Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Finoanoam-poana Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, saingy efa roa taona izao no namakiako ny zavatra vita an-tsoratrareo. Maniry hisaotra anareo aho noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mifehy ny Fiainanao ve ny Anjara?” (8 Aogositra 1999) sy ilay hoe “Finoanoam-poana — Nahoana no Tena Mampidi-doza?” (8 Novambra 1999). Nino ny anjara sy ny vintana aho taloha, sady ninonino foana, vokatry ny fanabeazana azoko. Ankehitriny anefa, dia heveriko fa milaza ny marina ianareo mahakasika ny tena Kristianisma.

N. D., Frantsa

Nanafintohina ahy ireo lahatsoratra mahakasika ny finoanoam-poana. Katolika mpivavaka be aho. Ny iray amin’ireo lahatsoratra dia manisy firesahana ny amin’ny fanaovan’ireo mpanao dia lavitra “mariky ny lakroa”, ary milaza fa finoanoam-poana izany. Anisan’ny vavaka fanaon’ny Katolika mba hahatongavana soa aman-tsara any amin’izay alehany izany. Fitsipika iray lehibe ao amin’ny finoanay izany, ary tsy azo heverina velively ho finoanoam-poana.

S. W., Etazonia

Tsy azo lavina fa maro no manao ny mariky ny lakroa nefa tsy mieritreritra firy ny amin’ny fifikirana ara-pivavahana. Rehefa nanontaniana ny Aostralianina iray, mpilalao baolina kitra, hoe nahoana izy no nanao ny mariky ny lakroa teo amin’ny kianja fanaovam-baolina, dia niaiky hoe: “Heveriko fa noho ny finoanoam-poana fotsiny.” Tsy mahagaga raha toa ka misy heviny miorina amin’ny finoanoam-poana io fombafomba io hatrany am-boalohany. Hoy ny “The Catholic Encyclopedia”: “Efa hatrany am-boalohany indrindra izy io no nampiasaina isaky ny namoaka demonia sy niantso ireo fanahy, ho toy ny fiadiana amin’ireo fanahin’ny haizina.” — MPAMPANONTA.

Izao Rehetra Izao Tiako ny hisaotra anareo noho ireo lahatsoratra manome fanazavana momba izao rehetra izao mahatalanjona, toy ilay hoe “Inona no any Ankoatra An’ireo Planeta?” (8 Aogositra 1999). Tena nahaliana ireo lahatsoratra ka nampitombo ny fankasitrahantsika ny Mpamorona antsika.

M.A.T., Italia

Fihajamban’ny Maso Novakiko ilay lahatsoratra hoe “Fanairana ny Amin’ny Fahajambana”, ao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. (8 Desambra 1999). Hitan’ny dokotera, enin-taona lasa izay, fa voan’ny glaucome (fihajamban’ny maso), aho. Mety ho olona maro voan’ny fihajamban’ny maso angamba, araka ny lazain’ilay lahatsoratrareo, no tsy mahatsiaro maharary. Maharary ahy mafy anefa ny masoko, ary marary andoha aho tsindraindray, na dia manisy ranom-panafody amin’ny masoko aza aho, isan’andro. Sao dia mety hanatsoaka hevitra ny olona sasany mamaky ilay lahatsoratra hoe tsy maharary mihitsy ny fihajamban’ny maso?

H. M., Japon

Ilay lahatsoratra fohy nosoratanay dia tsy famelabelarana feno momba io aretina lehibe io. Feno kokoa ilay lahatsoratra hoe “Le glaucome — Un ennemi insidieux”, ao amin’ny “Mifohaza!” tamin’ny 8 May 1988 frantsay), ary neken’izy io fa tena mahatsiaro maharary tokoa ny olona sasany voan’ilay aretina. — MPAMPANONTA.

Ny Taonjato Faha-20 Mahakasika ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Taonjato Faha-20 — Fotoam-piovana Tena Lehibe” (8 Desambra 1999) no anoratako. Nampiaiky volana ahy ny fanazavana natolotrareo momba ireo fotoan-tsarotra nodiavintsika nandritra iny taonjato faha-20 iny. Nanjary takatro koa ny fomba animban’ny herisetra ny olombelona tsikelikely. Midera anareo aho noho ny asa mahatalanjona ataonareo.

W. G., Porto Rico