Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fijerena An’izao Tontolo Izao
Voalohany Amin’ny Mpifoka Sigara Eran-tany
I Chine no “mpamokatra sy mpanjifa sigara sy paraky lehibe indrindra eran-tany”, hoy ny tatitry ny The Journal of the American Medical Association. “Amin’ireo mponina 1 200 tapitrisa any Chine, dia lehilahy maherin’ny 300 tapitrisa sy vehivavy maherin’ny 20 tapitrisa no mpifoka.” Namoaka ny vokatry ny fanadihadiana natao teo amin’ilay firenena, tamin’ny olona maherin’ny 120 000, ny dokotera avy amin’ny Akademia Sinoa Momba ny Fisorohana Aretina sy ny Fikambanana Sinoa Momba ny Fifohana Sigara sy ny Fahasalamana, tany Pékin, niaraka tamin’ireo dokotera tandrefana. Inona no fanatsoahan-kevitr’izy ireo? I Chine dia ao anatin’ny “dingana voalohandohany amin’ny fihanahan’ny fifohana sigara”, ary “sinoa mpifoka 50 tapitrisa, fara fahakeliny, izay velona ankehitriny, no andrasana ho faty aloha be”. Milaza ilay tatitra fa ny antsalan-taonan’ireo vao manomboka mifoka any Chine, dia nihena telo taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny 1984. Raha 28 taona taloha, dia 25 ankehitriny. Vitsy ihany no nanaiky fa mety ho ny fifohana sigara no miteraka kanseran’ny havokavoka sy aretim-po.
Rehefa Maneho Fiheverana ny Ray Aman-dreny
“Milaza ankehitriny ny mpahay siansa fa ny tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny ankizy, dia ny ray na ny reny mihevitra ny fianarany — ka mampiseho izany”, araka ny The Toronto Star. Niara-nandinika akaiky ny fitomboana sy ny fahasalaman’ny zaza kanadianina 23 000, 4 hatramin’ny 11 taona, ny Statistics Canada sy ny Human Resources Development Canada, nanomboka tamin’ny 1994. Hita mazava fa liana tsy tapaka amin’ny fianaran-janany ny ray aman-dreny kanadianina, indrindra fa amin’ireo kilasy voalohandohany. Milaza ilay tatitra fa “95 isan-jaton’ny ankizy 10 sy 11 taona no miteny hoe mampirisika azy ireo tsy tapaka, na matetika, mba hianatra tsara, ireo ray aman-dreniny”, ary 87 isan-jaton’ny ray aman-dreny no “miara-mamaky teny amin’ny zanany isan’andro, mandritra ny Taona Voalohany ka hatramin’ny Fahatelo”. Izao no nolazain’i Mary Gordon, mpitantan-draharaha amin’ny fandaharana momba ny fitaizan-janaka, ao amin’ny Filan-kevitry ny Sekolin’ny Distrikan’i Toronto: “Fantatsika ankehitriny fa tsy voatery hanan-karena na hanam-pahaizana ianao vao afaka ny ho ray na reny tsara. Tsy maintsy ho eo sy ho mailo ary ho liana kosa anefa ianao.” Hoy koa izy: “Ny fifandraisana eo amin’ny fanabeazana no mampitombo ny fahakingan-tsaina, ary ao an-trano no manomboka izany.”
Ny Zatovo sy ny Telefaonina
Malaza ho mpiresaka amin’ny telefaonina ny zatovo. “Raisin’izy ireo ny telefaonina mba hifalifaliana sy rehefa sorisorena izy”, hoy ny nomarihin’ilay gazetiboky poloney miseho isan-kerinandro hoe Przyjaciółka. Maro anefa no mety tsy hihevitra ny fotoana laniny eo amin’ny telefaonina, sady tsy mahatsapa ny vola lany amin’ny antso an-telefaonina. Inona no fanafodiny? Manome soso-kevitra io gazetiboky io fa tokony hasaina handoa ny sasany amin’ny faktioran-telefaonina, fara fahakeliny, ireo tanora. Anolorany hevitra ny hampahatsiahivana an’ireo zatovo fa “iaraha-mampiasa ny telefaonina, ary maniry ny hampiasa azy io koa indraindray, ny olon-kafa”.
