Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay Mponina An’ala Kanto Indrindra”

“Ilay Mponina An’ala Kanto Indrindra”

“Ilay Mponina An’ala Kanto Indrindra”

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY SOEDA

TAMIN’NY volana Jona no nahitako azy io voalohany, dia “ilay mponina an’ala kanto indrindra”, araka ny niantsoan’ny sasany azy eto Soeda. Izany dia ilay vorondolo lehibe volondavenona, na ilay antsoina indraindray hoe vorondolon’i Laponie.

Monina any amin’ny faritra sasany amin’i Failandy sy any amin’ny faritra avaratra amin’i Soeda ary koa any atsinanana kokoa: any Siberia sy Alaska ary Kanada, io vorondolo ngezabe sy mambabo io. Miafinafina izy io ka sarotra hita, raha tsy fantatra ny toerana misy ny akaniny. Raha vantany vao hitanao anefa ny akaniny, dia ho hitanao koa fa vorona tena tsy saro-tahotra ny vorondolo.

Fandinihana ilay mpihaza

Afaka nandinika ny lahy nisoratsoratra tsara tarehy tamin’ny vorondolon’i Laponie, aho, raha iny izy teo am-pitadiavan-kanina iny. Nandao tampoka rantsankazo iray izy mba hisambotra totozy. Azony ve ilay izy? Eny tokoa! Hitako tsara fa nisy biby kely mpikiky nihantona teo amin’ny hohony raha iny izy nanidina niakatra moramora iny, ka nanokatra elatra roa tena lehibe, nahatratra iray metatra sy efapolo, rehefa nivelatra.

Tsy mba mikotrika tsy tapaka isan-taona toy ny vorondolo hafa rehetra ny vorondolon’i Laponie. Biby kely mpikiky ihany mantsy no fihinan’io vorondolo ngezabe io, hany ka misy taona tsy hikotrehany mihitsy, rehefa tsy misy firy ny biby kely mpikiky. Mandritra ny taona hafa, rehefa be ny hanina, dia mety hisy zana-borondolo efatra, na mihoatra, ao amin’ny akany tsirairay.

Fifidianam-bady

Ny lohataona no fotoam-pananahan’ny vorondolo, ary mifidy tsara izay ho vadiny ny vavy, kanefa tsy ny hatsaran-tarehin’ny lahy no mahaliana azy voalohany, toy ny amin’ny vehivavy maro amintsika olombelona angamba. Araka ny fandinihan’ny mpandini-borona sasantsasany, dia tsy maintsy asehon’ny lahy fa mpihaza kinga izy. Tsy maintsy mamelona ny vavy izy aloha vao misy resaka ny amin’ny hanorenana fianakaviana.

Raha betsaka ny totozy, ary “mpamelona ankohonana” kinga ilay lahy, dia hampitombo lanja ny vavy ny hanina omeny azy. Izany fitomboan-danja izany no famantarana hoe atody firy no azon’ny vavy omena.

Izao ny lahy dia tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fihazana, izay mitaky hery be dia be. Entanin’ny antsoantso fitalahoan’ny vavy izy, satria ny herin’izy io rehetra dia ampiasaina manontolo amin’ny fanatodizana sy ny fikarakarana ireo atody, fananana sarobidy, ireo.

 Fitadiavana ilay akany

Nandinika ilay lahy kanto tamin’ny alalan’ny masolavitro aho, raha iny izy nandalo tsy tapaka teo ambony tandrifin’ny lohako iny, nitondra remby. Hitako ihany ilay akany tamin’ny farany. Tsy mba manorina akany ho azy manokana ny vorondolon’i Laponie, fa matetika no maka akanim-borona firemby hafa, vita tamin’ny tapa-kazo, vorona monina an’ala. Raha tsy mahita akany ilay vorondolo, dia mety hampiasa foto-kazo efa maty.

Nisy zana-borondolo kely roa feno volo nalemy, nivontirika ny masony nijery ny manodidina azy ireo, tao amin’ilay akany. Niara-niantsoantso nitalaho izy ireo, sady nijery an-dreniny tamin’ny maso toa mangata-kanina, dia ny reniny izay nipetraka teo akaiky teo, niambina azy ireo. Nety ho nahitan-doza ny fanatonana akaiky loatra an’ireo zana-borondolo tamin’ny fotoana toy izany. Raha tsapan’ilay vavy mantsy fa misy mandrahona ny zanany, dia ho avy mangingina izy, ary hanafika amin’ireo hohony maranitra toy ny fanjaitra, an’ilay mpitsofotsofoka. Koa zava-dehibe àry ny hitandremana sy handinihana an’ireo vorondolo avy eny lavidavitra.

Famahanana sy fampiofanana

Rehefa tonga teo amin’ilay akany ilay lahy, dia nandray tamin’ny vavany ilay remby teo amin’ny hohony, ka natolony ho an’ny iray tamin’ireo zanany. Rehefa mamahana ny zana-borona iray izy, dia mikiakiaka mafy ilay zana-borona manaraka tokony hahazo indray mandrapaka.

Rehefa avy nihinana ilay sakafo niriny fatratra ny zana-borona iray, dia miova fihetsika ka somary mampihomehy. Ilay izy navitribitrika sy mailamailaka teo iny, dia miova tampoka ka manomboka manao toy ny mamo! Ampiasaina manontolo amin’ny fandevonan-kanina mantsy ny heriny rehetra, ka tsy ela dia mitambotsotra izy ary lasa antontam-bolo malemy sy malefaka sisa. Efa nanomboka namiratra anefa ny mason’ilay eo akaikiny, ary kely sisa dia hahazo hery indray izy, rehefa avy voan’ny hery mahadomelin’ny sakafo vao avy nohaniny teo.

Toy izany hatrany no mitranga mandra-pahatongan’ny antenatenan’ny volana Jona. Amin’izay, dia ho feno iray volana ilay zana-borona ary ho afaka hikopaka elatra hivoaka ny akaniny, entanin’ny antsoantson-dreniny. Amin’ny voalohany, dia kinga erỳ izy ireo mianika hazo etsy sy eroa. Tsy misy biby mpiremby mandrahona eny, tsy toy ny etỳ amin’ny tany.

Rehefa mandeha ny fotoana, dia mitsambikimbikina eny amin’ny rantsankazo ireo zana-borona, ka mizatra manidina. Mampitombo ny fahaizany manidina sy mihaza izy, rehefa afaka kelikely. Miova koa ny fahitana azy ivelany, hany ka azo heverina ho ‘mponina an’ala kanto’ koa izy ireo.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

© Joe McDonald

© Michael S. Quinton

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

© Michael S. Quinton

© Michael S. Quinton