Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Tokony Hanalavitra ny Spiritisma?

Nahoana Ianao no Tokony Hanalavitra ny Spiritisma?

Nahoana Ianao no Tokony Hanalavitra ny Spiritisma?

RAHA nampianarina ianao fa hoe fomba ifandraisana amin’ny fanahy tsara ny endriny sasany amin’ny spiritisma, dia mety hahagaga anao ny fahafantarana izay lazain’ny Baiboly momba ny spiritisma. Izao, ohatra, no lazainy: “Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Izahay no manao sora-mandry.) — Levitikosy 19:31; 20:6, 27.

Raha ny marina, dia lazalazain’ny Baiboly ho “fahavetavetana eo imason’i Jehovah” izay olona manao spiritisma. (Deoteronomia 18:11, 12). Nahoana? Hamaly io fanontaniana io ny fandinihana akaiky kokoa izay lazain’ny Baiboly momba ny lafiny lehibe iray amin’ny spiritisma, dia ilay lazaina hoe fifandraisana amin’ny maty.

Velona ve ny maty?

Mifanohitra amin’izay heverin’ny olona maro ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, satria milaza izy io fa tsy afaka mifandray mihitsy amin’ny havan-tiany efa maty ny olombelona. Nahoana moa? Raha te hiresaka amin’ny maty ny olona iray, dia tsy maintsy tena velona ilay maty. Tsy maintsy misy tapany aminy mbola velona aorian’ny nahafatesany. Misy milaza fa mbola velona ny fanahy (âme) rehefa maty ny vatana. Marina ve izany?

Toy izao no fitantaran’ny Baiboly ny famoronana ny olona: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [“fanahy velona”, NW ] izy.” (Genesisy 2:7, izahay no manao sora-mandry.) Tsy mampiseho ve izany fa ilay olona mihitsy no fanahy? Ary tsy mampiseho koa ve izany fa tsy manana fanahy tsy mety maty mbola velona aorian’ny nahafatesan’ny vatana izy? Raha ny marina, dia hoy ny Soratra Masina: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita”, izany hoe ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona. — Mpitoriteny 9:5, 10.

Noho izany, araka ny Baiboly dia tsy zavatra iray mbola velona aorian’ny nahafatesan’ny vatana akory ny fanahy, ka hoe ho afaka hifandray amin’izy io ny olona mbola velona, any aoriana. Ireto misy ohatra roa amin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly izay nanatsoaka hevitra fa maty ny fanahy. Nanamarika toy izao i Clark H. Pinnock, teolojianina kanadianina: “Nanan-kery teo amin’ny teolojia hatramin’ny ela be io hevitra [ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona] io, kanefa dia tsy araka ny Baiboly izy io. Tsy mampianatra ny amin’ny tsy fahafatesana voajanaharin’ny fanahy, ny Baiboly.” Toy izany koa, fa hoy i John R. W. Stott, manam-pahaizana britanika: “Hevitra grika, fa tsy ara-baiboly, ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty, izany hoe, tsy azo vonoina raha araka izany.”

Na izany aza, dia maharay hafatra sy mandre feo izay toa avy amin’ny maty, ny olona. Iza àry no miteny amin’ireny?

Miresaka amin’iza?

Tantarain’ny Baiboly fa nampiasa bibilava iray, (tahaka ny fampiasan’ny olona mahay miteny toy ny avy any an-kibo ny saribakoly iray), ny olona ara-panahy sy tsy hita maso iray, mba hiresahana tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany, mba hitarihana azy hikomy tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-5). Io fanahy, na anjely io, dia antsoin’ny Baiboly hoe “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Izy io, izany hoe i Satana, dia nahavita nitaona anjely hafa mba hikomy. (Joda 6). Antsoina hoe demonia ireny anjely ratsy sady fahavalon’Andriamanitra ireny.

Asehon’ny Baiboly fa manana hery hitaomana ny olombelona ireo demonia. (Lioka 8:26-34). Tsy mahagaga àry raha milaza toy izao ny Lalàn’Andriamanitra: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. (Deoteronomia 18:10-12). Inona no loza mety hateraky ny tsy firaharahana an’io lalàna io?

Mamaly io fanontaniana io ny zavatra tena nisy niainan’i Saoly, mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny. Noho i Saoly Mpanjaka natahotra ny fahavalony, dia nandeha tany amin’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy izy. Nangatahin’i Saoly izy io mba hifandray amin’i Samoela mpaminany izay efa maty. Rehefa nandre ny filazalazan’ilay mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, mahakasika anti-dahy iray i Saoly, dia nihevitra fa i Samoela no hitany. Ary hafatra inona no voarain’i Saoly? Hatolotra ho eo an-tanan’ny fahavalony, hono, ny Isiraely, ary ho lasa hiaraka amin’i “Samoela” i Saoly sy ireo zanany, izany hoe ho faty izy ireo. (1 Samoela 28:4-19). Nanao ahoana ny fihetsik’Andriamanitra nanoloana ny fanapahan-kevitr’i Saoly hanatona mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy? Hoy ny Soratra Masina amintsika: “Maty Saoly noho ny nivadihany (...), sy noho ny nakany saina tamin’izay nanao azy ho tsindrian-javatra”. (1 Tantara 10:13). Novidiny lafo tokoa ilay izy!

