Tsy Tratra Ireo Filamatry ny Olympika
Tsy Tratra Ireo Filamatry ny Olympika
FONY nanolo-kevitra ny hamelomana indray ny Olympika ny Andriana Pierre de Coubertin, dia nanonona filamatra ambony sasantsasany izy. Izao tokoa no ambaran’ny fitsipika maoderin’ny Olympika, nolazaina fa nosoritan’i Coubertin: “Amin’ny Lalao Olympika, dia tsy ny hahazoana fandresena no zava-dehibe indrindra, fa ny handraisana anjara (...). Tsy ny nandresena no zava-dehibe indrindra, fa ny nanaovana ezaka tsara.”
Ninoan’i Coubertin fa ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana mahasoa dia afaka nanorina toetra tsara, nampitombo fahaiza-mitsara zavatra ary nanampy mba hananana fitondran-tena mahitsy kokoa. Niresaka ny amin’ny ‘fanatanjahan-tena lasa fivavahana’ mihitsy aza izy. Nihevitra izy fa afaka nampianatra ny olona hiaina amim-pihavanana ny Olympika.
Tamin’ny 1937, fotoana nahafatesan’i Coubertin anefa, dia efa nihananjavona ny fanantenana rehetra ny amin’izany. Efa naato indray mandeha sahady ilay lalao noho ny ady naneran-tany iray, ary nihanitombo ny fihenjanana izay hiteraka fifandonana lehibe hafa iray. Vao mainka tsy tratra kokoa hatrany ireo filamatry ny Olympika ankehitriny. Fa nahoana?
Ny Olympika sy ny fanafody
Efa am-polony taona maro no nampiasan’ny atleta fanafody ahafaha-manatsara ny zava-bitany mba hihoarana ny mpifaninana hafa, ary tsy naningana tamin’io loza mihanaka io ny Lalao Olympika. Ankehitriny tokoa, 25 taona taorian’ny nanombohana nanaovana fitiliana lazaina fa henjana hahitana sao nisy nampiasa fanafody voarara, dia mbola olana mahakasika ireo atletan’ny Olympika ihany izany.
Hôrmônina voatr’olombelona atao hoe sterôida no ampiasain’ny atleta sasany mba hihoarana ny mpifaninana aminy. Ny hafa mampiasa fanafody manaitaitra. Betsaka ny atleta mpanao hazakazaka haingana sy ny atleta hafa mila tanjaka no mampiasa hôrmônin’ny fitomboana, satria izy io manampy azy ireo hahazo hery haingana indray, aorian’ny fanazaran-tena henjana, sady mampitombo ny tanjaky ny hozatra. Etsy an-danin’izany, koa satria ny hôrmônina érythropoïétine novana fototarazo mandrisika ny famokarana sela menan’ny
ra, ka mahatonga ny atleta ho afaka hihazakazaka lavitra kokoa, dia izy io no fanafody fidin’ny ankamaroan’ireo mpanao taranja lavitra ezaka: hazakazaka sy lomano ary korisa amin’ny ranomandry mamakivaky faritra ambanivohitra.Tsy mahagaga raha nantsoin’ny Dr. Robert Voy hoe “laboratoara mandehandeha” ireo atleta. Tale teo aloha tao amin’ny sampana fitiliana an’izay nampiasa fanafody ny Dr. Voy, ary niasa ho an’ny Komity Olympika Amerikanina. Hoy koa izy: “Nanjary fanaovana andrana ho an’ny mpahay siansa sy ny mpahay simia ary ny dokotera tsy mpanara-pitsipika, ny Olympika.” Ary ahoana ny amin’ny fitiliana? Hoy ny Dr. Donald Catlin, talen’ny laboratoara iray mpanao fitiliana, any Etazonia: “Niova ho amin-javatra izay tsy hitanay eo amin’ny fitiliana ataonay ny atleta fetsifetsy, izay ta hampiasa fanafody.”
Tsolotra
Koa satria vitsy ny tanàna manana fahafahana ara-bola hampiantrano ny Olympika, ny sasany amin’izy ireo dia hanao izay rehetra azony atao, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, mba hahazoana azy io. Tsy ampy roa taona akory izay, dia voarohirohy tao amin’ny raharaha nahafa-baraka ny Komity Olympika Iraisam-pirenena (CIO). Voalaza fa nisy nanome tsolotra nahatratra 400 000 dolara ho an’ny mpikambana tao amin’ny CIO, nandritra ny fifantenana nahazoan’ny tanànan’i Salt Lake City ny Lalaon-dririnina 2002. Izany dia nahatonga hisalasala ny amin’ny fitondran-tenan’ireo voakasika tamin’ilay fifantenana.
