Lesona Lehibe Iray avy Amin’ny Nosy Bitika Iray
Lesona Lehibe Iray avy Amin’ny Nosy Bitika Iray
I RAPA NUI, tendron-tany volkano avy ao an-dranomasina ary mirefy 170 kilaometatra tora-droa, izay saika tsy ahitana hazo mihitsy, no tany onenana mitokana indrindra eto ambonin’ny tany. * Toerana ara-tantara arovana ankehitriny ilay nosy manontolo, ka ny antony iray amin’izany dia ireo tsangambatony antsoina hoe moai. Ireo dia sangan’asan’ny kolontsaina niroborobo fahiny iray.
Voasokitra tao amin’ny vato volkano ireo moai ireo, ka ny sasany dia milevina lalina be, ka ny lohany goavambe ihany no hita. Ny hafa dia miseho hatreo amin’ny tratrany, ary ny moai hafa koa dia mbola ahitana haingon-doha vato antsoina hoe pukao. Ny ankamaroan’izy ireo dia mbola tsy vita, ao amin’ireo toeram-pihadiam-bato, na miparitaka eny amin’ny lalana taloha, toy ny hoe nanipy ny fitaovany ireo mpiasa ary namela ilay asa teo. Ireo izay mbola mitsangana dia, na tsangambato mitokana, na laharan-tsangambato miisa hatramin’ny 15, ka miamboho ny ranomasina ny tsirairay aminy. Tsy mahagaga raha nahasanganehana ny mpitsidika hatramin’ny ela ny moai.
Tato anatin’ireo taona faramparany, ny siansa dia nanomboka nahatakatra, tsy ny zava-miafina momba ireo moai ihany, fa ilay antony nahavery hevitra izay nahatonga an’io kolontsaina niroborobo taloha sy nanamboatra azy ireo io, hirodana. Ny zava-dehibe dia hoe tsy ara-tantara fotsiny ny hasarobidin’ireo zavatra nahariharin’ny siansa ireo. Araka ny Encyclopædia Britannica, dia manolotra “lesona lehibe iray ho an’ny tontolo maoderina” izy ireo.
Io lesona io dia mahakasika ny fitantanana ny tany, indrindra fa ny harenany voajanahary. Mazava ho azy fa be kojakojany lavitra sy feno zavamananaina maro karazana lavitra noho ny nosy kely iray ny tany, nefa tsy midika akory izany fa tsy tokony hiraharaha ny lesona avy amin’i Rapa Nui isika. Andeha àry isika haka fotoana kely hamerenana indray ny fisehoan-javatra lehibe sasany teo amin’ny tantaran’i Rapa Nui. Manomboka amin’ny taona 400 am.f.i. any ho any ny fitantarantsika, dia fony tonga tany ireo fianakaviana mpanorim-ponenana voalohany, nandeha lakana mpamakivaky ranomasimbe. Ny hany maso nahita azy ireo tonga dia ny an’ireo voron-dranomasina an-jatony maro nihodinkodina teo ambony loha.
Nosy paradisa
Tsy nanana karazan-javamaniry maro azony nireharehana ilay nosy, nefa tondraka kosa ireo ala-na palmie sy hauhau ary ireo hazo toromiro, ary tsy resahina intsony ireo hazo madinika, anana, ampanga ary ahitra. Nisy karazam-borona an-tanety enina, fara fahakeliny, niroborobo tao amin’io faritra lavitra be io, anisan’izany ny vorondolo, ny vano, ny kiky ary ny boloky. I Rapa Nui koa no “toeram-piompiana vorona an-dranomasina nanankarena indrindra tany Polinezia, ary angamba nanerana an’i Pasifika manontolo”, hoy ny gazetiboky Discover.
Nety ho nitondra akoho sy voalavo fihinana, izay noheveriny ho hanim-py, tao amin’ilay nosy ireo mpanjana-tany. Nitondra zavamaniry nanome voa koa izy ireo: saonjo, oviala, vomanga, akondro ary fary. Tsara ilay tany, hany ka avy hatrany izy ireo dia nanomboka nanao fatrana sy namboly — asa iray izay nitohy, rehefa nihanitombo ny mponina. Voafetra anefa ny tany tao Rapa Nui, ary toy izany koa ny isan’ny hazony, na dia be aza ny ala.
