Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fijerena An’izao Tontolo Izao
Tsy Hisy Soratsoratra Intsony ve ny Rindrin’i Paris?
“Manaitra ny saina ireo mpiasa vonjy maika”, hoy ny gazety frantsay Le Figaro. Manana “kamiaonety 17 ampy fitaovana, aotobisy kely 7 natao manokana hiadiana amin’ny soratsoratra amin’ny rindrina, môtô kely 12, ary mpiasa 130 eo ho eo ampian’ny skoty 16 natao hitady ny toerana misy soratsoratra”, izy ireo. Ny asa anirahana an’ireo olona vao nangonina ireo dia ny hanaisotra, ao anatin’ny herintaona, ny soratsoratra amin’ny 90 isan-jaton’ny rindrina sy ny varavarankely na varavarana ao Paris — tombanana ho “200 000 metatra toradroa amin’ny tranom-panjakana ary 240 000 metatra toradroa amin’ny rindrin’olona manokana”. Raha tratra ny tanjon’ilay tanàna, dia hanjavona ny soratsoratra rehetra amin’ny tranon’olona manokana, afa-tsy ny eo amin’ny 24 000 metatra toradroa, amin’ny Febroary 2001, ary “tokony hanjavona ao anatin’ny 12 andro taorian’ny nahitana azy ny soratsoratra vaovao na inona na inona”. Amin’ny fitambarany, dia ampoizina hitentina 480 tapitrisa vola frantsay (480 000 tapitrisa FMG) ilay asa fanadiovana.
Mitovy Amin’ny Tsy Ampy Sakafo Ankehitriny ny Mihinana Tafahoatra
“Mifanahantsahana amin’ny isan’ny olona noana, tsy ampy sakafo, ankehitriny ny isan’ny olona matavy eo amin’izao tontolo izao”, hoy ny fanamarihan’ny The New York Times, rehefa nanazava momba ny fandinihana iray nataon’ny Ivon-toerana Worldwatch. Olona 1 200 tapitrisa eo ho eo no tsy ampy sakafo sy noana, ary mitovy na mihoatra noho izany ankehitriny ny mihinana tafahoatra. Maneran-tany dia betsaka noho ny hatramin’izay ny olona tsy ampy sakafo, ary mihamitombo ny isan’ireo tsy ampy sakafo sy ireo mihinana tafahoatra ao amin’ny fiaraha-monina rehetra. “Namorona fomba fiaina izay nampihena be ny fampiasam-batana isika, hany ka mihoatra noho ny kalôria ampiasain’ny vatantsika ny kalôria hanintsika, ka lasa tavy izany kalôria amboniny izany”, hoy i Lester R. Brown, prezidàn’ny Worldwatch, rehefa niresaka momba ny fitomboan’isan’ny olona matavy izy. “Tany [Etazonia], tamin’ny taon-dasa, dia nisy fandidiana 400 000 nanesorana tavy. Izany dia mampiseho hoe hatraiza no tena tsy mifandanja ny toe-javatra.”
Ny Amerikanina no Tena Mpiompy Biby An-trano Indrindra
Any Etazonia no ahitana ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ireo biby ompiana miisa 500 tapitrisa eran-tany. “Efa ho ny 60 isan-jaton’ny tokantrano ao amin’ilay firenena no misy, fara fahakeliny, iray amin’ireo saka 70 tapitrisa, alika 56 tapitrisa, vorona 40 tapitrisa, trondro 100 tapitrisa, hamsters [karazam-boalavo] 13 tapitrisa, ary biby mampinono kely kokoa hafa sy biby mandady 8 tapitrisa”, hoy ny tatitra nataon’ny National Geographic. I Grande-Bretagne no manarakaraka an’i Etazonia, ka saka sy alika ny ankamaroan’ny biby ompiana any. “Manjaka anefa ny fiompiana trondro — 21 tapitrisa — any Frantsa, betsaka noho ny saka sy ny alika mitambatra”, hoy ilay gazety.
