Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Zavamanitra Mampahatsiro Sakafo Namakivaky An’izao Tontolo Izao

Ilay Zavamanitra Mampahatsiro Sakafo Namakivaky An’izao Tontolo Izao

Ilay Zavamanitra Mampahatsiro Sakafo Namakivaky An’izao Tontolo Izao

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY HONGRIA

“MAFILOTRA re izany laoka ketsaketsa izany! Inona no manome izany tsirony izany?” Izany no mety ho fihetsikao rehefa manandrana goulash tena hongroà iray ianao. Ny tsirony miavaka dia avy amin’ny paprika, izay zavamanitra mampahatsiro sakafo azo avy amin’ny sakaibe, izay tonga tany Hongria rehefa avy namakivaky izao tontolo izao.

Araka ny tantara, dia i Amerika Atsimo no toerana fantatra voalohany indrindra ho niavian’ny sakaibe. Voaravaka sarina sakaibe ny zavatra vita amin’ny tanimanga hita tao anatin’ireo fasana inca — izay ninoana fa efa ho an’arivony taona maro. Anisan’ireo sakafo niara-nalevina tamin’ireo faty inca voavoatra mba tsy ho lo mihitsy aza ny sakaibe.

Mino ny mpahay tantara sasany fa ny mpitsabo iray niara-niondrana an-tsambo tamin’i Colomb nankany Amerika no nitondra voan-tsakaibe hatao masomboly tany Espaina tamin’ny 1493. Na ahoana na ahoana, dia i Espaina no tany eoropeanina voalohany nanao voly be velarana ny sakaibe. Avy tao, dia tonga tany Grande-Bretagne sy tany atsimon’i Frantsa ny sakaibe, ary zavamaniry an-trano no nitiavan’ny olona azy kokoa tany, fa tsy zavatra mampahatsiro sakafo na zavatra fihinana mihitsy! Tatỳ aoriana, dia nentin’ny mpanao asa tanana grika tany amin’ireo tany manodidina an’i Mediterane sy ny Ranomasina Mainty izy io.

Efa hatramin’ny taonjato faha-16 no nahafantarana ny sakaibe teto Hongria. Ny anarany iray hafa hoe “sakay tiorka” dia toa manondro fa ny Tiorka no nitondra azy io tatỳ. Na ahoana na ahoana, mandraka ankehitriny, dia faran’izay ankafizin’ny mpitia zava-manitra mampahatsiro sakafo eran-tany ny paprikan’ i Hongria, izay mena antitra sy mamerovero ary mamimamy.

Mitombo tsara eny amin’ny tany marin-tampona fasehina sy be hainandro, ny sakaibe. Manomboka manomana ny tany hovolena ireo mpamboly, any amin’ny faramparan’ny vanin-taona mafana, raha vao tapitra ny fiotazana ny vokatra tamin’ny taona teo aloha. Ny masomboly no afafy amin’ny sakaibe sasany; afindra kosa ny zana-tsakaibe hafa. Mila ambolena ao amin’ny faritra voara-maso iray, toy ny tranom-boly fitaratra azon-drivotra tsara, ny zana-tsakaibe hafindra. Ao dia tondrahana sy asiana zezika ary avàna amim-pitandremana ireo zavamaniry bitika. Alohan’ny hamindrana azy, dia zarina miandalana amin’ny toe-piainana eny ivelany izy ireo.

Rehefa afaka enina na valo herinandro dia afindra eny amin’ny saha ireo zana-tsakaibe. Atao mandritra ireo andro vitsivitsy voalohany amin’ny volana May izany, any Hongria. Amin’io fotoana io, dia mbola mila kolokoloina amim-pitandremana ireo voly — tsy maintsy tondrahan’ireo mpamboly sy fafazany piti-drano ary avàny ny manodidina azy ireo raha tiany ny hioty sakaibe salama.

