Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Manify Kely toy Izao?

Nahoana Aho no Manify Kely toy Izao?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Nahoana Aho no Manify Kely toy Izao?

MANIFY sy salama i Justin nefa tsy afa-po tanteraka amin’izany toe-batany izany. “Manao izay hitomboan’ny lanjako aho”, hoy ny fiekeny. Mihinana indimy isan’andro àry izy izao, ka mahatratra 4 000 kalôria ny zavatra haniny. Tiany mba ho tonga hozatra matanjaka anefa ilay tombon-danja ho azony. Hoy koa izy: “Mifoha maraina izaho sy ny namako iray, ary miara-mankany amin’ny kianja mitafo izahay amin’ny andro sasany alohan’ny hiasana, mba hibata fonjam-by.”

Anisan’ny tanora manify koa i Vanessa. Tena afa-po amin’ny lanjany anefa izy. “Nananihany ahy ny ankizy taloha, fony aho mbola kely kokoa, ary niantso ahy hoe lava mahia”, hoy ny tsaroany. “Tsy raharahaiko intsony anefa izany. Efa toy izao aho, ka dia amboariko ny saiko.”

‘Efa toy izao ianao, ka amboary ny sainao.’ Toa torohevitra tsara izany, nefa mety ho hitanao ho sarotra ampiharina. Zatovo mantsy ianao, ka mety ho ao anatin’ny “fahatanorana vao mivelatra”. (1 Korintiana 7:36, NW ). Fotoam-piovana ara-batana haingana — mampisafotofoto indrindra — io fotoana maha maoty io. Mandritra izany, dia mety tsy hiara-mitombo ny faritra amin’ny vatanao; mety ho toa tena tsy mifanentana amin’ny faritra hafa amin’ny vatanao ny sandrinao sy ny tongotrao ary ny toetoetry ny endrikao. * Mety ho tsapanao ho hafahafa sy tsy manintona àry ny tenanao. Avy eo, dia eo koa ny hoe tsy miara-mitombo ny tanora rehetra. Koa raha mety ho efa nofosana na manana bikam-behivavy ny sasany amin’ireo mitovy taona aminao, dia mety ho toa mbola manify kosa ianao, raha oharina aminy.

Na dia betsaka aza ny efa voalaza mahakasika ny tanora mihevi-tena ho matavy, dia matetika no hadino ireo izay mihevi-tena ho manify loatra. Mety ho izany indrindra no izy eo anivon’ny foko sy ny firenena sasany tsy iheverana ny olona manify ho tsara bika. Mety hohanihanina mafy hoe “kaozatra” ny ankizivavy manify, any amin’ny faritra toy izany.

Ahoana ny amin’ny ankizilahy? Araka ny voalazan’ilay mpikaroka atao hoe Susan Bordo, dia “nisy fandinihana mahakasika ny fiheveran’ny olona ny toe-batany, natao nandritra ireo am-polony taona talohan’ireo taona 1980, ary toa nanondro fa rehefa [ni]jery fitaratra ny vehivavy, dia tsy nahita afa-tsy kilema”. Ary ny lehilahy? Hoy ihany i Bordo: “Nijery fitaratra ny lehilahy ka nahita, na bika nahafa-po azy, na bika tsara kokoa noho ny tena izy mihitsy aza, raha ny marina.” Nanomboka niova anefa izany tato anatin’ireo taona faramparany. Nampiseho lehilahy nanam-batana “tonga lafatra” ny dokam-barotra momba ny akanjo fanao anatiny, tany Etazonia sy tany amin’ny firenena tandrefana hafa. Voamarik’i Bordo fa lehilahy no mahaforona ny ampahefany mahery amin’ireo tsaboina ao amin’ny toeram-pandidiana fanatsaran-tarehy. Koa aminy, dia misy fifandraisany ireny toe-batan-dehilahy asehon’ny dokam-barotra ireny sy ny fitomboan’ny fahalianan’ny tovolahy ankehitriny amin’ny fananana vatana tomady. Mazava ho azy fa nisy vokany teo amin’ny zatovolahy izany. Mety hihevi-tena ho tsy tsara toe-batana àry izy ireo, raha tsy manam-batana nofosana tahaka ny an’ireo lehilahy mannequins.

Koa raha manify àry ianao, dia mety hanontany tena hoe: ‘Fa maninona àry izaho ity?’ Ny vaovao tsara dia hoe azo inoana fa tsy maninon-tsy maninona ianao.

