Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Isa Tena Ilaina Indrindra Nefa Manahirana Indrindra

Isa Tena Ilaina Indrindra Nefa Manahirana Indrindra

Isa Tena Ilaina Indrindra Nefa Manahirana Indrindra

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

VITSY ny isa nisarika ny sain’ny maro toy ny isa Pi (π), amin’ireo isa rehetra ampiasaina amin’ny matematika, ny siansa, ny asan’ny injeniera, ary ny fiainana andavanandro. “Nahavariana an’ireo kalazalahy eo amin’ny sehatry ny siansa ary koa ny tsy matihanina maneran-tany” ny Pi, araka ny voalazan’ny boky Fractals for the Classroom. Heverin’ny sasany ho anisan’ireo isa dimy manan-keviny lehibe indrindra amin’ny matematika ny Pi, raha ny marina.

Ny Pi dia ny vokatry ny fizarana ny refin’ny faribolana iray amin’ny savaivony. Azonao fantarina ny refin’ny faribolana iray, na toy inona na toy inona habeny, amin’ny fampitomboana ny savaivony amin’ny Pi. I William Jones, mpahay matematika anglisy, no voalohany nampiasa ny litera grika π mba hanondroana io ampahan’isa io tamin’ny 1706, ary nanjary fantatry ny rehetra ilay litera rehefa nampiasain’i Leonhard Euler, mpahay matematika soisa, tamin’ny 1737.

Ny asa marika maro ampiasana Pi, dia ho azo lazaina hoe marina, raha 3,14159 no atao sandan’ny Pi. Tsy azo fantarina amin’ny alalan’ny kajy mihitsy anefa ny tena sandan’ny Pi. Fa nahoana? Satria izy io isa tsimivaky na isa azo zaraina, izany hoe isa tsy azo soratana toy ny ampahany tsotra. Rehefa atao isa tafolo izy io, dia tsy misy farany. Raha ny marina, dia azo kajina izy io, nefa tsy hisy farany ny isa aorian’ny faingo. Tsy nahakivy an’ireo mpahay matematika anefa izany, fa mbola miezaka hatrany izy ireo mikajy ny sandan’ny Pi, ka mahita isa mihamitombo hatrany aorian’ny faingo.

Tsy fantatra hoe iza no voalohany nahatakatra fa tsy miova ny sandan’ny Pi na toy inona na toy inona haben’ny faribolana. Efa hatramin’ny fahagolan-tany kosa no nitadiavana ny sanda marin’io isa manahirana io. Nokajin’ireo Babylonianina ho sahabo ho 3 1/8 (3,125) ny Pi, ary somary tsy marina kely ny an’ny Ejipsianina, izay 3,16 eo ho eo. I Archimède, mpahay matematika grika, angamba no mpahay siansa voalohany niezaka nikajy azy io, tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i., ka nahita tarehimarika 3,14 eo ho eo. Tamin’ny taona 200 am.f.i., dia nanjary hita fa mirasanda amin’ny 3,1416 izy io, tarehimarika izay nohamafisin’ny mpahay matematika sinoa sy karàna tsy niankina tamin’ny kajy nataon’ny hafa, teo am-piandohan’ny taonjato fahenina am.f.i. Amin’izao andro izao, noho ny fanampian’ny ordinatera matanjaka, ny sandan’ny Pi dia nahitana isa maherin’ny 100 000 000 aorian’ny faingo, rehefa nokajina. Na dia hita fa ilaina aza anefa ny Pi, hoy ny fanamarihan’ny Fractals for the Classroom, “dia ho sarotra ny hahita izay hampiasana azy eo amin’ny fanaovana kajy siantifika, izay ilana isa mihoatra ny 20 eo ho eo amin’ny [Pi]”.

Hita ao amin’ny raikipohy ampiasaina eo amin’ny sehatra maro ny Pi — fizika, asan’ny injenieran’ny herinaratra sy ny elektronika, matematika momba ny fanampoizana ny zavatra mety hitranga, sarin’ny rafitra aorina, ary fitondrana sambo na fiaramanidina, raha ohatra vitsivitsy monja aza no hotononina. Tsy misy farany ny isa amin’ny Pi, dia toy izany koa fa toa tsy misy farany ny azo ampiasana ny Pi, ilay isa ilaina, nefa manahirana.