Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niezaka Nanao Safidy Mampiseho Fahendrena Aho

Niezaka Nanao Safidy Mampiseho Fahendrena Aho

Niezaka Nanao Safidy Mampiseho Fahendrena Aho

NOTANTARAIN’I GUSTAVO SISSON

Nanapa-kevitra ny ho tonga dokotera aho, fony aho 12 taona, na dia tafiditra lalina tao amin’ny lomano aza. Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay ihany anefa, dia nanomboka nianatra ny Baiboly aho, ka te ho tonga minisitra ara-pivavahana. Nanao ahoana ny niafaran’ireo zavatra samy hafa niriko sy nahaliana ahy ireo? Afaka niaraka ve izy ireo?

NANOMBOKA niara-nianatra ny Baiboly taminay sy i Neny i Olive Springate, misionera Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Brezila, tamin’ny 1961. Koa satria nanohitra izany i Dada, dokotera nohajaina teto Pôrto Alegre, dia tsy nianatra intsony izahay. Mbola nifandray taminay ihany anefa i Olive, ary tatỳ aoriana, dia tsapako ny fahamarinan’ny zavatra nianarako. Tamin’izay anefa dia nampiala ahy tamin’ny zavatra ara-panahy ny lomano nataoko.

Fony aho 19 taona, dia nifankahalala tamin’ny tovovavy bikàna antsoina hoe Vera Lúcia, tao amin’ilay klioban-domano nisy ahy, ary nanomboka niaraka izahay. Niresaka taminy momba ny zavatra inoanay i Neny, ka liana izy. Koa nifandray tamin’i Olive àry aho, ary nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminay izy, na teo aza ny fanoheran’ny rain’i Vera Lúcia.

Nanohy nianatra i Vera Lúcia, ka nitombo ny fahalalany ny Baiboly. Nanomboka nitarika fampianarana Baiboly tamin’ireo mpiasa tao amin’ilay klioba nisy ahy mihitsy aza izy. Tamin’izay fotoana izay, dia nifantoka tamin’ny fanazaran-tena ho amin’ireo fifaninanam-pirenena ho avy, teo amin’ny taranja lomano, aho.

Taorian’ny herintaona mahery nianaranay sy nanatrehanay fivoriana kristianina, dia nanomboka niahiahy ny rain’i Vera Lúcia. Rehefa niverina avy nivory izahay indray andro, dia niandry anay izy, ary nanontany hoe avy taiza izahay. Namaly aho hoe avy namonjy fivoriana kristianina izahay, ary hoe raharaha niankinan’ny aina taminay ny fivavahana, na dia mety ho tsy zava-dehibe aminy aza. Nisento izy, ary nilaza hoe: “Raha raharaha iankinan’ny aina àry ny fivavahana, dia ho voatery hanaiky izany fotsiny aho.” Niova fihetsika izy nanomboka tamin’izay, ary tonga namana akaiky sy niaraka taminay nandritra ny fotoam-pahasahiranana, na dia tsy tonga Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza.

Nanao safidy

Nanapa-kevitra ny tsy hanao fifaninanana lomano intsony aho, rehefa vita ny fiadiana ny ho tompon-dakam-pirenena. Kanjo nahazo fanasana ho any amin’ny Lalao Pan American tany Cali, atsy Kolombia aho, tamin’ny 1970, rehefa avy nahazo fandresena roa, sy nanatsara ny zava-bita tsara indrindra teto Brezila tamin’ny lomano 400 metatra sy 1 500 metatra, nahafahana nifidy ny karazan-domano hatao. Nanomboka ny fanazaran-tena ihany aho, na dia tsy nanaiky ny handehanako aza i Vera Lúcia.

Koa satria tsara ny nataoko tany Cali, dia nanontany ahy ireo mpanazatra raha vonona hanao fanazaran-tena ho amin’ny Lalao Olympika aho. Nieritreritra ny fianarako ho dokotera izay mbola tsy vita aho, sy ny fahamarinana mahatalanjona nianarako momba ny fikasan’i Jehovah, hany ka nesoriko tao an-tsaiko ny hanao ny lomano ho anton’asako. Nandroso haingana teo amin’ny ara-panahy aho nanomboka tamin’izay. Tamin’ny 1972, taona nanaovana ny Lalao Olympika tany Munich, any Alemaina, dia nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano izaho sy i Vera Lúcia. Nampirisika an’i Neny hanohy indray ny fianarany ny Baiboly izany, ary natao batisa koa izy, tatỳ aoriana.

