Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Emperora Iray Mahazendana

Emperora Iray Mahazendana

Emperora Iray Mahazendana

MAHERIN’NY iray metatra ny halavan’ny lehibe indrindra amin’ny pingouins (voron-dranomasina tsy manidina) rehetra, dia ny emperora, ary mahatratra 40 kilaograma ny lanjany. Rehefa mianavaratra ireo pingouins hafa mba handositra ny ririnina mamirifiry sady maizina any amin’ny tendrontany atsimo, ireo emperora kosa dia mianatsimo mankany amin’ny tendrontany atsimo! Nahoana? Mahazendana fa mba hikotrehana ny atodiny.

Rehefa manatody ny emperoravavy, dia esorin’ny emperoralahy haingana ilay atody hiala avy eo amin’ny ranomandry hankeo ambonin’ny tongony. Avy eo ilay izy dia atsofony ao ambanin’ilay paosy fanakotrehany — hoditra mivalona eo ambany kibony. Lasa mankany an-dranomasina mba hitady sakafo avy eo ilay emperoravavy. Mandritra ny 65 andro, amin’ny fotoana mampahamirifiry indrindra ny andro, dia mikotrika ilay atody ilay emperoralahy, no sady mivelona amin’ny tavy ao amin’ny vatany ihany. Mba hihazonana ny hafanan’ny vatany mandritra ny fotoana itsofan’ny tafio-dranomandry, izay mety hahatratra 200 kilaometatra isan’ora, dia mitangorona ho andiany lehibe sady mifanizina ireo vorona malina ireo, ary mifandimby ny tsirairay mankeo ivelan’ilay andiany no sady mitodi-damosina amin’ny rivotra.

Tsy mampino fa amin’ny fotoana iverenan’ilay emperoravavy indrindra no foy ilay atody. Nefa ahoana no ahitany ny vadiny eo anivon’ireo emperoralahy an’arivony maro mitovitovy ireo? Amin’ny alalan’ny hira iray. Nisy hira nifanakalozan’ny andaniny roa nandritra ny fotoana voalohany niarahan’izy ireo, ary nataon’ny tsirairay izay hitadidiana azy io. Rehefa miverina ireo emperoravavy, dia samy mihira amin’ny fo manontolo ireo emperoralahy sy ireo emperoravavy. Raha olombelona no mandre izany korontam-peo izany, dia ho very hevitra izaitsizy, fa ireo emperora kosa dia mahita vetivety foana ny vadiny avy. Avy eo, rehefa avy nanolotra tsy fidiny an’ilay voronkely vao foy ny emperoralahy izay efa mila ho faty mosary, dia mandeha midoladola ary misosa amin’ny kibony mamakivaky ranomandry sahabo ho 70 kilaometatra, eo am-pitadiavany rano sy sakafo.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

By courtesy of John R. Peiniger