Mitsikia — Mahasoa Anao Izany!
Mitsikia — Mahasoa Anao Izany!
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY JAPON
REHEFA atao amim-pahatsorana izy io dia mampanjavona ny ahiahy. Manaisotra fitsarana an-tendrony be dia be niangona hatramin’ny taona maro. Manalefaka ny fo tsy mihontsina noho ny tsy finoana sy ny tsy fitokisana. Mitondra fanamaivanana sy fifaliana ho an’ny olona maro. Milaza izy io hoe: “Azoko fa aza manahy.” Miangavy toy izao izy io: “Manantena aho fa ho mpinamana isika.” Inona moa izany fitaovana mahery izany? Ny tsiky izany. Mety ho ny TSIKINAO mihitsy aza.
Inona no atao hoe tsiky? Ny diksionera dia mamaritra azy io, amin’ny ankapobeny, ho ‘fisehoan’ny endrika, ahitana ny tendro-molotra roa somary mihataka kely miakatra, ka mampiseho hamiranana, fankasitrahana na fifaliana’. Izany no fanalahidin’ny tsiky feno fitiavana. Fomba mangina hampisehoana ny fihetseham-pon’ny tena na hampitana izany amin’ny hafa ny tsiky. Mazava ho azy fa mety haneho fanesoana koa izy io, nefa resaka hafa indray ny amin’izany.
Tena zava-dehibe ve ny fitsikiana? Tadidinao ve hoe nahatsiaro ho maivamaivana na nahazo aina erỳ ny tenanao rehefa nisy olona nitsiky taminao? Sa kosa ianao nanahiahy be na nahatsiaro ho nailika noho ny tsy fisian’ny tsiky? Eny, tena zava-dehibe tokoa ny tsiky. Misy vokany eo amin’ilay mitsiky sy ilay olona itsikiana izany. Ilay olona resahina ao amin’ny Baiboly atao hoe Joba dia nilaza toy izao momba ny fahavalony: “Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako ireo.” (Joba 29:24). “Ny fahazavan’ny” endrik’i Joba dia mety ho naneho ny hasambarany na ny hafaliany.
Mandraka ankehitriny dia mbola izany ihany no vokatra tsara entiny. Ny tsiky feno fitiavana dia mety hanampy hanamaivana ny fihenjanana maro. Mety ho toy ny valva fivoahan’ny etona amin’ny kôkôty tselatra izy io. Rehefa mihenjana na kivy isika, dia mety hanampy antsika hanamaivana ny fihenjanana na handresy ny fahakiviantsika ny tsiky. Ohatra, matetika i Tomoko dia nanamarika ny hafa nijery azy. Nihevitra i Tomoko fa nifosa azy izy ireo satria nanodina haingana ny masony izy ireo raha vao nifanojo ny fijeriny. Nahatsiaro ho manirery sy tsy sambatra i Tomoko. Indray andro, ny namany iray dia nanoro hevitra azy mba hitsiky amin’ny hafa rehefa sendra tojo ny fijeriny. Nanandrana nanao izany nandritra ny roa herinandro i Tomoko, ary gaga nahita ny olona rehetra nitsiky taminy koa! Tsy nisy fihenjanana intsony. “Nanjary tena nahafinaritra
ny fiainana”, hoy izy. Eny, ny tsiky dia mahatonga antsika hahazo aina kokoa rehefa miaraka amin’ny hafa, ary manampy antsika ho sariaka kokoa.Ny soa entiny eo aminao sy eo amin’ny hafa
Manan-kery eo amin’ny toe-pon’ny olona iray ny tsiky. Manampy azy hijery ny lafy tsaran-javatra izany. Tsara ho an’ny fahasalamana ara-batana koa izy io. Misy fomba fiteny manao hoe: “Fanafody tsara ny fihomehezana.” Raha ny tena izy, ireo tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana dia manamarika fa ny toe-tsain’ny olona iray dia misy ifandraisana be dia be amin’ny toe-batany. Asehon’ny fandinihana maro fa ny fihenjanana maharitra sy ny fihetseham-po tsy manorina ary ny toy izany dia mampihena ny fiarovan-tenan’ny vatana amin’ny aretina. Etsy an-danin’izany dia mampifalifaly antsika ny fitsikiana, ary ny fihomehezana aza dia manatanjaka ny fiarovan-tenan’ny vatantsika amin’ny aretina.
Misy vokany lehibe eo amin’ny hafa ihany koa ny fitsikiana. Alao sary an-tsaina hoe toroana hevitra ianao, na koa hoe anarina. Endrika manao ahoana moa no tianao hasehon’ilay mpanome torohevitra? Ny endrika masiaka tsy ahitana fihetseham-po, dia mety haneho fahatezerana sy fahasosorana, ary fanilihana na fankahalana mihitsy aza. Etsy an-danin’izany, tsy hahazo aina kokoa ve ianao ka ho vonon-kandray kokoa ilay torohevitra, raha mitsiky amim-pitiavana ilay mpanome torohevitra? Azo antoka fa manampy hampihena ny tsy fahazoan-kevitra ny tsiky, ao anatin’ny toe-javatra misy fihenjanana.
