Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao Rehetra Izao Mahatahotra Misy Antsika — Vokatry ny Kisendrasendra Ve?

Izao Rehetra Izao Mahatahotra Misy Antsika — Vokatry ny Kisendrasendra Ve?

Izao Rehetra Izao Mahatahotra Misy Antsika — Vokatry ny Kisendrasendra Ve?

MILAZA ny olona sasany hoe: ‘Eny, kisendrasendra fotsiny izao rehetra izao misy antsika.’ Misy olona hafa, indrindra fa ireo tia fivavahana, tsy miombon-kevitra amin’izany. Misy hafa koa misalasala tsotra izao. Ahoana no fihevitrao?

Na ahoana na ahoana fihevitrao, dia tsy isalasalana fa hanaiky ianao fa mahatalanjona izao rehetra izao misy antsika. Diniho ireo vahindanitra. Notombanana fa misy vahindanitra tokotokony ho iray hetsy tapitrisa eo amin’izao rehetra izao, azo dinihina. Ny vahindanitra tsirairay dia fitambarana kintana latsaka ny arivo tapitrisa ka hatramin’ny tapitrisa tapitrisa mahery.

Ny ankamaroan’ny vahindanitra dia mitambatra ho vondrona, ahitana vahindanitra am-polony vitsivitsy ka hatramin’ny an’arivony maro. Ohatra, voalazalaza ho mitovy bika amin’i Voie lactée, vahindanitra misy antsika, i Andromède, vahindanitra tsy lavitra azy io. Mifampisintona ireo fitambaran-kintana goavana roa ireo ka izany no mahatonga azy hiaraka. Izy roa ireo, mbamin’ny vahindanitra vitsy hafa tsy lavitra azy, no mahaforona ampahany amin’ny vondrona iray.

Vondrom-bahindanitra maro be tsy hita isa no mahaforona an’izao rehetra izao. Misy vondrona mifampisintona amin’ny vondrona hafa, ka mahaforona fitambarana vondrona. Tsy mandaitra intsony anefa ny fifampisintonana ho an’izay mbola lehibe kokoa noho ny fitambarana vondrona. Hitan’ny mpahay siansa fa mifampihataka ireo fitambarana vondrona. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mihamitatra izao rehetra izao. Nahazendana izany zava-baovao izany, ary toa manondro fa nisy fiandohana izao rehetra izao: fony izy io kely lavitra sy be tenan-javatra nifanizina. Matetika no tondroina amin’ny hoe big bang (fipoahana lehibe) ny fiandohan’izao rehetra izao.

Misy mpahay siansa misalasala mafy raha hahay hamantatra ny fomba niandohan’izao rehetra izao ny olombelona, indray andro any. Ny hafa manombantombana ny amin’ireo fomba nety ho nampisy an’izao rehetra izao misy antsika, nefa tsy nisy saina kinga namolavola azy. Ny gazety Scientific American tamin’ny Janoary 1999 dia niresaka momba ilay foto-kevitra hoe “Ahoana no Niandohan’izao Rehetra Izao?” Efa hita sahady fa maivana ny sasany amin’ireo teorian’ny mpahay siansa. “Mampalahelo”, hoy ilay gazetiboky, “fa mety ho sarotra be (...) ny hanaporofoan’ny astronoma ny fahamarinan’ny iray na iza na iza amin’ireo fiheverana ireo.”

Ilay fiheverana hoe vokatry ny kisendrasendra izao rehetra izao dia mitaky ny hinoana an’ilay lazalazain’ny mpahay siansa hoe “zavatra sendra nitranga” na “fifanandrifian-javatra” maro. Ohatra, hidrôzenina sy heliôma — izay ataoma tsotra indrindra — be dia be no mahaforona an’izao rehetra izao. Tsy hidrôzenina ihany anefa no ilaina mba hisian’ny fiainana fa ataoma be kojakojany kokoa — indrindra fa karbônina sy ôksizenina — be dia be koa. Taloha dia nanontany tena ny mpahay siansa hoe mba avy taiza àry ireny ataoma sarobidy ireny.

Fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny hoe amboarina ao anatin’ny kintana goavana sasany ireo ataoma be kojakojany izay tena ilaina mba hisian’ny fiainana hatrany? Ary noho ny kisendrasendra fotsiny ve no mampipoaka ny sasany amin’ireny kintana goavana ireny, ka mamoaka ny zava-tsarobidy noraketiny, dia ataoma tsy fahita firy? Anisan’ny nahita ireo zava-baovao ireo i Sir Fred Hoyle. Hoy izy: “Tsy inoako hoe hisy mpahay siansa nandinika ny porofo ka tsy hanatsoaka hevitra fa niniana novolavolaina ireo lalàn’ny fizika niokleary.”

Andeha àry isika izao handinika akaiky kokoa ny zavatra nanaovana an’izao rehetra izao misy antsika.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

NY TEORIAN’NY FITARANA

Misy mpahay siansa mino fa azo hazavaina, tsy ilana fanisiana firesahana ny amin’ny saina kinga iray, ny toetoetran’izao rehetra izao tany am-boalohany, toy ny hafainganam-pitarany marina, ohatra. Teoria iray na maromaro, antsoina hoe teorian’ny fitarana, no ianteheran’ireo mpahay siansa amin’izany. Tsy mamelabelatra momba ny fiandohan’izao rehetra izao anefa ilay teoria. Izy io dia mitaky ny hinoana ny hoe efa nisy zavatra teo aloha, ary avy tamin’io zavatra io no niandoha, noho ny kisendrasendra, izao rehetra izao misy antsika.

Araka ny voalazan’ilay teorian’ny fitarana, dia kely noho ny ataoma iray izao rehetra izao, ary nitombo tao anatin’ny iray segondra latsaka, ka lasa lehibe noho ny vahindanitra misy antsika. Voalaza fa, avy eo, dia nanohy nitatra niadana kokoa, amin’ny hafainganam-pitarana ara-dalàna, izao rehetra izao. Ankehitriny, ny ampahany hita maso amin’izao rehetra izao misy antsika dia heverina fa tapany kely fotsiny amin’izao rehetra izao lehibe kokoa. Ireo mpanao ilay teoria dia manizingizina fa noho ny kisendrasendra fotsiny no nahatonga an’izao rehetra izao hita maso hahitana filaminana mitovy hatraiza hatraiza. Mety ho hafa, eny, hisafotofoto mihitsy aza, hoy izy ireo, ny ampahany lehibe kokoa tsy hita maso. “Tsy mety hisy mihitsy fomba miorina amin’ny fandinihana, azo anaporofoana ny fahamarinan’ny [teorian’ny] fitarana”, hoy i Geoffrey Burbidge, mpahay fizika momba ny kintana. Ny teorian’ny fitarana, raha ny marina, dia mifanohitra amin’ny fomba fihevitra vaovao avy amin’ny porofo miorina amin’ny fandinihana. Hita ankehitriny fa raha marina ilay teoria, dia mitaky ny hanombantombanana ny amin’ny hisian’ny hery hafa manohitra ny fifampisintonana izany. I Howard Georgi, mpahay siansa iray ao amin’ny Oniversiten’i Harvard, dia nilazalaza ilay teorian’ny fitarana hoe: “Karazana angano siantifika mahagaga, mitovitovy ihany, fara faharatsiny, amin’ny angano hafa rehetra momba ny famoronana izay efa reko.”

[Sary, pejy 3]

Saika ny tenan-javatra rehetra eo amin’ity Sary Asehon’ny Teleskaopy Hubble any Ambony Tsy Taka-maso ity dia vahindanitra avokoa

[Sary nahazoan-dalana]

Pejy 3 sy 4 (manjavozavo): Robert Williams and the Hubble Deep Field Team (STScI) and NASA

[Sary, pejy 4]

“Niniana novolavolaina ireo lalàn’ny fizika niokleary.” — Sir Fred Hoyle, aseho miaraka amin’ny fipoahan-kintana 1987A

[Sary nahazoan-dalana]

Dr. Christopher Burrows, ESA/STScI and NASA

Photo courtesy of N. C. Wickramasinghe