Matetika no manjary tsy hay avahana intsony ny fitiava-mampiantrano vahiny sy ny fanaovan-tsolotra mibaribary,
satria misy amin’ireo tanàna mety ho voafidy hanaovana ny lalao, manolotra fanomezana be dia be ho an’ireo izay mifidy izany. Mpikambana nahatratra 20 tao amin’ny CIO no voarohirohy tao amin’ilay raharaha nahafa-baraka nahakasika an’i Salt Lake City, ka voaroaka ny 6 taminy, tamin’ny farany. Raha ny amin’ny Lalao 2000 hatao any Aostralia, dia very maina avokoa ny ezaka rehetra natao mba tsy hahitana soritry ny fitaka, rehefa niaiky toy izao ny prezidàn’ny Komity Olympika Aostralianina: “Tsy noho ny hakanton’ny tanàna sy ny toeram-panatanjahan-tena tsy maintsy natolotray fotsiny, no nahazoanay [ilay lalao atỳ aminay].”Vao mainka nampitombo ny ahiahy ny fahitana ny filiban’ireo mpikambana ambony sasany tao amin’ny CIO. Indray mandeha, dia nilaza ny heviny i Tommy Keller, ilay Soisa nodimandry vao haingana, filohan’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpivoy Lakana, fa misy manam-pahefana ara-panatanjahan-tena mihevitra ny Olympika ho fomba “hanehoany tanteraka ny avonavony manokana”. Nilaza koa izy fa toa “ny fikatsaham-bola sy ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian-daza” no tena antony manosika.
Varotra matanjaka
Tsy azo lavina fa vola be no tafiditra ao amin’ny Olympika. Araka ny mahazatra, dia nanjary be mpijery ny televiziona, ary nahazoam-bola be ny fanaovana dokam-barotra ny amin’ny radio sy ny tele aloa tolo-botsotra, ka nahatonga ny fanohanana ny lalao ho fitaovana mahery ara-barotra.
Hevero ny Olympika 1988, kompania iraisam-pirenena sivy no nandoa 100 tapitrisa dolara mahery tamin’ny CIO mba hananan-jo hivarotana naneran-tany. Nahazoan-tombony 400 tapitrisa dolara ny Lalaon’ny Vanin-taona Mafana 1996 tany Atlanta, noho izay zo izay ihany. Ary mbola tsy tafiditra amin’izany ny zo hamoaka ilay lalao amin’ny televiziona. Nisy tamba-jotran-televiziona amerikanina nandoa telo arivo tapitrisa dolara sy sasany mahery mba hananan-jo hamoaka ny Lalao Olympika ao amin’ny tele, eo anelanelan’ny taona 2000 sy 2008. Ary voalaza fa mandritra ny efa-taona, dia mpanohana miisa 11 maneran-tany no voatery handoa 84 tapitrisa dolara avy. Nisy àry olona nilaza fa na dia nampiseho ny filamatry ny fahatsaran’olombelona aza ny Olympika taloha, ankehitriny izy io dia fahafahana ahazoam-bola voalohany indrindra, ka mampiseho ny fitsiriritana tafahoatra ao amin’ny olombelona.
Fa inona no tsy nety?
Rehefa zohina, hoy ny manam-pahaizana sasany, dia lafin-javatra fototra roa, izay nanomboka
teo am-piandohan’ireo taona 1980, no mahatonga ny Olympika hotandindomin-doza. Ny voalohany dia ilay fanapahan-kevitra hanome ho an’ny federasiona ara-panatanjahan-tena iraisam-pirenena tsirairay ny zo hanapaka izay atleta mendrika ny hofidina ho amin’ny Olympika. Na dia noferan’ny CIO ho an’ny atleta tsy matihanina ihany aza taloha ny fandraisana anjara, ireo federasiona kosa avy eo dia nanomboka namela ny atleta matihanina hifaninana tao amin’ny taranja olympika misy azy avy. Nitondra ny toe-tsain’ny matihanina anefa ireo atleta matihanina. Raha ‘miezaka tsara’ fotsiny izy, dia tsy hahazo vola be avy amin’ny fisehoana ao amin’ny dokam-barotra. Tsy ela àry dia nanjary ny handresy no zava-dehibe indrindra, ka tsy mahagaga raha maro no nampiasa fanafody ahafaha-manatsara ny zava-bitany.Nantsoin’ny manam-pahaizana ara-barotry ny CIO hoe “ilay marika fampahafantarana sarobidy indrindra eran-tany, izay mbola tsy nisy nampiasa hahazoam-tombony” ireo boribory
famantarana ny Olympika. Nitranga anefa ny lafin-javatra fototra faharoa, tamin’ny 1983, fony nanantena hahazo tombony avy tamin’ireo boribory famantarana ireo ny CIO. Izany dia nanome vahana ny dokam-barotra tsy voafehy, izay nanjary nampiavaka ny Olympika. Hoy ny fanamarihan’i Jason Zengerle: “Tena tsy misy maha samy hafa ny Olympika amin’ny (...) fampisehoana hafa ara-panatanjahan-tena be renty tafahoatra, na dia eo aza ny resaka rehetra momba ny fampandrosoana ny fihavanana sy ny fampiraisana ny olona maneran-tany.” Midika anefa ve izany fa tsy azo tratrarina ireo filamatra natolotry ny fihetsiketsehana olympika?[Efajoro/Sary, pejy 5]
FANAZAVANA MAHAKASIKA NY OLYMPIKA
→ Ireo boribory dimy, marika ahafantarana ny Olympika, dia mampiseho ny kontinantan’i Afrika, i Azia, i Aostralia, i Eoropa ary i Amerika Avaratra sy Atsimo. Natao mifampiditra izy ireo mba ho mariky ny fisakaizan’ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena.
