Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiteny — Tetezana sy Fefy eo Amin’ny Fampitan-kevitra

Ny Fiteny — Tetezana sy Fefy eo Amin’ny Fampitan-kevitra

Ny Fiteny — Tetezana sy Fefy eo Amin’ny Fampitan-kevitra

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

“Raha ny fiovaovana nisy teo amin’ny vondron’olona iray, sy ny rafi-piaraha-monina nisy azy, ary ny zavatra inoany sy ny fihetseham-pony no resahina, dia tsy misy tantara afaka manampy antsika hahatakatra izany araka ny marina toy ny famakafakana ny fiteniny.” — MARTÍN ALONSO.

NANDRITRA ny tantara manontolo, dia nahaliana fatratra an’ireo manam-pahaizana ny fiteny: ny fiandohany, ny fahasamihafany ary ny fiovaovany. Raha ny marina, dia voahazona mihitsy aza ny fahalianan’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny ankamaroan’ny firaketana an-tsoratra ara-tantara, ary noho ny fiteny indrindra no anton’izany. Tsy isalasalana fa ny fiteny no fitaovana fampitan-kevitra lehibe indrindra ampiasain’ny olombelona.

Ankehitriny, araka ny fanombantombanan’ny manam-pahaizana sasany momba ny fiteny, dia 6 000 eo ho eo, na maherin’izany, ny fiteny ampiasaina eo amin’izao tontolo izao, tsy tafiditra amin’izany ireo fitenim-paritra eo an-toerana. Ny fiteny be mpampiasa indrindra dia ny sinoa mandarin, satria maherin’ny 800 tapitrisa no miteny azy. Ireo fiteny efatra be mpampiasa indrindra manarakaraka azy io dia ny anglisy, ny espaniola, ny hindi ary ny bengali, nefa tsy voatery ho araka io filaharana io.

Inona no mitranga rehefa misy fifampikasohana tampoka eo amin’ny kolontsaina samy hafa, sy ny fiteniny, mazava ho azy? Nahoana kosa, etsy an-danin’izany, no manan-kery eo amin’ny fitenin’ny antokon’olona sasany ny fitokanany monina? Andeha hojerentsika hoe ahoana no iorenan’ny tetezana sy ny fefy eo amin’ny fampitan-kevitra.

Pidgins sy kreôla ary lingua franca

Ny fanjanahan-tany, ny varotra ifanaovan’ny tany samy hafa, ary na dia ny fihazonana any amin’ny toby fitanana aza, dia nahatonga ny olona hahatsapa fa ilaina ny manisy tetezana eo amin’ilay hantsana eo amin’ny fifampiresahana vokatry ny tsy fananana fiteny iombonana. Koa nanomboka nampiasa karazana fiteny nahena na notsorina àry ny olona. Nesoriny ireo zava-tsarotra ara-pitsipi-pitenenana, vitsy kokoa ny teny nampiasainy sady noferany ho ao anatin’ny faritry ny tombontsoa iombonana. Tamin’izany fomba izany no niforonan’ny fiteny pidgin. Na dia nahena aza ny fiteny pidgin, dia manana fitsipi-pitenenana izay azy manokana izy io. Raha foana anefa ilay antony nisian’io fiteny io, dia mety ho faty izy.

Rehefa manjary ny fiteny lehibe indrindra ampiasain’ny vahoaka iray ny pidgin, dia miampy teny vaovao ary alamina indray ny fitsipi-pitenenana. Lasa kreôla àry ilay izy. Mampiseho ny kolontsain’ny firenena iray ny kreôla, fa tsy mba sahala amin’ny pidgin. Ankehitriny, dia pidgin sy kreôla maro be, mifototra amin’ny teny anglisy, frantsay, portogey, swahili, sy fiteny hafa, no ampiasaina eo amin’izao tontolo izao. Manjary fiteny be mpahay ao amin’ny tany iray mihitsy aza ny sasany, tahaka ny tok pisin any Papouasie-Nouvelle-Guinée sy ny bichlamar any Vanuatu.

Tetezana hafa mampandroso ny fampitan-kevitra ny lingua franca. Fiteny iombonana ampiasain’ny antokon’olona samy hafa fitenin-drazana, ny lingua franca. Any amin’ny République centrafricaine, ohatra, dia afaka mifampiresaka amin’ny teny sango ireo mampiasa fiteny samihafa eo an-toerana. Ny anglisy sy ny frantsay dia fiteny ampiasain’ireo diplaomaty ho lingua franca. Lingua franca ny pidgin, ary azo sokajina ho toy izany koa ny kreôla.