Vao mainka nanohitra mafy i Dada, taorian’ny batisan’i Neny. Nisaraka izahay mianakavy tamin’ny farany, ka voatery nivelona tamin’ny vola kely fanampiana an’i Neny sy ny vidin’ny tranonay izahay, satria izaho mbola tany amin’ny oniversite. Nahemotra àry ny fanambadianay sy i Vera. Ny lesona tsara dia tsara azoko avy tamin’i Dada, raha ny marina, no nanampy ahy handray ireo fanapahan-kevitro. Matetika izy no nilaza hoe: “Aza mba matahotra ny tsy hitovy amin’ny hafa”, sy hoe “Tsy manana ny marina foana akory ny maro an’isa.” Anisan’ny fitenenana tiany indrindra ny hoe: “Ny hasarobidin’ny olona iray dia miankina amin’izay omeny ny hafa.”

Afaka nampihatra ny torohevitra tsara dia tsara nomen’i Dada aho, amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Teo anilan’ny fandrianany aho, fony izy maty tamin’ny 1986. Nanjary nifankahazo sy nifanaja indray mantsy izahay mianaka. Inoako fa nirehareha ny amiko izy, satria tonga dokotera toa azy aho.

Teo anelanelan’izay aloha, dia nahazo diplaoma ho dokotera aho tamin’ny 1974. Nanapa-kevitra ny ho tonga dokotera mpitsabo aretina ankapobe aho, nefa nieritreritra bebe kokoa momba izany tatỳ aoriana, ka nanapa-kevitra ny ho tonga mpandidy, mba ho afaka hanampy bebe kokoa an’ireo rahalahiko kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Koa nanaiky hanao ilay zava-tsarotra àry aho, ka niofana nandritra ireo telo taona nanaraka mba ho tonga mpandidy.

Ady sarotra mahakasika ny lalàna

Raharaha tena nampalahelo, izay nahakasika ahy, ny an’ny ankizivavy Vavolombelona iray, 15 taona, izay nandeha ra anaty. Hatsatra izy sady ambany ny tosidrany, nefa nahiratra ny sainy, ary hentitra tanteraka izy teo amin’ny fahatapahan-keviny tsy handray ra. Nataoko izay hitomboan’ny habetsahan’ny rany, ary avy eo, dia nampidirako fitaovana kely tany anatiny, ary notondrahako tamin’ny ranoka masira nampangatsiahina ilay faritra nandeha ra, mba hitsaharan’ilay fandehanan-dra. Nihatsara izy tamin’ny voalohany, nefa rehefa afaka 36 ora, raha mbola tany amin’ny toerana fikarakarana manokana ireo marary mafy izy, dia nanomboka nandeha ra tampoka indray. Niezaka mafy ilay dokotera niandry raharaha, saingy indrisy fa tsy nahavita nampitsahatra ilay fandehanan-dra sy nanao izay tsy hihenan’ny rany izy, ka maty ilay ankizivavy.

Rehefa izany, ny komity manapaka ny fitsipika arahina dia nampiato ny fahafahako niasa tao amin’ny hopitaly, ary nanolotra ilay raharaha tamin’ny filan-kevi-paritra ara-pitsaboana. Nampangaina ho nandika andininy telo tamin’ny fehezan-dalàna momba ny fitsipika arahina sy momba ny fitsaboana aho. Nahatandindomin-doza ny fahazoako mitsabo ary koa ny fivelomako izany.

Nanome ahy fe-potoana 30 andro ny komity iray hanaovako fiarovan-tena an-tsoratra. Nanomana fanaporofoan-kevitra mahakasika ny lalàna sy araka ny lalàm-panorenana ireo mpisolovavako, ary izaho kosa nanomana fiarovan-tena niompana tamin’ny fanazavana teknika. Nanampy ahy tamin’izany ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) teo an-toerana, antokona Vavolombelon’i Jehovah mikatsaka ny hampandrosoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny hopitaly sy ny marary. Nametraka fanontaniana nahakasika indrindra indrindra ny toerako amin’ny maha dokotera ahy sy amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah ahy ilay komity mpanao famotorana, nandritra ny fakana am-bavany. Saika niompana indrindra tamin’ny porofo ara-pitsaboana sy ara-tsiansa, ary tamin’ny tatitra nataona mpandidy hajaina, anefa ny fiarovan-tena nataoko.

