Lioka 22:26.
Tsy tokony hahagaga antsika raha nanana fiheveran-diso momba ny halehiben’ny toerana ambony sy ny laza ireo apostoly. Talohan’i Jesosy, ny ohatra lehibe indrindra nananan’izy ireo mahakasika ny atao hoe mpitarika ara-pivavahana dia ny ohatry ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Tsy nanome tari-dalana sy toromarika ara-panahy ho an’ny olona anefa ireo mpanompo sandoka ireo, fa nankasitraka kosa lovantsofina sy fitsipika henjana izay ‘nandrindrina teo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra’. Olona mpikatsaka toerana ambony sy mpitady laza ary tsy nahalala afa-tsy ny tenany izy ireo, ary ny asany dia ‘nataony mba ho hitan’ny olona’. — Matio 23:4, 5, 13.
Karazana mpanompo vaovao
Nampahafantatra an’ireo mpianany hevi-baovao momba ny atao hoe mpanompo araka ny fanahy, anefa, i Jesosy. Nampianatra toy izao izy: “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. (...) Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.” (Matio 23:8-11). Tsy tokony hanahaka ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny androny, ny mpianatr’i Jesosy. Raha naniry ho tena mpanompo izy ireo, dia tsy maintsy nanahaka an’i Jesosy. Karazana ohatra manao ahoana no navelany?
Matetika no ampiasain’ny Baiboly ho an’ny teny hoe “mpanompo” ilay teny grika hoe di·aʹko·nos. Araka ny fanazavan’ny The Encyclopedia of Religion, dia “tsy toerana tanana” no tiana holazaina amin’io teny
io, “fa ilay fifandraisam-panompoana misy eo amin’ny mpanompo sy ny tompoina: ny fanarahana ny ohatr’i Kristy (...) no votoatin’ny fahazoan’ny Kristianina ny hevitry ny hoe fanompoana”.Mifanaraka amin’ny famaritana marina an’ilay teny hoe “mpanompo”, dia nikely aina nanao izay rehetra azony natao mba hanampiana ny hafa i Jesosy. Nanazava toy izao tamim-paharetana izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Nampiasa tsy tamim-pitiavan-tena ny fotoanany sy ny heriny ary ny fahaizany i Jesosy, mba hanampiana ny hafa teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy. Nahoana? Satria nahonena azy ilay vahoaka natao ratsy fitondra teo amin’ny lafiny ara-panahy, izay nirohotra nanatona azy. Naniry hanampy izy. Fitiavana tamim-pahalalahan-tanana no nanosika azy hanompo, ary niriny hampiseho toe-tsaina tia manome toy izany koa ny mpianany. — Matio 9:36.
Nandritra ny fiainany manontolo, dia nanome modely harahin’ny mpanompo amin’ny hoavy i Jesosy. “Be ny vokatra”, hoy izy, “fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Eny, ireo mpanompon’i Kristy dia hanao ilay asa lehibe indrindra teto an-tany, dia ny fanomezana fampiononana ara-panahy ho an’ny olombelona rehetra, amin’ny alalan’ny fitoriana sy fampianarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 28: 19, 20.
Io fifantohana tamin’ny fanomezana sy ny fikarakarana izay ilain’ny hafa io no nahatonga ny fomba nanompoan’i Jesosy ho niavaka aoka izany. Nampianariny ny mpanompony mba ho mpiasa mafy, sy ho mpanarato olona amin’ny heviny ara-panahy, ary ho mpiandry ondry, fa tsy ho mpanaraka fomba fiaina mifono zava-miafina sy ho avara-pianarana manao fitafiana manokana. — Matio 4:19; 23:5; Jaona 21:15-17.
Ny fijerin’ny Baiboly
Nampalahelo fa, tao anatin’ireo taonjato maro nisesy, dia naolana io fiheverana ny mpanompo ho mpitory sy mpampianatra feno fahafoizan-tena io, dia ilay fiheverana azy ho ambony toetra sy tsy tia tena. Nanjary fikambanana ofisialy sy misy ambaratongam-pahefana ilay fanompoana kristianina tany am-boalohany. Naorina ireo fikambanan-drelijiozy sy ireo kilasin’olona ambony, izay nomena voninahitra sy fahefana, ary matetika nanangona harem-be. Niteraka fizarazarana izany. Niforona àry ny kilasin’ny mpitondra fivavahana izay voatokana indrindra hanome sakramenta ara-pivavahana sy hanome torohevitra ireo nania. Tao anatin’ireo taonjato nisesy, dia niova ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany: Fivavahana niasa izy io, izany hoe mpanompo avokoa ny rehetra tao aminy, nefa niova ho fivavahana tsy niasa, izany hoe tsy nisy afaka nitory sy nampianatra afa-tsy olom-bitsy nampiofanina manokana sy nekena tamin’ny fomba ofisialy.
Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy fitafiana miavaka, na fombafomba be pitsiny, na karama, na didim-panjakana, no ahafantarana ny mpanompo kristianina, fa ny asa mafy ataony tsy misy fitiavan-tena. Nanoritra ny toe-tsaina tokony hasehon’ireo mpanompo kristianina ny apostoly Paoly. Nampirisika azy ireo izy mba tsy hanao ‘na inona na inona [noho ny fizahozahoana, NW ] fa amim-panetren-tena’ kosa. — Filipiana 2:3.
Azo antoka fa nampihatra izay notoriny i Paoly. Noho ny fifikirany akaiky tamin’ny modely navelan’i Kristy, dia tsy nitady na oviana na oviana ny ‘hahasoa azy ihany, fa ny hahasoa ny maro mba hovonjena izy’. Takany sy tsapany tsara ny andraikiny ‘hitory ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola’, araka ny nolazainy, “mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ny filazantsara” aho. Tsy “nitady voninahitra tamin’olona” izy. — 1 Korintiana 9:16-18; 10:33; 1 Tesaloniana 2:6.
Izany ka modely miavaka ho an’ny tena mpanompo kristianina! Ireo manahaka ny ohatra tsara dia tsara navelany sy manaraka ilay modely tsy misy fitiavan-tena nomen’i Jesosy Kristy, amin’ny fikelezana aina an-tsitrapo mba hanomezana ho an’ny hafa fanampiana ara-panahy sy ilay fampiononana avy amin’ny vaovao tsara, dia mampiseho ny tenany ho tena mpanompon’Andriamanitra. — 1 Petera 2:21.