Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Loza ao Amin’ny Internet Ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hanalavirako ny Loza ao Amin’ny Internet?” (8 Febroary 2000), dia mampiseho fahaiza-mandanjalanja tsara, satria asehony fa ilaina ny Internet, nefa koa ambarany fa mitondra loza izy io. Miasa amin’ny Internet isan’andro aho eo amin’ny sehatry ny asako, ary hitako fa misy loza foana izy io. Zava-dehibe tokoa ny hanalavirana ireny loza ireny!
J. L., Etazonia
Mankafy Mifohaza! Mpivavaka ao amin’ny Assemblée de Dieu aho, nefa izany tsy misakana ahy tsy hamaky ny Mifohaza! Mbola tsy namaky gazety ambony karazana sy miresaka momba ny loha hevitra maro samihafa toa azy io mihitsy aho. Tsy manana televiziona aho ato an-tranoko, nefa matetika aho no afaka miresaka amin’ireo namako momba ny zava-mitranga farany, satria efa novakiko tao amin’ny gazetinareo ny momba izany.
A.B.A., Brezila
Miharatra Madiodio Tamin’ny fotoana nety indrindra tamiko no nahatongavan’ilay lahatsoratra hoe “Miharatra Madiodio”. (8 Febroary 2000). Mila fikarakarana tsy tapaka ny vadiko ankehitriny, ary tsy afaka miharatra intsony. Tena nanampy be ireo torohevitra efatra momba ny fiharatana. Izao dia tiany ny hoharatako isan’andro!
L. D., Alemaina
Filazana Lainga Hitako ho mampisaintsaina ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Ny Filazana Lainga — Azo Hamarinina Ihany Ve?” (8 Febroary 2000). Araka izay mety ho famaritana azon’ny saina ekena anefa, moa ve tsy manameloka ny famitahana rehetra ny Baiboly?
D. S., Etazonia
Amin’ny ankapobeny, ny hoe filazana lainga, araka ny hevitry ny Baiboly, dia mahafaoka filazana zavatra diso amin’olona iray manan-jo hahalala ny marina, amin’ny fikendrena ny hamitaka na handratra azy na ny olona hafa iray. Araka izany, dia nisy olona natahotra an’Andriamanitra toa an’i Abrahama, i Isaka, i Rahaba ary i Davida, nanao karazana fitaka, nefa tsy voaheloka ho mpandainga. Mazava ho azy fa tao anatin’ny tarehin-javatra niavaka no nanaovan’izy ireo izany. Tsy porofo hoenti-manamarina ny famitahana tsy amin’antony àry ny nataon’izy ireo. Ohatra, raha nianiana fa hilaza ny marina tao amin’ny fitsarana iray ny Kristianina, dia, na hilaza ny marina izy, na hangina. — MPAMPANONTA.
Fianakaviana Tsy Misy Ray Mamelabelatra momba ny fiverimberenan’ilay toe-javatra hoe zanaka tsy manan-dray, ilay nomerao tamin’ny 8 Febroary 2000. (“Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany”). Tsy misy teny hilazako ny fahadisoam-panantenako sy ny fahasosorako rehefa avy namaky azy io aho. Mankasitraka ny fitondran-tenan’ny ray nandao an-janany ianareo amin’ny firesahana momba ny fanahiana maro samihafa mahazo azy, toy ny zo hitsidika ny zanany sy ny fahavoazana ara-bola mahazo azy. Aiza izay fandevilevena? Aiza izay fampirisihana ny lehilahy hanitsy ny fahadisoany?
S. L., Etazonia
Takatray tsara fa tsy maintsy hampalahelo ny sasany tokoa ny fandinihana lahatsoratra toa an’io, indrindra raha nilaozana izy ireo. Tsy natao handevilevena ny lehilahy anefa ilay lahatsoratra. Niezaka kosa izahay hampitombo ny fahatakaran’ny andaniny sy ny ankilany an’ilay raharaha sarotra tafiditra amin’izany. Nanome torohevitra azo ampiharina koa izahay ho an’izay nilaozana. Mahaliana fa ilay lahatsoratra famaranana hoe “Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany”, dia milaza toy izao: “Tsy hitsahatra izao fironana mahakasika ny fianakaviana izao, raha tsy vonona hanao fanovana lalina eo amin’ny fisainany sy ny fihetsiny ary ny fitondran-tenany ny olona.” — MPAMPANONTA.
Nanganohano ny ranomasoko rehefa nahita ny fonon’ilay gazety misy sarin’ankizivavy kely miaraka amin-drainy aho. Naniry hanana fifandraisana toy izany tamin-draiko foana aho. Ilay lahatsoratra dia nahatonga ahy hanandrana hahatakatra ny anton’ny toe-javatra nitranga tao amin’ny fianakaviako. Izy io dia toy ny tara-masoandro nipaka hatramin’ny fiainako lasa, ary nanazava fanontaniana nampanjombona ahy aoka izany, efa hatramin’ny taona maro.
M. M., Etazonia