Zavaboary any Amin’ny Rano Lalina, Nefa Manidina
Zavaboary any Amin’ny Rano Lalina, Nefa Manidina
MISOSA mahafinaritra ao anaty rano amorontsiraka sy manodidina ireo nosin-dranomasina izy, ary hita any amin’ny ranomasimbe lalina, na mangatsiaka na mafana, ary na dia ao amin’ny farihy sy ny ony sasany aza. Inona àry izany? Izany dia anisan’ny fianakaviamben’ny karazan-trondro fay (raie), zavaboary any amin’ny rano lalina, izay toa manidina!
Tsy voatery ho mpisitrika any amin’ny ranomasina lalina, na ho mpanjono ianao, ary tsy voatery ho ao anaty rano akory aza ianao, vao hahita ny hakanton’ny fanidin’ny fay. Araka ny hazavain’i Bart, biolojista momba ny ranomasina, dia matetika ireo olona mpankeny amin’ny torapasika no finaritra mahita fay toa manana elatra, mitsambikina mivoaka ny rano.
Misy karazany an-jatony maromaro ny fay, ary ny habeny dia manomboka amin’ny santimetatra vitsivitsy ka hatramin’ny metatra vitsivitsy. Hitanao fa mitovy amin’ny antsantsa, izay havany ihany, izy. Tsy mba toy ny atodin’ny ankamaroan’ny hazandrano hafa ny atodin’ny fay, fa lonaka ao anaty vatan’ny vavy. Anisan’ny fianakaviamben’ny fay ny fay tsoky loha. Izy io dia mandatsaka atody efa lonaka, fa ny atodin’ny karazana fay hafa kosa dia foy ao anatin’ny vavy ary ateraka velona ny zanany, izay mitovy tanteraka amin’ny ray aman-dreniny, saingy madinika kely.
Anisan’ny be mpahalala indrindra ny fay mpanindrona. Tsy misy taolana mafy ny vatany, fa voaforon’ny taola-malemy, ary misy vombo eo amin’ny ilany roa, manomboka eo amin’ny lohany ka hatreo am-pototry ny rambony. Misy fay mpanindrona mitovy bika amin’ny diamondra na boribory, na mety hitovy amin’ny papangohazo nasiana rambony izy ireny. Fisaka ny vatany, hany ka kely dia kely ny fanoheran’ny vatany ny rano, rehefa milomano izy. Manonjanonja ireo vombony rehefa mihetsika, ka manjary manana hery hisosana hamakivakiana ny ranomasina izy, toy ny hoe manidina tsy maka sarotra. Rehefa tsy milomano ny fay, dia mipetraka eo amin’ny fasika any amin’ny fanambanin’ny rano, ary tsy tazana avy hatrany izy eo.
Eo an-tampon’ny lohany no misy ny masony, fa ao ambany kosa ny vavany. Mpihinana fakofako na fatim-biby izy ireo. Manana nify mafy sy valanorano matanjaka izay ahafahany mihinana akoram-biby izy. Izany no antony tsy itiavan’ny olona hahita azy eny amin’ny faritra fiompiana masajy (huîtres), satria hazandrano misy akorany no sakafo tiany indrindra. Azon’ny olona hanina koa ny fay mpanindrona, ary indraindray dia ampiasaina
ho solon’ny akorandriaka fihinana izy, rehefa mahandro sakafo.Fay mpanindrona. Izany anarana mampiavaka azy izany dia avy amin’ireo tsilo misy poizina eo ambony amin’ny rambony lava. Afaka manindrona maharary sy mandefa poizina ny rambon’io fay io, raha toa ka voahitsaka izy, na ampijalina, na rahonan’ny fahavalo. Matetika ireo tsilo no tapaka ka milentika lalina ao amin’ny ratra, ka manjary sarotra esorina, ary mahatonga ilay ratra hanonitra be raha tsy voatsabo tsara. Raha sanatria voatsindron’ny fay iray ianao, dia sasao tsara amin’ny rano ilay faritra voa, ka ranomasina ampiasaina, raha ilaina. Alony haingana araka izay azo atao ao anaty rano mahamay araka izay farany tantinao, ilay ratra. Mamono ilay poizina mantsy ny rano mahamay ary mampihena ny fanaintainana. Aza mangataka andro avy eo, fa mankanesa any amin’ny dokotera.
