Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana mba Tsy Haditra Intsony

Fanampiana mba Tsy Haditra Intsony

Fanampiana mba Tsy Haditra Intsony

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

NASONGADIN’IREO zava-niseho vao haingana fa mampahatahotra ny tsy fisian’ny fanajana ny lalàna sy ny filaminana, any amin’ireo faritanàna mahantra eto Frantsa. Araka ilay gazety frantsay hoe L’Express, dia “saika nitombo avo dimy heny ny herisetra, tao anatin’ny enin-taona”. Fanampin’izany, dia nitombo be aoka izany ny isan’ireo tsy ampy taona voarohirohy tamin’ny heloka bevava miharo herisetra.

Manimbanimba zavatr’olona, mivarotra zava-mahadomelina, manao sinto-mahery sy mandoro fananan’olona ary mangalatra, ireo maditra. Ankoatra izany anefa dia manafika mivantana an’ireo solontenam-panjakana, izy ireo. Lasibatry ny famelezana feno herisetra tsy tapaka ny polisy sy ny mpamonjy trano may ary ny mpiasan’ny fitateram-bahoaka, ankoatra ny olona hafa.

Nahoana no misy herisetra be dia be toy izany? Hazavain’ny manam-pahaizana roa momba ny fiaraha-monina fa “vokatry ny faharavan’ny fianakaviana izy io, ary fanoherana izay rehetra asehon’ny fahefana”. Notononin’izy ireo koa “ny fiheveran’ny [tanora] ho tsy raharahain’ny manam-pahefana”, sy ny tsy fananan’izy ireo “fahatsinjovana hoavy misy heviny”.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory tsy tapaka ny hafatra momba ny fanantenana ao amin’ny Baiboly, any amin’ireo faritra anjakan’ny ditra. Nanamarika toy izao ny mpanao gazety iray, tao amin’ny fandaharana iray natao vao haingana tao amin’ny televiziona frantsay: “Mamakivaky ny faritanàna manamorona tanàn-dehibe sy ireo tanàna mahantra manodidina azy ireny, ny Vavolombelon’i Jehovah — dia any amin’ireo faritra izay toa tsy nokarakarain’ireo mpanao raharaha sosialy sy ny polisy ary ny fitondram-panjakana, indraindray. Sady miteny izy ireo no mihaino, any amin’ireny trano sy lalana ireny.” Misy vokany tsara ny asan’izy ireo, araka ny marihin’ny taratasin’ity tanora mpamaky ny Mifohaza! ity.

“Maniry hisaotra anareo amin’ny foko manontolo aho, noho ireo zavatra vita an-tsoratrareo. Tsy vitan’ny hoe nanampy ahy manokana ianareo, fa mihatsara koa ny fifandraisako amin’ireo ray aman-dreniko. Vao 16 taona monja aho, ary avy amin’ny fianakaviana miozilimanina.

Ny tiako holazaina dia hoe nahavita nanala ahy tamin’ny ditra ianareo. Vokatr’izany, dia manaraka akaiky kokoa ny fivavahako aho, sady mamaky ny Baiboly koa. Noho ianareo koa, dia manohy ny fianarako aho. Ankoatra izany, dia nanampy olona maromaro mpiara-monina amiko ianareo, mba tsy haditra intsony, noho ireo gazetinareo izay ampindramiko azy ireo isam-bolana. Tena mankasitraka be dia be anareo aho, sady mahatsapa ho manana adidy aminareo.”