Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hipetraka any Andafy ve Aho?

Tokony Hipetraka any Andafy ve Aho?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Tokony Hipetraka any Andafy ve Aho?

“Te hipetraka tany an-toeran-kafa aho.” — Sam.

“Fahalianana ta hahafanta-javatra ranofotsiny ny ahy. Nitady zava-baovao aho.” — Maren.

“Nisy namako akaiky izay, nilaza tamiko fa ho tsara ho ahy ny fialako kely tao an-trano.” — Andreas.

“Tena may ny hisetra zavatra manaitaitra aho.” — Hagen.

MOA ve ianao manonofy ny hipetraka any andafy — angamba vetivety monja? Isan-taona, dia tanora an’arivony maro no afaka manao izany. Hoy i Andreas momba ny fipetrahany tany andafy: “Tena tiako ny hamerina iny fiainana iny indray.”

Mifindra monina any an-tany hafa vetivety ny tanora sasany, satria ta hahazo vola, na te hianatra fiteny vahiny iray. Any amin’ny tany maro, ohatra, dia tena be mpitia ny fandaharana ny amin’ny au pair. Ao amin’io fandaharana io, dia manao asa an-trano ho an’ny fianakaviana iray ilay tanora vahiny, ho takalon’ny efitra atoriana sy ny sakafo, ary afaka mianatra ilay fiteny eo an-toerana amin’ny fotoana tsy iasany. Eo koa ireo tanora izay mankany andafy mba handranto fianarana. Ny hafa koa dia mankany ampita mba hitady asa, mba hanampiana ny fianakaviany eo amin’ny ara-bola. Ary mbola eo koa ireo izay mankany an-tany hafa, satria tsy fantany izay hataony aorian’ny fianarany, ka maniry hiato kely any ampita aloha izy.

Mahaliana ny antony ifindran’ny tanora kristianina sasany ho any amin’ny tany tsy ampy mpitory ny filazantsara, dia ny mba hanitarana ny fanompoany. Na inona na inona antony hifindra-monina, ny fiainana any an-tany hafa dia afaka manome fianarana sarobidy momba ny fananana fiainana mahaleo tena, rehefa lehibe ny tena. Afaka manitatra ny kolontsainao izany. Mety hianatra hahay tsara teny vahiny iray mihitsy aza ianao — zavatra izay mety hampitombo ny fahafahanao hahita asa.

Na izany aza, dia tsy zavatra mahafinaritra foana akory no omen’ny fiainana any andafy. I Susanne, ohatra, dia mpianatra nifanakalo toerana tamin’ny iray hafa, nandritra ny herintaona. Hoy izy: “Nino tanteraka aho fa hahafinaritra tsy hisy ohatra izany, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ilay izy. Tsy nahafinaritra izany ilay izy.” Nisy aza tanora nohararaotin’ny sasany, na nahita zava-nanahirana lehibe. Koa alohan’ny hanamboaranao ny valizinao àry, dia ho fahendrena ny hipetrahana aloha, mba hanombanana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny.

Fakafakao ny antony manosika anao handeha

Tena tafiditra ao amin’ny fanombanana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny tokoa ny fandinihana ireo antony manosika anao haniry ho any andafy. Antony iray hifindra-monina ny fikatsahana tombontsoa ara-panahy, na ny fiantsorohana andraikitra ara-pianakaviana. Sahala amin’ireo tanora notononina teo am-piandohana anefa, dia maro no maniry hifindra monina, satria te hisetra zavatra manaitaitra fotsiny izy, na ta hanana fahalalahana bebe kokoa, na ta hampifalifaly ny tenany. Tsy voatery ho ratsy akory izany. Moa tokoa ve ny Mpitoriteny 11:9 tsy mampirisika ny tanora mba ‘hifaly, dieny mbola tanora’? Kanefa ny andininy faha-10 dia mampitandrina hoe: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao [ny loza, NW ]”.

Raha mba hialana amin’ireo fameperan’ny ray aman-dreninao no antony manosika anao ho any an-tany hafa, dia mety hampitombo ny fetezanao hikasika “ny loza” izany. Tadidinao ve ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala? Izy io dia momba ny ankizilahy iray tia tena, izay nankany an-tany hafa, mba hahazoana fahalalahana bebe kokoa. Tsy ela anefa, dia namely ny loza, ka nanjary nahalala ny hanoanana sy ny fahantrana izy, ary narary ara-panahy. — Lioka 15:11-16.

