Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanomboka Tany Olympie ary ho any Sydney

Nanomboka Tany Olympie ary ho any Sydney

Nanomboka Tany Olympie ary ho any Sydney

MARO no mihevitra ny Lalao Olympika ho ny fifaninanana atletika lehibe indrindra eran-tany. “Tsy misy fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena mahasarika ny sain’ny maro toy izany”, hoy ny The World Book Encyclopedia. “Olona an-tapitrisany maromaro no manatrika ilay lalao, ary an-jato tapitrisany maro maneran-tany no mijery izany ao amin’ny televiziona.”

Tantara fohy

An’arivony taona maro lasa izay no niandohan’ny Lalao Olympika. Ninoan’ireo Grika fahiny fa nampifaly ny fanahin’ireo maty ny atletisma, hany ka nanao fetim-pirenena maro nampifangaro ny fivavahana tamin’ny fanatanjahan-tena, izy ireo. Anisan’ireny ny lalao ismika, nemeanina, olympika, ary pytika. Ny Olympika no noheverina ho lehibe indrindra, satria nanome voninahitra an’i Zeosy, izay mpanjakan’ireo andriamanitra, araka ny fiheveran’ireo Grika azy.

Ny porofo eo am-pelatanana dia mampiseho fa tsy nisy afa-tsy taranja hazakazaka an-tongotra ihany ny Olympika tany am-boalohany. Tatỳ aoriana anefa, dia nanjary nisy fifaninanana hafa, toy ny hazakazaka an-kalesy sy ny fitsapana henjana momba ny hazakazaka lavitra ezaka koa. Nisy mpitsidika eran’ny vazan-tany nirohotra namonjy ilay lalao. Mba hahazoana antoka fa tsy haninon-tsy haninona izy ireny, dia nampiharina ny fampitsaharana ny ady, taloha sy taorian’ny lalao.

Rehefa tonga firenena natanjaka i Roma, dia nanomboka nitsahatra ny Olympika. Nanamavo ny atletisma tokoa mantsy ny Romanina maro. Ny Emperora Néron ihany no naningana. Nandray anjara tamin’ny lalao izy tamin’ny 67 am.f.i., ka nahazo fandresena tamin’ny taranja tsirairay nandraisany anjara. Toa samy tsy ta hahita zava-manahirana ireo mpifaninana taminy! Na ahoana na ahoana, dia natsahatra ny Olympika tamin’ny 394 am.f.i.

Ny famelomana indray ny Olympika

Taonjato 15 teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanjary liana tamin’ilay lalao indray ny olona rehefa nahita ny zavatra nofongarin’ireo arkeôlôgy alemà teo amin’ny lemak’i Olympie fahiny. Avy eo, dia nanolo-kevitra ny hamelomana indray an’ilay fisehoan-javatra ny Andriana frantsay Pierre de Coubertin, 29 taona. Natao tany Atena àry ny Lalao Olympika maoderina voalohany, tamin’ny 1896. Nanomboka tamin’izay, dia natao isaky ny efa-taona ny Olympika, raha tsy hoe nisy toe-javatra tena naningana angaha.

Maro no miandrandra fatratra ilay lalao ankehitriny. Any Sydney, Aostralia, no tokony hanaovana azy io amin’ity taona ity, manomboka amin’ny 15 Septambra ka hatramin’ny 1 Oktobra. Hisy karazam-panatanjahan-tena 28 sy taranja 292 ary fotoam-pifaninanana 635, ka atleta maherin’ny 10 300 no handray anjara.

Tato anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nanjary nisy adihevitra be nanodidina ny Olympika. Maro mihitsy aza no milaza fa tsy tratra ireo filamatry ny Olympika. Hampahafanta-javatra sady hampanahy ny fijerena izay atao ao amin’ny miafina.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Scala/Art Resource, NY