Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahatratrarana Ireo Filamatra

Fahatratrarana Ireo Filamatra

Fahatratrarana Ireo Filamatra

FISAKAIZANA, firahalahiana, fihavanana iraisam-pirenena — iza no tsy hidera filamatra ambony toy izany? Ninoan’ny Andriana Pierre de Coubertin, ilay namelona indray ny Olympika, fa ilay lalao dia handresy ny fifandrafiana eo amin’ireo firenena, satria hampanjaka ny fanajana lehibe an’ireo mpifaninana, na inona na inona firazanany, fivavahany, na lahy izy na vavy. Nihevitra izy fa “olona tsara kokoa ihany no ahafahana mampisy tontolo tsara kokoa”. Tena afaka mitondra fihavanana maneran-tany anefa ve ny fanatanjahan-tena? Raha ny lasa no jerena, dia voatery hamaly hoe tsia isika.

Na dia manana ny toerany aza ny fanatanjahan-tena, dia ny fampianaran’ny Baiboly no fanalahidin’ny fampanjakana ny tena fihavanana. Eny tokoa, afaka mamokatra “olona tsara kokoa”, araka ny nilazan’i Coubertin azy, ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Diniho ny sasany amin’ny andinin-teny mampanjaka ny fihavanana eo amin’ny olona mampihatra azy ireo, na inona na inona fireneny.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

“Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:18.

“Araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra”. — Galatiana 6:10.

“Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” — Filipiana 2:3.

“Mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” — 1 Timoty 4:8.

Tena mandaitra ve ireo filamatra voalaza ao amin’ireo andinin-teny ireo? Hevero izay nitranga tany Munich, any Alemaina. Voakorontana noho ny fampihorohoroana sy ny vonoan’olona ny Lalao Olympika natao tao amin’io tanàna io. Tamin’ny 1974, roa taona monja taorian’izay, dia nanao fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ilay Kianja Olympika ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra ny mpanatrika hafa, dia nisy antokon’olona avy tany Gresy sy Tiorkia — firenena nifandrafy — tao. Teo am-piadiana indrindra ny tafika grika sy tiorka nandritra iny fahavaratra iny, raha ny marina, ny amin’ny nosin’i Chypre. Nisy vokany teo amin’ireo Kristianina nanatrika ilay fivoriambe ve izany? Tsia! Nihetsi-po erỳ ny mpitazana nahita Grika sy Tiorka nifamihina sy nifampiantso hoe rahalahy sy anabavy!

Fantatra maneran-tany ho nahatratra ny fihavanana, izay tsy voasakan’ny fefy ara-pirenena sy ara-poko, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mihambo ho nahatratra tamin’ny fomba lavorary ny filamatry ny firaisan-tsaina sy ny fiaraha-miasa maneran-tany akory izy ireo, mazava ho azy. Toy ny olona hafa rehetra ihany, dia tsy maintsy miady mafy izy ireo hanarahana ny torohevitr’i Paoly, apostoly kristianina, hoe: ‘Ario ny toetra taloha mbamin’ny asany ary mitafia ny toetra vaovao’. (Kolosiana 3:9, 10). Na izany aza, dia mino mafy izy ireo fa ny fanarahana ny foto-pitsipika ara-baiboly dia afaka manampy ny olona “hitady fihavanana sy hanaraka azy”. — 1 Petera 3:11.

Mampalahelo fa na dia eo aza ireo filamatra ambony nosoritana ho an’ny Olympika, dia nahatonga olona maro hampiseho ny toetra ratsy indrindra tao aminy, izy io. Mifanohitra amin’izany kosa fa mahatonga ny olona hampiseho ny toetra tsara indrindra ao aminy, ny Tenin’Andriamanitra mahery, ka mampanjaka ny fisakaizana sy ny fihavanana iraisam-pirenena.

[Sary, pejy 8]

Mampanjaka ny fifaninanana ny Olympika

[Sary nahazoan-dalana]

Aus dem Fundus der MÜNCHNER OLYMPIAPARK GMBH, München

[Sary, pejy 9]

Mampanjaka ny fihavanana ny Baiboly