Manao izay hahatandindomin-doza ny tenany toy izany koa amin’izao andro izao, ireo tafiditra amin’ny fanaovana spiritisma. Mampitandrina ny Baiboly fa “ny mpanao ody [“spiritisma”, NW ]” dia hiharan’ny “fahafatesana faharoa [na mandrakizay]”. (Apokalypsy 21:8; 22:15). Mazava àry fa lalam-pahendrena sy mamonjy aina tokony harahina ny manalavitra ny spiritisma amin’ny endriny rehetra.

Fomba fanoherana ny fanahy ratsy

Ahoana raha efa tafiditra amin’ny fanaovana spiritisma ianao? Raha izany, dia haneho fahendrena ianao raha manao zavatra avy hatrany mba hiarovana ny tenanao sy ny fianakavianao amin’ny ratsy ataon’ny fanahy ratsy. Inona avy no tokony hatao? Indro misy fanoharana: Ahoana no hiarovan’ny olona iray ny tranony sy ny fianakaviany amin’ireo bibikely mahadikidiky? Esoriny tsy hisy ao an-tranony aloha ireo bibikely mahadikidiky, ary avy eo dia ariany izay zavatra misarika azy ireny. Tampenany ny triatra ka hamafisiny ny rindrina, mba tsy ho afaka hanafika intsony ireo bibikely mahadikidiky. Raha mbola mamely foana anefa ireo bibikely, dia mety hangataka ny fanampian’ireo manam-pahefana eo an-toerana izy mba hikarakara izany.

Ny fanaovan-javatra mitovy amin’izany dia afaka manampy anao hanohitra ny fanahy ratsy sy hanafa-tena amin’izy ireny. Hevero ny ohatr’ireo Kristianina tany Efesosy tamin’ny taonjato voalohany. Nanao spiritisma izy ireo talohan’ny nahatongavany ho Kristianina. Rehefa avy nanapa-kevitra ny hanafa-tena amin’ny spiritisma izy ireo, dia nanao dingana telo mba hiarovan-tena tamin’ny fanafihan’ireo fanahy ratsy, mitovy amin’ny fanafihan’ireo bibikely mahadikidiky. Inona no nataon’izy ireo?

Dingana voalohany

Manazava ny Baiboly hoe: “Maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra”. (Asan’ny Apostoly 19:19). Ny fandoroan’ireo Kristianina vaovao ireo ny bokiny momba ny fanandroana, dia namela ohatra ho an’izay rehetra maniry hanohitra ny fanahy ratsy amin’izao andro izao. Ario izay zavatra rehetra mifandray amin’ny spiritisma. Tafiditra amin’izany izay boky rehetra, gazety, boky misy tantara mampihomehy, vidéos, sarin’olo-malaza sy ireo zavatra elektronika, ary mozika noraisim-peo izay misy hevitra momba ny spiritisma, ary koa ireo ody atao fiaro na zavatra hafa anaovana mba ho “fiarovana”. — Deoteronomia 7:25, 26; 1 Korintiana 10:21.

Nandray am-po io torohevitry ny Soratra Masina io ny lehilahy iray tany Amerika Atsimo, izay tafiditra lalina tamin’ny spiritisma nandritra ny am-polony taona maro. Izao no tsaroany: “Indray andro, dia nangoniko teo anoloan’ny tranoko daholo izay zavatro rehetra momba ny spiritisma, nandray famaky aho ka nopotipotehiko daholo ireo zavatra ireo.” Avy eo dia nodorany tsy nisy niangana intsony izy rehetra. Nanao fandrosoana tsara teo amin’ny lafiny ara-panahy izy, taorian’izay, ka tsy ela dia tonga mpitory be zotom-po ao amin’ny iray amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy ampy anefa io dingana voalohany io. Fa nahoana? Na dia taona vitsivitsy taorian’ny nandoroan’ireo Kristianina tany Efesosy ireo ny bokiny momba ny majika aza, dia mbola nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “[Isika dia] mitolona amin’ny (...) fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. (Efesiana 6:12). Mbola tsy nilavo lefona ireo demonia. Mbola mitady fomba hamelezana foana izy ireo. Inona koa no mbola nilain’ireo Kristianina ireo natao?

Dingana faharoa

Nampirisihin’i Paoly toy izao ireo Efesiana tamin’ny taonjato voalohany: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” (Efesiana 6:11). Mbola manan-kery hatramin’izao andro izao io torohevitra io. Toy ilay olona izay miezaka miaro ny tranony tsy hidiran’ireo bibikely mahadikidiky, ny Kristianina dia tsy maintsy manamafy ny fiarovan’izy ireo, toy ny rindrina, mba tsy hahavoazan’ny fanahy ratsy azy ireo. Inona no tafiditra amin’io dingana faharoa io?

