Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fisaintsainana Mahasoa

Ny Fisaintsainana Mahasoa

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Fisaintsainana Mahasoa

“AOKA NY TENIN’NY VAVAKO SY NY [FISAINTSAINAN’NY, NW ] FOKO SAMY HANKASITRAHANA EO IMASONAO, JEHOVAH Ô, VATOLAMPIKO SY MPANAVOTRA AHY.” — SALAMO 19:14.

INONA no dikan’ny ‘fisaintsainana’ aminao? Raha manaraka ny fampianaran’ny fivavahana tatsinanana sasany ianao, dia mety hino fa izy io dia zavatra mahatonga ny eritreritra hazava kokoa, na mahatonga fahazavana ara-panahy manokana. Ny fisaintsainana ataon’ny Bodista dia mampirisika ny hanafoanana ny saina tsy hisy eritreritra na inona na inona. Ny fisaintsainana hafa dia voalaza ho mampirisika ny hamenoanao ny sainao amin’ny “fahamarinana iombonana momba ny fahendrena”.

Tsy mitovy amin’ireo ny fiheveran’ny Baiboly ny fisaintsainana. Amin’ny fomba ahoana? Hevero ny amin’ny ohatra iray ao amin’ny Baiboly, momba ilay lehilahy antsoina hoe Isaka. Nanan-javatra maro hosaintsainina izy, fony izy 40 taona. Hoy ny Genesisy 24:63: “Isaka nivoaka mba hieritreritra [“hisaintsaina”, NW] any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro”. Tsy misy antony tokony hieritreretana fa nanafoana ny saina tsy hisy eritreritra i Isaka, na koa hoe nieritreritra lalina fotsiny mahakasika “fahamarinana iombonana momba ny fahendrena” tsy voafaritra tsara izy. Azo inoana fa nanan-javatra voafaritra tsara noeritreretina i Isaka, toy ny hoaviny, ny fahafatesan-dreniny, na ny hoe iza no ho vadiny. Nampiasa ny fotoana naha irery azy tamin’ny hariva izy mba hisaintsainana, azo inoana fa momba ny raharaha lehibe toy izany. Mihoatra noho ny fanonofinofisana fotsiny ny fisaintsainana, ao amin’ny Baiboly.

Betsaka kokoa no tafiditra amin’ny fisaintsainana

Hevero ny ohatr’i Davida mpanao salamo. Niatrika zava-manahirana maro toa tsy hay resena izy. Ary fantany tsara fa nila ny fanampian’Andriamanitra izy mba hitondran-tena araka ny mety, satria lehilahy tsy lavorary. Inona no nanatanjaka an’i Davida nandritra ny tarehin-javatra sarotra? Hoy i Davida, araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 19:14: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny [fisaintsainan’ny, NW] foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.” Ilay teny hebreo nadika hoe “fisaintsainana” eto, dia avy amin’ny fototeny midika ara-bakiteny hoe “miresaka amin’ny tena”. ‘Niresaka tamin’ny tenany’ momba an’i Jehovah, ny zavatra nataony sy ny asany ary ny fahamarinany tokoa, i Davida. — Salamo 143:5.

Toy izany koa fa, noraisin’ny Kristianina tany am-boalohany ho anisan’ny fanompoam-pivavahana marina ny fanokanana fotoana hisaintsainana zavatra ara-panahy. Hoy ny torohevitry ny apostoly Paoly: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” (Filipiana 4:8). Mazava ho azy fa mba hieritreretana zavatra mampahery, dia tsy maintsy ho tafiditra ao an-tsaintsika ireo zavatra noresahin’i Paoly ireo. Amin’ny fomba ahoana?

Mamaly izany ilay mpanao salamo. Izao no vakin’ny Salamo 1:1, 2: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, (...) Ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no [vakiny amin’ny feo iva, NW] andro aman-alina.” Eny, namaky tsy tapaka ny lalàn’Andriamanitra ilay mpanao salamo. Noho izany, dia afaka nisaintsaina an’ireo zavatra nianarany momba ilay Mpamorona izy.

Fisaintsainana amin’izao andro izao

Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny famakiana Baiboly. Rehefa avy mamaky anefa isika, dia tsy maintsy misaintsaina, mieritreritra lalina, na “miresaka amin’ny tenantsika” momba izay novakintsika. Ilaina ny fandevonan-kanina, raha tiantsika ny handray soa feno avy amin’ny sakafo hanintsika. Toy izany koa fa, ilaina ny fisaintsainana, raha tiantsika ho azo tsara ny hevitr’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Tsy fanesorana eritreri-dratsy fotsiny no tafiditra amin’ny fisaintsainana mety. Mahatonga antsika ho afaka hitady vahaolana miorina amin’ny Baiboly amin’ireo olana mahazo antsika koa, izy io. Ny fisaintsainana toy izany dia afaka manampy antsika hiatrika amim-pahombiazana ireo fanahiana eo amin’ny fiainana andavanandro. — Matio 6:25-32.

Takatr’i Davida mpanao salamo ny anjara asan’ny fisaintsainana eo amin’ny fampifaliana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny vavan’ny marina miresaka fahendrena [amin’ny feo iva, NW]”. (Salamo 37:30). Marika mampiavaka ny mpivavaka mahatoky tokoa ny fisaintsainana. Tena fitahiana ny hoe heverin’Andriamanitra ho marina, ary mitondra soa ara-panahy izany. Lazain’ny Baiboly, ohatra, fa “ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro”. (Ohabolana 4:18). Noho izany, dia afaka manantena ny hitombo eo amin’ny fahatakarana ny Baiboly, ny Kristianina mpankatò, izay “miresaka fahendrena amin’ny feo iva”.

Manoro hevitra ny Kristianina koa ny Baiboly mba hisaintsaina ireo andraikiny araka ny Soratra Masina. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:15, 16). Mety hisy vokany lalina eo amin’ny hafa tokoa izay lazaintsika sy ataontsika.

Mazava àry fa manana antony maro hieritreretana lalina sy hampifantohana ny saina amin’ny zavatra lehibe isika. Zava-dehibe ny hieritreretana zavatra niainantsika tamin’ny lasa sy ny hiheverana ny ankehitriny, ary ny handinihana tsara ny hoavintsika. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, ny fisaintsainana ataontsika dia hitondra ny fahazavana ara-panahy lehibe indrindra ho antsika, raha toa ny eritreritsika ka mifantoka amin’ny fahendren’ilay Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra.

[Sary, pejy 22]

“Ilay Mpieritreritra”, nataon’i Rodin