Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandravahana ny Vatana — Ilana Fahalalana ny Antonony

Fandravahana ny Vatana — Ilana Fahalalana ny Antonony

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fandravahana ny Vatana — Ilana Fahalalana ny Antonony

“NY HAKEVOHANA mihoa-pampana dia mamandrika ny fahaiza-misaina”, hoy ny vehivavy frantsay iray, mpanoratra tantara. Tsy nisaina firy tokoa ny olombelona rehefa jerena amin’ireo zavatra maro nataony teo amin’ny tenany, noho ny hakevohana mihoa-pampana, nandritra ireo taonjato. Ohatra, mba hananana andilana kely araka izay azo natao, dia nisy vehivavy, tamin’ny taonjato faha-19, nampijaly tena tamin’ny fanerena mafy ny kibony tamin’ny salotra mampifintina, mandra-pahatongany ho zara raha afa-miaina. Nisy nihambo ho nanana andilana kely hatramin’ny 32 santimetatra sy sasany. Voatery mafy loatra tao anaty salotra mampifintina ny vehivavy sasany, hany ka voatosika nankao amin’ny atiny ny taolan-tehezany, raha ny marina, ka niteraka fahafatesana.

Soa ihany fa nanjavona izany lamaody izany. Na izany aza, ny hakevohana mihoa-pampana izay niteraka azy io dia hita miharihary amin’izao andro izao toy ny tamin’izany fotoana izany. Mbola misy lehilahy sy vehivavy manaiky ampiharana zavatra sarotra, ary mampidi-doza mihitsy aza, mba hanovana ny fisehoany ivelany voajanahary. Ohatra, manjary mipoitra any amin’ireo toeram-pivarotana sy faritanàna manamorona tanàn-dehibe, ny toerana fanaovana tombokavatsa sy fitevehana. Taloha dia ireo olona tsy fakan-tahaka firy tao amin’ny fiaraha-monina ihany no mpankao amin’ny toerana toy izany. Raha ny marina, tao anatin’ny taona iray vao haingana, dia ny fanaovana tombokavatsa no ny fandraharahana ara-barotra fahenina niroborobo haingana indrindra tany Etazonia.

Misy fomba fandravahana vatana amin’ny endriny lasa lavitra kokoa mihamahazo vahana koa izao, indrindra fa eo anivon’ny tanora. Mihabe mpitia ny fitevehana hatraiza hatraiza eo amin’ny vatana — anisan’izany ny eo amin’ny lohanono, ny orona, ny lela, ary na dia eo amin’ny filahiana na fivaviana mihitsy aza. Efa tsy manaitra intsony ny tanora vitsivitsy sahady izao izany fitevehana hatraiza hatraiza izany. Manandrana fanao hafa lasa lavitra kokoa izy ireo, toy ny tomboka vy mahamay, ny fandidiana, * ary ny fanaovana sokitra eo amin’ny vatana, ka amin’izany dia manisika zavatra eo ambany hoditra izy ireo mba hisian’ny lavaka sy ny mivohitra tena voakaly tsara.

Fomba fanao tranainy

Tsy zava-baovao ny mandravaka na ny manova ny vatana. Any amin’ny faritra sasany atsy Afrika, dia efa nampiasaina hatramin’ny taonjato maro mba hamantarana fianakaviana na foko manokana ny fandidididiana ny hoditra sy ny fanaovana tombokavatsa araka ny fombafomba. Mahaliana fa any amin’ny ankamaroan’ireny tany ireny, dia tsy tian’ny maro intsony ireny fanao ireny ankehitriny, ary mihavitsy ny manao azy.

Nisy tamin’ny andron’ny Baiboly ny fanaovana tombokavatsa sy ny fitevehana ary ny fandidiana. Matetika dia firenena mpanompo sampy no nanao izany, nifandray tamin’ny fivavahan’izy ireo. Tsy mahagaga raha toa ka noraran’i Jehovah ny Jiosy, vahoakany, mba tsy hanahaka ireny mpanompo sampy ireny. (Levitikosy 19:28). Voaro tamin’ny fanao diso ara-pivavahana manimba àry ny Jiosy, izay ‘fananana manokan’Andriamanitra’. — Deoteronomia 14:2, NW.

Fahafahana kristianina

Na dia manambara foto-pitsipika sasany izay mbola nampiharina tao amin’ny kongregasiona kristianina aza ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy eo ambanin’izy io ny Kristianina. (Kolosiana 2:14). Araka izany, dia afaka maneho ny heviny ny Kristianina raha ny mahakasika ny karazana haingo fidin’izy ireo, saingy tsy tokony hihoa-pefy. (Galatiana 5:1; 1 Timoty 2:9, 10). Tsy hoe tsy voafetra anefa io fahafahana io. — 1 Petera 2:16.

