Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Louis Braille — Fitondrana Fahazavana ho An’ireo Voahidy ao Amin’ny Haizina

Louis Braille — Fitondrana Fahazavana ho An’ireo Voahidy ao Amin’ny Haizina

Louis Braille — Fitondrana Fahazavana ho An’ireo Voahidy ao Amin’ny Haizina

TOY inona ny hasarobidin’ny fahafahana mamaky teny sy manoratra aminao? Tsy dia misy vidiny firy izany ho an’ny olona sasany, kanefa ny famakian-teny sy ny fanoratana dia tena fototra iorenan’ny fahalalana. Raha tsy eo ny fahaiza-mamaky teny, dia ho very ny fanalahidin’ny tahirim-pahalalana midadasika.

Nandritra ny an-jatony taona maro, dia tsy afaka namaky teny ny jamba. Nandritra ny taonjato faha-19 anefa, ny fiheverana ny fahorian’izy ireo dia nanosika tovolahy tso-po iray hamorona fomba fampitana hevitra iray, izay nanokatra fahafahana vaovao ho an’ny tenany sy ho an’ny olona an-tapitrisany maro hafa.

Nitsiry avy tamin’ny loza ny Fanantenana

Teraka tamin’ny 1809 tao Coupvray, tanàna kely tokony ho 40 kilaometatra avy ao Paris, any Frantsa, i Louis Braille. Ny rainy, i Simon-René Braille, dia mpanamboatra fitaovana enti-mitaingin-tsoavaly no asa fivelomany. Angamba nilalao matetika tao amin’ny trano fiasan-drainy i Louis kely. Indray mandeha anefa, dia nisy loza iray nahatsiravina nitranga tao. Nandray fitaovana iray marani-doha i Louis — nety ho fitaovana fandoahana — ary nanindrona tsy nahy ny masony tamin’izy io. Tsy azo narenina ilay fahavoazana. Mbola ratsy kokoa aza, fa tsy ela dia nahazo ny masony ilany ilay aretina. Vao telo taona monja i Louis dia nanjary jamba tanteraka.

Niezaka nanaiky tamim-pifaliana ny toe-javatra ny ray aman-drenin’i Louis sy ilay momperan’ny paroasy natao hoe Jacques Palluy, ka nanao izay hanatrehany ny fampianarana nomena tao amin’ilay sekoly teo an-toerana. Nahatakatra betsaka tamin’ny zavatra reny i Louis. Raha ny marina, dia nisy taona izy mihitsy no voalohany tao an-dakilasiny! Kanefa, nisy fetrany ny zavatra azon’ny jamba iray nianarana, tamin’ny fampiasana fomba fianarana natao ho an’ny olona mahita. Noho izany, tamin’ny 1819, dia nosoratana anarana tao amin’ny Royal Institute for Blind Youth (Fikambanana ho an’ny Ankizy Jamba) i Louis.

I Valentin Haüy, ilay nanorina ilay fikambanana, no anisan’ny voalohany nanao fandaharana mba hanampiana ireo jamba hamaky teny. Ny faniriany dia ny hiady tamin’ilay fiheverana nanjaka fa misakana ny olona iray tsy hahazo ireo soa entin’ny fianarana any an-tsekoly ny fahajambana. Anisan’ny andrana voalohany nataon’i Haüy dia ny fanaovana sokitra tarehintsoratra vaventy sy mivohitra tamin’ny taratasy matevina. Na dia tsotsotra aza ireo ezaka ireo, dia nametraka ny fototra ho amin’ny fivoarana ho avy.

Nianatra namaky ny tarehintsoratra vaventy natao sokitra i Braille, tao amin’ny bokin’ny fitahirizam-boky kelin’i Haüy. Takany anefa fa niadana sy tsy mora nampiharina izany fomba fianarana izany. Sady natao ho an’ny maso ny tarehintsoratra — fa tsy ho an’ny rantsantanana. Soa ihany fa nadiva hiditra an-tsehatra ny olon-kafa iray izay nanaiky ireo fetra ireo.

Hevitra avy amin’ny loharano tsy nampoizina

Tamin’ny 1821, raha 12 taona monja i Louis Braille, dia nitsidika ilay sekoly i Charles Barbier, kapiteny frantsay iray niandraikitra ny fitaovam-piadiana sady efa nisotro ronono. Nasehony tao ny fomba fampitan-kevitra iray nantsoina hoe soratra azo vakina amin’ny alina, izay nantsoina hoe sonographie tatỳ aoriana. Nampiasaina teny amin’ny saha fiadiana no nanaovana ny soratra azo vakina amin’ny alina. Fomba fampitana hevitra natao hokasihina izy io, mampiasa teboka mivohitra miendrika mahitsizoro, ka ny enina mitsangana ary ny roa mitsivalana. Nisy akony tao amin’ilay sekoly io fampiasana mari-pamantarana teny ara-panononana io. Nilofo tamin-kafanam-po tamin’io fomba famakian-teny vaovao io i Braille, ary nanatsara azy io mihitsy aza izy. Kanefa, mba hahatena azo ampiharina an’ilay fomba famakian-teny, dia tsy maintsy naneho fikirizana i Braille. Nanoratra toy izao izy tao amin’ny diariny: “Raha tsy hampahafantatra amiko ny momba ny olona sy ny fisehoan-javatra ary ny hevitra sy ny foto-pinoana ny masoko, dia tsy maintsy mahita fomba iray hafa aho.”