Mamoaka Didy Manohana ny Vavolombelona ny Fitsarana Tampony any Japon
Namoaka didy ny Fitsarana Tampony any Japon fa “nanitsakitsaka ny zon’ny vehivavy iray hanapa-kevitra samirery ireo mpandidy, fony nampidi-dra taminy, nandritra ny fandidiana, ka tsy nitana ny fampanantenany tsy hanao izany na dia atahorana ho faty aza ilay vehivavy”, hoy ny gazety Daily Yomiuri. “Sambany vao mba namoaka didy ny Fitsarana Tampony hoe zon’olombelona ny zon’ny marary iray hanapa-kevitra mahakasika ny fitsaboana hatao aminy.” Tamin’ny 1992 no nampidiran-dra i Misae Takeda, izay Vavolombelon’i Jehovah, raha mbola donton’ny fanafody, taorian’ny fandidiana nanesorana fivontosana iray nety hahafaty, tao amin’ny atiny. Nitovy hevitra ireo mpitsara efatra tao amin’ilay Fitsarana Tampony ka niara-namoaka didy hoe diso ireo dokotera, satria tsy nanazava hoe nety hampidi-dra taminy ihany izy ireo nandritra ny fandidiana raha ninoany fa tena nilaina izany. Noho izany, dia nanitsakitsaka ny zon’ilay vehivavy izy ireo, dia ny zony hanapa-kevitra raha hanaiky hodidiana na tsia. Izao no voalazan’ilay didim-pitsarana tamin’ny 29 Febroary 2000: “Rehefa misy marary tsy manaiky hampidiran-dra noho ny zavatra inoany ara-pivavahana, dia tsy maintsy hajaina izany faniriany izany.” Nampiakatra ilay raharaha hatrany amin’ny Fitsarana Tampony mantsy ny havan’i Misae, taorian’ny nahafatesany tamin’ny 1997. — Raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany, dia jereo, aza fady, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1998, pejy 26-29.
Fiarovana ny Zavamaniry sy ny Biby eto An-tany
“Tsy hoe goavana loatra ka tsy ho vita ny fiarovana ny ampahany lehibe amin’ny zavamaniry sy ny biby eto an-tany tsy ho lany tamingana”, hoy ny gazety Daily News, any New York. “Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra iray mahagaga ireo mpahay siansa nanao lisitry ny faritra mbola tsy novolena, izay mihamihena eto an-tany: Maherin’ny ampahatelon’ny zavamaniry sy biby eto amin’ny planeta no zara raha misy eo amin’ny 1,4%-n’ny velaran-taniny.” Manolo-kevitra ireo mpikaroka fa tokony hisy ezaka bebe kokoa hafantoka amin’ny fitsimbinana ny faritra 25 be zavamaniry sy biby any amin’ny
tany toa an’i Brezila, i Madagasikara, i Bornéo, i Sumatra, ny Andes tropikaly, ary ny nosy Caraïbes. Ala tropikaly ny ankamaroany. “Raha hanokanana vola an-jato tapitrisany dolara vitsivitsy isan-taona ireny faritra mila vonjy ireny, izany dia handray anjara be amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa ho voakarakara tsara ny karazan-java-miaina rehetra ambonin’ny Tany”, hoy i Russell Mittermeier, prezidàn’ny fikambanana iraisam-pirenena iray miaro ny tontolo iainana. Na dia efa voaro ara-dalàna aza ny 38 isan-jato eo ho eo amin’ireny faritra ireny, dia an-taratasy fotsiny izany amin’ny ankapobeny, satria mbola mitohy ihany ny fitrandrahana ny any ambanin’ny tany, ny famelana ny biby hiraoka ahitra be loatra ary ny fitrandrahana ala.Soa Fanampiny avy Amin’ny Fampinonoana
“Tsy vitan’ny hoe manome mpisetra [anticorps] fiarovana ny zaza menavava amin’ny aretim-pivalanana sy ny aretin-tsofina, ary ny tsy fahazakana zavatra ny rononon-dreny, fa mety hisoroka ny kansera koa”, hoy ny gazetiboky Parents. Hitan’ny fandinihana iray nataon’ny Foibe Momba ny Kansera ao Amin’ny Oniversiten’i Minnesota, fa tsy azo inoana loatra ho voan’ny kanseran’ny ra — ilay kansera mpahazo indrindra ny zaza — ny zazakely ninono tamin-dreniny raha oharina amin’ireo ninono tamin’ny biberao. Nihena 21 isan-jato ny mety hahavoa an’ireo izay ninono tamin-dreniny nandritra ny iray volana, fara fahakeliny, ary 30 isan-jato kosa ny an’ireo izay ninono tamin-dreniny nandritra ny enim-bolana na mihoatra.