Ireo faritra samy hafa ao amin’ny tany iray dia mety hampiasa karazany hafa amin’ilay fitenim-pirenena, ary izany no antsoina hoe fitenim-paritra. Arakaraka ny mampitoka-monina ilay faritra no mety hampiharihary kokoa ny fahasamihafana. Rehefa mandeha ny fotoana, dia manjary samy hafa be amin’ilay fiteny tany am-boalohany eo amin’ilay faritra ny fitenim-paritra sasany, hany ka manjary fiteny hafa. Indraindray, dia tsy mora amin’ireo manam-pahaizana momba ny fiteny ny manavaka ny fiteny sy ny fitenim-paritra amin’ny toe-javatra sasany. Koa satria tsy mitsahatra ny miova koa ny fiteny, dia misy fitenim-paritra maty, indraindray, satria tsy ampiasaina intsony, ary dia misy ampahany amin’ny tantara koa maty miaraka aminy.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiteny. (Eksodosy 4:11). Mahavariana ny fiovan’ny fiteny, ary mampiseho izany fa azo ampifanarahina amin’ny toe-javatra io fanomezana io. Mety ho fantatsika avy amin’ny fiteny koa fa tsy misy antokon’olona ambony noho ny hafa, satria tsy misy izany hoe fiteny ambany izany. Tsy misy hafa amin’ny fanomezana hafa avy amin’Andriamanitra ny fiteny, fa ananan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, na inona na inona kolontsainy na toerana onenany. Hatrany am-boalohany mihitsy, dia efa azo lazaina ho feno mba hahatratra ny zava-kendrena aminy, ny fitenin’ny firenena rehetra. Mendri-panajana ny tsirairay amin’izy ireny, na firy na firy ny olona mampiasa azy.

Lafin-javatra ara-tantara sy ara-tsosialy

Toetra maha izy ny olombelona ny fitiavana hiaraka amin’ny hafa, ary hita taratra ao amin’ny fiteny izany. Koa rehefa misy fifampikasohana eo amin’ny samy kolontsaina, toy izay mitranga matetika, dia mbola voatahiry ao amin’ny fitenin’ireo kolontsaina ireo ny porofon’izany fifampikasohana izany, ao anatin’ny taranaka maro mifandimby.

Ohatra, rehefa jerena ireo teny espaniola maro manana fiandohana arabo, dia hita fa voatahirin’ny teny espaniola, izay heverina ho teny latinina nasiam-panovana, ny nakan’ny Silamo ny tany espaniola tamin’ny taonjato fahavalo. Hita soritra koa fa nanan-kery teo amin’ny teny espaniola ny teny grika, frantsay, anglisy, ary ny fiteny hafa. Fanampin’izany, dia mbola misy soritra navelan’ireo mponina fahiny tao amin’ilay kontinanta, ny teny espaniola ampiasaina any Amerika. Izy io, ohatra, dia manana teny maro avy amin’ny nahuatl, fitenin’ny Azteka tany Amerika Afovoany.

Mampahafantatra olona ho avy amin’ny firenena, na faritra iray mihitsy aza, ny fitenin-drazany. Torak’izany koa ny fiteny ampiasaina, satria mampahafantatra ny olona ho anisan’ny antokon’olona iray: antokon’olona manao asa na raharaha iray, ohatra; na antokon’olona iray kolontsaina sy iray fanatanjahan-tena, na fikambanan’ny mpanao heloka bevava mihitsy aza. Saika tsy misy farany io lisitra io. Miantso ireny fiovana manokana ireny hoe teny teknika, na fitenin-jatovo, ary indraindray aza hoe tenim-paritra, ireo manam-pahaizana momba ny fiteny.

Rehefa misy fifankahalana anefa eo amin’ireo firenena na firazanana na kolontsaina, dia tsy tetezana intsony ny fiteny. Mety hanjary ho fefy izay mampitombo ny fizarazarana eo amin’ny olona izy io.