Manomboka amin’ny faran’ny Aogositra, na amin’ny fiandohan’ny Septambra ny fiotazana. Manjary mena mampilendalenda ny sakaibe rehefa tonga amin’ny fahamasahany. Raha tsy hoe miara-masaka daholo angaha ireo zavamaniry, dia tokony hotazana amin’ny tanana fa tsy amin’ny masinina. Na inona na inona fomba fiotazana ampiasaina, dia handalo fiovana simika betsaka sy eo amin’ny endriny ivelany ny sakaibe, alohan’ny hahatongavany eo amin’ny latabatra fisakafoanao. Ohatra, aorian’ny fiotazana, dia very ny ankabetsahan’ny hamandoan’ilay sakaibe, ary mihena ny fatran’ny siramamy sy ny vitaminina C ao aminy. *

Tsy maintsy avela ho maina sy ho masaka kokoa ireo sakaibe, aorian’ny fiotazana. Ny fanantonana azy ireny tamin’ny tady no fomba nahazatra nanaovana izany. Matetika kokoa anefa ankehitriny, dia apetraka ao anaty gony lavalava vita rary makarakara ka azon-drivotra, ny sakaibe. Ahantona amin’ny talantalana na ahantona ao anaty fitahirizam-bokatra ireo gony. Rehefa masaka tanteraka ireo sakaibe, dia azo totoina ho vovoka, ka manome ilay zavatra tsara mampahatsiro sakafo, fantatra amin’ilay teny hongroà ilazana ny sakaibe hoe paprika.

Mety hasiaka be ny karazana paprika sasany, indrindra noho ny fisian’ny zavatra simika iray antsoina hoe capsaïcine. Nampiasaina ho fanafody mihitsy aza io zavatra voajanahary io, mba hitsaboana ny fahasarotana eo amin’ny fandevonan-kanina sy ny fanaintainana avy amin’ny rhumatisme, ohatra. Na ahoana na ahoana, ny tsiro miavaka ananan’ny paprika, na masiaka izany na malefaka, dia iray monja amin’ireo zavatra mampiavaka azy. Raha ny hakanto indray, dia manintona ny maso ny sombina loko omen’ny paprika ny sakafo iray. Mahatonga ny akoho hanome atody misy tamenaka midorehitra kokoa mihitsy aza ny paprika, rehefa afangaro amin’ny sakafon’akoho!

Ta hanandrana ny tsiron’ny sakafo iray nasiana paprika ve ianao? Nahoana raha manandrana ny fomba fahandroana goulash aseho etsy ambany? Hoy izahay Hongroà hoe jó étvágyat! — mazotoa homana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Ny sakaibe iray monja dia mety hisy vitaminina C avo dimy na enina heny noho ny ao anatin’ny voasary na voasarimakirana iray.

[Efajoro, pejy 11]

GOULASH HONGROÀ

Nofon-kenan’omby 1/4 kilao, notetehina efa-joro

Menaka 1 sotro lehibe

Tongolobe salasala 1, voatetika madinika

Tongolo gasy, hasiny lehibe 2, voatetika manify dia manify

Paprika in-2 sotrokely

Sira in-2 sotrokely

Kiomina 1/4 sotrokely (raha tiana)

Ovy salasala 2, nosasana sy voavofy ary notetehina efa-joro

Sakaibe 1, nalana ny atiny ary voatetika madinika

Voatabiha kely 2, nalana ny hodiny manify sy ny voany ary voatetika

Pâtes jaunes 100 grama

Hafanao ao anaty vilany boribory lalin’aty iray ny menaka ary asio tongolobe. Endaso mandra-pahaleminy. Afangaroy ao ny tongolo gasy sy ny paprika ary tampohy rano kely, raha ilaina, mba tsy ho may. Avy eo dia arotsahy ao ny henan’omby sy ny sira ary haroharoy tsara. Sarony ny vilany ary avelao hiketrika. Haroharoy tsindraindray ary tampohy rano mba tsy hahamay azy fotsiny. Asio kiomina, raha tiana. Rehefa malemy ny hena, dia asio sakaibe sy voatabiha ary rano roa litatra. Ampangotrahy, sarony ary avelao hiketrika mandritra ny 15 minitra. Arotsahy ao ny ovy ary avelao hiketrika mandra-pahamasaky ny ovy (10 ka hatramin’ny 15 minitra). Asio sira araka izay itiavanao azy. Arosoy mafana, miaraka amin’ny pâtes jaunes nandrahoina mitokana. Ampy ho an’ny olona efatra na enina.