Hoy ny nohamafisin’i Paoly: “Ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.” (Efesiana 6:16, izahay no manao sora-mandry.) Tena ilaina dia ilaina tokoa io ampinga io. Arakaraka ny mampahatanjaka kokoa ny finoanao no hahamafy kokoa ny fahatoheranao ny herin’ireo fanahy ratsy. — Matio 17:20.

Ahoana àry no ahafahanao manamafy ny fiarovanao? Amin’ny fanohizanao ny fianaranao ny Baiboly. Amin’ny ahoana no mifandray ny fianarana Baiboly sy ny finoana? Ny tanjaky ny rindrina iray dia miankina amin’ny hamafin’ny fotony. Mitovy amin’izany koa fa ny tanjaky ny finoan’ny olona iray dia miankina be dia be amin’ny fototr’izy io. Inona moa izany fototra izany?

Izany dia ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Nanazava ny apostoly hoe: “Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.” (Romana 10:17). Asaina ianao mba hangataka fampianarana Baiboly maimaim-poana amin’ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mety aminao. Hanatanjaka ny finoanao ny fianarana toy izany. (Romana 1:11, 12; Kolosiana 2:6, 7). Inona no ho vokatr’izany? Tsy ho ela ny finoanao dia ho tonga toy ny rindrina fiarovana mafy iray izay hiasa toy ny ampinga hiaro amin’ny fitaoman’ireo fanahy ratsy. — Salamo 91:4; 1 Jaona 5:5.

Inona ilay dingana fahatelo izay tsy maintsy nataon’ireo Kristianina tany Efesosy ireo?

Ilay dingana fahatelo

Tany Efesosy fahiny, dia efa nanao zavatra mba hanoherana ny fanahy ratsy ireo mpino vaovao ireo, nefa mbola tao anatin’ny tanàna iray heniky ny demonisma no niainan’ireo Kristianina ireo. Nila fiarovana bebe kokoa izy ireo. Noho izany, rehefa nanoratra ho an’ireo mpiray finoana taminy i Paoly, dia nolazainy tamin’izy ireo toy izao izay tokony hataony: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra”. — Efesiana 6:18.

Marina tokoa fa dingana lehibe iray tena nilaina sy mbola tena ilaina mba hiarovan-tena amin’ireo fanahy ratsy, ny fivavahana amin-kafanam-po sy tsy tapaka mba hahazoana ny fiarovan’i Jehovah amin’ireo fanahy ratsy. Ary mampionona ny mahafantatra fa hamaly ny fangatahana avy amin’ny fo ataonao i Jehovah, ka hanome anao ny fiarovany, izay mahafaoka ny fanohanan’ireo anjeliny. (Salamo 34:7; 91:2, 3, 11, 14; 145:19). Tena zava-dehibe, araka izany, ny mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra, manao hoe: “Manafaha anay amin’ny ratsy.” — Matio 6:13; 1 Jaona 5:18, 19.

Nanjary nahatakatra ny hasarobidin’ny vavaka i Antônio any Brezila, izay mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy teo aloha. Rehefa avy nanaiky ny hianatra Baiboly izy, ary nahafantatra ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, dia nanomboka nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah Andriamanitra izy mba hahazoana fanampiana hialana tamin’ny spiritisma. Rehefa mieritreritra ny lasa izy, dia nilaza hoe: “Ny fivavahana tamin’i Jehovah dia fialofana ho ahy tokoa sy ho an’ireo olon-kafa maro izay nandevozin’ireo fanahy ratsy teo aloha.” — Ohabolana 18:10.

Afaka mahomby ianao

Rehefa manjary mahafantatra an’i Jehovah ianao, dia tena zava-dehibe ny hoe mitoky tanteraka aminy sy manaiky ny fahefany ary mankatò ireo didiny. Raha manao izany ianao, dia hanome fiarovana anao izy rehefa miantso azy ianao mba hahazoana fanampiana, amin’ny fampiasana ny anarany. Nahazo fiarovana toy izany i Antônio. Ankehitriny izy dia loholona ao amin’ny iray amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah any São Paulo, ary velom-pankasitrahana, noho izy nahita ny fahamarinana izay nanafaka azy. — Jaona 8:32.

Toa an’i Antônio sy ireo an’arivony maro hafa nanao spiritisma taloha, nefa manompo an’i Jehovah ankehitriny, ianao koa dia afaka ny hahomby eo amin’ny fanafahan-tena amin’ny spiritisma. Noho izany, dia ario izay zavatra mifandray amin’ny spiritisma, hatanjaho amin’ny alalan’ny fianarana Baiboly ny finoanao, ary mivavaha mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Ataovy ireo dingana ireo, satria miankina amin’izany ny fiainanao!

[Teny notsongaina, pejy 5]

Araka ny Baiboly, dia tsy afaka miresaka amin’ny maty ny velona

[Sary, pejy 6]

1. Ario izay zavatra rehetra mifandray amin’ny spiritisma

[Sary, pejy 7]

2. Tohizo ny fianaranao ny Baiboly

[Sary, pejy 8]

3. Mivavaha amin-kafanam-po sady matetika