Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Habibian’ny Olombelona — Hisy Fiafarany Ve?

Ny Habibian’ny Olombelona — Hisy Fiafarany Ve?

Ny Habibian’ny Olombelona — Hisy Fiafarany Ve?

Nomena iray tamin’ilay gazety Mifohaza! tamin’ny 8 Martsa 2000 mahakasika ny fanandevozana, izay olana miteraka adihevitra ary mampalahelo fa mbola mitohy any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao, i Livia Turco, minisitra italianina ho an’ny Firaisan-kina Sosialy. Niaiky toy izao izy, tao amin’ny taratasy iray nalefany tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia:

“Ireo endriky ny fanandevozana maoderina, izay mahazo indrindra ny zaza amam-behivavy, dia tarehin-javatra tena lehibe ilana vonjy aina, satria olona an-tapitrisany maro no mbola miaritra toe-piainana faran’izay mafy.” Hoy ny famaranan-teniny: “Fandraisana anjara faran’izay mahasoa izay feo rehetra manameloka ity zava-misy tsy azo ekena ity, ary vao mainka aza izany mandaitra kokoa rehefa tonga hatrany amin’ireo mpamaky maro be toy ny an’ny [Mifohaza!].”

Noho ny gazety Mifohaza! mivoaka 20 tapitrisa mahery isaky ny nomerao ary amin’ny fiteny 82, dia tsy vitan’ny hoe nampahafantarina ny fototr’ireo zava-manahirana amin’izao fotoana izao ny mpamaky an-tapitrisany maro, fa nomena ireo vahaolana ara-baiboly amin’izy ireny koa.

Na izany aza, dia mbola mipetraka ilay fanontaniana hoe: ‘Raha tena misy Andriamanitra iray, nahoana no avelany hijaly be ny olona tsy manan-tsiny?’ Maro no manontany tena hoe: ‘Ahoana no itiavako Mpamorona iray, izay miharihary amin’ny zavatra mahatalanjona eo amin’ny famoronana ny fahendreny, kanefa toa tsy mampiseho fangoraham-po amin’ny olona ankehitriny?’ Voavaly amin’ny fomba mahafa-po ny fanontaniana toy ireny ao amin’ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Afaka mahazo iray amin’izy io ianao raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.