Ny tantaran’i Rapa Nui
Ny zavatra fantatsika momba ny tantaran’i Rapa Nui dia miorina indrindra indrindra amin’ny saham-pikarohana telo: ny fandinihana vovobony sy ny arkeolojia ary ny paleontolojia. Ny hoe mandinika vovobony dia maka santiona-na vovobony avy amin’ny antsanga avy amin’ny kamory sy ny heniheny. Ireny santionany
ireny dia mampiharihary hoe inona avy ireo karazan-javamaniry nisy sy hoe nanao ahoana ny habetsahany tao anatin’ny taonjato maro. Arakaraka ny halalin’ny fisian’ilay santiona-na vovobony ao amin’ireo soson’antsanga, no maha tany aloha kokoa ny fe-potoana nisiany.Ny arkeolojia sy ny paleontolojia kosa dia mifantoka amin-javatra toy ny toeram-ponenana, ny fitaovana an-dakozia, ny moai, ary ny sisam-biby nampiasaina ho sakafo. Koa satria nosoratana tamin’ny soratra ejipsianina saro-pantarina ireo firaketana an-tsoratry ny Rapa Nui, dia tsy tena araka ny marina ireo daty talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeanina, ary maro amin’ireo tombantombana no tsy azo porofoina. Ambonin’izany, ny fisehoan-javatra sasany, voalaza eto ambany, dia mety hifanindry amin’ny fe-potoana samy hafa mifanakaiky. Ny daty rehetra, izay amin’ny sora-matevina, dia amin’ny Fanisan-taona Iraisana.
400 Nisy mpanorim-ponenana polinezianina teo anelanelan’ny 20 sy 50 tonga, angamba nandeha lakana nandeha tsiroaroa, 15 metatra na lava kokoa, ary samy afaka nitondra 8 000 kilao avy.
800 Nihena ny habetsahan’ny vovobonin’ny hazo ao amin’ireo antsanga, ka izany dia manondro fa efa nanomboka ny fandripahana ala. Nitombo kosa ny vovobonin’ahitra, rehefa niely hatrany amin’ireo faritra natao fatrana ny ahitra.
900-1300 Tokony ho ny ampahatelon’ireo taolam-biby nohazaina ho sakafo nandritra io fe-potoana io dia taolana feso (dauphin). Mba hitondrana feso avy tany an-dranomasina, dia nampiasa lakana lehibe vita tamin’ny vatan-kazo palmie lehibe ny mponin’ilay nosy. Ny hazo dia nanome koa ny akora nanaovana ny fitaovana nampiasaina mba hanetsehana sy hananganana ireo moai, izay efa nizotra tsara ny fanamboarana azy. Nihanitombo ny fambolena sy ny fampiasana kitay, ka izany dia nanohy nandany tsikelikely ireo ala.
1200-1500 Teo amin’ny fara tampony ny fanamboarana tsangambato. Nampiasa izay nananany rehetra mba hanamboarana moai sy ny vato nijoroan’izy ireo ny Rapa Nui. Hoy ny nosoratan’i Jo Anne Van Tilburg, arkeology: “Nampirisika mafy ny hanamboarana tsangambato betsaka kokoa sy lehibe kokoa ny fiaraha-monina teo amin’ny Rapa Nui.” Nilaza koa izy fa “tsangambato tokony ho 1 000 no namboarina tao anatin’ny 800 na 1 300 taona teo ho eo (...), izany hoe iray isaky ny olona fito na sivy, fony ny isan’ny mponina noheverina ho nahatratra fara tampony”.
Toa tsy nivavahana ny moai, na dia nampiasaina tamin’ny fombafombam-pandevenana sy fambolena aza. Nety ho noheverina ho fonenan’ny fanahin’ireo maty izy ireo. Toa sary nampiseho ny hery sy ny saranga ary ny tetirazan’ireo mpanao azy koa izy ireo.
1400-1600 Nahatratra 7 000 ka hatramin’ny 9 000 ny tampon’isan’ny mponina. Nanjavona ny ala farany, ka ny antony iray dia noho ireo vorona tera-tany lany tamingana, nefa izy ireny
no nanome vovobony ho an’ny hazo sy nampiely ireo voa. “Lany tamingana, ka tsy nisy niangana avokoa ireo karazam-borona an-tanety tera-tany rehetra”, hoy ny Discover. Anisan’ny nandripaka ny ala koa ny voalavo; misy porofo mampiseho fa nihinana ny voan’ny palmie izy ireo.Tsy ela dia nahazo vahana ny fikaohan-tany, nanomboka nihamaina ny renirano, ary nanjary tsy fahita ny rano. Tsy nahitana taola-na feso intsony tany amin’ny 1500 tany ho any, angamba noho ny tsy fisian’ny hazo lehibe hanaovana lakana mpamakivaky ranomasimbe. Tsy nisy fahafahana handositra an’ilay nosy intsony. Ripaka ireo vorona an-dranomasina, satria nila hanina mafy ny olona. Nihanitombo ny fihinanana akoho.
