Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Taonjato Faha-20 Nahafinaritra ilay nomeraon’ny 8 Desambra 1999! Be dia be ny soa noraisiko avy tamin’izy io, indrindra fa avy tamin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Taonjato Faha-20 — Fotoam-piovana Tena Lehibe”. Tena nahalalan-javatra maro izy io, sady nazava tsara. Notairiny tao amiko ny faniriana ho mailo ara-panahy kokoa amin’izao andro farany izao.

M. V., Philippines

Tsy Mahatsiaro Tena Misaotra noho ny tantaran’i Michiko Ogawa. (“Tohanan’ny Fanantenana mba Hiaritra Fisedrana”, 8 Janoary 2000). Zaza vao teraka dimy andro monja aho, rehefa nitranga ilay loza nahazo ny vadiny. Mahatalanjona ny mieritreritra fa tsy nahatsiaro tena saika nandritra ny androm-piainako manontolo izy io! Tena nampian’i Jehovah tokoa izy tamin’ny fitaizana ireo zanany roa lahy sy mba hiaretana io tarehin-javatra misedra io.

L. N., Etazonia

Nanohina mafy ny foko ilay lahatsoratra. Mipetra-drery aho, ary vao haingana no nahalala fa voan’ny kansera aho. Rehefa avy namaky io lahatsoratra io aho, dia ta hamihina an’i Michiko sy hisaotra azy, noho izy nahatoky teo anatrehan’i Jehovah, na dia teo aza ny fisedrana. Naniry hahita fahagagana tamin’ny tarehin-javatra nisy ahy aho, tamin’ny voalohany. Izao anefa, dia maniry fotsiny ny hahatanterahan’ny sitrapon’i Jehovah, toa an’i Michiko, aho.

M. S., Etazonia

Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra Vokatry ny fikarohana lasa lavitra ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Fitsaboana sy Fandidiana Tsy Ampiasana Ra — Mihabe Mpangataka”. (8 Janoary 2000). Mianatra ho mpitsabo mpanampy aho, ary nomeko an’ilay gazety ny mpiara-mianatra tamiko anankiray sy ny iray tamin’ireo mpampianatra ahy. Taloha ireo olona ireo dia nampiseho fitsarana an-tendrony momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly anefa izy ireo nahazo an’ireo lahatsoratra ireo sy fanazavana hafa momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

R. P., Soisa

Voan’ny lozam-piarakodia ny zanako anankiroa, tamin’ny 1998. Torotoro ny ranjon’ilay zanako lahy. Namerimberina nilaza izy fa tsy naniry handray ra! Tsy nanana fitaovana hanaovana fandidiana tsy ampiasana ra anefa ilay hopitaly. Nafindra tany amin’ny hopitaly hafa iray izy, kanefa tsy nety nandidy azy ny mpiasan’ny hopitaly, raha tsy niakatra ho 35 ny hematokritany. (Nilatsaka ho 8,1 izy io.) Nijery fotsiny izy ireo, toy ny hoe niandry raha ho faty izy na tsia. Niakatra ho 35,8 anefa ny hematokritany, rehefa nampiasain’izy ireo ny fomba fiasa tsy ampiasana ra, toy ny fampakarana ny tongony, fampidirana érythropoïétine sy ny sisa! Nahomby ilay fandidiana, fa ny fangatahana andro teo amin’ny fitsaboana kosa no nahatonga takaitra be teo aminy. Ho tiako raha asaina hamaky an’ireny lahatsoratra ireny ny dokotera sy ny mpandidy ary ny mpanao fanatoranana tsirairay.

L. L., Etazonia

Mampahery ny mahafantatra fa misy dokotera maro vonona ny hiara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Homeko an’ilay dokoterako avy hatrany io gazety io. Fantatro fa ho tiany izy io.

U. M., Etazonia

Tonga tamin’ilay fotoana handidiana ahy mihitsy ilay lahatsoratra. Rehefa nihena noho ny fahaverezan-dra be loatra ny isan’ny selan-drako, dia nampiasa an’io gazety io aho mba hanazavana tamin’ireo mpiasan’ny hopitaly sy ny mpianakaviko, ny antony tsy handraisako ra. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia sitrana tanteraka aho.

C. B., Etazonia

Lahatsoratra ho An’ny Tanora Roa ambin’ny folo taona aho, ary tiako be ny mamaky ny gazetinareo. Talohan’ny namakiako ny gazetinareo, dia sarotra be tamiko ny nifankahazo tamin’ireo namako, satria izy rehetra be taona kokoa noho izaho. Rehefa avy namaky ireo lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe...” anefa aho, dia nanjary mora kokoa tamiko ny nifankahazo tamin’izy ireo. Misaotra noho ny gazetinareo. Tena manampy izy ireo.

N. I., Rosia