Mila Mitandrina Rehefa Miborosy Nify
“Mety hitranga ny hoe miborosy nify mafy loatra ianao”, hoy ny tatitra iray tao amin’ny The Wall Street Journal. “Antsoina mahazatra hoe ‘fikaohan’ny borosy nify’ izany, ary mahatonga ny nify ho mora simba, ny akanjonify hihemotra, ary mikiky ny fakan’ny nify.” Tombanana ho ny 10 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny mponin’i Etazonia no “nanimba ny nifiny na ny akanjonifiny, vokatry ny fiborosiana mafy loatra”. Ireo fatra-piborosy nify sy ireo mampiasa borosy nify henjana no mora voa indrindra. “Naniry ny hanadio tsara ny nifiny izy ireny, kanjo nanimba ny nifiny, raha ny marina”, hoy i Milan SeGall, mpitsabo nify. Misy olona mora voan’izany, satria efa tsy ampy taolana hatrany am-pahaterahana mihitsy ny manodidina ny nifiny. Mora voa koa ireo izay nanitsy na nanetsika ny nifiny tamin’ny alalan’ny fitaovana vy fanitsia-nify sy ireo izay mikitro-nify na mihidy vazana. Mba hisorohana ny nify tsy ho simba, dia manoro hevitra toy izao ny manam-pahaizana: Mampiasà borosy nify malefaka. Ireo nify any anatiny aloha borosina voalohany, satria eo am-boalohany, dia somary mafy na dia ny borosy malefaka aza, ary mikaoka kokoa ny famotsia-nify. Hazòny moramora amin’ny rantsantanana vitsivitsy ilay borosy fa tsy amin’ny felatanana. Ataovy manao zoro 45 degre amin’ny akanjonify ilay borosy, ary ampandalovy moramora manao boribory lavalava, fa aza atao mandroso sy miverina.
Tsy Ampy ny Mpitondra Fivavahana any Amin’ny Faritra Mihamaro Hatrany
Tonga hatrany an-tanàn-dehibe koa ny olana ny amin’ny “tsy fahampian’ny mpitondra fivavahana” tany ambanivohitr’i Etazonia, hoy ny The New York Times. Ilay lahatsoratra dia manonona ny ohatra ny amin’ny synagoga iray efa 110 taona, izay tsy nahazo raby mihitsy, na dia teo aza ny ezaka nandritra ny telo taona mahery. Hoy ilay lahatsoratra: “Tsy hoe tsy fahita izany loza manjo ilay synagoga izany. Tsy ny synagoga ihany no mihasahirana vao mahita mpitondra fivavahana hokaramaina, fa ny eglizy katolika sy protestanta koa.” Nihena 12 isan-jato ny isan’ny pretran’ny paroasy, nanomboka tamin’ny 1992 ka hatramin’ny 1997. Toe-javatra sarotra no iantsoan’ny mpitondra teny iray ho an’ny Eglizy Episkopaly ny toe-javatra misy azy ireo, satria mpitondra fivavahana latsaka ny 300 amin’ireo 15 000 no teraka taorian’ny taona 1964. Kongregasiona maherin’ny 22 isan-jato, ao amin’ny fivavahana Jodaisma Nohavaozina, no tsy manana raby miasa manontolo andro. Vao dimy taona monja izay, dia betsaka kokoa noho ny synagoga ny raby. Ny “toe-karena matanjaka” izay “misarika [ny olona] ho amin’ny sehatra ahazoam-bola be kokoa” no lazain’ny mpitondra fivavahana sasany ho mahatonga izany tsy fahampian’ny mpitondra fivavahana izany. Ny hafa indray milaza fa izany dia noho ny “fihenan’ny fahalianana” amin’ny asan’ny mpitondra fivavahana. Mampitandrina toy izao ny Raby Sheldon Zimmerman, prezidàn’ny Hebrew Union College: “Ho loza no hanjo ireo fivavahana lehibe amin’ny farany, raha tsy ampitombointsika ny isan’ireo izay mifidy ny ho tonga mpitondra fivavahana.”
Mihamijoro ny Tilikambo Mihilan’i Pise
Tao anatin’ny telo volana voalohany monja niezahana nampijoroana azy, dia efa nihaniarina dimy santimetatra sahady ilay Tilikambo Mihilan’i Pise, araka ny vaovao nalefan’ny Associated Press. Mino ireo injeniera fa amin’ny Jona 2001, dia ho efa matanjaka tsara izy io, ka ho azo sokafana ho an’ny besinimaro indray. Folo taona mahery lasa mantsy izay no niakaran’ny mpizaha tany farany tao amin’ilay tilikambo nisy efa hatramin’ny taonjato faha-12. Tamin’izay dia voalaza fa nampidi-doza ny fitongilanany, ka natomboka ny ezaka nampijoroana azy. Eo amin’ny dingana farany izao ilay asa, ary voalaza mialoha fa rehefa ho vita izany, dia hihena 50 santimetatra ny fitongilanany. Alohan’ny hanokafana azy io indray, dia hesorina ny firamainty 800 taonina nifandanja tamin’ny havesarany, napetraka teo am-potony nandritra ilay fampijoroana azy, sy ireo boribory folo vita tamin’ny tsỳ (acier) napetraka nanodidina azy mba hampahatanjaka azy.