Antony mahatonga izany

Ara-dalàna tanteraka raha manify ny tanora maro. Matetika izany no anisan’ny vokatry ny fitomboana tampoka sy ny fanovana simika haingana ataon’ny vatana, izay miseho rehefa zatovo ny tena. Izay fotsiny! Mazàna no mihamiadana io fanovana simika io, arakaraka ny hitomboan’ny taonanao. Raha tena manify anefa ianao na dia efa mihinana sakafo mahasalama aza, dia ho tsara ny hankanesana any amin’ny dokoteranao mba hisakanana aretina, toy ny diabeta, ohatra, izay miteraka fihenan-danja.

Nilaza toy izao tamin’ny Mifohaza! i Steven Levenkron, manam-pahaizana fanta-daza momba ny aretin’ny fihinanana tsy ara-dalàna: “Tsaroako fa nisy tovovavy nahia kely izay, nalefa tatỳ amiko, ary voalazan’ny dokoterany fa tsy fahazotoan-komana no aretiny. Ary tena toy ny olona voan’ny aretin’ny fihinanana tsy ara-dalàna tokoa izy. Tsy ela anefa dia takatro fa olana ara-batana, fa tsy ara-tsaina, no mampahia azy. Tsy hitan’ilay dokoterany fa, hay, voan’ny aretin’i Crohn, aretin-tsinay mafy, izy. Nety ho nahafaty an’io ankizivavy io izany fahadisoana izany.” Raha voan’ny diabeta na aretina hafa miteraka fihenan-danja ianao, dia fahendrena ny manaraka tsara ny torohevitry ny dokoteranao.

Mazava ho azy fa mety ho famantarana alahelom-po ny toe-batana manify indraindray. Ao amin’ilay bokiny hoe Anatomy of Anorexia, dia marihin’ny Dr. Levenkron fa nisy mpikaroka nilaza hoe “diabetika [maro be] mila dia mila insuline no voan’ny aretin’ny fihinanana tsy ara-dalàna: ao ny maniry mafy hihinana be loatra, ao ny tendan-kanina, ao ny tsy mazoto homana”. Ny dokotera mahay dia afaka mamantatra raha voan’ny aretina toy izany ny olona iray, na tsia. *

Tolo-kevitra mahasoa

Aoka hatao hoe efa tany amin’ny dokoteranao ianao, ka hita fa manify ianao, nefa salama. Inona àry izao no hataonao? Hoy ny Baiboly, ao amin’ny Joba 8:11: “Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?” Miroborobo ny zavamaniry rehefa mety tsara ny toerana misy azy ary mahazo ny tsiro mahavelona ilainy izy. Toy izany koa fa mila sakafo voalanjalanja ianao, raha tianao ny hitombo ho olon-dehibe salama. Zava-dehibe izany, na manao izay hampitombo ny lanjanao ianao, na manao izay hampihena azy io.

Aza alaim-panahy hanomboka hihinana sakafo matavy betsaka anefa, mba hitomboan’ny lanjanao haingana kokoa. Rehefa nanao fandinihana momba ny sakafo nohanin’ny mpanao “bokona hozatra” nanao fanazaran-tena i Susan Kleiner, manam-pahaizana momba ny sakafo mahavelona, dia nanamarika fa nihinana sakafo nisy 6 000 kalôria eo ho eo isan’andro izy ireo! “Ny mampanahy ny amin’ny vokatr’io fandinihana io [anefa, araka ny fahitan’i Kleiner azy], dia ny hoe zavatra matavy maherin’ny 200 grama no nohanin’izy ireo isan’andro, tamin’ny antsalany. Izany dia efa hitovy amin’ny hatavin’ny dibera 250 grama eo ho eo! Raha hanina mandritra ny fotoana fohy izany, dia hampaharary ny ankamaroan’ny olona. Raha zatra mihinana zavatra matavy betsaka toy izany mandritra ny fotoana maharitra ianao, dia hahazo aretim-po.”

Araka ny voalazan’ny Minisiteran’ny Fambolena Amerikanina (USDA), dia gliosida toy ny mofo, ny voamadinika, ny vary ary ny paty, no fototry ny sakafo voalanjalanja. Ny legioma sy ny voankazo no manarakaraka an’ireo. Mampirisika ny hihinanana hena sy zavatra avy amin’ny ronono ny USDA, nefa amin’ny antonony ihany.

Mba hanaraha-maso hoe inona marina no zavatra haninao ary toy inona ny habetsahany, dia azonao atao ny manao diarin-tsakafo. Mitondrà karine fanao am-paosy mandritra ny herinandro, ary soraty izay rehetra haninao sy ny fotoana ihinananao azy. Mety hahagaga anao ny hahita fa tsy mihinana betsaka araka ny eritreretinao ianao, indrindra raha mihazakaza-dava ny fiainanao. Zatovo be zavatra atao ianao, ka mety handany 3 000 kalôria na mihoatra mora foana isan’andro ny vatanao! Mety ho hitanao koa fa tsy voalanjalanja araka ny tokony ho izy ny sakafonao: betsaka loatra ny hani-masaka toy ny mofo gasy sy ny koba ary ny masikita, nefa tsy ampy ny voankazo sy ny legioma.