Ny porofo naroso dia nanamafy fa tsy nety nampidiran-dra ilay marary, ary tsy nanao na inona na inona mba hanosehana azy hanao izany fanapahan-kevitra izany aho. Nazava tsara nandritra ilay fakana am-bavany koa fa tamin’ireo dokotera efatra nanontaniana, dia izaho irery no nanomboka nanao karazam-pitsaboana nifanaraka tamin’ny fanirian’ilay marary sy ny toe-pahasalamany.

Natolotra komity feno iray, izay hanao latsa-bato, ilay raharaha avy eo. Nanao fiarovan-tena am-bava nandritra ny folo minitra aho, ka naompako tanteraka tamin’ny lafiny ara-pitsaboana, toy ilay fiarovan-tenako an-tsoratra teo aloha, ilay izy. Rehefa avy nihaino ahy ny mpikambana roa tao amin’ilay komity, dia nilaza fa nanana fototra mafy ara-tsiansa ilay fitsaboana nampiasaiko, na dia tsy nisy fampidiran-dra aza. Nisy dokotera iray hafa nanamafy fa mandaitra ny fitsaboana tsy ampiasana ra, ary kely kokoa ny isan’ny maty raha izy io no atao. Nilaza ny mpikambana niteny farany, tao amin’ilay komity, fa ny raharaha niadian-kevitra dia tsy ny hoe fitsaboana tsara, sa ratsy, ny fampidiran-dra, fa ny hoe afaka nanery ny marariny hanaiky fitsaboana tsy nirin’izy io ve ny dokotera iray, sa tsia. Nihevitra ilay mpikambana tao amin’ny filan-kevitra fa tsy nanana zo hanao izany ny dokotera iray. Koa nanao latsa-bato àry izy ireo, ka lany tamin’ny vato 12 no ho 2, fa hesorina ny fiampangana rehetra, ka afaka nadiodio aho.

Fiarovana ny zon’ny marary

Nisy tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana nahazo didim-pitsarana hanerena marary Vavolombelona hanaiky fampidiran-dra. Indraindray dia nanolotra porofo izay nanampy mba hampiova tanteraka ny didim-pitsarana, aho, nandritra ny fakana am-bavany. Ohatra iray ny raharaha ara-pitsarana nahakasika Vavolombelona iray nisy lalan-dra nivonto tao amin’ny lalankaniny, ka niteraka fandehanan-dra be tao amin’ny vavoniny. Efa tena tsy ampy ra izy — 4,7 grama isaky ny desilitatra ny fatran’ny hemôglôbininy — tamin’ny fotoana nampidirana azy tany amin’ny hopitaly. * Tsy noterena handray ra izy tamin’ny voalohany, fa fitsaboana fanamaivanana fotsiny no nomena azy.

Avy eo, herinandro tatỳ aoriana, dia gaga ilay marary fa tonga nitsidika azy ny mpitsara iray, nitondra didim-pitsarana hampidiran-dra taminy. Efa niakatra ho 6,4 grama isaky ny desilitatra ny fatran’ny hemôglôbininy tamin’izay fotoana izay, ary efa tsy natahorana ny fahasalamany, araka ny fahitan’ny dokotera azy. Hita fa niorina tamin’ilay fatrana hemôglôbinina voalohany ny fanapahan-kevitr’ilay mpitsara, fa tsy tamin’ilay faharoa, ilay ambony kokoa.

Nanolotra ny fanampiany ny KMH. Nangataka ahy mba hizaha azy ilay marary. Rehefa vita izany, dia tafafindrako tao amin’ny hopitaly iray afaka nitsabo azy tsy nisy fampiasana ra izy. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nitsipaka ilay didim-pitsarana hampidiran-dra tamin’ilay marary ireo mpisolovavany.

Voantso ho amin’ny fakana am-bavany teo anoloan’ny mpitsara aho, ary nanontany ahy ny amin’ny toe-pahasalaman’ilay marary izy. Nandritra ilay fakana am-bavany, dia nomeny lalana hanohy hitsabo ilay marary aho, raha mbola niadian-kevitra ny amin’ny naha ara-dalàna ilay didim-pitsarana. Tamin’ny fotoana nanaovana ilay fakana am-bavany vaovao, dia efa nihatsara ilay marary ary navoaka avy tany amin’ny hopitaly. Rehefa nantsoina aho mba hanamarina izany indray, dia nihaika ahy ilay mpisolovavan’ny hopitaly mba hanaporofoako fa nanana fototra ara-tsiansa ny fitsaboana nasaiko natao. Akory ny hamenarany rehefa nasehoko ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety ara-pitsaboana navoakan’ilay hopitaly nosoloany tena indrindra, dia lahatsoratra nampirisika ny hanaovana ilay fitsaboana tsy ampiasana ra!

