Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Kanto Nefa Manimba

Zavamaniry velona an-drano manome voninkazo volomparasy tsara tarehy ny tsinkafonkafona. Nampidirina tao amin’ny Farihy Victoria, atsy Afrika, am-polony taona maro lasa izay, ny tsinkafonkafona; nitombo haingana tsy nisy ohatra izany izy io, hany ka mandrakotra 2 000 kilaometatra tora-droa amin’ny velaran’ilay farihy ankehitriny; nanembantsembana ny indostrian’ny jono izay tena ilaina, satria mamelona olona an-tapitrisany maro ao amin’ireo tany manamorona azy, dia i Kenya sy i Tanzania ary i Ouganda. Nitondra zava-manahirana lehibe ho an’ireo foibe mpanodina ny herinaratra avy amin’ny riandrano sy mizara rano atsy Ouganda izy io, satria nanentsina ireo fantsona mamatsy rano. Manome toerana faran’izay tsara itomboan’ny moka sy ny sifotra ary ny bibilava koa ny tsinkafonkafona, hany ka mihabetsaka ny kaikitra bibilava sy ny olona voan’ny tazomoka ary ny schistosomiase (bilariziôzy). Na nampidirina tao aza ny karazana voangory izay tsy mihinana afa-tsy tsinkafonkafona, dia tsy naharaka ny firoboroboan’ilay zavamaniry izy io hatramin’izao. Nanaisotra ilay tsinkafonkafona tamin’ny tanana ireo mpanjono, ka nahangona an’arivony taonina maro. Vahaolana vonjimaika ihany anefa izany. Namatsy dolara an-tapitrisany maro ho an’ny tetik’asa iray mba hanadiovana ilay farihy ny Banky Iraisam-pirenena.

Fôsily Misy Volom-borona Hosoka

Voalazan’ny National Geographic ho ny “tena mason-drojo tsy ampy eo amin’ny fitohitohizana saro-pantarina mampiray ny dinôzôro amin’ny vorona” ny fôsily hita tao amin’ny Provansin’i Liaoning, any Chine. Manana rambona dinôzôro ary tratra sy soroka vorona, hono, ilay fôsily, izay nomena ny anarana hoe Archaeoraptor liaoningensis. Kanefa, manjary miaiky ny mpahay siansa ankehitriny fa “voafitaka noho ny fôsily kely sandoka izy”, araka ny tatitra nataon’ny Science News. Nanjary niahiahy ireo paleontology nandinika ilay fôsily, rehefa avy nanamarika fa tsy nisy ireo taolana tokony hampitohy ny rambo amin’ny vatana ary nisy famantarana fa namboarina ilay vato fisaka nipetrahany. Milaza ilay tatitra fa manahy i Philip Currie, avy amin’ny Royal Tyrrell Museum of Paleontology, ao Drumheller, Alberta, Kanada, hoe nisy olona “nitady hanome lanja ny fisian’ny Archaeoraptor ka nametaka ny tapan’ny rambon’ilay dinôzôro tamin’ny fôsilin’ny vorona iray”.

Mpitifitra Kinga An-drano

Tahaka ny sarimihetsika western ilay izy: mifanatrika ireo mpifanandrina, ny fiadian’izy ireo sady voafahana no vonon-kitifitra. Rehefa avy nitifitra sy nihataka ilay mpiady voalohany, dia mba mikendry sy mitifitra koa ilay iray hafa. Kanefa, tsy misy maratra akory rehefa miady ny patsabe mpitifitra, satria mifanelanelana tsara foana izy ireo. Mety handratra ihany anefa ny tifi-drano mifantsitsitra avy amin’ny tongony havanana, araka ny tatitra nataon’ny gazetiboky Der Spiegel. Ampiasaina koa ny basipoleta rano mba hahafanina sy hamonoana remby, toy ny kankana sy ny foza ary ny trondro kely. Mafy ihany anefa ilay tifi-drano ateraky ny fikaratoky ny tongony mafy, ka mety hahavaky ny fitaratry ny akoariôma iray. Raha toa ka niala ny tongotra havanan’ny patsabe mpitifitra iray, dia manjary kavia ilay “mpitifitra kinga” kely; lasa basipoleta vaovao mantsy ny tongony havia, fa maniry ka miverina ho ara-dalàna kosa ilay tongony mpitifitra teo aloha.