Manaraka izany, dia eo ireo izay maniry hifindra monina, satria ta handositra ireo zava-manahirana ao an-trano. Araka ny nosoratan’i Heike Berg, ao amin’ny bokiny hoe What’s Up anefa, “raha ta handeha ianao, satria fotsiny hoe tsy sambatra (...) ka mino fa ho tsara kokoa ny zava-drehetra any amin’ny toerana hafa — dia esory ao an-tsainao izany”! Raha ny tena izy, dia tsara kokoa ny miatrika mivantana ny zava-manahirana. Tsy misy soa azo avy amin’ny fandosirana ireo tarehin-javatra tsy dia mahafinaritra antsika.

Ny antony mampidi-doza hafa dia ny fitsiriritana tafahoatra sy ny fiahiana fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo. Ta hanan-karena ny tanora maro, ka manolokolo fomba fihevitra mihoa-pampana sy tsy araka ny tena izy, momba ny fiainana any amin’ireo tany manan-katao. Misy mihevitra fa manankarena daholo ny Tandrefana rehetra. Tsy marina velively anefa izany. Rehefa nifindra monina ny tanora maro, dia tonga tao amin’ny tany iray tsy fantany, ary niady mafy mba hivoahana avy tao amin’ny fahantrana. * Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:10.

Vonona ve ianao?

Misy lafin-javatra iray hafa tokony hodinihina, dia ny hoe: Tena matotra marina ve ianao, ka ho afaka hiatrika ireo zava-tsarotra sy zava-manahirana ary fifandonana hipoitra, rehefa any andafy ianao? Angamba ianao ho voatery hiara-mipetraka amin’ny mpiray efitra na ny fianakaviana iray hafa, sy hanaraka ny fahazarany. Manao ahoana àry ny fifandraisanao amin’ny ao an-trano amin’izao fotoana izao? Mitaraina ve ny ray aman-dreninao hoe tsy mba mihevitra ny hafa ianao, no sady tia tena? Moa ve ianao mifidifidy hanina? Manao ny anjara raharahanao ao an-trano an-tsitrapo ve ianao? Raha zava-manahirana anao amin’izao fotoana izao ireo, dia vao mainka mety hihoatra lavitra noho izany, rehefa any an-tany hafa ianao!

Raha Kristianina ianao, moa ve ianao ho afaka hanolokolo ny fahasalamanao ara-panahy? Sa ny ray aman-dreninao voatery mampahatsiahy anao foana fa tsy tokony hanao tsirambina ny fianaranao ny Baiboly sy ny fivoriana kristianina ary ny asa fitoriana ianao? Hatanjaka ara-panahy ve ianao, ka hahatohitra ireo fanerena sy fakam-panahy fahita any andafy, izay mety tsy ho hitanao eo amin’ny taninao? Tamin’ny andro voalohany nandehanany tany am-pianarana, fony izy tany andafy, dia nisy nampahafantatra tamin’ny Kristianina tanora iray, izay mpianatra nifanakalo toerana tamin’ny iray hafa, ny toerana nety ho nahazoany zava-mahadomelina. Tatỳ aoriana, dia nasain’ny ankizivavy mpiara-mianatra taminy mba ‘hampiaraka’ taminy izy. Any amin’ny taniny, dia tsy hilaza mivantana ny faniriany toy izany ny ankizivavy. Hoy koa ny ankizilahy afrikanina iray hafa, izay nifindra nankany Eoropa: “Any aminay, dia tsy hahita sary maloto eny ampahibemaso mihitsy ianao. Eto anefa dia mahita azy ireny hatraiza hatraiza ianao.” Mety hahatonga ny olona iray ho vaky sambo eo amin’ny ara-panahy ny fifindrana monina any andafy, raha tsy ‘miorina tsara ao amin’ny finoana’ izy. — 1 Petera 5:9.

Fantaro ireo tena zava-misy!