Koa niasa tamim-pahatapahan-kevitra àry i Braille nandritra ireo roa taona nanaraka, mba hanatsorana ilay mari-pamantarana. Farany, dia nanamboatra fomba famakian-teny iray nohatsaraina sy tsara endrika nifototra tamin’ny sela iray nisy teboka mitsangana telo monja ary teboka roa mitsivalana, izy. Tamin’ny 1824, fony izy 15 taona, dia nahatomombana fomba famakian-teny niorina tamin’ny sela iray misy teboka enina, i Braille. Tsy ela taorian’izany, dia nanomboka nampianatra tao amin’ilay sekoly i Braille, ary tamin’ny 1829 dia namoaka ny fomba fampitan-keviny miavaka izay mitondra ny anarany ankehitriny. Ankoatra ny fanatsarana madinidinika, mandraka ankehitriny dia tsy niova ilay fomba famakian-teny nataony, amin’ny ankapobeny.

Naparitaka maneran-tany ny soratra Braille

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1820 no nivoaka ny boky voalohany nanazava ny zavatra noforonin’i Braille, dia ny fomba famakian-teny amin’ny teboka mivohitra; ela anefa vao neken’ny maro izy io. Na tao amin’ilay sekoly aza, dia tamin’ny 1854 vao noraisina tamin’ny fomba ofisialy ilay mari-pamantarana vaovao, izany hoe roa taona taorian’ny nahafatesan’i Braille. Tamin’ny farany anefa, dia nanjary be mpitia io fomba famakian-teny faran’izay tsara io.

Nisy fikambanana maromaro namoaka boky tamin’ny soratra Braille. Nanomboka namoaka boky toy izany ny Fikambanana Watchtower tamin’ny 1912, raha mbola notadiavina ny fomba hampifanarahana ilay mari-pamantarana ho an’ireo miteny anglisy. Ankehitriny, dia mampiasa fomba lasa lavitra hanaovana pirinty ny soratra Braille ny Fikambanana, ary manao sokitra pejy an-tapitrisany maro isan-taona, amin’ny fiteny valo samy hafa sy mizara izany any amin’ny tany mihoatra ny 70. Vao haingana izao, dia nampitomboin’ny Fikambanana avo roa heny ny fahafahany mamoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny soratra Braille, mba hanomezana fahafaham-po ny fangatahana tsy mitsaha-mitombo.

Ankehitriny, ny soratra Braille tsotra sy voakaly, dia mahatonga olona tsy mahita an-tapitrisany maro ho afaka hamaky teny — noho ny ezaka feno fahafoizan-tena nataon’ny tovolahy iray, efa ho 200 taona lasa izay.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

FAMAKIANA NY MARI-PAMANTARANA BRAILLE

Vakina avy any havia miankavanana ny soratra Braille, ka tanana iray na izy roa miaraka no ampiasaina. Misy fanakambanan-teboka 63 azo atao, ao amin’ny sela Braille tsirairay. Noho izany, dia azo omena fanakambanan-teboka voafaritra tsara ny tarehintsoratra sy ny mari-piatoana rehetra amin’ny ankamaroan’ny abidy. Mampiasa endrika nohafohezina amin’ny Braille ny fiteny maromaro, ka mampiseho fitambarana tarehintsoratra miverimberina matetika na teny manontolo ny sela sasany amin’izy io. Nanjary havanana amin’ny Braille ny olona sasany, ka afaka mamaky teny hatramin’ny 200 isa-minitra!

[Sary]

abcdefghij

Tsy mampiasa afa-tsy ny teboka amin’ny andalana roa ambony ny tarehintsoratra folo voalohany

klmnopqrst

Ny tarehintsoratra folo manaraka dia manampy ny teboka amin’ny sisiny havia ambany amin’ny teboky ny tarehintsoratra folo voalohany

uvxyzw

Ny tarehintsoratra dimy farany dia manampy ny teboka roa ambany amin’ny tarehintsoratra dimy voalohany; tsy tafiditra amin’izany ny tarehintsoratra “w” satria nanampy ny abidy frantsay tatỳ aoriana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Portrait: © Maison Natale de Louis Braille - Coupvray, France/Photo Jean-Claude Yon