Voangory Mpitifitra Kinga
Mitatitra ny The Independent, gazety any Londres, fa “nanome fahatakaran-javatra an’ireo mpahay siansa, ny sary avy tamin’ny fakan-tsary haingam-pandeha, raha ny amin’ny fiasan’ny voangory mpitifitra, sy ny mahatonga azy io ho ny mpitifitra mahay indrindra manana ny fitaovam-piadiana mahomby indrindra, eo amin’ny tontolon’ny bibikely”. Mampiasa mpandefa ranoka roa, miendrika ampinga, eo amin’ny tendron’ny kibony, io voangory io, hany ka mandefa tsara asidra mahamay amin’izay mety ho fahavalony, ka manempotra azy io ao anatin’ny iray segondra latsaka. Koa satria voaro amin’io ranoka io ilay voangory, dia azony atao koa ny miaro tena, amin’ny fandefasana azy io amin’ny faritra iray voafaritra tsara amin’ny vatany, anisan’izany ny lamosiny. Manao izany izy rehefa tafihin’ny andiam-bibikely, toy ny vitsika. Manamarika toy izao ireo mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Cornell, any Ithaca, any New York, izay naka sary ilay voangory teo am-panaovan-javatra: “Na dia efa fantatra aza fa afaka mandefa ranoka avy aminy, amin’ny alalan’ny fanodinana ny tendron-kibony, ny voangory mpitifitra, dia mbola tsy fantatra kosa taloha ny hoe hatraiza no maha voafaritra tsara ny fomba andefasany an’io ranoka io.”
Fahatezerana ao An-dakozia
“Mihabe kojakojany hatrany ireo fitaovan’ny teknolojia maoderina fampiasa ao an-trano, hany ka mitombo ny fipoahan’ny ‘fahatezerana ao an-dakozia’ ”, hoy ny tatitra nataon’ny Independent, gazety any Londres. Ireo tompon-trano kivy dia “mahita fa tsy afaka manafana lasopy iray baolina amin’ny micro-ondes izy ireo, na manasa ban-tongotra, na mampiasa ny masinina robot, raha tsy nandany ora maro nianarana mafy ny bokikely manoro ny fampiasana azy ireny”. Marihin’ireo psikology fa ny teknolojia maoderina dia mahatonga ireo mpamolavola hanambatra lafiny maro loatra amin’ireo fitaovana, ka tononin’izy ireo ho ohatra amin’ny fahabetsahan’ny kojakojany loatra ny magnétoscope tsotsotra. Manazava i Cary Cooper, mpampianatra
psikolojia ao amin’ny Oniversiten’i Manchester hoe: “Mifanehatra amin’ny teknolojia vaovao ny olona na aiza na aiza any am-piasana, ka rehefa tonga any an-trano izy ireo, dia maniry fiainana tsotra kokoa, izay tsy mampahatsiahy azy ireo ny asa.”Tsimoka Tsy Nandrahoina Mety Hampidi-doza
Nitombo ny tatitra momba ny aretina vokatry ny sakafo, ka taorian’izay ny Fitantanan-draharaha Momba ny Sakafo sy ny Fanafody any Etazonia dia nanoro hevitra ny mpanjifa fa na iza na iza maniry hampihena izay mety ho aretina vokatry ny sakafo, dia tokony hanalavitra ny fihinanana tsimoka voa tsy nandrahoina, araka ny taterin’ny gazety FDA Consumer. Olona maro no mankafy ny liozerna, na ny tirefila, na ny tsimoka tsaramaso, samy tsy nandrahoina. Izy ireny anefa dia nampifandraisina tamin’ny fitomboana tampoky ny aretina vokatry ny bakteria tany amin’ny tany maromaro, hoy ny marihin’ny The New York Times. Ny ankizikely sy ny zokiolona ary ireo izay manana rafi-piarovana malemy, no tena mora voa indrindra. Nanandrana fomba isan-karazany hifehezana ny bakteria ireo mpanao fikarohana, anisan’izany ny fanasana ireo tsimoka amin’ny klôro na alkaola, kanefa tsy nisy nahomby tamin’ny fomba feno izany. Nohazavain’izy ireo fa “ny hamandoana sy ny hafanana amin’ny fampitomboana ireo tsimoka dia manome vahana ny fitomboan’ireo bakteria”, hoy ny Times.