Alohan’ny hifindranao monina, dia mila mahafantatra ireo tena zava-misy rehetra ianao. Aza miankina amin’ny fanazavana efa niampitampita. Raha toa, ohatra, ka maniry ny ho mpianatra mifanakalo toerana amin’ny iray hafa ianao, ohatrinona no ho laninao amin’izany? Mety ho gaga ianao, hahafantatra fa hahatratra an-tapitrisany ariary maro izany. Mila mahafantatra koa ianao raha hekena ao amin’ny taninao ilay fianarana hataonao any andafy. Ankoatra izany, dia mahazoa fanazavana betsaka araka izay azonao atao momba ilay tany — ny lalàny, ny kolontsainy, ny fombafombany. Hanao ahoana ny ho vidin’ny fiainana any? Hetra inona avy no tsy maintsy haloanao? Mety hisy aretina tokony hoheverina ve? Mety hanampy anao ny miresaka amin’ny olona efa tena nipetraka tany.

Manaraka izany, dia eo ny momba ny toerana hipetrahana. Mazàna no tsy manantena vola avy amin’ilay mpianatra ampiantranoiny ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mifanakalo toerana amin’ny iray hafa. Na izany aza, dia afaka ny hiteraka fihenjanana mafy ny fiaraha-mipetraka amin’ny olona izay tsy manaja ny foto-pitsipiky ny Baiboly. Mety ho afaka hifidy ny hiara-mipetraka amin’ny namana na havana ianao. Mitandrema anefa mba tsy ho enta-mavesatra ho azy ireo — na dia izy ireo aza no mampirisika anao hiara-mipetraka aminy. Izany dia mety hampihenjana, na handrava mihitsy aza, ny fifandraisanao aminy. — Ohabolana 25:17.

Raha mikasa ny hikarama ianao, rehefa any andafy, dia aza hadinoina ny adidinao kristianina hankatò ireo manam-pahefana. (Romana 13:1-7). Moa ve ny lalàna mamela anao hiasa ao amin’io tany io? Raha eny, inona avy ireo fepetra omeny? Manaova asa tsy ara-dalàna, dia hotandindomin-doza ny lazanao amin’ny maha Kristianina manao ny marina anao, no sady hamoy ireo fiarovana fototra, toy ny fiantohana amin’ny loza, ianao. Na dia ara-dalàna aza ny miasa, dia hila ny haneho fitandremana sy fahiratan-tsaina ianao. (Ohabolana 14:15). Matetika ireo mpampiasa maty eritreritra no manararaotra ny vahiny.

Fandraisana fanapahan-kevitra

Mazava àry fa tena zava-dehibe ilay fanapahan-kevitra hifindra monina any an-tany hafa — ka tsy tokony hohamaivanina. Mipetraha aloha, ianao sy ny ray aman-dreninao, ary diniho amim-pitandremana ny soa azo ampoizina sy ny loza mety hitranga. Miezaha tsy hamela ny hafanam-ponao hanakona ny fahaizanao manavaka. Milazà ny marina amin’ny tenanao, rehefa mamakafaka ireo antony manosika anao hifindra ianao. Henoy amim-pitandremana ny ray aman-dreninao. Rehefa heverina tokoa, dia mbola mahatsiaro ho tompon’andraikitra ny aminao izy ireo, na dia any amin’ny an-jatony kilaometatra maro aza no hisy anao. Mbola hila ny fanohanany ara-bola angamba ianao, mba hivelomana.

Rehefa voadinika ny zavatra rehetra, dia mety ho tsy fahendrena ny mifindra monina — amin’izao fotoana izao aloha. Mety handiso fanantenana anao izany, nefa misy zavatra mampientam-po maro hafa azonao atao. Moa ve ianao, ohatra, efa mba nieritreritra ny hitsidika toerana mahaliana ao amin’ny taninao? Na koa, nahoana raha manomboka mianatra fiteny vahiny iray? Any aoriana kely, dia angamba hisokatra ho anao ny fahafahana ho any andafy.

Ahoana anefa, raha manapa-kevitra ny hifindra monina any an-tany hafa ianao? Hiresaka momba ny fomba hanaovanao izay hahombiazan’ny fipetrahanao any ny lahatsoratra iray hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Jereo ny lahatsoratra “Fanombanana ny ho Lany Amin’ny Fifindrana any Amin’ny Tany Manankarena Iray”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1991, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 13]

Nifindra tany an-tany hafa ny tanora sasany, mba hampandrosoana ny asa fitoriana ilay Fanjakana

[Sary, pejy 14]

Miresaha amin’ny ray aman-dreninao momba ny soa sy ny loza entin’ny fifindrana monina any an-tany hafa