Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanadalana Vehivavy — Inona no Hataoko, Rehefa Iharan’izany Aho?

Fanadalana Vehivavy — Inona no Hataoko, Rehefa Iharan’izany Aho?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Fanadalana Vehivavy — Inona no Hataoko, Rehefa Iharan’izany Aho?

“Misiotsioka sy mananihany ny ankizilahy.” — Carla, Irlandy.

“Miantso amin’ny telefaonina tsy an-kijanona ny ankizivavy. Tiany ho resy ianao amin’ny farany.” — Jason, Etazonia.

“Nikitikitika ny sandriko sy nitady hikasikasika ny tanako foana izy.” — Yukiko, Japon.

“Manao teny misy heviny maloto amiko ny ankizivavy.” — Alexander, Irlandy.

“Nisy ankizilahy iray niantsoantso ahy foana, avy teny ambony bisin’ny sekoly. Tsy ny hampiaraka tamiko no notadiaviny, fa ny hanadala ahy lava fotsiny.” — Rosilyn, Etazonia.

NY FIJERY jejojejo, ny teny “fiderana” natao “hikaotiana”, ny vazivazy maloto, ny fikitikitihana sy ny fikasikasihana — ny fihetsika toy izany, rehefa tsy tian’ny sasany no sady miverimberina, dia azo antsoina hoe fanadalana vehivavy. * Na dia sarotra aza ny mahazo tarehimarika maneran-tany, ny fanadihadiana natao dia mampiseho fa efa niharan’io ny ankamaroan’ny tanora mbola mankany am-pianarana, any Etazonia.

Inona marina no atao hoe fanadalana vehivavy? Ao amin’ilay boky hoe Coping With Sexual Harassment and Gender Bias, ny Pr. Victoria Shaw dia milaza azy io ho “fandrebirebena olona mba hanaitairana ny filan’ny nofo (...) Ara-batana no hisehoan’izany (toy ny fikitikitihana olona mba hanaitairana ny filan’ny nofo), na am-bava (toy ny fanaovana teny tsy tiany momba ny bikany), na tsy an-kiteny koa”. Indraindray dia resaka mahamenatra ilay fanadalana.

Be dia be amin’ny fanadalana lava any an-tsekoly no avy amin’ireo mpiara-mianatra aminao ihany angamba. Kanefa, indraindray dia avy amin’ny olon-dehibe, toy ny mpampianatra, ilay fihetsika manafintohina. Nanombantombana ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Redbook hoe ilay tarehimarika somary kely mampiseho ny isan’ny mpampianatra tena voaheloka tokoa, noho ny fametavetana olona, dia ny “tendrony kely miseho amin’ilay tendrombohitra fotsiny angamba”.

Efa nitranga tamin’ny vehivavy — ary indraindray tamin’ny lehilahy — ny toy izany, na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza. (Genesisy 39:7; Rota 2:8, 9, 15). Ary nanao izao faminaniana manjombona izao koa ny Baiboly: “Hisy fotoan-tsarotra amin’ny andro farany. Ho tia tena ny olona, ho mpierina, ho mpandoka tena, ho be ebo; ho mpanevateva izy ireo (...); tsy ho tsara fanahy izy ireo, tsy hamindra fo, ho mpanendrikendrika, hahery setra ary hasiaka”. (2 Timoty 3:1-3, Today’s English Version). Koa afaka ny hitranga amin’ny tenanao koa àry ny fanadalana vehivavy, ary azo inoana mihitsy aza izany.

Ny fomba fijerin’Andriamanitra

Ekena aloha fa tsy ny tanora rehetra no ory noho ny fihetsiky ny mpanadala vehivavy lasa lavitra toy izany. Mety hampihomehy ny sasany ilay izy — na handokadoka azy mihitsy aza. Ny fanadihadiana mampanahy iray natao tany Etazonia, dia nampiseho fa tamin’ireo olona nadalaina lava toy izany, ny 75 isan-jato dia niaiky fa efa nanao izany koa ny tenany. Mety hanasarotra ilay zava-manahirana ny olon-dehibe sasany, amin’ny fanamaivanana ny halehiben’ilay fihetsiky ny mpanadala vehivavy lasa lavitra toy izany, amin’ny fanilihana azy ho toy ny andranandran’ankizy fotsiny. Ahoana anefa no fijerin’Andriamanitra azy?

