Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitaiza Zanaka ho Matotra — Amin’ny Fomba Ahoana?

Mitaiza Zanaka ho Matotra — Amin’ny Fomba Ahoana?

Mitaiza Zanaka ho Matotra — Amin’ny Fomba Ahoana?

“Mianatra ny atao hoe fanajan-tena sy fifehezan-tena ny zanaka rehefa anehoan’ny ray aman-dreny fitiavana sy omeny fifehezana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Gazette, gazety iray ao Montréal, Kanada. Inona moa no tafiditra amin’izany? Tena zava-dehibe ny hanorenana fetra mazava ho an’ny fitondran-tenan’ny zanaka, araka ny voalazan’i Constance Lalinec, dokotera psykology ao Montréal.

Manamarika koa i Lalinec, izay miasa miaraka amin’ny ankizy sy ny fianakaviana, fa “rehefa manakana ny ankizy tsy hahatsapa ny vokatry ny nataony isika, dia manakana azy tsy hiana-javatra betsaka koa”. Misy vokany ratsy eo amin’ny fitomboan’ny ankizy ny fileferana tafahoatra.

Mety indrindra ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitaizan-janaka, torohevitra mampiseho fahendrena sady mandaitra hatramin’ny ela. Milaza izy hoe: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Raha vantany vao nanorina fitsipika araka ny antonony ianao ary mazava amin’ny zanakao izany fitsipika izany, dia ampiharo haingana sy amin’ny fomba tsy miovaova. Tohano amin’ny fanaovan-javatra mandaitra ny teninao. Hampita hafatra mazava ho an’ny zanakao izany, momba ny fitsipika sy ny zavatra andrasanareo ray aman-dreny aminy — dia ny hoe “izay afafin’ny olona no hojinjany”. (Galatiana 6:7; Romana 2:6). Ny tanjona irina ho tratra amin’ny fifehezana feno fitiavana sy mandaitra dia ny hianaran’ny ankizy hanaraka fitsipika ary hizaka fahadisoam-panantenana sy tsy fahazoana fahafaham-po avy hatrany amin’izay tiana ho azo. Izany dia mba hahafahan’izy ireo hamboly toetra izay ilainy mba hitomboana ho olon-dehibe matotra sy mahay mandray andraikitra.

Misy torohevitra fanampiny momba izay lazain’Andriamanitra amin’ireo ray aman-dreny, raha ny amin’ny fifehezana ny zanany amim-pitiavana, ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Afaka ny hahazo iray amin’io boky misy pejy 192 io ianao, raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io amin’ny adiresy aseho eto, na amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

◻ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

◻ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.