Bouddha Velona Nomena Fiandrianana

“Nitarika ny fametrahana ny ankizilahy roa taona teo amin’ny toerana lehiben’ny ‘Bouddha velona’ ao amin’ny fivavahana tibetanina ny fitondram-panjakana sinoa”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Nofantenana teo amin’ny ankizilahy 670 i Soinam Puncog, mba ho tonga Reting Lama fahafito. Voalaza fa nisikidy ireo moanina mba hifidianana azy ho lama. “Mampisalasala anefa raha hanaiky ilay ankizilahy na tsia ny ankamaroan’ny moanina sy ny vahoaka tibetanina”, hoy ilay gazety. Nahoana? Satria teo aloha ny Dalaï Lama, mpitondra fivavahana ambony indrindra any Tibet dia efa nilaza ny safidiny manokana raha ny amin’izay ho tonga Reting Lama. Mpanjaka mpisolo toerana mantsy ireo Reting Lamas, tamin’ny lasa, rehefa tsy teo ireo Dalaï Lamas.

Sampy Mandoto

Fanaon’ny Hindoa ny manary ireo sampy ao anatin’izay rano akaiky indrindra, aorian’ny fety anarahana fombafomba. Tsy nampisy zava-manahirana teo amin’ny tontolo iainana izany, raha mbola nolokoana tamin’ny loko namboarina avy tamin’ny voninkazo na ny zavamaniry ny sampy. Nanjary naloto be anefa ny ranon’ny faritra tany Inde, rehefa nivadika nampiasa loko vita tamin’ny metaly mavesatra sy zavatra mahavoan’ny kansera ny mpanamboatra loko, ary navarina tao anaty renirano sy farihy ny sampy an’arivony maro. Mba hamerana ny fitaran’ny fandotoana rano, dia nanangona ireo sampy an-jatony maro ny mponina tao amin’ny tanàna iray, ary nitondra azy ireo teo amin’ny tany malalaka iray ka nanapotika azy ireo. Manoro hevitra ny gazety Down to Earth mba hanaovana izany manerana an’i Inde, ary tokony hiverina hampiasa ny loko nahazatra fa tsy ny loko sentetika ny mpanamboatra sampy. “Raha tsy izany”, hoy ilay gazety, “dia mety ho voapoizin’ny sampy ivavahan’ny Hindoa ny ony ivavahany.”

Fanadihadiana Eran-tany Natao teo Amin’ny Tanora

Ahariharin’ny fanadihadiana natao teo amin’ny tanora mihoatra ny 4 300, eo amin’ny 12 ka hatramin’ny 24 taona, fa sarobidy ho an’ny tanora ankehitriny ny toetra noheverina ho tsara hatramin’izay, toy ny fitokisana sy ny fiheverana ny hafa ary ny asa mafy, araka ny tatitra nataon’ny The Globe and Mail. Araka ny fitsapan-kevitra nataon’ny Angus Reid Group tamin’ny tanora avy tamin’ny tany 11 samihafa, dia nilaza ny 95 isan-jato tamin’izy ireo fa ‘ny fitanana ny teny nataonao’ no zava-dehibe indrindra. “Fampisehoana fiheverana ny hafa” no zava-dehibe manaraka, amin’ny 92 isan-jaton’izy ireo, ary nanome lanjany lehibe ny “fiasana mafy” ny 83 isan-jaton’ireo namaly ilay fanadihadiana. Etsy an-danin’izany, dia tanora “efa ho valo amin’ny 10 no nihevitra fa zava-dehibe ny fananana vady mandritra ny androm-piainana”, kanefa 56 isan-jato monja no nihevitra fa zava-dehibe ny manambady. Mahagaga fa 31 isan-jato monja no nihevitra ny “fananana harem-be” ho zava-dehibe. Asehon’ny vokatr’ilay famotopotorana koa fa 45 isan-jato monja no “mihevitra fa ho tsara ny taonjato faha-21”.