Manameloka mazava tsara ny endriny rehetra amin’ny fanadalana vehivavy ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Ilazana isika mba tsy “hanitsakitsaka ny zon’ny” hafa, amin’ny fihoarana ny fetra azo diavina eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. (1 Tesaloniana 4:3-8, NW ). Raha ny marina aza, dia didiana manokana ny zatovolahy mba hitondra “ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”. (1 Timoty 5:1, 2). Ankoatra izany, dia manameloka ny “voso-dratsy”, na “vazivazy vetaveta” (NW ) ny Baiboly. (Efesiana 5:3, 4). Noho izany, dia manana zo ho tezitra, sosotra, hisafotofoto ary hahatsiaro ho ambanina mihitsy aza ianao, rehefa adalaina lava toy izany!

Inona no holazaiko?

Tokony hanao ahoana àry ny fihetsikao, raha misy olona mandrebireby anao amin’izany fomba izany? Indraindray dia vao mainka hanosika ny mpanadala iray hanandrana bebe kokoa ihany ny fihetsika tsy hentitra tsara na tsy voasoritra mazava. Milaza amintsika ny Baiboly fa, rehefa nandrokidroky an’i Josefa hanao firaisana taminy ny vadin’ny mpampiasa azy, dia tsy mody tsy nahalala izany i Josefa. Nanda tamin’ny fomba hentitra ny fanangoleny kosa izy. (Genesisy 39:8, 9, 12). Amin’izao andro izao, ny fihetsika hentitra sy tsy miolakolaka dia mbola ny fomba tsara indrindra hiarovan-tena amin’ny fanadalana vehivavy ihany.

Marina fa mety tsy haniry hanafintohina anao ilay olona mandrebireby anao. Izay toa fanadalana vehivavy dia mety ho fanandramana sahisahy ratsy hanintonana ny sainao fotsiny, raha ny tena izy. Koa aza mieritreritra àry hoe tsy maintsy mamaly tsy amim-pahalalam-pomba koa ianao, mba hampijanonana ny fanangolena tsy tianao. Ny filazana fotsiny hoe ‘Tsy tiako izany teny izany’, na hoe ‘Ity tanana, aza fady, e!’, dia mety ho ampy mba hampahafantarana ny hevitrao. Na inona na inona teny ampiasainao, dia aza halefahina ny hafatra tianao hampitaina. Aoka ho tsia ny tsia lazainao! Toy izao no ilazan’i Andrea azy: “Raha mbola tsy azony ny teny nitsimbintsimbinanao tamin-katsaram-panahy, dia ho voatery hivantam-piteny ianao. Matetika ianao no tsy maintsy tonga amin’izany.” Mety handaitra ny teny hentitra toy ny hoe ‘Ajanòny, ho’aho, izany a!’

Raha vao mainka miharatsy ilay toe-javatra, dia aza mitady handamina azy irery. Miezaha hiresaka momba ilay izy amin’ny ray aman-dreninao na ny olon-dehibe matotra hafa. Mety hanana fanoloran-kevitra azo ampiharina sasany momba ny fomba andaminana ilay raharaha izy ireo. Ho fitadiavana fanampiana farany, dia mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa ilaina ny mampahafantatra ny tompon’andraikitry ny sekoly. Na dia mety hahasadaikatra anao aza ny fanaovana izany, dia mety hiaro anao tsy ho voa intsony.

Fisakanana ilay fanadalana lava

Mazava ho azy fa ny tsara indrindra dia ny tsy ho voa mihitsy. Inona no mety hanampy amin’io lafiny io? Hoy ny torohevitr’i Andrea: “Aza atao fantatra na oviana na oviana hoe somary liana ihany ianao. Ho ren’ny hafa izany, ary dia hitohy ilay fanerena.” Hanampy be dia be ny fomba fiakanjonao. Hoy i Mara, izay mbola tanora: “Tsy miakanjo toy ny Raneny aho, nefa tsy manao akanjo misarika ny maso ho amin’ny vatako koa.” Mety ho hafatra tsy mazava no hampitainao, raha mandà ny fanangolena natao hanaitairana ny filanao ianao no sady manao akanjo mihantsy. Mananatra antsika mba hanao fitafiana ‘maotina sy maneho fahononan-tena’ ny Baiboly. — 1 Timoty 2:9.

Misy vokany eo amin’ny fomba itondran’ny hafa anao koa ny namana fidinao. (Ohabolana 13:20). Hoy i Rosilyn: “Rehefa misy ankizivavy tia ny hadalain’ny ankizilahy, dia mety hanatsoaka hevitra ireo ankizilahy ireo hoe mitovy aminy ny ankizivavy hafa rehetra miaraka aminy.” Mitovy amin’izany ny tenin’i Carla hoe: “Raha miarakaraka amin’olona manaiky ilay teny na tia ilay fiheverana aseho aminy ianao, dia ho voan’ilay izy koa.”

