Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Miely Patrana ny Fahalianana Amin’ny Spiritisma?

Nahoana no Miely Patrana ny Fahalianana Amin’ny Spiritisma?

Nahoana no Miely Patrana ny Fahalianana Amin’ny Spiritisma?

Nofaritana toy izao ny spiritisma: ‘Finoana fa misy tapany ara-panahy ao amin’ny olombelona, izay mbola velona ihany, rehefa maty ny vatana, ary afaka mifandray amin’ny velona, mazàna amin’ny alalan’ny olona mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy.’

TAMIN’NY 1998, dia nanjary nalaza aoka izany tany Etazonia ny boky iray manazava ny fomba ifandraisana amin’ny maty, hany ka vetivety izy io dia nahatratra ny toerana voalohany teo amin’ny lisitr’ireo boky be mpividy indrindra, navoakan’ny New York Times.

Taona vitsivitsy lasa izay, tany Moscou, dia nanjary fanaon’ireo mpanao politika sy mpandraharaha ny mandeha any amin’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy sy ny fivoriana fiantsoana ny maty. Nandoa vola be izy ireo mba hakana hevitra tany.

Any Brezila, dia misarika mpijery maro be ny tantara mitohy mampiseho spiritisma, ao amin’ny televiziona.

Ho an’ny olona maro mipetraka atỳ Afrika na any Azia, ny fanaovana spiritisma dia zava-mahazatra toy ny miady varotra eny an-tsena.

Nahoana no maro be toy izany no mitodika any amin’ny spiritisma?

Maro no mitodika any amin’ny spiritisma, satria maniry hahazo fampiononana noho ny fahafatesan’ny havan-tiana. Mety hahazo hafatra toa avy amin’ilay maty izy ireo, amin’ny alalan’ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. Noho izany, dia matetika ireny nidonam-pahoriana ireny no mino hoe mbola velona ireo havan-tiany maty, ka hanampy azy ireo hizaka ilay fahabangana ny fifandraisana amin’ilay maty.

Voasariky ny spiritisma ny hafa, satria nilazana fa hanampy azy ny fanahin’ireo maty, mba hahita fanasitranana ho an’ny aretiny, ho afaka amin’ny fangejan’ny fahantrana, hahomby eo amin’ny fitiavana, handamina olana ara-panambadiana, na hahita asa. Ary maro hafa koa no mitodika any amin’ny spiritisma, noho ny fahalianana ta hahafanta-javatra fotsiny.

Ny antony iray hafa itodihan’ny olona an-tapitrisany maro any amin’ny spiritisma anefa dia satria nampianarina azy ireo, araka ny nilazalazan’ny manam-pahaizana iray amin’io lafiny io azy, fa hoe “fivavahana fanampiny” izay “mifanindran-dalana amin’ny Kristianisma” ny spiritisma. Ohatra iray manasongadina izany ny fivavahana any Brezila.

Any Brezila no betsaka Katolika indrindra eto ambonin’ny tany, nefa araka ny filazan’ilay mpanoratra atao hoe Sol Biderman, dia “maro amin’ireo mpivavaka no mandrehitra labozia any amin’ny alitara mihoatra ny iray, ka mihevitra fa tsy misy zavatra mifanipaka velively amin’izany”. Nanao tatitra mihitsy aza ilay gazety mpivoaka isan-kerinandro hoe Veja any Brezila, fa ny 80 isan-jaton’ireo izay mankany amin’ireo toerana fanaovana spiritisma no Katolika vita batemy sady mamonjy Lamesa. Ankoatra izany, na dia ny mpitondra fivavahana sasany aza dia manatrika ireo fivoriana fanaovana spiritisma, ka mora takatra ny antony iheveran’ny mpino maro hoe ankasitrahan’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny fanahy, mba hahazoana fampiononana sy tari-dalana. Marina ve anefa izany?

[Efajoro, pejy 3]

Endrika Samihafa Isehoan’ny Spiritisma

Ny fanaovana spiritisma dia mety hahafaoka ny fanatonana mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, ny fanontaniana amin’ny maty, na ny fitadiavana fambara. Ny endrika spiritisma fahita matetika dia ny fisikidianana, izany hoe ny fanandramana hamantatra ny hoavy, na izay tsy fantatra, amin’ny alalan’ny fanampian’ny fanahy. Endrika sasany amin’ny fisikidianana ny fanandroana, ny fijerena baolina kristaly, ny filazana ny hevitry ny nofy sy ny fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana ary ny famantarana ny hoavy amin’ny fampiasana karatra tarot.