Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandidiana Tsy Misy Fampidiran-dra — Nahitam-pahombiazana

Fandidiana Tsy Misy Fampidiran-dra — Nahitam-pahombiazana

Fandidiana Tsy Misy Fampidiran-dra — Nahitam-pahombiazana

Taorian’ny namoahana ilay Mifohaza! tamin’ny 8 Janoary 2000 momba ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra, dia naharay ity taratasy mampahery ity ny mpampanonta.

“Nampahatsiaro toe-javatra natrehinay mivady nahakasika an’i Janice, zanakay vavy, io Mifohaza! io. Taoriana kelin’ny nahaterahany, dia hitan’ny dokotera fa nisy takaitra dimy ny fony, ka ny fifamadihan-toeran’ny mpanelira vaventy roa no lehibe indrindra tamin’izany. * Koa satria nilana fandidiana izany, dia nitady mpandidy fo sady dokoteran-jaza izay nanaiky handidy tsy nisy fampidiran-dra izahay tao Buffalo, atỳ New York, Etazonia.

Nodidiana voalohany i Janice teo amin’ny fahefa-bolany — fandidiana fo tsy nosokafana mba hisakanana amin’ny ampahany ny ra tsy hikoriana mankany amin’ny havokavony. Nodidiana fanindroany izy, dimy volana tatỳ aoriana — ka tamin’ity indray mandeha ity, dia nosokafana ny fony mba hitarihana ny rany hikoriana araka ny tokony ho izy. Samy natao tsy nisy fampidiran-dra ireo fandidiana ireo, ary nahomby tanteraka!

Fito ambin’ny folo taona i Janice izao, ary tena salama tsara. Velom-pankasitrahana an’ireo mpandidy be herim-po izay manaiky hanaja ny toerana tananay mahakasika ny ra, izahay. Tena ‘Mpisava Lalana teo Amin’ny Fitsaboana’ tokoa izy ireo, araka ny iantsoanareo azy ao amin’ilay nomerao tamin’ny 8 Janoary. Ho valin’ilay fanontaniana tao amin’io gazety io, manao hoe: Azo antoka ve io fomba fitsaboana hafa hanaovana fandidiana tsy ampiasana ra io?, dia mamaly amim-piekena mafy izahay hoe izany tokoa!”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Amin’io aretina io, dia mifamadika ny toeran’ny mpanelira lehibe sy ny mpanelira mankamin’ny havokavoka. Araka izany, ny ra misy ôksizenina izay tokony haely eran’ny vatana, dia lasa mankao amin’ny havokavoka fotsiny. Nisy toe-javatra mitovy amin’izany voalaza ao amin’ny nomeraonay tamin’ny 8 Aprily 1986 (frantsay), pejy 18-20.

[Sary, pejy 24]

Taorian’ny nandidiana azy

[Sary, pejy 24]

Janice sy ny ray aman-dreniny ankehitriny