Izao no nosoratan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:12: “Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra”. Takatr’i Paoly fa ny fahafahany, amin’ny maha Kristianina azy, dia tsy namela azy hanao izay rehetra tiany hatao tsy misy fiheverana ny hafa. Nanan-kery teo amin’ny fitondran-tenany ny fitiavana ny hafa. (Galatiana 5:13). “Aza samy mihevitra ny azy ihany”, hoy ny fampirisihany, “fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:4). Ohatra tsara dia tsara ho an’izay Kristianina mikasa ny hanao fandravahana vatana ny fomba fijery tsy misy fitiavan-tena nananan’i Paoly.

Foto-pitsipika ara-baiboly tokony hoheverina

Anisan’ireo baiko nomena ny Kristianina ny hitory sy hampianatra ny vaovao tsara. (Matio 28:19, 20; Filipiana 2:15). Ny Kristianina iray dia tsy maniry hamela na inona na inona, anisan’izany ny fisehoany ivelany, hampivily ny sain’ny olona tsy hihaino an’io hafatra io. — 2 Korintiana 4:2.

Na dia be mpitia eo anivon’ny olona sasany aza ny fandravahana, toy ny fitevehana na ny tombokavatsa, ny Kristianina iray dia mila ny manontany tena hoe: ‘Hanao ahoana ny fihetsiky ny olona eto amin’ny faritra onenako, manoloana ny fandravahana toy io? Hokilasina ho anisan’ny olona sasany hafahafa ao amin’ny fiaraha-monina ve aho? Na dia mamela ahy hitevika na hanao tombokavatsa aza ny fieritreretako, inona no ho vokatr’izany eo amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona? Hihevitra izany ho fihariharian’ny fananako “ny fanahin’izao tontolo izao” ve izy ireo? Mety hiteraka fisalasalana ny amin’ny fananako “saina mahay mitsara zavatra” ve izany? — 1 Korintiana 2:12; 10:29-32; Titosy 2:12, NW.

Mety hitondra loza ara-pahasalamana lehibe ny sasany amin’ny fomba fanovana ny vatana. Ny fanaovana tombokavatsa amin’ny fampiasana fanjaitra tsy voadio tsara dia nisy fifandraisany tamin’ny fihanahan’ny hépatite (karazana aretin’aty) sy ny tsimokaretina VIH. Miteraka aretin-koditra ny loko nampiasaina, indraindray. Hila volana maro vao ho sitrana ny fitevehana, ary mety haharary, mandritra ny ankamaroan’izany fotoana izany. Mety hiteraka fanapoizinan-dra, fandehanan-dra tsy mety mijanona, fivainganan-dra, fanimban-kozatra, ary ratra manonitra be koa izy ireny. Fanampin’izany, dia tsy mora kosehina ny fanao sasany. Ohatra, mila esorina amin’ny taratra laser imbetsaka vao afaka ny tombokavatsa iray, arakaraka ny habeny sy ny loko nampiasaina taminy. Sady andaniam-bola be izany fanaovan-javatra izany, no maharary. Mety hamela holatra mandritra ny androm-piainana ny fitevehana.

Fanapahan-kevitry ny tsirairay manokana ny hoe hanapa-kevitra hisetra ireo loza mety hitranga ireo, sa tsia. Ny olona iray maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra anefa dia manaiky fa tafiditra amin’ny fahatongavana ho Kristianina ny fanolorana ny tenany ho an’Andriamanitra. Fanatitra velona atolotra an’Andriamanitra mba hampiasainy, ny vatantsika. (Romana 12:1). Noho izany, ny Kristianina matotra dia tsy mihevitra ny vatany ho fananany manokana, izay azony simbana araka ny sitrapony. Ireo mahafeno fepetra mba hitarika ao amin’ny kongregasiona indrindra indrindra dia fantatra noho ny fomba fanaony araka ny antonony, ny fananany saina mahay mitsara zavatra, ary ny fahalalany ny antonony. — 1 Timoty 3:2, 3.

Hanampy ny Kristianina hanalavitra ny fanao tafahoatra sy ny fanaon’ny olona mahita fahafinaretana amin’ny fampijalian-tena eto amin’ity tontolo ity ny fampitomboana sy ny fampiasana ny fahaiza-misaina voataiza araka ny Baiboly. Tsy misy azo antenaina tokoa mantsy ny amin’ity tontolo ity, izay “lavitra ny fiainana izay an’Andriamanitra”. (Efesiana 4:18, NW ). Araka izany, dia mamela ny fahalalany ny antonony hamirapiratra eo anoloan’ny olona rehetra izy ireo. — Filipiana 4:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy mitovy mihitsy ny fandidiana noho ny antony ara-pitsaboana, na ho fanatsaran-tarehy mihitsy aza, sy ny fahazaran-dratsin’ny tanora maro, indrindra fa ny zatovovavy, mandidy na manimba ny vatany. Matetika ity fandidiana voalaza farany ity no famantarana ny fihenjanana mafy na ny fampijaliana ara-pihetseham-po, izay mety hitaky ny fanampian’ny matihanina.