Rehefa natao ofisialy ny fanapahan-kevitra, dia faly izahay nandre hoe nambara ho marina ny nianteheranay tamin’ny fitsaboana hafa, fa tsy tamin’ny fampidiran-dra. Nodidiana handoa ny lany rehetra, anisan’izany ny lany tamin’ny fitsarana, ilay hopitaly. Nangataka fitsarana ambony ilay hopitaly, nefa mbola resy indray koa.

Fikarakarana ny ankohonanay

Hatramin’ny nahatongavako ho Vavolombelona, dia nanohana ahy foana i Vera Lúcia, namana mahatoky sy vady mahay ary reny fakan-tahaka. Ahoana no nahavitany niatrika ireo zava-tsarotra rehetra, dia ny fikarakarana ny tokantranonay sy ny fanampiana teo amin’ny fikarakarana ireo ankizy, izay tanora falifaly ankehitriny? Izany dia noho ny fitiavany lalina an’i Jehovah sy ny fanompoana kristianina.

Amin’ny maha ray aman-dreny anay, dia nampianarinay ny fampianarana fototra sy ny foto-pitsipika ara-baiboly ireo zanakay, dieny tena mbola kely. Na dia be zavatra atao aza izahay, dia miezaka mafy mba hanompoana manontolo andro mandritra ny volana vitsivitsy isan-taona. Ary manao araka izay fara herinay izahay mba hifikirana amin’ny fandaharam-potoana iray, izay mahafaoka famakiana Baiboly tsy tapaka, fandinihana andinin-teny iray isan’andro, ary filazana ny zavatra inoanay amin’ny hafa eo amin’ny fanompoana kristianina. Tato ho ato, dia matetika izahay mianakavy no nitarika fampianarana Baiboly nahatratra 12 isan-kerinandro tamin’olona tsy Vavolombelona.

Miezaka koa izahay sy i Vera Lúcia hampiditra an’ireo zanakay lahy ao amin’izay ataonay, nefa koa, etsy an-danin’izany, dia manaja ny fitiavan-javatra manokana ananan’izy ireo. Inoanay fa zavatra fototra telo no ilain’ny ray aman-dreny mba hikarakarana araka ny tokony ho izy ny zanany. Voalohany, dia ny fampianarana mety, miorina amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Faharoa, dia ny ohatra mety, izay manaporofo mazava amin’ireo zanaka fa manana tahotra mahasoa an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny. Ary fahatelo, dia ny fifaneraserana mety, fifaneraserana amin’ny Kristianina — na firy taona izy na firy taona, na inona na inona toerany ara-tsosialy — Kristianina afaka mizara fanomezana sy fahaizana maro samihafa amin’ireo mpianakavy. Nataonay mivady tanjona ny hanome ireo zavatra ireo ho an’ny zanakay.

Rehefa manao jery todika ireo efa ho 30 taona nanompoanay an’i Jehovah izahay mivady, dia afaka milaza tsy misy isalasalana fa nanome anay ny zavatra tsara indrindra teo amin’ny fiainana i Jehovah, ary koa fahafinaretana sy fitahiana maro. Tsy tonga hatramin’ny fandraisana anjara tamin’ny Lalao Olympika aho, nefa mbola tiako foana ny milomano an-kilaometatra maromaro isan-kerinandro. Marina aloha fa nanjary be zavatra atao kokoa aho amin’ny maha dokotera sady Vavolombelon’i Jehovah ahy, nefa hitako ho tena novalian-tsoa ny fanampiako an’ireo rahalahiko sy anabaviko kristianina mba hifikitra amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, eo anoloan’ny fitsapana.

Matetika no misy manontany ahy raha mampanahy ahy ny hamoizako ny asako, rehefa ho tonga ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra, rehefa tsy hisy aretina intsony. Ny avaliko izany dia hoe izaho no ho voalohany hibitaka rehefa “hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”, sady ‘tsy hisy amin’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’. — Isaia 33:24; 35:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Sahabo ho 15 grama isaky ny desilitatra ny fatran’ny hemôglôbinin’ny lehilahy lehibe salama iray.

[Sary, pejy 15]

Mandidy marary iray

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’i Vera Lúcia, ary manao ny fianaram-pianakavianay izahay