1600-1722 Nihanihena hatrany ny vokatry ny tany, noho tsy ny fisian’ny hazo, sy ny fitomboan’ny fiasana tany, ary ny fahalanian’ny tsiron-tany. Nahazo vahana ny mosary tamin’ny ambaratonga lehibe. Tafasaraka ho antokon’olona roa nifanohitra ny Rapa Nui. Niseho ny famantarana voalohan’ny savorovoro ara-tsosialy, ary angamba ny fihinanana olona mihitsy aza. Andron’ny fara fahambonian’ny mpiady tamin’izay. Nanomboka nipetraka tao anaty zohy ny olona, mba hahazoana fiarovana. Tokony ho tamin’ny taona 1700, dia tafalatsaka ho 2 000 tany ho any ny isan’ny mponina.
1722 Ilay mpamantatra tany vaovao holandey nantsoina hoe Jacob Roggeveen no Eoropeanina voalohany nahita ilay nosy. Tamin’ny andro Paka no nitrangan’izany, hany ka nantsoiny hoe Nosin’ny Paka ilay nosy. Toy izao ny fihetseham-pony voalohany: “Ny toetra laon’ny [Nosin’ny Paka] dia tsy nanome hevitra afa-tsy ny amin’ny fahantrana sy ny fahafoanana mahavariana.”
1770 Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nisy ankolafiny mpifandrafy teo amin’ireo Rapa Nui sisa tavela, izay nanomboka nandrodana ny tsangambaton’ny andaniny avy. Rehefa tonga ilay mpamantatra tany vaovao anglisy nantsoina hoe James Cook, tamin’ny 1774, dia nahita tsangambato voarodana maro izy.
1804-1863 Nitombo ny fifampikasohana tamin’ny kolontsaina hafa. Nandringana ny mponina ny aretina sy ny fanandevozana, fahita tany Pasifika tamin’izay. Saika nifarana tanteraka ny kolontsaina nentim-paharazan’ny Rapa Nui.
1864 Izao dia efa voarodana daholo ireo moai, ka niniana notapahin-doha ny maro taminy.
1872 Mponina tera-tany 111 monja sisa no teo amin’ilay nosy.
Tonga faritany nofehezin’i Silia i Rapa Nui tamin’ny 1888. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy mponina nifangaro tokony ho 2 100 tao Rapa Nui. Nanambara an’ilay nosy manontolo ho toerana ara-tantara arovana i Silia. Mba hitsimbinana ny toetra sy ny tantara tsy manam-paharoan’i Rapa Nui, dia tsangambato maro no narenina indray.
Lesona ho an’ny ankehitriny
Nahoana no tsy hitan’ireo Rapa Nui mialoha izay hanjo azy, mba hisorohana ilay loza? Mariho ireto teny nataon’ny mpikaroka maro samihafa ireto, momba ilay tarehin-javatra.
“Tsy nanjavona tao anatin’ny indray andro fotsiny (...) akory ilay ala — nanjavona tsikelikely izy io, tao anatin’ny am-polony taona maro. (...) Izay mponin’ilay nosy rehetra nanandrana nampitandrina ny amin’ny lozan’ny fandripahana niandalana ilay ala dia ho nampanginin’ireo mpanao sokitra sy mpiasa birao ary manam-pahefana feno fitiavan-tena.” — Discover.
“Ny vidiny naloan’izy ireo noho ilay fomba nofidiny mba hanehoana ny heviny ara-panahy sy ara-politika, dia nosy iray izay nanjary aloky ny tenany voajanahary taloha fotsiny.” — Easter Island—Archaeology, Ecology, and Culture.
“Izay nanjo an’ireo Rapa Nui dia toa manondro fa ny fitomboana tsy voafehy sy ny faniriana tampoka hanamboamboatra ny tontolo iainana mihoatra noho ny fetra tsy azo anoarana dia tsy voafetra ho amin’ny tany manan-katao ihany, fa toetra mampiavaka ny olombelona.” — National Geographic.