Ny hoavin’ireo fiteny

Raharaha sarotra ny fampitan-kevitra. Amin’ny lafiny iray, dia mizotra ho amin’ny fandrodanana ireo fefy ara-pitenenana ny fironana maoderina, noho ny fampitam-baovao indrindra indrindra. Araka ny Encylopædia Britannica, dia ampiasain’ny olona 1 ao anatin’ny 7 ho toy ny fiteny voalohany na faharoa ampiasainy ny teny anglisy, ankehitriny. Noho izany, dia izy io no lingua franca be mpampiasa indrindra eo amin’izao tontolo izao. Nampisy fampitan-kevitra mitatra kokoa sy fifanakalozana fanazavana mahasoa ny fampiasan’ny olona azy io.

Etsy an-danin’izany, dia nandray anjara tamin’ny fisaratsarahana sy ny fankahalana ary ny ady ny fefy ara-pitenenana. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Raha fiteny mitovy no ampiasain’ny firenena rehetra, (...) dia hitombo ny fifanasoavan’ny samy firenena.” Mazava ho azy fa hitaky fiovana lalina kokoa noho ny fampiasana fotsiny lingua franca, ny fifanasoavana toy izany. Ilay Mpamorona hendry ny fiteny ihany no afaka mahatonga ny olona rehetra hampiasa fiteny tokana.

Mampiseho mazava ny Baiboly, izay fitaovana lehibe indrindra ampitan’Andriamanitra hevitra amin’ny olombelona, fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanaisotra izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao ary hanolo azy io amin’ny fitondram-panjakana iray hanapaka avy any an-danitra, dia ilay Fanjakany. (Daniela 2:44). Io fitondram-panjakana io dia hampiray ny olombelona rehetra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao iray eto an-tany, izay hanjakan’ny fiadanana sy ny fahamarinana. — Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:10-13.

Na dia ankehitriny aza, dia mampiray olona an-tapitrisany maro avy amin’ny fiteny rehetra sy ny firazanana rehetra ary ny fivavahana taloha rehetra, ny fiteny ara-panahy madio iray, izay tsy inona fa ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. (Zefania 3:9, NW ). Noho izany, dia toa ara-dalàna raha hampiray bebe kokoa ny olombelona Andriamanitra rehefa ao amin’ilay tontolo vaovao, ka hanome fiteny iombonana iray ho an’ny firenena rehetra, amin’ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’izay nataony tany Babela.

[Efajoro, pejy 22]

Ny niandohan’ny fiteny

Nampiasa fiteny i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona manana fahendrena tapitra ohatra, tany amin’ny faritry ny lanitra fonenan’ireo anjely. (Joba 1:6-12; 1 Korintiana 13:1). Rehefa namorona ny olombelona izy, dia napetrany tao amin’izy ireo ny fitambarana voambolana iray sy ny fahafahana hanitatra azy io. Tsy misy porofo milaza fa feo nitrona sy nierona no fitenin’olombelona tany am-boalohany. Mifanohitra amin’izany kosa fa mariho izay hazavain’ny Encyclopædia Britannica momba ny somerianina, ilay fantatra ho ny fiteny tranainy indrindra nisy soratra: “Hita ho tena sarotra ny matoanteny somerianina, sy (...) ireo tovona sy tovana ary tsofoka samihafa miaraka aminy.”

Tokony ho tamin’ny taonjato faha-20 al.f.i., dia niezaka ny hifehy ny fitambaran’olona rehetra tao amin’ny Lemak’i Sinara, tany Mezopotamia, ny olombelona, ka nanomboka nanorina ny Tilikambon’ny Babela, izay tilikambo ara-pivavahana. Nifanohitra tamin’ilay didin’Andriamanitra ny amin’ny tokony hiparitahana sy ‘hamenoana ny tany’ izany. Niforona ny fiteny samihafa rehefa nampisafotofoto ny fiteny niombonan’izy ireo Andriamanitra, ka nampandamòka ny fikasana nampidi-doza sy nanimba nananan’izy ireo. — Genesisy 1:28; 11:1-9.

Tsy milaza ny fitantaran’ny Baiboly fa avy tamin’ny fiteny iray tany am-boalohany no niavian’ny fiteny rehetra. Nampiditra fitambarana voambolana sy fomba fisaina vaovao maro Andriamanitra tany Sinara, ka niteraka fiteny isan-karazany. Koa very maina àry ny ezaka atao hikarohana fiteny iray nipoiran’ny fiteny hafa rehetra.

[Sary, pejy 22]

Nampisafotofoto ny fitenin’ireo olona mpikomy Andriamanitra, tany Babela