Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nafenina ny Marina Nandritra ny 50 Taona — Nahoana?

Nafenina ny Marina Nandritra ny 50 Taona — Nahoana?

Nafenina ny Marina Nandritra ny 50 Taona — Nahoana?

Nosy kely iray anisan’i Hébrides Anatiny, tandrifin’ny morontsiraka andrefan’i Ekosy, i Rhum. Tokotokony ho 70 taona lasa izay, dia nahazo lalana tamin’ny tompon’io nosy io,

handinika ny zavamaniry tao i John Heslop Harrison, bôtanista (manam-pahaizana momba ny zavamaniry) sady profesoran’ny oniversite ary mpikambana tao amin’ny Fikambanana Britanikan’i Londres malaza.

Nandritra ireo taona nanaraka, dia nilaza i Harrison fa nahita karazan-javamaniry tsy fahita firy maro tao, zavamaniry tsy hita raha tsy tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro tany atsimo kokoa. Nahazo teny fiderana nafana i Harrison, ka vao mainka nitombo be ny lazany noho ny zava-bitany. Arakaraka ny nihalavan’ny lisitra nataony anefa no nitomboan’ny fisalasalan’ny bôtanista hafa.

Tamin’ny 1948, dia nanaiky hamotopototra ny amin’ilay raharaha i John Raven — rektoran’ny Oniversiten’i Cambridge ao amin’ny sampana haisoratra kilasika, sady bôtanista mafana fo, tsy matihanina — na dia zava-tsarotra aza ilay izy. Tsy navoaka mihitsy anefa ny tatitra nataony. Nafenina kosa aza izany, ary tsy naharihary ny tao anatiny raha tsy tamin’ny 1999. Fa nahoana? Satria noporofoin’i Raven fa nanao hosoka i Harrison. Araka ny voalazan’ny tatitra nataon’ny gazetiboky New Scientist, dia nambolena tany an-toeran-kafa ireo zavamaniry ary nafindra an-tsokosoko tany Rhum avy eo.

Nanana fahaizana voajanahary momba ny zavamaniry eo amin’ny faritra faniriany mahazatra i Raven, ka tsy ela dia nahatsikaritra ahidratsy fahita any Angletera, fa tsy fahita any Rhum, teo amin’ireo fakan’ny maromaro tamin’ireo ‘zavamaniry vaovao hitan’i’ Harrison. Ny zavamaniry hafa dia nisy lalitra madinika voalaza fa tsy hita afa-tsy tany amin’ny toerana roa any Grande-Bretagne, ka ny zaridainan’i Harrison any Angletera ny iray. Mbola nanome porofo fanampiny ny fakan’ny zavamaniry iray, izay nisy potipotika vato koartsa — hafa be amin’ny vato koartsa voajanahary any Rhum.

Tsy izay ihany anefa. Fantatra koa fa hosoka ny fanambarana nataon’i Harrison momba ny lolo sy ny voangorin’ilay nosy. Nomarihin’ny The Sunday Telegraph Magazine fa nisy mponina iray tao Rhum namboraka toy izao: “Nisy zavatra foana nafenin’ilay profesora — na lolo izany na zavamaniry — mba hambara fa zava-baovao hitany isan-taona.” Nahoana àry no tsy nalana sarona mihitsy i Harrison?

Nanatsoaka hevitra ilay mpikaroka atao hoe Karl Sabbagh fa hatsaram-panahy natao hiarovana ny fianakavian’i Harrison ny fanapahan-kevitra tsy handray fepetra. Anisan’ny antony koa anefa ny hoe olona ambony i Harrison, ary nety ho nahitan-doza ny nanohitra azy. Nomarihin’i Sabbagh koa fa “nety ho niteraka fahafaham-baraka ho an’ny fianakaviamben’ny bôtanista manontolo” ny fanalana sarona ilay raharaha.