→ Ny teny filamatra olympika dia hoe Citius, Altius, Fortius — teny latinina midika hoe “haingana kokoa, avo kokoa, be herim-po kokoa”. Ny dikan-teny azo anoloana azy dia hoe “malaky kokoa, avo kokoa, matanjaka kokoa”. Mpampianatra iray avy any Frantsa no namorona azy io.
→ Nirehitra teo amin’ny alitaran’i Zeosy ny lelafo olympika nandritra ireo lalao fahiny. Ankehitriny, dia misy fanilo arehitry ny tara-masoandro any Olympie, ary entina any amin’ny toerana hanaovana ny lalao, avy eo.
→ Efa an’arivony taona maro izao no nisian’ireo fanao mahazatra amin’ny Olympika. Tamin’ny 776 al.f.i. no nitrangan’ny Lalao Olympika voalohany voarakitra an-tsoratra, nefa maro no milaza fa efa taonjato dimy talohan’io taona io no niandohany, raha haingana indrindra.
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Eric Draper
[Efajoro/Sary, pejy 6]
NY TOERANA HANAOVANA NY OLYMPIKA ANY SYDNEY
Nanomboka tamin’ny Septambra 1993, fotoana nahazoan’i Sydney ny fampiantranoana ny Lalao Olympika 2000, dia somebiseby ny tao an-tanàna nanao izay hahavonona ny fandraisana mpitsidika an’aliny maro. Nisy asa betsaka natao hanadiovana ilay toerana, hanorenana toerana faran’izay ambony karazana, sy hanovana toeram-panariam-pako tranainy ho heniheny sy zaridaina ary vinany, mandrakotra faritra mirefy 760 hektara.
Ilay Vohitra Olympikan’i Sydney, naorina mba hipetrahan’ireo atleta sy tompon’andraikitra rehetra, no lehibe indrindra eran-tany amin’ny vohitra mampiasa ny herin’ny masoandro. Ny SuperDome, ilay foibe ara-panatanjahan-tena sy ara-pialam-boly lehibe indrindra mitafo atỳ amin’ny Ila Bolantany Atsimo, dia manana, azy manokana, tamba-jotra lehibe indrindra fizarana angôvon’ny masoandro any Aostralia, ary angôvo zara raha mamoaka gaza karbônika no mampandeha azy io.
Ao andamosin’ilay SuperDome no mandondona raha oharina amin’ny faravodilanitra, ny andohalambo sy ny rafitra mifampidipiditry ny tafon’ny kianja Olympika. Nitentina 435 000 000 dolara ny fanorenana azy io, ary izy io no Kianja Olympika lehibe indrindra eran-tany, misy toerana ho an’olona 110 000. Antonona fiaramanidina Boeing 747 efatra mifanila ny eo ambanin’ny andohalambo lehibe indrindran’ilay kianja! Eo ambony, dia tafo taila tantera-pahazavana no miaro ny mpijery amin’ny taratry ny masoandro. “Ity toerana ity no hifantohan’ny sain’ny maro eto Aostralia mandritra ny volana vitsivitsy amin’ny taona 2000”, hoy i Alan Patching, tompon’andraikitry ny kianja. Avy eo, dia sahy nilaza mialoha izy hoe: “Ho tonga marika famantarana, tahaka ny Opera House, izy ity aorian’izany.”
[Sary, pejy 4]
Ny Andriana Pierre de Coubertin
[Sary nahazoan-dalana]
Culver Pictures
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
AP Photo/ACOG, HO