Ary ahoana ny amin’ny fanampin-tsakafo lafo vidy, toy ny vitaminina? Mety tsy hilaina akory izy ireny. Manam-pahaizana maro no mino fa afaka mahazo ny otrikaina mahavelona rehetra ilain’ny vatanao ianao raha mihinana sakafo mahasalama. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia halaviro ny vahaolana maimaika, toy ny hôrmônina sentetika atao hoe sterôida. Mampalahelo fa tsy olana eo amin’ireo zatovolahy ihany ny fampiasana tsy ara-dalàna sterôida. Hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times: “Nihabetsaka ny ankizivavy nampiasa [sterôida] — ny faniriana ho nofosana, hoy ny mpikaroka sasany, no anisan’ny mahatonga izany — ary nahatratra ny isan’ireo ankizilahy [nampiasa azy io] tany amin’ireo taona 1980.” Manaitra fa nisy 175 000 ny zatovovavy any Etazonia miaiky fa mampiasa sterôida. Maro be ny vokany hafa mampidi-doza misy fifandraisany amin’ireny fanafody ireny, anisan’izany ny volo maniry eo amin’ny tava, ny fadimbolana tsy tonga ara-dalàna, sy ny kanseran’ny nono eo amin’ny vehivavy, ny kanseran’ny prostaty eo amin’ny lehilahy, ary ny lalandra tsentsina sy ny kanseran’ny aty eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy tokony hampiasaina tsy misy taratasim-panafody sy fanaraha-mason’ny dokotera mihitsy ny sterôida.

Mihevi-tena araka ny antonony sy manaiky ny zava-misy

Milaza amintsika ny Baiboly mba ‘hiheverantsika tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitsika’. (Mika 6:8, NW ). Anisan’ny fiheveran-tena araka ny antonony ny fahatakarana fa misy fetra ny mety ho vitan’ny tena. Hanampy anao hanaiky ny tena fisehoanao ivelany ny fiheveran-tena araka ny antonony. Tsy misy maha ratsy ny faniriana ho tsara bika akory. Kanefa, tsy mahasoa na iza na iza — afa-tsy ny indostrian’ny lamaody sy ny sakafo ihany angamba — ny fifantohana be loatra amin’ny fisehoanao ivelany. Miara-manaiky ireo manam-pahaizana momba ny vatana tomady fa ny lehilahy amin’ny ankapobeny, dia tsy manana tsotra izao ireo fototarazo ilaina hahatongavana ho mpanao “bokona hozatra” ambony karazana indrindra eran-tany, na misakafo tsara sy manao fanazaran-tena toy inona aza izy. Ary raha ankizivavy ianao, dia mety tsy ho nofosana mihitsy ianao, na mihinam-be toy inona aza.

Mahaliana fa mety hanampy be mba hanarenana an’izay mety ho hitanao ho lesoka eo amin’ny bikanao ny fiheverana kely ireo fitafiana anaovanao. Aza manao fitafiana izay manasongadina tsy amin’ny antony izany tsy metimety izany. Misy manolo-kevitra ny hanaovana fitafiana mazava loko, satria ny loko matroka mazàna vao mainka mahatonga ny olona ho hita ho manify.

Tadidio koa fa zava-dehibe lavitra noho ny fisehoanao ivelany ny toetranao. Rehefa ela ny ela, ny tsiky mahafinaritra, sy ny fihetsika feno hatsaram-panahy dia hanampy be noho ny hozatra mivohitra na ny refin’akanjo toy izao na izao, mba hahatonga anao hanintona ny hafa. Raha manambany anao tsy an-kijanona ny namanao satria manify ianao, dia mitadiava olona izay mihevitra anao ho sarobidy noho ny toetra ao anatinao, toetra antsoin’ny Baiboly hoe “ilay olona miafin’ny fo”. (1 Petera 3:4, NW ). Farany, dia aza hadinoina na oviana na oviana fa “ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo”. — 1 Samoela 16:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ireo lahatsoratra “Les jeunes s’interrogent...” manao hoe “Est-ce que je grandis normalement?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Septambra 1993.

^ feh. 12 Jereo ireo lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...” manao hoe “Nahoana no Mibahana ao An-tsaiko ny Lanjako?” sy ny hoe “Ahoana no Ataoko mba Tsy Hibahana ao An-tsaiko Intsony ny Lanjako?” ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 May sy 8 Jona 1999.

[Sary, pejy 14]

Misy tanora manamelo-tena lava satria manify izy