Fitenin’i Londres
Mitatitra ny gazety The Times any Londres, any Angletera, fa miteny amin’ny fiteny 307, fara fahakeliny, ny ankizy mpianatra ao amin’io tanàn-dehibe io. Gaga ny amin’ny fahasamihafan’izy ireny ny Dr. Philip Baker, iray amin’ireo mpanoratra ny fanadihadiana voalohany an’ireo fiteny ampiasaina amin’izao fotoana izao, any Londres. Hoy izy: “Ankehitriny izahay dia mahazo antoka tokoa fa i Londres no tanàna manana fiteny maro be indrindra maneran-tany, mbola mihoatra noho i New York aza.” Tsy tafiditra ao amin’io isa 307 io ireo fitenim-paritra an-jatony maro, ary mety mbola ho isa ambany aza izy io. Ny androatokon’ireo ankizy mpianatra 850 000 monja no miteny anglisy any an-tranony. Ny antokon’olona mpiteny vahiny lehibe indrindra dia avy amin’ny ampahana kontinanta indianina. Misy teny afrikanina 100, fara fahakeliny, itenenana. Any amin’ny sekoly iray monja, dia miteny amin’ny fiteny 58 ireo mpianatra.
Mamely ny Holatra!
Mitombo be any Alemaina ny fahamasahan’ny tongotra, izay fanaintainana vokatry ny holatra, eo amin’ny rantsantongotra sy ny faladia, hoy ny tatitry ny gazetiboky hoe Der Spiegel. Alemà 1 ao anatin’ny 5 no voan’izy io, ary any amin’ny tany eoropeanina hafa aza, dia mbola maro kokoa noho izany no voa. Betsaka ny antony mety hahavoa, na aiza na aiza andehanan’ny olona tsy manao kiraro ao amin’ny faritra mihiboka iray, toy ny any amin’ny sauna, na dobo filomanosana, na any amin’ireo trano fiangonana sasany aza. Koa satria tena mafy ny vatan’ireo holatra, dia matetika ny fitaovana fanaparitahana fanafody ho an’ny tongotra, na ny koveta ampiasaina ho amin’izany no mahatonga ny fihanahan’ny fahamasahan’ny tongotra, fa tsy misoroka azy io, satria mandritra ny segondra vitsy monja no manan-kery ireo zavatra simika. Ahoana no iarovanao ny tongotrao? Manolo-kevitra ny hanaovana kapa any amin’ny toerana rehetra andehanan’olon-kafa, ny Dr. Hans-Jürgen Tietz, manam-pahaizana manokana momba ny holatra. Ny zava-dehibe indrindra dia ny hihazonanao ny tongotrao ho maina foana. Ny fanamainana azy ireo tanteraka, indrindra fa eo anelanelan’ny rantsantongotra, dia manakana ny holatra tsy hipetraka sy hitombo ao.
Fanesorana Sira Amin’ny Ranomasina
Avadika ho rano fisotro ny ranomasina, any amin’ny ozinina fanalan-tsira any amin’ny nosy kely iray eo akaikin’ny morontsiraka atsimon’i Aostralia, hoy ny tatitr’ilay gazety hoe The Australian. Na dia tsy vaovao aza ny fanesorana sira, dia hoy ilay tatitra: “Noraisina tamim-pankasitrahana ho toy ny fandrosoana tampoka teo amin’ny fanesorana sira ny teknolojia, satria tsy mitaky zavatra simika.” Mba hamatsiana rano an’ireo mponina 400 ao Penneshaw ao amin’ny Nosy Kangoroa, dia “sintonina avy ao amin’ny ranomasina ny rano, ka atosika mafy handalo amin’ny lamba sentetika, mba hanesorana ny sira. Azo esorina mora foana, ka averina any an-dranomasina avy eo, ny vaingan-javatra, na ny ranon-tsira”. Na dia antenaina mafy mba hampiasaina be aza io fomba vaovao io, dia mbola lafo be foana izy io, na dia mora kokoa noho ny fomba fanadiovan-drano nentim-paharazana aza, hoy ny The Australian.
“Mbola Mivory Izy”
Tamin’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny sekretera 148, izay miasa ho an’ny mpitantana orinasa lehibe, dia nisy 47 isan-jato nilaza fa nangatahin’ny mpampiasa azy izy ireo, mba handainga tamin’ny olon-kafa indraindray, hoy ny tatitry ny The Wall Street Journal. Mba hahafahan’ny sekretera iray, izay mpanampy teo amin’ny haivarotra, tany Texas, hihazona ny asany nandritra ny 30 taona, dia tsy maintsy niteny tamin’ireo mpiantso an-telefaonina izy fa “mbola mivory” ny mpampiasa azy, na dia izy io irery aza no ao amin’ny biraony. Mety hisy vokany ratsy ny zavatra tsy marina sasany, toy ny fitenenana amin’ny vehivavy vady iray hoe tsy fantatrao izay nalehan’ny vadiny. Voaroaka ny sekretera iray rehefa avy nilaza ny marina tamin’ny mpiantso an-telefaonina iray fa mbola tsy nalefa ny seky tara iray.