Mora kokoa ny mitsiky rehefa manana toe-tsaina manorina
Mazava ho azy fa ny ankamaroantsika dia tsy toy ny mpilalao an-tsehatra matihanina, izay afaka mizara tsiky vetivety amin’ny fotoana rehetra, ary tsy maniry izany koa isika. Tiantsika ho tsy amboamboarina sy ho tena marina kosa ny tsiky ataontsika. Hoy ny mpampianatra iray ao amin’ny sekoly fianarana momba ny fifandraisana: ‘Zava-dehibe ny hahatony antsika sy hitsikiantsika amim-pahatsorana, raha tsy izany dia toy ny namboamboarina ny fitsikintsika.’ Ahoana àry no hahafahantsika hitsiky amim-pahatsorana? Afaka manampy antsika amin’izany lafiny izany ny Baiboly. Mahakasika ny teny ataontsika, dia izao no lazainy ao amin’ny Matio 12:34, 35: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. Ny rakitra tsara no amoahan’ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.”
Tsarovy fa fomba mangina hampitana ny fihetseham-pontsika ny tsiky. Ny fitadidiana fa “avy amin’ny haben’ny ao am-po” no itenenantsika ary ny “zavatra tsara” dia avy amin’ny “tahiry tsara”, dia mampiharihary fa ny eritreritsika sy ny toe-pontsika no fanalahidin’ny tsiky tena marina. Eny, ny ao am-pontsika dia tsy maintsy hiseho indray andro any, tsy amin’ny tenintsika sy ny ataontsika ihany, fa amin’ny fisehoan’
ny endritsika koa. Noho izany, dia tokony hiezaka hatrany hanana toe-tsaina manorina isika. Tena misy vokany lehibe eo amin’ny fisehoan’ny endritsika ny fiheverantsika momba ny hafa. Aoka àry isika hifantoka amin’ireo toetra tsara dia tsara ananan’ny mpianakavintsika sy ny olona manodidina antsika ary ny namantsika akaiky. Amin’izay, dia ho mora kokoa amintsika ny hitsiky aminy. Ary ho fitsiky tena marina izany, satria entanin’ny fo feno hatsaram-po sy famindram-po ary hatsaram-panahy. Hamiratra noho ny hafaliana ny masontsika, ary ho fantatry ny hafa fa amim-pahatsorana no anaovantsika izany.Tsy maintsy ekena anefa fa sarotra kokoa amin’ny olona sasany noho ny amin’ny hafa ny mitsiky, noho ny fiaviana sy ny toe-piainana nisy azy. Na dia feno fiahiana ny hafa aza izy, dia tsy zatra mitsiky aminy fotsiny. Ohatra, raha ny mahazatra dia antenaina amin’ny lehilahy japoney ny hisehoany ho tony sy hangina tanteraka amin’ny fotoana rehetra. Noho izany, dia tsy zatra mitsiky amin’ireo heverina ho vahiny ny ankamaroany. Mety ho marina koa izany, raha ny amin’ny kolontsaina hafa. Na mety ho saro-kenatra ny olona sasany ka tsy ho mora aminy ny mitsiky amin’ny hafa. Noho izany, isika dia tsy tokony hitsara ny hafa noho izy mitsikitsiky be na noho izy mitsikitsiky matetika. Samy hafa ny olona, ary toy izany koa ny lafin-toetrany sy ny fomba fampitany hevitra amin’ny hafa.
Na dia izany aza, raha sarotra aminao ny mitsiky amin’ny hafa, nahoana moa raha miezaka? Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika (...) Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra”. (Galatiana 6:9, 10). Ny fomba iray hanaovana “soa” amin’ny hafa dia ny mitsiky aminy — ary tena afaka manao izany ianao. Manaova àry ny dingana voalohany amin’ny fiarahabana ny hafa sy ny fanaovana teny fampaherezana azy, amim-pitsikiana. Hankasitraka izany tokoa izy. Afa-tsy izany koa, dia ho hitanao fa hanjary ho mora kokoa aminao ny mitsiky rehefa mamboly io fahazarana io ianao.
[Efajoro, pejy 18]
Teny Kely Fampitandremana
Mampalahelo anefa, fa tsy ny tsiky rehetra hitantsika akory no atao amim-pahatsorana. Ireo mpisoloky sy mpivarotra maty eritreritra, ary olona maro hafa, dia mety hanao tsiky faran’izay manintona. Fantany fa afaka manaisotra ny ahiahin’ny olona sy hahatonga azy tsy ho mailo ny tsiky. Ny olona manana fitondran-tena mampiahiahy na manana antony manosika ratsy, dia mety hisalotra tsiky mambabo. Tsy misy vidiny anefa izany, fa mamitaka. (Mpitoriteny 7:6). Araka izany, na dia tsy fatra-piahiahy ny hafa aza isika, dia tokony hahatakatra fa amin’izao “andro farany” sarotra setraina izao, dia ilaina ny ‘hiseho ho malina tahaka ny bibilava, kanefa koa ho tsotra tahaka ny voromahailala’, araka ny efa nampirisihan’i Jesosy. — 2 Timoty 3:1, NW; Matio 10:16, NW.
[Sary, pejy 19]
Manaova ny dingana voalohany amin’ny fiarahabana ny hafa amim-pitsikiana