Ahoana raha tsy misy fiovana amin’io toetra lazaina hoe mampiavaka ny olombelona io ankehitriny? Ahoana raha mikiry mampihatra amin’ny tanintsika — ilay nosintsika eny amin’ny habakabaka — fomba fiaina izay tsy azon’ny tontolo iainana zakaina, ny olombelona? Araka ny mpanoratra iray, dia manan-tombony lehibe iray isika, raha oharina amin’ireo Rapa Nui. Manana ohatra fampitandremana isika, hita amin’ireo “tantaran’ny fitambaran’olona hafa efa rava”.
Na izany aza, dia azo atao ny manontany hoe: Moa ve ny olombelona manisy fiheverana an’
ireny zava-nitranga tamin’ny lasa ireny? Ny fandripahana ala mihoa-pampana sy ny fitomboan’ny isan’ireo zavamananaina mihalany tamingana eto an-tany haingam-be dia toa manondro fa tsy izany no izy. Hoy ny nosoratan’i Linda Koebner, ao amin’ny Zoo Book: “Ny fahafoanan’ny karazana iray na roa na dimampolo dia hisy vokany izay tsy azontsika ampoizina. Rehefa lany tamingana ireo karazana, izany dia miteraka fiovana, raha mbola tsy takatsika akory ireo vokany.”Ny mpanimbanimba zavatra iray manala hombo vy (rive) iray avy amin’ny fiaramanidina iray, dia tsy mahalala hoe ilay hombo vy iza no hiteraka loza; nefa rehefa afaka io hombo vy io, dia efa fantatra ny hiafaran’ilay fiaramanidina, na dia mety ho tsy amin’ilay fanidinany manaraka aza izany. Toy izany koa fa ny olombelona dia manala “hombo vy” velona 20 000 isan-taona avy amin’ny tany, ary tsy misy famantarana hoe hihena izany! Iza no mahalala hoe aiza ilay fetra tsy azo iverenana? Ary na dia fantatra aza izany, tena hitondra fiovana ve?
Nanao izao fanamarihana lehibe izao ny boky Easter Island—Earth Island: “Ilay olona nikapa ilay hazo farany [tao Rapa Nui] dia nahalala tsara fa ilay hazo farany tao io. Nefa dia mbola nokapainy ihany ilay izy.”
“Tsy maintsy manova ny fivavahantsika isika”
“Raha misy ny fanantenana”, hoy ny teny nanampin’ny Easter Island—Earth Island, “izany dia tsy maintsy ho ao amin’ilay hevitra hoe tsy maintsy manova ny fivavahantsika isika. Sahala amin’ireo tsangambato goavana any amin’ny Nosin’ny Paka ireo andriamanitsika ankehitriny, izany hoe ny fitomboana ara-toe-karena, ny siansa sy ny teknolojia, ny fampitomboana ny fari-piainana tsy an-kijanona ary ny fifaninanana izay andrandraina erỳ — andriamanitra izay samy heverintsika ho faran’izay mahery. Nifaninana ny tanàna tsirairay hoe iza no hanorina ny tsangambato lehibe indrindra. (...) Nihanitombo hatrany ny ezaka natao mba hanaovana sokitra sy hamindran-toerana ary hananganana [ireo tsangambato], zavatra izay nandany ny harena voajanahary (...), nefa tsy nisy antony.”
Hoy ny olon-kendry iray, indray mandeha: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Ilay Mpamorona antsika ihany no hany afaka mampiseho amintsika ny fomba ‘hahalavorary ny diantsika’. Izy koa no hany afaka manarina antsika avy amin’ny toe-piainana mampalahelo misy antsika. Izany no ampanantenainy ao amin’ny Teniny, ny Baiboly — ilay boky izay mirakitra koa ohatra tsara sy ratsy ny amin’ny kolontsaina tamin’ny lasa. Afaka ny ho ‘fanazavana ny lalantsika’ amin’izao fotoana maizina izao tokoa io boky io. — Salamo 119:105.
Amin’ny farany, io lalana io dia hitondra ny olombelona mpankatò ho any amin’ny paradisa iray hahitana fiadanana sy zavatra tondraka — tontolo vaovao iray izay hahitana koa io tapany bitika kely any Pasifika Atsimo antsoina hoe Rapa Nui io. — 2 Petera 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Na dia miantso ny nosiny sy ny tenany hoe Rapa Nui aza ny mponina ao, ilay nosy dia fantatra kokoa amin’ny hoe Nosin’ny Paka, ary ny mponina, amin’ny hoe Mponin’ny Nosin’ny Paka.
[Sarintany, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
Nosin’ny Paka
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 23]
“Tsangambato tokony ho 1 000 no namboarina”
[Sary, pejy 25]
Ho tonga paradisa ny tany manontolo, anisan’izany ireo nosy lavitra be