Zava-misy eo Amin’ny Internet

Réseau-na ordinatera midadasika, mampifandray ordinatera an-tapitrisany maro manerana an’izao tontolo izao, ny Internet. Nandany efa-bolana nandinihana sy nanasokajiana ny Internet ny orinasa Inktomi, mpivarotra programa Internet, mba hahitana ny fitarany. Inona no hitany? Nahatratra arivo tapitrisa mahery ny isan’ny pejy manokana! Ny teny anglisy no tena be mpampiasa indrindra eo amin’ny Internet. Mihoatra ny 86 isan-jaton’ny fotoana no ampiasana azy. Mahery kelin’ny 2 isan-jaton’ny tahirim-pahalalana rehetra ao amin’ny Internet no miseho amin’ny teny frantsay, ary ny 0,5 isan-jato amin’ny teny holandey.

Fanafody Manapoizina?

Amerikanina eo anelanelan’ny 44 000 sy 98 000 izay naiditra hopitaly no maty isan-taona noho ny fahadisoana ara-pitsaboana, araka ny tatitra nataon’ny Institute of Medicine. Voalaza fa vokatry ny fahadisoana eo amin’ny fomba fiasan’ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana ary ny farmasia no mahatonga ilay zava-manahirana. Ohatra, matetika no sahirana noho ny sora-tanan’ireo mpitsabo tsy hay vakina ireo mpivaro-panafody manome izay ilaina eo amin’ny taratasim-panafody. Folo miligrama ve sa folo mikrôgrama no nosoratan’ilay mpitsabo? Manampy trotraka ilay zava-manahirana ny fisian’ny fanafody mitovitovy fanononana anarana; mety hampisafotofoto ny mpitsabo, ny mpitsabo mpanampy sy ny mpivaro-panafody ary ny marary izany. Mitaky ny hampihenana 50 isan-jato ny fahadisoana ara-pitsaboana ao anatin’ny dimy taona, ny Institute of Medicine.

Ny Internet sy ny Zokiolona

Voaporofo fa mahasoa an’ireo zokiolona napetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra, ny hafatra ampitaina amin’ny fitaovana elektronika. “Milaza ny manam-pahaizana fa vetivety dia manjary tia ordinatera ny olona mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra, na dia ireo marofirofy aza, ary afaka mampahazo hery vaovao ny fiainany amin’ny alalan’ny e-mail sy ny Internet izy”, hoy ny The New York Times. “Mahazo fatokisan-tena izay mitatra eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainany ny olona mahafehy tsara ilay teknolojia, ary maro no mahita fahafinaretana manampy ireo mpiara-monina aminy hianatra ilay fahaizana.” Tsy vitan’ny hoe mampifandray ny zokiolona amin’ireo mpianakaviny any lavitra sy ireo mpiasa amin’ny fitsaboana ary ireo sakaizany hatramin’ny ela fotsiny akory ny E-mail, fa manampy betsaka koa amin’ny fandresena ny tsy fahafahana manoatra, ny sorisory ary ny fahatsapana ho manirery, izay mampahory ny olona voatery mijanona any amin’ny trano fitaizana be antitra sy mandeha amin’ny seza misy kodiarana, noho ny aretina na ny fahanterana. Mankahery ny saina sy ny fo ary mampihena ny fahaketrahana koa izany. Misy aza zokiolona mandray anjara amin’ny fandaharam-pampianarana amin’ny alalan’ny Internet, ka mahatonga azy ireo ho afaka hampita amin’ny taranaka manaraka ny fahalalana sy ny fahendrena nangoniny. Misy fiovana ilaina hatao anefa. Tafiditra ao amin’izany ny klavie mora ampiasaina kokoa sy ny fomba mety izay ahafahana manalehibe ny tarehintsoratra.

Mosary Nentin’olombelona

“Antony mahatonga mosary kokoa noho ny krizy ateraky ny natiora, ny loza ateraky ny olombelona, toy ny ady an-trano sy ny krizy ara-toe-karena”, hoy ny tatitra nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO). Hoy ny Dr. Hartwig de Haen, tale jeneraly mpanampy ao amin’ny FAO: “Tokony ho folo isan-jato monja tamin’ny tarehin-javatra rehetra nilana vonjy aina tamin’ny 1984 no vokatry ny loza nentin’olombelona. Mihoatra ny 50 isan-jato izany ankehitriny.” Tombanana fa olona 52 tapitrisa avy amin’ny tany 35 no miatrika mosary. Manampy teny ilay tatitra hoe: “Izany no isan’ny olona be indrindra miatrika mosary mafy, hatramin’izay namelezan’ny hain-tany ny atsimon’i Sahara tao Afrika tamin’ny 1984 izay.”