Ny Baiboly dia mitantara momba ny zazavavy iray nantsoina hoe Dina, izay nifanerasera tamin’ireo ankizivavy tany Kanana — izay nalaza ho maloto fitondran-tena. Nanjary nosavihin’olona izy, noho izany. (Genesisy 34:1, 2). Noho ny antony tsara àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry”. (Efesiana 5:15). Eny, raha ‘mitandrina tsara’ ny fomba fiakanjonao, sy ny fomba fiteninao, ary ny olona ifaneraseranao ianao, dia hiaro be dia be ny tenanao tsy hiharan’ny fanadalana lava.

Ho an’ny tanora kristianina anefa, ny iray amin’ireo fomba mandaitra indrindra mba hampitsaharana ny fanadalana lava dia ny fampahafantarana amin’ny hafa fotsiny ny amin’ny fivavahanao. Hoy ny tsaroan’i Timon, tanora Vavolombelon’i Jehovah: “Fantatry ny ankizy fa Vavolombelona aho, ka izany dia nampijanona saika ny fanadalana rehetra.” Hoy i Andrea: “Mampiova zavatra be ny filazanao aminy fa Vavolombelona ianao. Ho hitany fa tsy mitovy aminy, amin’ny lafiny maro, ianao, no sady manana fari-pitsipika ara-pitondran-tena hentitra.” — Matio 5:15, 16.

Raha iharan’ny fanadalana lava ianao

Na dia miezaka mafy toy inona aza anefa ianao, dia tsy afaka miala tanteraka amin’ny olona kivalavala sy ratsy toetra. Raha iharan’ny fanadalana vehivavy anefa ianao, dia tsy misy antony tokony hahatsiarovanao tena ho meloka — raha mbola nanana fitondran-tena kristianina koa ianao. (1 Petera 3:16, 17). Raha mampahory anao ara-pihetseham-po ilay toe-javatra, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olona matotra ao amin’ny kongregasiona kristianina, mba hahazoana fanohanana. Miaiky i Rosilyn fa sarotra ny ho faly amin’ny tenanao, rehefa adalaina lava izao ianao. “Ny fanana-namana fotsiny”, hoy izy, “izany hoe olona azonao iresahana, dia tena manampy be dia be.” Tadidio koa fa i “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy”. — Salamo 145:18, 19.

Tsy mora ny manohitra amin’ny fomba hentitra ny fitondrana ratsy, nefa mendrika ny hatao. Raiso, ohatra, ilay fitantaran’ny Baiboly momba ny tovovavy iray tany Sonema. Na dia tsy dia tena hoe niharan’ny fanadalana vehivavy aza izy, amin’ny heviny ahazoana azy ankehitriny, dia nahazo ny fandrokidrokian’i Solomona, ilay mpanjakan’i Joda nanankarena sady nahery. Noho ilay tovovavy raiki-pitia tamin’ny lehilahy iray hafa, dia nanohitra izany fanangolena izany izy. Noho izany, dia afaka nirehareha momba ny tenany izy hoe: “Mànda aho”. — Tonon-kiran’i Solomona 8:4, 10.

Manehoa koa tanjaka sy fahatapahan-kevitra ara-pitondran-tena toy izany. Aoka ianao ho “mànda” eo anoloan’ny fanangolena hanao firaisana. Ataovy fantatry ny rehetra manodidina anao fa Kristianina ianao. Amin’ny fanaovanao izany, dia afaka mitoetra ho “tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka” ianao, ary hahazo toky fa nampifaly an’Andriamanitra. — Filipiana 2:15. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ny teny hoe “fanadalana vehivavy” no ampiasaina ato amin’ity lahatsoratra ity, mba hanamorana ny fanazavana, na dia mazava aza fa misy koa vehivavy manadala lehilahy.

^ feh. 27 Misy torohevitra fanampiny momba ny fanadalana vehivavy ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 1996; 22 Aogositra 1995 (frantsay); 22 May 1991 (frantsay).

[Sary, pejy 26]

Afaka miaro anao ny famelanao ny rehetra hahafantatra ny finoanao kristianina

[Sary, pejy 26]

Mety hisakana ny fanadalana vehivavy tsy hihatra aminao ny tsy fifaneraseranao amin’ny naman-dratsy