Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Haseho ve ny Alahelo?

Tokony Haseho ve ny Alahelo?

Tokony Haseho ve ny Alahelo?

IZAO no ambaran’ny Dr. Elisabeth Kübler-Ross ao amin’ilay bokiny hoe On Children and Death (Momba ny Ankizy sy ny Fahafatesana): “Olon-dehibe maro dia maro no mijaly, satria tsy naharesy mihitsy ny fahorian-tsaina nahazo azy fony fahazaza. Koa ny ankizy àry dia mila ny havela haneho ny alahelony, fa tsy hopetahana anarana hoe be konetaka na hoe sarim-bavy, na hanaovana fitenenana tsy mitombina hoe: ‘Ny tena lehilahy anie tsy mba mitomany e!’ ”

Izany fomba fihevitra izany dia mifanohitra amin’ilay filozofia any amin’ny tany sasany ny amin’ny fitanan-tena tsy hampiseho taratry ny fihetseham-po na inona na inona.

Zavatra hitan’ny lehilahy iray mpikarakara fandevenana

Manazava izany fifanoherana eo amin’ny fomba fihevitra izany ny fanamarihan’i Robert Gallagher, mpikarakara fandevenana any New York, izay nadinadinin’ny Mifohaza! Nanontaniana izy raha nahamarika tsy fitoviana teo amin’ny fihetsiky ny olona azon’alahelo, dia ny olona teraka tany Amerika sy ny olona nifindra monina avy tany amin’ireo firenena latinina.

“Tena nahamarika tokoa aho. Fony aho nanomboka izao asako izao tany amin’ireo taona 1950, tatỳ amin’ny faritra misy anay dia betsaka ny fianakaviana italianina, izay taranaka voalohany. Tena be fihetseham-po ry zareo. Ny zanany sy ny zafikeliny izao no ifampiraharahanay rehefa misy fandevenana, ary tsy misy firy intsony ny fihetseham-po. Tsy maneho loatra ny fihetseham-pony toy ireo teo alohany izy ireo.”

Nampiseho ny alahelony sy ny fihetseham-pony ny Hebreo tamin’ny andron’ny Baiboly. Mariho ny fomba ilazalazan’ny Baiboly ny fihetsik’i Jakoba rehefa natao izay hinoany fa lanin’ny bibidia masiaka iray i Josefa, zanany: “Nisaona ny zanany nandritra ny fotoana lava i Jakoba, ka nandrovitra ny fitafiany sy nisikina lamba fisaonana. Tonga nampionona azy ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, nefa tsy nety nampiononina izy. ‘Tsia’, hoy izy, ‘hidina misaona any amin’ny Sheola, ho eo akaikin’ny zanako, aho.’ Ary nitomany azy ny rainy.” (Genesisy 37:34, 35, The Jerusalem Bible; izahay no manao sora-mandry.) Eny, tsy menatra ny nitomany noho ny nahafatesan-janany i Jakoba.

Tsy mitovy ny fihetsiky ny olona tsy mitovy kolontsaina

Mazava ho azy fa tsy mitovy ny kolontsaina. Ohatra, any amin’ny faritra maro any Nizeria, na dia maro anaka aza ny fianakaviana mazàna, ary mitranga tsy an-kijanona ny fahafatesana vokatry ny aretina isan-karazany, “dia maneho tanteraka ny alahelony ny olona rehefa maty anaka, indrindra raha toa ka zanaka voalohany ilay izy, ary mainka moa raha lahimatoa”, hoy ny mpanoratra iray, izay niaina nandritra ny 20 taona tatsy Afrika. “Ny mahatonga izany fahasamihafana izany dia satria fohy, nefa mahery, ny fanehoana alahelo any Nizeria. Tsy maharitra am-bolana sy an-taonany maro izy io.”

Any amin’ny tany maro any amin’ny faritr’i Mediterane na any Amerika Latinina, ny olona dia notezaina tao amin’ny rivo-piainana iheverana ho ara-dalàna ny fihetsika tonga avy hatrany. Any dia aseho ampahibemaso ny hafaliana sy ny alahelo. Tsy voafetra ho amin’ny fifandraisan-tanana fotsiny ny fifampiarahabana, fa misy fifamihinana mafana koa. Toy izany koa fa mazàna ny alahelo no aseho an-karihary amin’ny alalan’ny ranomaso sy ny fitolokoana.

Nilaza ilay mpanoratra atao hoe Katherine Fair Donnelly fa ny raim-pianakaviana nidonam-pahoriana “dia miaritra ao an-tsainy ny vokatry ny famoizan-janaka ary koa ny tahotra ny tsy hoheverina intsony ho lehilahy raha maneho ampahibemaso ny fahoriany”. Na izany aza, dia manizingizina izy fa rehefa “maty anaka [ianao], dia tsy voasakan’ny fihetseham-po tokony haseho sy ny tsy tokony haseho. Ilay fihetseham-po avy any anaty lalina any, izay ta hanamaivana ny tena amin’ny alalan’ny ranomason’alahelo, dia mitovy amin’ny famakiana vay iray mba hivoahan’ny nana”.

Koa raha ny alahelo àry no asian-teny, dia ny fampisehoana azy io no fahita kokoa any amin’ny tany sasany noho ny any amin’ny hafa. Tsy tokony hoheverina ho mariky ny fahalemena anefa ny hoe maneho alahelo sy ny hoe tsy mitana ranomaso. Na i Jesosy Kristy aza dia “nitomany” noho ny nahafatesan’i Lazarosy, namany, nefa i Jesosy nahalala fa hanangana azy amin’ny maty tsy ho ela izy. — Jaona 11:35.

[Teny notsongaina, pejy 14]

Tsy menatra ny nitomany noho ny fahafatesan-janany i Jakoba