Na dia mety hampahatahotra anao aza ny rambony misy tsilo, dia tsy masiaka ny fay mpanindrona, amin’ny ankapobeny, ary mazàna izy no tsy mampiasa ny rambony raha tsy rehefa misy mandrahona azy. Hitan’i Bart, voatonona tetsy am-piandohan’ity lahatsoratra ity, ho biby tena mahafinaritra ny fay mpanindrona, fony izy sy ny vadiny nilomano niaraka tamin’izy ireny tany amin’ireo Nosy Caïmans, tao amin’ny faritra kely iray teo an-toerana, izay fantatra ho faritra fisakafoan’ny fay tsy masiaka. Nitantara toy izao izy: “Nandohalika teo amin’ny fanambanin’ny rano izahay, tany amin’ny dimy metatra teo ho eo. Rehefa nanomboka nanome sakafo azy ireo izahay, dia tonga nanodidina anay ireo fay mpanindrona! Angamba nisy 30 na 40 izy ireo, nanodidina anay, samy nanana ny habeny avy. Nanomboka teo amin’ny lohalikay ireo fay no nitady sakafo, ary niakatra teo amin’ny handrinay sy ny lamosinay ary teo ambony lohanay, nilomano moramora ary nandona anay moramora mba hahazoana na dia sombin-tsakafo kely fotsiny aza. Nahagaga fa nalemy paika tokoa ireny zavaboary kanto ireny. Navelany hanafosafo ny kibony mihitsy aza izahay rehefa nandalo teo ambony lohanay izy ireo.” Nilaza i Bart fa nanjary zatra olona mihitsy ireny fay ireny, hany ka tao anatin’ireo taona rehetra niarahan’ny olona nilomano taminy, dia tsy nisy tatitra voarakitra an-tsoratra hoe nanao fanafihana izy ireny.
Isika izay tsy za-draharaha amin’ny fisitrihana ao anaty rano dia afaka mahita fay any amin’ny rano marivo kokoa, na ao amin’ny trano fampisehoana biby an-drano. Ahitana ireny trano fampisehoana ireny maneran-tany, ary ny ankamaroany dia misy dobo fiompiana fay mpanindrona, izay azo kasihina, saingy efa nesorina ny tsilony mba hisorohana ny loza. Hoy i Ron Hardy, tompon’ny saha an-dranomasina Gulf World, any Panama, Florida: “Ny fay mpanindrona ato amin’ny dobo fiompianay no anisan’ny ohatra tsara indrindra ny amin’ny herin’ny fampisehoana biby velona. Toa matahotra fay mpanindrona ny olona — ary mila hihorohoro mihitsy — nefa ho hitanao fa miova hevitra izy rehefa mahafantatra ireo zava-misy tantarainay! Rehefa avy nikasika iray taminy izy ireo, dia manomboka miaiky volana ny amin’ny bikany mahafinaritra sy ny hakantony. Raha ny marina, dia misy olona tsy mandeha mijery ny fampisehoana ataon’ny feso (dauphin), izay manarakaraka ny an’ny fay avy hatrany, mba hanohizana fotsiny hilalao miaraka amin’ny fay mpanindrona.”
Angamba nihena ny tahotrao, izao ianao vao avy niana-javatra momba azy izao. Tadidio anefa fa matetika izy ireo no miafina eo amin’ny fasika any amin’ny fanambanin’ny rano mafana marivo. Koa rehefa mandehandeha any amin’ny toerana toy izany ianao, dia akisaho ny tongotrao, fa aza ingaina. Amin’izay fomba izay no hampitandremanao an’ireo fay fa manatona ianao, ka tsy hanitsaka azy ianao, ary angamba tsy ho voatsindron’ny tsilon’io zavaboary kanto any amin’ny rano lalina io, dia zavaboary manidina.
[Sary, pejy 16]
Fay mpanindrona
[Sary, pejy 16]
Toa matahotra fay mpanindrona ny olona. Miova anefa ny fihetsiny rehefa fantany ny zava-misy momba azy ireny
[Sary, pejy 17]
Fay “manta”
[Sary nahazoan-dalana]
© Francois Gohier/ Photo Researchers